Marka 16 : 15 - Pst Tahina

Marka 16 : 15 - Pst Tahina Kontaktinformationen, Karte und Wegbeschreibungen, Kontaktformulare, Öffnungszeiten, Dienstleistungen, Bewertungen, Fotos, Videos und Ankündigungen von Marka 16 : 15 - Pst Tahina, Religiöse Gemeinschaft, Wittenberg.
(1)

Ny hampahery anao sy hampiorina tsara anao ao amin'i Jesoa Kristy ary hanompo Azy ao amin'ny Fiangonana efa misy anao no tanjonay fa tsy hitaona anao hivavaka aty aminay

28/08/2026

✅Raha atao eo aloha ny vola, dia lasa mauvais maître; fa raha atao aoriana kosa izy, dia tonga bon serviteur.

22/08/2026

✅Sao dia variana loatra ianao ety eh? Vitanao ve ny asa nampanaovin'ny Tompo anao?

❤️Fahatsiarovana mamy tany Israely.Fanaovan-jiro volamena fito sy fiaran'ny fanekena, izay fanaka samy misy dikany lalin...
20/08/2026

❤️Fahatsiarovana mamy tany Israely.

Fanaovan-jiro volamena fito sy fiaran'ny fanekena, izay fanaka samy misy dikany lalina be avokoa tao amin'ny Tabernakely. Hainao ve izany resaka izany? Any amin'ny Bokin'ny Eksodosy no manazavana azy.

Raha mahaliana anao ny handalina ny bokin'Eksodosy, Romana sy Galatiana, Nomery ary Asan'ny Apostoly, miaraka amiko, eto amin'ny facebook, dia vangio ity rohy ity ahitanao ny andinindininy rehetra. 1 Septembre no hanomboka ny fianarana.

https://forms.gle/LT1ZnwzMMKbcEXPu5

« Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra* ahy? » (Asan'ny Apostoly 8:31a)

SOLI DEO GLORIA

19/08/2026

✅Mirosoa amin'ny lalindalina hatrany amin'ny fanarahana ny Tompo.

Liens hisoratana anarana miaraka amin'ny andinindininy rehetra:

https://forms.gle/NmpvYzwjJjVJpUCV7

SOLI DEO GLORIA

❤️Ireto ny torohevitro momba ny visa sy ny fandaharam-pitsidihana ho anareo nangataka:VISA✅️Ny olona manana nationalité ...
18/08/2026

❤️Ireto ny torohevitro momba ny visa sy ny fandaharam-pitsidihana ho anareo nangataka:

VISA

✅️Ny olona manana nationalité européenne: tsy mila visa, fa mila manao ETA-IL (autorisation électronique) online mialoha ny fiaingana fotsiny.

✅Ny o️lona mipetraka aty Eoropa nefa tsy manana nationalité européenne: mila mangataka visa. Tsara raha maka RDV iray volana mialoha. Azo eo no eo ny visa.

✅️Ny olona mipetraka any Madagasikara: manatona ny Satguru Travel, Ankorondrano, tokony ho 2 volana mialoha, ary any no ametrahana ny antontan-taratasy rehetra.
Tel: +261 34 42 932 43

FANDAHARAM-PITSIDIHANA – 8 ANDRO
(4 andro mipetra amin'ny hotel iray any Nazareta, dia 4 andro mipetraka amin'ny hotel iray any Jerosalema).

1️⃣Andro 1 – Zoma
Fahatongavana airport Ben Gourion Tel Aviv → Nazareta. Fangalana aina sy fandaminana.

2️⃣Andro 2 – Asabotsy
Kana (Rano ho divay), Tendrombohitra niovany tarehy, m**o dimy sy hazandrano roa, Kapernaomy, tranon’ny rafozambavin’i Petera, Tendrombohitra nitorian'i Jesoa teny ary Ranomasin’i Galilia.

3️⃣Andro 3 – Alahady
Fanompoam-pivavahana ao amin’ny Basilique de l’Annonciation (Tranon'i Maria), toerana fahatsiarovana an’i Josefa, Fantsakan’i Maria ary Ariel any Samaria (Tabernakely).

4️⃣Andro 4 – Alatsinainy
Korazina, Betsaida, Banias/Césarée de Philippe (toerana nanambaran’i Petera fa Jesoa no Mesia) → Jerosalema.

5️⃣Andro 5 – Talata
Samaritana Tsara Fanahy, Qumran, Jeriko ary Ranomasina Maty.

6️⃣Andro 6 – Alarobia
Tendrombohitra Oliva, toerana niakaran’i Jesoa tany an-danitra, toerana nitomaniany an’i Jerosalema, Getsemane, Efitrano ambony (nilatsahan'ny Fanahy Masina sy nanorenany ny fanasan'ny Tompo) Cénacle, Fasan’i Davida ary Betlehema.

7️⃣Andro 7 – Alakamisy
Dobo Bethesda, Via Dolorosa (lalan'ny hazo fijaliana), Kalvary/Golgota, Saint-Sépulcre, Rindrina Fitomaniana ary Garden Tomb.

