Narindra

Narindra ✍️Ny hevi-dalin'ny Matio16,18 dia na ny vavahadin'ny afobe aza tsy aharesy Azy...

10/19/2024

TAHAKA IO TSY IRARAHIANAO TENIN'ANDRIAMANITRA AMINAO VELONA IZAO IO NO TSY IRARAHIAN'ANDRIAMANITRA NY TENINAO KOA AORIAN'NY HAFATESANAO

𝐈𝐋𝐀𝐘 𝐄𝐆𝐋𝐈𝐙𝐘 𝐓𝐎𝐊𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐇𝐎𝐑𝐈𝐍'𝐈 𝐉𝐄𝐒𝐎𝐀 𝐊𝐑𝐈𝐒𝐓𝐘 ( 𝐅𝐢𝐳 1 )𝐈 / 𝐈𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐓𝐎𝐊𝐎𝐀 𝐍𝐎 𝐀𝐓𝐀𝐎 𝐇𝐎𝐄 𝐄𝐆𝐋𝐈𝐙𝐘 ? 🥰Ny Eglizy resahana eto dia tsy ...
10/18/2024

𝐈𝐋𝐀𝐘 𝐄𝐆𝐋𝐈𝐙𝐘 𝐓𝐎𝐊𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐇𝐎𝐑𝐈𝐍'𝐈 𝐉𝐄𝐒𝐎𝐀 𝐊𝐑𝐈𝐒𝐓𝐘 ( 𝐅𝐢𝐳 1 )

𝐈 / 𝐈𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐓𝐎𝐊𝐎𝐀 𝐍𝐎 𝐀𝐓𝐀𝐎 𝐇𝐎𝐄 𝐄𝐆𝐋𝐈𝐙𝐘 ?

🥰Ny Eglizy resahana eto dia tsy ilay trano vato izay toerana hiangonan'ireo Kristianina ankehitriny akory fa izao manaraka izao:

✔Ny teny hoe Eglizy dia avy amin’ny teny Grika nanoratana ny Testamenta Vaovao hoe < Ekklesia > , izay mitovy amin’ny < Qahal > Hebreo ary samy midika hoe assemblée na fiangonana .
✔Ny Qahal na fiangonana tany amin’ny fanekena taloha dia manondro ny vahokan’ Andriamanitra izay nafahany tamin’ny fanandevozana tany Egypta . Izany hoe ny Israely.
💦Eksaody 12,3Ary mitenena amin'ny fiangonan'Israely rehetra ataovy hoe:...

✔Ny < Eglizy > aty amin’ny fanekena vaovao izay avy amin’io teny Grika hoe Ekklesia io ihany , dia manondro ny vahokan’ Andriamanitra izay nafahany tamin’ny fanandevozan’ny fahotana ( Kristianina ) . Izany hoe fivondronan’ny olona voaantso nino sy mino ary hino ka manaraka ny fampianaran’i Jesoa Kristy izay novidiany tamin’ny ràny.
💦Asa 20,28Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra, nanendren'ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina mba hifehezanareo Eglizin'ny Tompo izay novidiny tamin'ny rany.

✔Ny Eglizy Kristianina dia nirahin’i Jesoa Kristy hampianatra ny firenena rehetra sy anao batemy ny olona rehetra 💦Matio 28,19...koa mandehana hianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova batemy azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina;..Ny mba hidiran’ny olona (fanahy) rehetra amin’ilay fanjakan’ Andriamanitra 💦Joany 3,5Fa hoy Jesoa: Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy indray ny olona, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra...satria ny olona rehetra sy ny firenena rehetra no tsy maintsy hanjakan’i Kristy amin’ny fiverenany.
💦Daniel 7,14..dia nomena Azy ny fanapahana, sy ny voninahitra, amam-panjakana, ary nanompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra. Fanapahana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fanapahany.

✅Izay no mahatonga ny Eglizy antsoina hoe CATHOLIQUE . Satria ny teny hoe Catholique dia azo avy amin’ny teny Grika hoe < Katholikós > izay midika hoe Universel / Maneran-tany / Ho an'ny rehetra .

✔Tsy ho tonga amin'ny olony na ny vahoakany amin'ny alalan'ny finoana na fivavahana roa samy hafa misaraka ( Jiosy / Kristianina ) mihitsy Andriamanitra . Fa tsy misy afa tsy iray ihany ny fanambarana ( révélation ) amin'ny ny finoana na fivavahana izay mitohy , ao anatin'ny Soratra Masina ( Testamenta Taloha sy Testamenta Vaovao ) . Nantsoina hoe Jody izy tamin'ny mbola teo amin'ireo vahoaka Jody fotsiny ihany , fa natao hoe Catholique kosa izy rehefa nihitatra maneran-tany .
( KFK 839 / Rom 11 ) .

👉 Ny nampiasa io voambolana hoe Catholique io voalohany moa dia I Saint Ignace D’Antioche, Izay eveka fahatelo nandimby an'I Piera apostoly tao Antiokia . Izy dia mpianatr' I Piera sy Joany mivantana , teraka ny taona +35 ary maty manodidina ny taona +107 . Tao amin'ny taratasy izay nosoratany ( talohan'ny taona +107 ) ho an’ireo kristianina tany Smyrne no nahitana izany , izay manao hoe :

« Là où parait l’évêque, que là soit la communauté, de même que là où soit le Christ Jésus, là est l’Eglise catholique » (Lettre aux Smyrniotes VIII, 2).

