06/07/2026
Misaotra ny Tompo isika fa tanteraka soa ny fanokanana ho fiangonana Fjkm Bayern Fitiavana ny Vomm Bayern ny asabotsy 04 Jolay lasa teo.
Mamerina ihany koa ny fankasitrahana sy fisaorana ny rehetra, tsy nahalavitany, nanokana sy nanotrona anay tamin'izany.
✨ Anisan'izany ianareo solontena avy ao amin'ny Birao Foibe Fjkm, ireo solontena avy ao amin'ny SP VFA 37 notarihin'ny Filohan'ny SP, ireo Mpitandrina rehetra sy ny fiangonana, ny Vomm Fjkm rehetra, ireo solontenan'ny Sampana rehetra, ary ireo solontenan'ny Diakona rehetra ato anatin'ny SP VFA 37 tonga maro nanotrona anay.
✨ Teo ihany koa ireo fiangonana rahavavy maro, naneho fitiavana ka niombom-pifaliana taminay tamin'izany.
✨ Isaorana ny mpitandrina mianakavy, mpiahy ny fiangonana sy ireo Komitin'ny fanokanana tamin'ny fanoloran-tena tamin'ny fanomanana rehetra ny ho an'ny fanokanana.
✨ Tsy adino indrindra ihany koa ny Kristianina tsirairay ao amin'ny fiangonana niara-nientana sy niara-niasa ary nitondra am-bavaka ny fanokanana.
Hoy ny tenin'ny Tompo aminareo:
Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, Hebreo 6:10a
Izy anie hamaly fitia anareo.
Tahian'ny Tompo daholo tompoko.
Ho an' Andriamanitra irery anie ny voninahitra.