Vatsy Fifohazana

Vatsy Fifohazana Informations de contact, plan et itinéraire, formulaire de contact, heures d'ouverture, services, évaluations, photos, vidéos et annonces de Vatsy Fifohazana, Organisation religieuse, Châteaudun.

Pejy misokatra hoan'ny rehetra izay liana amin'ny vaha-olana sy tari-dalana pratika avy amin'ny Soratra Masina eo amin'ny lafim-piainany manontolo ary indrindra ho Fifampaherezana mitohy amin' ny Fifampitondrana am-bavaka ireo rehetra mila izany.

Misaotra an'Jesosy ary misaotra ny mpikarakara sy ireo tonga nanotrona rehetra fa VITA SOA ny Isan-kerintanam-pifohazana...
15/07/2024

Misaotra an'Jesosy ary misaotra ny mpikarakara sy ireo tonga nanotrona rehetra fa VITA SOA ny Isan-kerintanam-pifohazana FPVM FRANCE EUROPE 2024 - CHATEAUDUN .

Miarahaba manokana ireo voatokana ho Mpiandry .

Hoan'Andriamanitra irery ny voninahitra . AMEN

✅ « Ny tanin'ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan'izay tsy rariny. »(Ohabo...
09/07/2024

✅ « Ny tanin'ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan'izay tsy rariny. »(Ohabolana 13:23)✅

Nohon’ny fahasoavan’Andriamanitra dia hiatrika ny ISAN-KERINTAONAM-PIFOHAZANA 2024 isika aty ampitan-dranomasina

Izany dia ho tanterahina ao amin’ny Site du Lycée d'Enseignement Agricole Privé , 2 Rue Nermont – 28200 CHATEAUDUN ny Zoma 12 ka hatramin’ny Alahady 14 Jolay 2024 .

Toy izao ny ho fandaharam-potoana amin’izany :

🟪Zoma 12 Jolay 2024 : Fanokafana amin’ny fomba oficialy

🟪Sabotsy 13 Jolay 2024 :
o 06 h 00 : Maraim-baovao
o 09 h 00 : Fotoan-dehibe
o 14 h 30 : Fotoan-dehibe + Asa sy Fampaherezana
o 21 h 00 : Antsam-piderana

🟪Alahady 14 Jolay 2024
o 06 h 00 : Maraim-baovao
o 09 h 00 : Fotoan-dehibe + Fanokanana Mpiandry andiany « Mpiasa Tsara »

✅Noho izany , Izahay Komity Mpanomana sy mpikarakara dia miantso sy manentana antsika rehetra tsy an-kanavaka izay maniry handray herim-panahy sy hanovo bebe kokoa ny mahakasika ny fiorenam-po amam-panahin’ny Kristianina MIFOHA hiatrika sy hiaina izany fivahiniana Masina lehibe izany .

MANANTENA HIHAONA AMINAO INDRAY NY TOMPO .

Ny voninahitra dia hoan’Andriamanitra irery ihany !

SAMIA HO TAHIAN’NY TOMPO TOMPOKO

Romana 8:28"Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso ara...
10/12/2023

Romana 8:28
"Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo."

Misaotra an Andriamanitra lehibe fa nohon'ny fahasoavany sy famindram pony de tontonsa soa aman tsara ny Batisa sy fanokanana Katekomena anio Alahady 10 Décembre 2023 teo amin'ny Fpvm Nantes Ziona Fivavahana .

Fotoana tena nahafinaritra ihany koa fa nahafahana nitory ny tenin'Andriamanitra tamin' ny vazaha sy malagasy marobe mpanotrona ka nampafatanana azy reo fa mbola miantso sy mitady azy Jesosy ary hisy farany izao rehetra izao.

Ny voninahitra dia hoan 'ny Tompo irery ihany.

Mangataka anao hanao hoe "AMEN "mba ho fangatahana ny Fanahy Masina hiasa amin'ireo izay tsy mino sy efa niverin dalana .

Amen ❤️

"Mais à tous ceux qui l'ont reçue, à ceux qui croient en son nom, elle a donné le pouvoir de devenir enfants de Dieu," ....
28/05/2023

"Mais à tous ceux qui l'ont reçue, à ceux qui croient en son nom, elle a donné le pouvoir de devenir enfants de Dieu," ...Jean 1:12

Mon Ami ,
Mon Amie ,

Il faut savoir trouver dans la célébration du jour de la Pentecôte une source de vie et de délivrance par le Saint Esprit!

Ce Jour Saint Chrétien est un message d’espérance qui nous enseigne que malgré nos faiblesses de pécheurs, Dieu et miséricordieux et clément!

Les femmes et les hommes croyants sont sauvés et peuvent vivre libres, le cœur et l’âme apaisés.

Que ce beau message de foi nous guide sur le chemin de l’espérance et de la sérénité spirituelle.

Une joyeuse fête de la Pentecôte à toi !
Mes meilleurs vœux de bonne fête à ta famille et tous tes proches.

20/04/2023
22/01/2023

NY TENIN'ANDRIAMANITRA , LOHARANOM-PITAHIANA HO ANAO.

***ALEFASO MP AMIN'ITY ROHY ITY NY FANGATAHAM-BAVAKA ATAONAO : m.me/Pstmifohaza (Rojom-bavaka sy Asam-pifohazana à Distance mitohy tsy tapaka isan’andro)

MINOA AN’I JESOSY KRISTY TOMPO DIA HOVONJENA IANAO ARY HAHAZO NY FIAINANA MANDRAKIZAY.

Adresse

Châteaudun
28200

Notifications

Soyez le premier à savoir et laissez-nous vous envoyer un courriel lorsque Vatsy Fifohazana publie des nouvelles et des promotions. Votre adresse e-mail ne sera pas utilisée à d'autres fins, et vous pouvez vous désabonner à tout moment.

Contacter Le Lieu De Culte

Envoyer un message à Vatsy Fifohazana:

Partager