Ny taona +155 ihany koa I Saint Polycarpe , izay eveka tany Smyrne , mpianatry ny apostoly Joany mivantana dia nampiasa an'io voambolana io , toy izao :
« L’Eglise de Dieu qui séjourne à Smyrne à l’Eglise de Dieu qui séjourne à Philomélium et à toutes les communautés de la sainte Eglise catholique qui séjournent en tout lieu ».

☝ Araka izany dia ireo pianatry ny Apostoly mivantana ( père de l'Eglise ) , no nampiasa ny voambolana hoe Catholique mba hamaritana an'ilay Eglizy nahorin'I Jesoa Kristy tao amin'ny
🇻🇦Matio 16,18-19 .

𝐌𝐏𝐀𝐍𝐎𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 : 𝐅𝐚𝐧𝐢𝐫𝐲 𝐒𝐭𝐞𝐩𝐡𝐚𝐧𝐞 𝐃𝐚𝐝𝐨𝐮𝐳𝐲

10/18/2024

Raha Katolika ianao maniry ny handalim-pinoana lalina dia aza misalasala manotany fa hamaly anao antsitra-po.

10/18/2024

Miverina tanteraka ny pejy, ary tsarovy fa mahay manangana ny maty rehetra eo amin'ny fiainanao Andriamanitra...

10/13/2024

*ALAHADY FAHA 28 TSOTRA MANDAVANTAONA*

_Fahendrena_ 17,7-11
_Salamo_ 89,12-13.14-15.16-17
_Hebrio_ 4,12-13;
_Marka_ 10,17-30

*METY HO SAKANA TSY HAHATAFIDITRA ANY AN-DANITRA NY HARENA*

Faly miarahaba antsika rehetra amin’izao Alahady faha-28 tsotra mandavan-taona izao. Miombon-kafaliana sy fihobiana ary vavaka manokana amin’ny Diôsezin’Ambatondrazaka isika mianakavy anio, amin’izao fanamasinana an’i Mgr. Herivonjilalaina Orthasie Marcellin, Eveka vaovao hitantana azy izao.

Sady tsy mitovy no toa mifanohitra tsindraindray na matetika ny fomba fihevitry ny Testamenta Taloha (TT) sy Testamenta Vaovao momba ny harena sy ny fahantrana. Fahita matetika sy mahavantana ireo mpanoratra ao amin’ny TT ny midera ny harenan’ireo olo-malazan’ny vahoaka Israely: toa ry Jôba sy ireo mpanjaka toa ry Davida sy Jôsafata ary Ezekiasa, ohatra. Andriamanitra mihitsy no nampanan-karena an’ireo olona tia sy natoky azy, toa ry Abrahama, Isaaka, Jakôba…sns. Tamin’izany fotoana izany, ny harena dia famantarana ny fitsimbinana sy hatsaram-po amam-panahin’Andriamanitra ary taratry ny harem-be tsy hay laniana ao Aminy.

Hafa tamin’izany rehetra izany ny fihetsik’i Jesoa sy ireo kristiana tany ampiandohana. Fianakaviana mahantra no nosafidin’Andriamanitra nandray sy nitaiza Azy tonga nofo sy niara-nonina tamintsika olombelona tety an-tany. Henontsika tamin’ny Evanjely anio ny fampianaran’i Jesoa mazava an’ireo mpianany fa sarotra “ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra! […] Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra”. Hoatran’ny hoe voahozona izany ny mpanan-karena manoloana ny Fanjakan’ny Lanitra. Fa nahoana àry? Na izany aza dia mila dinihana tsara ihany ny teny rehetra voalazan’i Jesoa eto, manoloana ny zava-nisy marina tamin’izany fotoana izany. Tovolahy mpanan-karena iray izay fatra-panaja ny didin’Andriamanitra no nanontany Azy ny fomba hataony mba hahazoany ny fiainana mandrakizay.
Rehefa namaly an’ilay tovolahy i Jesoa dia tsy niteny hoe: “ireo harem-benao ireo no olana tsy hahazoanao ny Fiainana mandrakizay”, fa rehefa naheno ny valin-tenin’ilay tovolahy mpanan-karena Izy fa hoe tena mpitandrina ny didin’Andriamanitra hatramin’ny fony kely ilay io, dia hoy Izy hoe: “Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy”. Zavatra iray loha saingy misy ambaratonga maro no tsy ampy: 1. mandeha fa tsy mipetraka, 2. mivarotra fananana rehetra fa tsy manangona na mifikitra amin’izay ananana, 3. omena na zaraina amin’ny mahantra daholo ny vidiny fa tsy tahirizina any amin’ny banky na hanaovana filibana, 4. rahefa izay dia manaraka an’i Jesoa fa tsy hoe mirenireny akory.

Voalazan’i Evanjelista Marka fa nampahory an’ilay tovolahy izany tenin’i Jesoa izany “satria nanan-karena be izy, ka niala tamin’alahelo”. Voatsipika mazava koa anefa fa nijery an’ity tovolahy ity tsara i Jesoa ary “tia azy” fa tsy hoe nankahala azy ka nanao izay nahalai-monina azy, sanatria. Tia ny mpanan-karena koa izany i Jesoa fa tsy ny mahantra ihany. Tsy voalazan’i Marka kanefa toa taratra amin’ity tovolahy ity ny tsy fahalalana an’i Jesoa ho Tompon’ilay fiainana mandrakizay izay iriny fatratra. “Ry Mpampianatra tsara ô” fotsiny mantsy no fanajany an’i Jeosa fa tsy hoe: “Ry Jesoa Zanak’Andriamanitra ô”, ohatra. Tsy ratsy akory izany saingy tsy ampy. Raha fantany mantsy fa io Ilay miresaka aminy io no Ilay Làlana sy Fahamarinana ary Fiainana mandrakizay izay tadiaviny sy miantso azy hoe “avia hanaraka Ahy” rahefa vitanao avokoa izay rehetra nasaiko ataonao dia tsy maintsy ho nihazakazaka Izy nanao ireo hafatra rehetra ireo. I Jesoa koa teto tsy niteny mivantana hoe “Izaho no Tompon’ilay Fiainana tadiavinao ka avia ianao hanaraka ahy, raha te hiditra any”.

