VOMM FJKM Berlin

VOMM FJKM Berlin Kontaktinformationen, Karte und Wegbeschreibungen, Kontaktformulare, Öffnungszeiten, Dienstleistungen, Bewertungen, Fotos, Videos und Ankündigungen von VOMM FJKM Berlin, Religiöse Gemeinschaft, Berlin.

🤍 FANOMPOAMPIVAVAHANA 🤍✨ “Meteza hiasa amin’ny Finoana” ✨ASA SY FAMPAHEREZANA📖 Ary hoy Jesoa taminy:“Mandehana ianao, ny...
29/08/2026

🤍 FANOMPOAMPIVAVAHANA 🤍

✨ “Meteza hiasa amin’ny Finoana” ✨

ASA SY FAMPAHEREZANA

📖 Ary hoy Jesoa taminy:
“Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao.”
— Marka 10:52a

🙏 Fotoana iray hiombonana amin’ny fiderana, vavaka, fampaherezana ary fanompoana an’Andriamanitra.

📅 Alahady 13 Septembre 2026
🕓 16h

📍 Toerana :
Elsa Brandström Str 36
13189 Berlin
(Rihana 1)

📧 Infoline :
[email protected]

🥞 Hisy collation aorian’ny fotoana.

🤍 Tongava maro, fa misy toerana ho anao!

VOMM FJKM Berlin 🇲🇬🙏

🙏✨ FANOMPOAM-PIVAVAHANA | VOMM FJKM BERLIN ✨🙏Am-pifaliana no anasana antsika rehetra hiara-hivavaka sy hiombom-po amin’n...
12/08/2026

🙏✨ FANOMPOAM-PIVAVAHANA | VOMM FJKM BERLIN ✨🙏

Am-pifaliana no anasana antsika rehetra hiara-hivavaka sy hiombom-po amin’ny Tompo amin’ity Alahady 23 Aogositra 2026 ity. ❤️

📖 Lohahevitra :
« Mahatoky amin’ny asany ny Mpino. »

Amin’ny maha-mpino antsika dia antsoin’Andriamanitra isika haharitra sy hahatoky amin’ny asa napetrany eo am-pelatanantsika. Fotoana iray hiarahantsika midera, mihaino ny Tenin’Andriamanitra, mivavaka ary manavao ny fanoloran-tenantsika ho Azy. 🙌

🍞🍷 Fandaharam-potoana :
Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo

⛪ Mpitandrina :
Pst Tahina Rahandrifenosoa

📅 Alahady 23.08.2026
🕓 Ora : 4 ora hariva
📍 Toerana : Elsa-Brändström-Straße 36, 13189 Berlin (Rihana faha-2)

💌 Infoline : [email protected]

Tongava miaraka amin’ny fianakaviana sy ny namana. ❤️
Misy toerana ho anao!

👉 Zarao ity fanasana ity ary manasà olona iray hiaraka aminao. 🙏✨

✨ “Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina.”📖 Salamo 133:1🌿🎉 FITSANGATSANGANAN’NY FIANGONAN...
27/07/2026

✨ “Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina.”
📖 Salamo 133:1

🌿🎉 FITSANGATSANGANAN’NY FIANGONANA – VOMM FJKM BERLIN 🎉🌿

📅 Daty: Alahady 09 Aogositra 2026
🕙 Ora: 10:00 maraina
📍 Toerana: Treptower Park (Rosengarten am Wasserfontänen)

🎯 Fandaharana:

🍽️ Fiaraha-misakafo
🎲 Lalao
🎶 Hirahira sy dihy
🎁 Échange de cadeau (Samy mitondra fanomezana azo atao fahatsiarovana)

🥗 Samy mitondra sakafo hifampizaràna.
🥤 Ny ranom-boankazo sy ny rano kosa dia omen’ny fiangonana.

🤝 Andao hiara-hanangana firaisankina, hifankahery ary haneho ny finoantsika amim-pifaliana🥰🥰

📢 Aza misalasala mizara ity fanasana ity amin’ny havana sy namana rehetra😊

Tongava maro🥰

SOLI DEO GLORIA🙏🏼

🙏✨ FANOMPOAM-PIVAVAHANA ✨🙏“Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho.”📖 2...
16/07/2026

🙏✨ FANOMPOAM-PIVAVAHANA ✨🙏

“Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho.”
📖 2 Timoty 4:7

Am-pitiavana sy fifaliana no anasan’ny VOMM FJKM Berlin anao sy ny ankohonanao hiara-hivavaka sy hiombom-po aminay amin’ity fanompoam-pivavahana ity.