8️⃣Andro 8 – Zoma
Fotoana malalaka → Airport Ben Gourion → Fiverenana.

Fanamarihana: Ny fividianana voandalana dia tsara atao tsikelikely eny amin’ireo toerana tsidihina, mba tsy hanokana fotoana manokana ho amin’izany. Mbola betsaka ny toerana azo jerena fa ianao no mandrindra azy.

Very fotoana fotsiny ianao raha vao tsy misy guide, i Fabian dia afaka sady chauffeur no guide raha olona tsy mihoatra ny 4, miteny frantsay izy. (Whatsapp: +972 52-390-0402)

Tongava soa any Israely 🇮🇱

SOLI DEO GLORIA

❤️Budget estimatif pour 8 jours en Israël🇲🇬 Départ depuis Madagascar✅️Visa + assurance + frais divers : 300 €✅️Billet d’...
18/08/2026

❤️Budget estimatif pour 8 jours en Israël

🇲🇬 Départ depuis Madagascar

✅️Visa + assurance + frais divers : 300 €
✅️Billet d’avion aller-retour : 1 500 €
✅️Hébergement à Nazareth – 4 jours, petit-déjeuner inclus : 400 €
✅️Hébergement à Jérusalem – 4 jours, petit-déjeuner inclus : 400 €
✅️Visites + transports + guide : 800 € (environ 100 €/jour/personne)
✅️Déjeuner + dîner : 400 € (environ 50 €/jour/personne)
✅️Imprévus : 200 €
✅️Voandalana / achats personnels : selon chacun

TOTAL ESTIMATIF : 4 000 € / personne + voandalana

🇪🇺 Départ depuis l’Europe

✅️Visa + assurance + frais divers : 100 €
✅️Billet d’avion aller-retour : 500 €
✅️Hébergement à Nazareth – 4 jours, petit-déjeuner inclus : 400 €
✅️Hébergement à Jérusalem – 4 jours, petit-déjeuner inclus : 400 €
✅️Visites + transports + guide : 800 € (environ 100 €/jour/personne)
✅️Déjeuner + dîner : 400 € (environ 50 €/jour/personne)
✅️Imprévus : 200 €
✅️Voandalana / achats personnels : selon chacun

TOTAL ESTIMATIF : 2 800 € / personne + voandalana

NB : Moyenne/estimation daholo ireo chiffres ireo. Mety ho latsaka kely na hiakatra kely arakaraka.

❤️Eto aho dia maneho fisaorana feno ny ekipa mpanohana ny Pejy Marka 16:15 izay nitondra am-bavaka sy namatsy ny fandehananay tany Israely farany teo. Tsy misy very ny soa vitanareo.

SOLI DEO GLORIA

17/08/2026

❤️Mofo dimy sy hazandrano roa, teto no niseho izany tantara izany. Tsy mbola miova i Jesoa, ny anarany atao hoe Mahagaga. Mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahinao Izy fa matokia Azy.

Guide: Mr Fabian (whatsapp: +972 52-390-0402).

SOLI DEO GLORIA

❤️Izy no mopera Tatasoa Jacques, avy amin'ny fikambanana Lazarista. Mianatra sy monina eto Jerosalema ny tenany ary anis...
15/08/2026

❤️Izy no mopera Tatasoa Jacques, avy amin'ny fikambanana Lazarista. Mianatra sy monina eto Jerosalema ny tenany ary anisan'ny nitondra anay mitety ny tanana.

Manana pejy izy hoe "Vangio Israël" hizarany ireo toerana manan-tantara maro aty Israely. Afaka hangalana hevitra izy rehefa tonga aty ianao. Araho ny pejiny, ity ny rohy:

https://www.facebook.com/share/1EBtRN7kc4/

SOlI DEO GLORIA

15/08/2026

❤️Ny fandehanana taty Israely no voyage nanahirana ahy indrindra ny nanomana azy teo amin'ny fiainako. Tena mitaky finoana be hioharana ireo sakatsakana maro dia maro ary hatramin'ny ora farany mbola matahotra kely ihany hoe ho lasa sa tsia (izay ilay maha olombelona). Fa dia nanehoan'ny TOmpo ny voninahiny mandrakariva, rehefa miroso ka matoky Azy.

"Rehefa te andeha ianao dia karakarao ny visa, dia rehefa ok, dia vidio ny billets, fa aza miandry ny toe-draharaha aty Moyen orient hilamina izany fa io tsy hilamina izany, rehefa tonga aty ianao dia ho hitanao fa tsy hisy zava-mampatahotra izany, an'ny TOmpo ny aina, ka raha aty no hangalany anao dia izay izany."

SOLI DEO GLORIA

Adresse

Wittenberg
06886

Webseite

Benachrichtigungen

Lassen Sie sich von uns eine E-Mail senden und seien Sie der erste der Neuigkeiten und Aktionen von Marka 16 : 15 - Pst Tahina erfährt. Ihre E-Mail-Adresse wird nicht für andere Zwecke verwendet und Sie können sich jederzeit abmelden.

Die Kultstätte Kontaktieren

Nachricht an Marka 16 : 15 - Pst Tahina senden:

Verknüpfungen

Teilen