Ny tohin’ny tenin’i Jesoa tamin’ireo izay nanatri-maso dia hoe: “Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’ny lanitra”. Naveriny fanindroany mazava kokoa izany nanao hoe: “Sarotra, anaka, ny hidiran’izay miankina amin’ny harena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra”. Tsy hoe tsy tia harena na ny mpanan-karena akory i Jesoa, Zanak’Andriamanitra Izay sady namorona no Tompon’ireny harena rehetra ireny, fa asehony mazava tsara eto fa tsy maintsy manaraka sy mandray Azy aloha isika izay vao afaka migalabona amin’ireny hareny rehetra ireny. Ho tompon’ny tany sy lanitra izay rehetra manaraka an’i Kristy: sady “hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity […] ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy”. Natao hahatongavana amin’i Kristy sy hahalalana Azy ny lalàna sy ny harena rehetra tandremana sy ananantsika.

Ry Maria Renin’i Jesoa ô, ahirato mandrakariva ny mason’ny fanahy amam-batanay mba hahita mazava fa i Kristy Zanakao no harena tokana aman-tany tokony hiankinanay hatreto an-tany ka hatrany an-danitra, dia hiadana sy ho finaritra miaraka aminao mandrakizay izahay. Fr.VaVeCSsR,13/10/2024.

*ALAHADY FAHA 27 TSOTRA MANDAVANTAONA – B*  _Jenezy_ 22,18-24; _Salamo_ 127,1-2.3.4-5.6; _Hebrio_ 2,9-11;  _Marka_ 10,2-...
10/06/2024

*ALAHADY FAHA 27 TSOTRA MANDAVANTAONA – B*

_Jenezy_ 22,18-24; _Salamo_ 127,1-2.3.4-5.6; _Hebrio_ 2,9-11;
_Marka_ 10,2-16

*FIANAKAVIANA IRAY NY OLOMBELONA*

Faly miarahaba antsika rehetra amin’izao Alahady faha-27 tsotra mandavan-taona izao.

Raha mandinika ny fahasamihafan’ny volon-koditra sy ny toe-batan’ny olombelona eto an-tany, dia manahirana be ihany ny milaza fa lehilahy iray sy vehivavy iray no niandohantsika rehetra. Tsy mba ny mpanoratra ny boky Jenezy fotsiny anefa no manamarina an’izany, araka ny henontsika anio, fa i Jesoa Zanak’Andriamanitra mihitsy, Izy izay niaraka tamin’ny Rainy hatrany amboalohany namorona izao rehetra izao. Hoy indrindra Izy mantsy ny olombelona fatra-pisaratsaraka hoe: “Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra; noho izany dia handao ny Ray aman-dReniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roroa; koa tsy roa intsony fa nofo iray ihany. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona” (Mk 10,6-9).

Voa-Janahary ao amin’ny tenantsika ny filana te hihaona amin’ny olon-kafa izay afaka miombona amintsika. Antso fototra indrindra amin’izany fiombonana izany ny fanambadiana izay iandohan’ny ankohonana sy fianakaviana ary firenena. Ny Mpahary mihitsy no niaiky tany am-pamoronana nanao hoe: “Tsy tsara raha irery ny olona; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy” (Jen 2,18). Tena nahatsapa tokoa i Adama, ilay lehilahy (Ish) nohariana voalohany, fa olona hafa mitovy amin’ny tenany ihany i Eva, ilay vehivavy (Isha) noharian’Andriamanitra ho namany fa tsy fanaka malemy ho azy, sanatria, ka loa-bava niteny hoe: “Amin’izao, ity no taolana avy amin’ny taolako, sy nofo avy amin’ny nofoko” (Jen 2,23). Ny fahariana antsika ho lehilahy sy vehivavy dia tsy afa-misaraka amin’io misterin’ny fifanatonana, fifampiresahana sy fifanampiana ary fiombonana amin’ny hafa mitovy amintsika io. Tsy any amin’ny lehilahy irery na amin’ny vehivavy irery ny tsiambaratelon’ny maha izy azy ny olombelona sy ny fampivoarana azy ireo fa ao amin’ny fifanampiana sy fiombonana lavorary eo amin’ny lehilahy sy vehivavy misy eto ambonin’ny tany. Mijanona ho ezaka hotratrarina hatrany kanefa izany mandraka ankehitriny.

Ny boky Jenezy dia mampianatra antsika fa mbola lehibe sy avo lenta amin’ny fatorana hafa rehetra ny fifamatoran’ny lahy sy ny vavy amin’ity fiainana ity. Ny fifamatoran’ny lehilahy iray amin’ny vehivavy iray ara-panambadiana no mampifamatotra azy ireo koa amin’Andriamanitra, ka mahatonga azy roa, izay lasa iray, ho hafa-manohy ny asa fahariana ny olombelona eto ambonin’ny tany. Ny fiombonam-batan’ny lehilahy sy ny vehivavy ho iray no lasa fiombonana am-panahin’olombelona amin’Andriamanitra, ka afa-miteraka olona vaovao sy lavorary tanteraka. Izany no maha masina sy tsy azo sarahana ny fanambadiana araka fampianaran’i Jesoa ny sy ny Egliziny. Imbetsaka Andriamanitra no manohatra ny fanambadiana amin’ny fitiavany antsika izay tsy mivadika. Ho Azy, dia tsy vitan’ny fifampitoriana fitiavana na fampiarahana eny rehetra eny fotsiny ny fanambadiana, ka ho azo ravana rehefa hoatra izany, fa sakramenta maninteraka ny fanahin’ireo izay “nakamban’Andriamanitra”, ka tsy azon’olombelona sarahana amin’ny nahim-pony.