“Manaiky ho iraka ny Mpino.”

🍞 Fandaharam-potoana :
• Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo

🙏 Mpitandrina :
Pst Tahina Rahandrifenosoa

📅 Alahady 26 Jolay 2026
🕓 Ora : 4 ora hariva
📍 Toerana :
Elsa-Brändström-Straße 36, 13189 Berlin (Rihana faha-2)

Andriamanitra dia mbola miantso sy maniraka ny olony ankehitriny. Tongava hiara-hidera, hihaino ny Tenin’Andriamanitra ary handray hery sy fitahiana ho amin’ny fiainana andavanandro.

📩 Infoline : [email protected]

“Aza misalasala manasa namana sy mizara ity fanasana ity, mba hahafahan’ny maro mandray ny fitahian’Andriamanitra.” 🙏

✨ FIARAHA-MIVAVAKA ✨📖 Lohahevitra :“Manaiky ho iraka ny mpino”“Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ...
05/07/2026

✨ FIARAHA-MIVAVAKA ✨

📖 Lohahevitra :
“Manaiky ho iraka ny mpino”

“Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’isiraely.”
— Asan’ny Apostoly 9:15

Am-pitiavana sy fifaliana no anasan’ny VOMM FJKM Berlin anao sy ny ankohonanao hiara-hivavaka sy hiara-hankalaza ny Tompo.

🗓️ Fandaharam-potoana :

🙏 Vavaka sy hira fiderana
🎵 Toriteny an-kira
🎉 Kilalao
🤝 Partage sy fiaraha-misakafo

Fotoana iray hiaraha-mivavaka, hiaraha-midera an’Andriamanitra ary hifampaherezana ao anatin’ny firaisan-kina sy ny fitiavana.

📅 Daty : Alahady 12 Jolay 2026
🕓 Ora : 4 ora hariva
📍 Toerana : Elsa-Brändström-Straße 36, 13189 Berlin (Rihana faha-2)

💚 Tongava maro! Misy toerana ho anao, ary misy fitahiana miandry anao.

📩 Infoline : [email protected]

✨ FANOMPOAM-PIVAVAHANA – FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO ✨Amim-pifaliana no anasana antsika rehetra hiara-hivavaka sy ha...
22/06/2026

✨ FANOMPOAM-PIVAVAHANA – FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO ✨

Amim-pifaliana no anasana antsika rehetra hiara-hivavaka sy handray ny Fanasan’ny Tompo ato amin’ny VOMM FJKM Berlin.

📖 Lohahevitra volana Jona :
“Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo”

📅 Daty : Alahady 28 Jona 2026
🕔 Ora : 17:00
📍 Toerana : Elsa-Brändström-Straße 36, 13189 Berlin
👨‍⚖️ Mpitandrina : Pst Tahina Rahandrifenosoa

Tongava maro ary manasà havana sy namana hiara-hidera sy hankalaza an’Andriamanitra. 🙏💜

✨🙏 FANOMPOAM-PIVAVAHANA 🙏✨Am-pitiavana sy fifaliana no anasanay antsika rehetra hiara-hivavaka sy hiombom-po amin’ny Tom...
02/06/2026

✨🙏 FANOMPOAM-PIVAVAHANA 🙏✨

Am-pitiavana sy fifaliana no anasanay antsika rehetra hiara-hivavaka sy hiombom-po amin’ny Tompo amin’ity fanompoam-pivavahana manokana ity.

📖 Fandaharam-potoana :
✅ Fandraisana Katekomena
✅ Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo

🎯 Lohahevitra :
“Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo”

Fotoana iray hiaraha-mankalaza ny fahasoavan’Andriamanitra, handraisana ny Teniny ary hanamafisana ny finoana ao Aminy.

📅 Daty : 14 Jona 2026
🕓 Ora : 16h
📍 Toerana : Elsa-Brändström-Straße 36, 13189 Berlin
🙏🏼Mpitandrina: Pst Tahina Rahandrifenosoa

Tongava maro miaraka amin’ny fianakaviana sy ny namana. Misy fitahiana sy hafatra manokana avy amin’Andriamanitra ho an’ny tsirairay.