Fanomezan’Andriamanitra entina handrindrana sy hampivelarana ary hampiadanana ny fiain’ny zanak’olombelona eto an-tany ka hatrany an-danitra ny fiombonan’ny mpivady sy ny tsy maha azo ravana ny fanambadiana, ka tsy maintsy raisina am-pitiavana sy an-kafaliana raha te ho sambatra ireo izay voaantso ho amin’izany. “Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, izay mizotra feizay amin’ny lalany. […] Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-trano; ny zanakao solofon’ôliva manodidina ny latabatrao” (Sal 127,1-3). Avy amin’io fiombonan’ny mpivady io no miainga ny fatoram-pihavanana mampiombona ny olombelona rehetra eto an-tany. Koa raha goragora ny fatoran’ny mpivady dia ho toy izany koa ny fatoram-pihavanana hafa rehetra ifandraisan’ny taranaka amin’izy samy izy sy amin’Andriamanitra. Ho very avokoa ny in-droa tokon’ny fahasambarana. Raha ny tantaran’ny fanambadiana no jerena dia tena nisy fivoarana be, indrindra ny mikasika ny zon’ny vehivavy. Raha ara-dalàna ny fampirafesana taloha dia efa mba tsy toy izany intsony amin’izao; ary raha noheverina ho fanaka malemy ny vehivavy taloha dia efa mitovy zo amin’ny lehilahy kosa ankehitriny.

Na izany aza, dia tsy takona hafenina fa maro dia maro ny tokantrano mikorontana sy rava. Sarotra dia sarotra koa ny fanarenana azy ireny matetika. Dia ho gaga ve isika raha mikorontana toy izany koa ny fianakaviana sy ny firenentsika? Koa “manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana” (1 Kor 7,27), hoy i Md Paoly mantsy ny korintiana. Mifono tsiambaratelon’ny fiobonan’Andriamanitra Trinite masina amin’Izy samy Izy sy amintsika olombelona ny fanambadiana. Vokatry ny fiombonam-pitiavan’ny ray sy reny isika ka mpihavana avokoa ary mizotra mankamin’ny fiombonam-pitiavan’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, ka ho sambatra miaraka amin’ny Fianakaviana Masina tao Nazareta mandrakizay.

Ry Maria sy Jôsefa ô, mba tantano haharitra sy ho masina toy ny anareo ny tokantrano kristiana rehetra. Fr.VaVeCSsR,06/10/2024.

*ALAHADY FAHA 25 TSOTRA MANDAVANTAONA*  _Fahendrena_ 2,12.17-20 _Salamo_ 53,3-4.5.6 sy 8 _Jakôba_ 3,16-4,3 _Marka_ 9,29-...
09/22/2024

*ALAHADY FAHA 25 TSOTRA MANDAVANTAONA*

_Fahendrena_ 2,12.17-20
_Salamo_ 53,3-4.5.6 sy 8
_Jakôba_ 3,16-4,3
_Marka_ 9,29-36

*NY FIALONANA MANDRAVA FITIAVANA, NY FANETREN-TENA AHAVITANA SOA*

Faly miarahaba antsika rehetra amin’izao Alahady faha 25 tsotra mandavan-taona izao.

Ny fanenjehan’ny ratsy fanahy ny olo-marina no tena ventin-kafatry ny Tenin’Andriamanitra aroso ho antsika anio. Ekena fa tsy vitsy ireo tandindon-doza voa-janahary, toy ny hain-tany, ny horohoron-tany, ny rivo-doza, ny aretina mbamin’ny fahafatesana… sns, manakorontana ny fiainantsika olombelona eto an-tany, fa anisan’ny tena fositra indrandra ihany koa ny loza vokatry ny ataontsika olombelona ihany, toy ity hoe “fanenjehan’ny ratsy fanahy ny olo-marina” vokatry ny fialonana ity. Tsy vao izao tamin’ny tantaran’ny zanak’olombelona izany fa efa hatrany am-piandohana mihitsy raha ny tantara ao amin’ny Baiboly no jerena.

Olo-marina i Abela no nenjehin’ny Kaina rahalahiny be fialonana, toy izany koa i Josefa zanak’i Jakôba izay namidin’ny rahalahiny, i Joany Batista izay notapahin-doha sy ny mpaminany maro izay tsy voatanisa, ary mbola mitohy amin’ny fanaovana maritiry kristiana maro hatramin’izao androntsika izao. Toa efa tandra vadin-koditr’ity fiainana eto an-tany ity mihitsy ny fanenjehan’ny ratsy fanahy ny olo-marina. Ny fanenjehana ny olo-marina anefa dia tsy mihatra amin’olombelona fotsiny fa mipaka amin’Andriamanitra Izay loharanon’ny Fahamarinana rehetra koa. Tsara, araka izany, ny anaovana fandinihan-tena matetika, raha anisan’ny olo-marina izay enjehina isika na, sanatria, lasa naman’ilay ratsy fanahy mpanenjika Ilay Andriamanitry ny Fahamarinana ao amin’ny olo-marina.

Naverimberin’i Kristy matetika tamin’ireo mpianany fa noho Izy Marina, dia “hatolotra eo an-tanan’ny olombelona…, dia hovonoiny”. Eny, ny bokin’ny Fahendrena henontsika anio dia efa naminany mialoha fa hoelohina ho faty amin’ny fahafatesana mahafa-baraka ny marina (jer. Fah 2,20). Sarotra tamin’ireo mpianatra ny nandray an’izany fampianarana izany noho izy mifanohitra amin’ny fomba fiheveran’izao tontolo izao ny atao hoe Fanjakana. Tsy nahagaga raha tonga dia tany amin’ny ady seza sy voninahitra, izay tena loharanon’ny fialonana sy korontana rehetra eto an-tany no nironan’ny ady hevitr’izy ireo teny an-dalana. Ho antsika olombelona tokoa mantsy ny fanjakana dia miorina mandrakariva amin’ny hery sy ny voninahitra ary ny fandrombahana toerana voalohany. Eny, mety tsy ho lavitra ny marina ihany izany, saingy ny fomba fahazoana an’ireo rehetra ireo no tsy mifanaraka amin’ny fomban’Andriamanitra.

Halemem-panahy sy fanetren-tena no nentin’Andriamanitra manorina ny Fanjakam-pitiavany hamonjena ny mahantra (jer. Lk 4,18). Nilatsa-tena ho mpanompo mitovy tamin’ireo mpianany Izy (jer. Lk 22,27), na dia Tompo sy Mpampianatra aza (jer. Jo 13,12.15). Tsy izany ihany fa sahy nanolotra ny Ainy manontolo Izy, ny Ràny sy ny Tenany, ho an’ny ondriny rehetra. Mampianatra antsika mpianany i Kristy manao hoe: “Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompo ny olona rehetra”. Lavin’i Kristy marindrano ny faniriana te hanjaka na ho an’ny Tenany na ho an’ny Egliziny. Ny hany fahefana ankasitrahany dia ny any amin’ny toerana farany: ny fanompoana amim-panetren-tena. Ny fialonana, tokoa mantsy, mandrava fitiavana, fa ny fanetren-tena no ahavitana soa, hoy ny lohahevitra anio.

Mampalahelo fa, mandraka ankehitriny, dia tena mbola mandravarava ny fiaraha-monina sy ny fifankatiavantsika olombelona ny resaka fahefana. Tsara marihana fa tsy ny fahefana akory no ratsy fa isika izay mampiasa na nomena azy no tsy mahafehy azy. Samy ahitana an’izany lesoka izany na any amin’ny fanjakana sivily na ato amin’ny Eglizy. Tsy maro amintsika no mahay mampiasa ny fahefana araka ny sitrapon’ny Tompo, izany hoe hoenti-manompo sy mampanjaka ny soa iombonana; hany ka mikorontana daholo na ny tokatrano na ny fikambanana na ny fiangonana na ny firenena. Tsy tokony ho adinontsika fa an’Andriamanitra irery ihany ny fahefana sy ny voninahitra eto an-tany ka hatrany an-danitra. Sitrany kanefa ny mizarazara izany amintsika izay zanany tiany, ary samy tsy diso anjara fa manana ny voninahitra sy fahefana sahaza azy avy isika rehetra vita Batemy, koa tsy maintsy mifanaja sy mifanompo, raha te hiadana sy ho sambatra.

Ry Maria Ankizivavin’ny Tompo ô, ampianaro anay zanakao mandrakariva ny fanetren-tena lalina tao aminao ka nahatonga anao ho feno hasoavana sy nasandratr’Andriamanitra ho Renin’ny Zanany, ka henim-boninahitra sy fahefana ambony indrindra teto an-tany ka hatrany an-danitra. Fr.VaVeCSsR,22/09/2024.

𝗩𝗔𝗧𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗜𝗧𝗔𝗙𝗬 𝗧𝗦𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗟𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔🥰Ankafaliana hatrany no hiarahabako antsika rehetra indray anio ry Olombelona malala ao anat...
09/20/2024

𝗩𝗔𝗧𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗜𝗧𝗔𝗙𝗬 𝗧𝗦𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗟𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔

🥰Ankafaliana hatrany no hiarahabako antsika rehetra indray anio ry Olombelona malala ao anatin'ity soratsoratra natokana hifampahalalantsika ireo zavatra tokony ho fantatsika ao anatin'io fisainantsika io ity.

✍️...Be dia be ny zavatra tokony hiodina ao anatin'io saintsika io, satria ny sain'ny olombelona na ny fitadidiany dia matanjaka lavitra noho no tanjakin'ny solosaina. Ny mampalahelo anefa dia ny solosainantsika indray no be zavatra miodina kokoa noho ny ao antsaintsika ao(tsy normal izany). Noho izany, aza dontoina amin'ny resaka vary sy laoka izay fotsiny izy ka ny ampitadiavanao an'io no antom-pisiany mandritran'ny 70taona iainany ety(tsia). Omeo ny asany izy, apetraho aminy ny asany fa tena ho hitanao izany"Avoir sens de la répartie" izany. Tsy mitovy mihitsy ny fiainana mizatra mampiasa saina sy ny fiainana lazaina hoe:"tsy maka lagy". Olona fadiranovana amin'ny fanahy no tsy maka lagy, olona tsy misy raha lala.Ny ahy tena apakako lagy mihitsy satria arakarakin'ny lagy tadiaviko no idinan'ny halalin'ny adidohako ary tena tsy mahazo aina aho raha tsy maka lagy amin'ny zavatra iray mba ahafehezako azy kelikely misy ho ampitako amin'ny hafa ao aoriana. Tsy sanatria mi-ko ko eto fa raha ny tiako tsy apiana io "ko" io saingy tsy mahalaza azy tsara raha tsy ampiana dia mifona aho fa tsy maitsy napetraka eo io.