Ao aorian'ny fotoana dia hisy fiaraha-manala hetaheta toy ny mahazatra, koa entanina isika hivimbina izay tsakitsaky sy zava-pisotro azontsika hifampizaràna🫶🏽

📩 Infoline : [email protected]

🔥 FANOMPOAM-PIVAVAHANA PENTECÔTE 🔥“Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombe...
11/05/2026

🔥 FANOMPOAM-PIVAVAHANA PENTECÔTE 🔥

“Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko...”
— Asan'ny Apostoly 1 : 8

Am-pitiavana sy fifaliana lehibe no anasan’ny VOMM FJKM Berlin antsika rehetra hiara-hankalaza ny Pentekosta ao anatin’ny fanompoam-pivavahana feno ny fanatrehan’Andriamanitra 🙏✨

📅 Daty : 24 May 2026
🕓 Ora : 16h
📍 Toerana : Elsa-Brändström-Straße 36, 13189 Berlin

🕊️ Fandaharana :

✨ Fotoam-piderana sy fankalazana
📖 Fitoriana ny Tenin’Andriamanitra
🙏 Fotoam-bavaka sy fifonana
🔥 Asa sy fampaherezana
🎶 Hira sy fanompoam-piderana
🥂 Fiarahana manala hetaheta ao aorian'ny fotoana

Fotoana iray hiarahana manandratra an’I Jesoa sy handraisana ny herin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika 🙌

Tongava maro miaraka amin’ny fianakaviana sy ny namana fa misy fitahiana ho anao 💙

📩 Infoline : [email protected]

✨ FANOMPOAM-PIVAVAHANA ✨“Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina”Manasa antsika rehetra hiara-hivavaka sy hiombom-po amin...
28/04/2026

✨ FANOMPOAM-PIVAVAHANA ✨

“Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina”

Manasa antsika rehetra hiara-hivavaka sy hiombom-po amin’ity fanompoam-pivavahana masina ity 🙏

📅 Daty : 10 May 2026
🕓 Ora : 4 ora hariva
📍 Toerana : Elsa-Brändström-Straße 36, 13189 Berlin

Aoka isika hiara-hitady ny fitarihan’ny Fanahy Masina sy handray fitahiana avy amin’Andriamanitra.🙏🏼

Tongava maro fa misy fitahiana ho anao sy ny ankohonanao 💙

Aorian'ny fotoana dia hisy ny " Collation " toy ny mahazatra , koa entanina hatrany isika hitondra izay tsakitsaky sy zava-pisotro azontsika oetina hifampizaràna☺️

📩 Infoline : [email protected]

 HO AVY IZAO ny fotoanantsika manaraka ao Pankow🌞✨ MPANDRESY NY TOMPO ✨“Fa mihoatra lavitra noho izany rehetra izany isi...
21/04/2026

HO AVY IZAO ny fotoanantsika manaraka ao Pankow🌞

✨ MPANDRESY NY TOMPO ✨

“Fa mihoatra lavitra noho izany rehetra izany isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika.” 🙏

📣 Manasa antsika rehetra ho avy @:

Fampianarana, dinidinika sy fifampizarana.

❓ Tsy maintsy mandresy foana ve ny miaraka @ Tompo?
❓ Inona no ataoko mba ho mpandresy?

📅 26 Aprily 2026
⏰ Amin’ny 4 ora hariva
📍 Evangelische Hoffnungskirchengemeinde Berlin-Pankow
Elsa-Brändström-Straße 36, 13189 Berlin

Hisy ny collation toy ny mahazatra, koa entanina isika rehetra mba hitondra tsakitsaky sy zavapisotro hifampizaràna.💖💖

Tongava maro, hiara-hianatra, hifampahery ary hitombo amin’ny finoana 🙌



SOLI DEO GLORIA🙏🏼

Adresse

Berlin
BERLIN

Telefon

+491782011141

Webseite

Benachrichtigungen

Lassen Sie sich von uns eine E-Mail senden und seien Sie der erste der Neuigkeiten und Aktionen von VOMM FJKM Berlin erfährt. Ihre E-Mail-Adresse wird nicht für andere Zwecke verwendet und Sie können sich jederzeit abmelden.

Die Kultstätte Kontaktieren

Nachricht an VOMM FJKM Berlin senden:

Verknüpfungen

Teilen