🙏Rehefa zatra mampiasa saina sy mahay "manira-tena" ny olona iray dia izay ilay mandà tena lazain'i Jesoa Kristy re a! Mandà tena izany mira maka lagy, dia i Jesoa miteny hoe:"Raha misy te hanaraka Ahy aoka izy handà ny tenany, fa ny olombelona kosa mandrara ankitsirano fotsiny hoe:"aza maka lagy". Dia hoy aho hoe aza akana lagy eo tokoa ny fiainanao fa tonga ho azy aminao eo izay ilainao...
👉Ny marina tsy mahay miresaka ny olombelona, mandainga, mamiana-diso, sy tsy mahay mandray resaka.

🔵Tao anatin'ny fahatsapana izay tsy fahazin'ny olombelona miresaka sy tsy mahay mandray resaka izay tokoa no hamoahana izao fanazavana io lohateny io izao. Ho atao amin'ny fomba tsotra hahazoanao azy mihitsy ity mba hanampy anao lalina, fa isika no mampalahelo indrindra raha tsy handray mihitsy.
❣️Vatana mitafy tsy fahalovana...

🤲Mialohan'ny hanazavana an'io aloha dia mila haintsika ny famaritana izay teny rehetra mandrafitra an'io eo.

:
✍️...Ny atao hoe vatana dia ilay fanomezana nomen'Andriamanitra anao nitoeran'ny fanahinao izay niboridana tonga eto an-tany ary tsy ahatondra koa hiala eto iny.Rafetin'ny rantsany isan-karazana (Loha, tenda, maso, orona, vava, tanana, tongotra, kibo, foitra, vody, fananahana...sns).

:
✍️...Ny antsoina hoe mitafy kosa indray dia mirakotra, tsy manao(ohatrin'ny hoe manao akanjo) fa mirakotra,toy ny hoe "mitafy lamba".

:
✍️...Ny tsy fahalovana dia mifanohitra amin'ny fahalovana. Fahalovana mira tsy fahamarinana, tsiny, ozona, fahalotoana....sns, dia mifanohitra amin'ireo no antsoina hoe:"tsy fahalovana" fahamarinana izany ,tsy fananan-tsiny, fahadiovana...sns koa.
Ka raha ho adika izany ny teny hoe vatana mitafy tsy fahalovana dia hoe:
✅Vatana mirakotra fahamarinana.

❗Io teny io tsy mandeha ho azy izany na tsy mbola ary henon'ny sofinao aza fa teny manan-danja io ary tenin'Andriamanitra fa tsy teny navoakan'ny vavan'olombelona.
💦1Korintiana13,53Fa ity mety lò ity, tsy maintsy hitafy ny tsy fahalòvana; ary ity mety maty ity, hitafy ny tsy fahafatesana.
54Ary rahefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lò ity, ka mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka amin'izay ny teny voasoratra hoe: Efa noresena ny fahafatesana ka levona...

⏩Teo no nakana ilay teny hoe:
". Teny lalina io, Fanahin'Andriamanitra no nanoratana an'io dia mazava ho azy ny olona rehetra tsy miray amin'izany dia tsy ahatakatra io teny io mihitsy". Dia fitiavana anao ahatakatra izany no anton'izao fanazavana izao.

🔵Raha mamaky isika ny contexte rehetra ao amin'io 1Korintiana15io dia mahita fa miresaka fahafatesana sy tsy fahafatesana ilay olona naoratra azy.
🎁Tsy iza izany fa i Md Paoly Apostoly. Izany Md Paoly izany, izay nitondra anarana Saoly fahiny no novain'Andriamanitra ho lasa Paoly.(Andriamanitra no manova anarana, ohatra:Rova lasa Jodita (anarana teo amin'ny Batemy) Dia ny tahaka izany koa ny an'i Md Paoly io, Saoly no anarany fahiny lasa Paoly izy rehefa nandray ny Batemy. Mpanenjika Kristianina io lahilahy io, ary tena gaigy be mihitsy, efa namono Kristianina izy. Jodaisme iringiriny, teo ambany lalàna,olona manam-pahaizana faratapony teo amin'ny Jody, teo ambany fitezana manam-pahefana faratapony, tahaka ny hoe zanaka atranon'ny olona mahay sy tompon'ny fahefana mihitsy izy tamin'izany andro izany...sns.
👉Rehefa tafahaona tamin'i Jesoa Kristy izy dia niova ny fisainany, ilay fatram-pandà fahiny no lasa nanaiky ho azy.Dia izay fihaonany tamin'i Kristy izay ilay iny no atao hoe:"Batemy". Iny Batemy iny no avoaka aminao hitamaso eo amin'ny andro nanaovana Batemy anao, izany hoe:"Andriamanitra no manao Batemy ao am-ponao fa iraka ny Pretra sy Eveka misolo tena an'Andriamanitra (miara miasa Aminy) haneo anao ankariary ilay Batemy nataon'Andriamanitra anao ao anatinao ho hian'ny maso ety ivelany.
👉Afaka vakianao tsara ny tantara niovan'io Saoly io ka naha Paoly azy fa rehefa vita ny resany sy Jesoa teo amin'ny lalana mandeha Mahitsy dia natao Batemy izy(Asa9). Izany hoe, nihaona tamin'Andriamanitra izy vao natao Batemy ankariary, fa isaorana moa ny Eglizy izay nametraka ny Batemy ho fototrin'ny Sakrameta mba ahalalan'ny olona fa raha tsy vita Batemy, sy mahatsapa ho nandray azy ianao dia tsy azo antsoina ho Kristianina izany velively. Mila tsapantsika ao anatintsika ao izay Batemy izay fa izay irery ihany no antoka hanaovantsika ny ENY fa ny mahatonga ny olona rehetra manao TSIA ny momba an'Andriamnitra dia noho ny Batemy tsy iainany.

💪Noho izany, miankina amin'io Batemy io avokoa izao resaka izao...

🔵Teboka faha telo...
Eto ambon'ity tany ity dia misy fanahy miady na azonao izany na tsy azonao. Roa ihany ny karazana fanahy misy dia ny izay atao hoe Fanahin'Andriamanitra, sy ny izay atao hoe fanahin'ny Demony. Izay iray ao anatinao amin'ireo fa tsy afaka ny sady tsara fanahy ianao no anao ratsy fanahy( izay ilay nolazain'i Jesoa hoe tsy misy afaka anompo Tomoo roa). Na izany ianao ho ratsy fanahy mpandika lalàna, loza be tsy mba mihantra na ianao tsara fanahy mora ngoraka ka miasa.

✍️...Io fanahy karazany roa misy io no navoakan'i Md Paoly eo amin'io 1Korintiana15 io ka ilazany hoe...
👉Misy ny maty misy ny nitsangana...
👉Misy ny fahafatesana misy fitsanganana...
👉Misy ny fahafatesana misy ny fahavelomana...
👉Misy mety ló misy ny tsy mety ló...
👉Misy tsy misy hajany misy ny be voninahitra...
👉Misy ny malemy misy ny mahery...
👉Misy ny vatana aina fotsiny misy ny vatana fanahy...
👉Misy ny zara misy aina misy ny olon'ny fanahy...
👉Misy ny tany misy ny Lanitra...
👉Misy ny fahalovana misy ny tsy fahalovana...
👉Misy ny mety maty misy tsy fahafatesana...

🤲Ray o! Sarotra izany teny izany! Tsy azonao ho'aho ity raha tsy maka lagy ianao, koa mazotoa ary...

🤔Eo amin'io teny izay atao hoe sarotra ireo i Md Paoly dia toy ny milaza zavatra sarotra tokoa, fa tsy sarotra izany io fa mora kely... Toy izao ary.

🧘‍♀️Ny fanahy ratsy dia tsy iza fa ny Demony, io fanahin-Demony io no mitondra ny partie voalohany amin'ireo fitanisana ireo.
❗Maty(maty ny olona iray eo anatrehan'Andriamanitra raha tsy mahazo ny resaka momba an'Andriamanitra)
❗Fahafatesana andairam-ahafatesana ny olona iray eo anatrehan'Andriamanitra raha tsy manana ilay Fanahy fiainana.Ity ilay lazaina hoe (fahafatesana faharoa)
❗Fahafatesana (malotru) maty fanahy impolie tsy mahay na inona ny olona iray eo anatrehan'Andriamanitra raha tsy mino an'i Kristy. Dia itanao avokoa ny firesak'olona tsy mino an'i Kristy fa manao firesaka Demony.
❗Mety ló, tsy andrin'io vatan'olombelona io mihitsy ny hitondra azy any am-pasana fa maika ho ló izy, maika hamoaka nana sy olotra raha ratsy ny fanahy tao anatiny.
❗Tsy misy hajany, io vatanao io tsy misy hajany avy eo anatrehan'Andriamanitra aorian'ny hafatesanao raha tsy nino an'i Jesoa ianao izao miaina izao.
❗Malemy malemy tsy mahavita inona ny olombelona eo anatrehan'Andriamanitra. Tsy misy inon'inona vitanao izany eto, na meme ny fofon'ainao aza. Mitanjaka ihany ny hainao, dia manampinampina ny fitanjahanao amin'ny zavatra mora ló.
❗Vatana aina fotsiny, maro be ny olona zara raha misy fofon'iaina fa tsy misy miditra aminy zaka jiaby ity.
❗Vatana zara fa misy aina ,dia ireo olona tsy mahay resam-panahy fa dia lany andro amin'ny zavatra tsy misy dikany...
❗Tany, mazava ho azy fa tany ny olombelona...
❗Fahalovana, ahalovana no mandrakotra ny vatan'olombelona io, tsiny, ozona...
❗Mety maty, efa hainao fa mety maty ny olombelona...

😓Ireo rehetra ireo no iatsoan'Andriamanitra ny fanahy rehetra tsy mino an'i Jesoa Kristy ho Andriamanitra. Io fanahy io no atsoina hoe fanahy mitafy fahalovana. Io fanahy io no atao hoe:"fanahy tsy marina".

✍️...Ry Kristianina havana!
Ny fitafian'ny fanahinao izany anarana hoe:"olombelona izany dia afaka miseho ety ivelany amin'ny endrikao". Tsy ataotao foana ireny maso mahita dahalo ireny dia milaza hoe:"mason'ity efa mitovy mason'ny Demony mihitsy". Izany hoe:"arakarakin'ny fanahy hoetin'io vatanao io no hita taratra ety amin'ny vatanao koa. Ratsy ny sainao dia mivoaka eo amin'io vatanao io avokoa ny hery ratsy ao anatinao izay.Mazava ho azy fa ny olona ratsy toetra izany hitanao foana ny masony sahalamin'ny mason'ny mpanosavy. Dia rehefa maty ianao ny ahalalana anao hoe mitafy fahalovana ,izany hoe:"olona nanjaka tao anatin'ny tsy fahamarinana" dia tsarovy fa mora ló io vatanao io ao apasana. Mora kely izany e! Ny nofo mangatsiakan'olona tsy mataotra an'Andriamanitra na tsy nanam-pahendrena, eny ny nofo mangatsiakan'olona tsy nahatsapa nandray Betemy io dia mora ló, mora raraka, mora mamoaka nana mora vovoka. Raha ny havanao izany mora rava ny nofony rehefa maty izy dia tongava saina fa nitafy fahalovana izy izay, olon-dratsy.

❓Azonao?

🥰Tsy adala anie ilay olona milaza hoe:"mbola tsy niravana mihitsy i Bebe na i Dadabe rehefa amin'ny vani-potoana famadiahana ireny e!
🥰Tsy adala ny milaza fa hoe:"raraka sahady i Anona". Tsy mandeha ho azy ireny fa misy antony, dia izay fandraisana ny Batemy izay no antony...

🔵Teboka farany...
Tahaka izay koa ny eto amin'ny mitafy tsy fahalovana. Ny atao hoe mitafy tsy fahalovana kosa dia ny fanahy mitafy ny fanahin'Andriamanitra. Izany hoe:"fanahy nino an'i Jesoa Kristy ho Andriamanitra fony fahavelony". Rehefa mino an'i Jesoa Kristy ianao fa Tompo Izy namonjy anao ,nanafaka anao tao anatin'io fisainana maha olombelona anao voalohany io dia indro fa tonga ao anatinao ILAY HERY izay atsoina hoe:"Fanahy tsara na hoe"Fanahin'Adriamanitra". Io Fanahin'Andriamanitra io no antsoina hoe:"Amour Agape", ilay faverina foana aminao ato hoe"1Korintiana13,4-8vakio". Ny olona mino an'i Jesoa Kristy ho Andriamanitra ihany no afaka manana hery tsara ao anatiny dia izay hery izay hita taratra ety ivelany koa tahaka ilay hery ratsy mamatotra an'ny ratsy teo koa. Izay fanahy nino, mino, hino an'i Jesoa Kristy ho Tompo izay no antsoina hoe:
✍️Nitsangana(nifoha) tao anatin'ny fahafatesam-panahy.
✍️Tafatsangana tao anatin'ny maty.
✍️Velona mandrakizay, (izay mino Ahy)
✍️Tsy mety ló, hoatran'ny vatan'io Eveka io, vatan'ny olomasina rehetra.
✍️Be voninahitra, eo anatrehan'Andriamanitra.
✍️Mahery...
✍️Vatana aram-panahy, olona aram-panahy, mpilaza zavatra lalina
✍️Fanahy velona, tsy tia mipetrapetraka fa mikarokaroka.
✍️Lanitra, tsy miay fisainana tany.
✍️Mitafy tsy fahafatesana...(velona)
✍️Mitafy tsy fahalovana, dia mitafy Fahamarinana(Jesoa Kristy).

🙄Io no atao hoe:"FAHASOAVANA".

✅Ny vatana nandray ny fahasoavana nomena azy teo amin'ny Batemy dia tsy mety ló zany io na oviana. Dia gaga ianao avy eo ilazana hoe, vatana mitafy fahasoavana ny an'ity Eveka ity, efa tsy misy aina firy taona lasa izy dia mbola io toa olona matory io ihany? Valiny dia...
😓Satria tsy misy zavatra fatatrao ilay resam-panahy dia aleonao manaratsy ny Katolika sy mitory azy ho mpanompo sampy mandrakariva. Fa alazakoanao fa mba marary ihany koa izahay mahare ireo tenitenifoananareo ireo dia hamaly koa izahay fa maty aika mandefitra lava ity.
💪Izao ary ny valiny...
🙄Ho anareo rehetra nanakiana hoe:"fahasoavana ahoana koa ity vatan'i Eveka tsy mety raraka ity?" dia hoy aho aminareo hoe:
🥱Akombony ny vava raha tsy misy zavatra hay mihitsy ilay ao anaty Baiboly fa Demony anie io mampiteny anao io. Tsy ny vatan'i Evaka tsy raraka no fahasoavana fa ilay Fanahy notafiany fahavelony dia nanatsara ny vatany. Tsy azonao izany dia mampiteny ratsy anao ny Fanahy masina.Ny Eglizy tsy manaonao foana izany mandrakizay, tsy miteniteny foana, eny MARINA MANDRAKIZAY IZANY KATOLIKA IZANY. Lalina ny fampianaran'izany Katolika izany satria avy any an-Danitra nya azy fa tsy fampianarana soratra hoatrin'ny anareo mianakavy eto ambon'ity tany ity.
🤮Ny anareo, boky, lien, site, google, zavatra ianarana andoavam-bola no izestiavana maraina atoandro hariva, irehana ho mahay tapitroatra, ireharehana ilazana fa tapi-pahaizana eo. Fa ny fianarana Katolika tompoko ny Fanahin'Andriamanitra no miasa a! Raha tsorina dia ny Fanahin'Andriamanitra no Prof de Théologie-ny. Ka ny fanotaniana apetrako aminao dia hoe:
❓"mahay noho ny Fanahin'Andriamanitra ve ianao?". ♻️Ny Fanahy masina no Teolojiana faratampony amin'ity tontolo ity na ny hita maso na ny tsy hita. Ny fisainanao olombelona io dia refesin'ny fanahin'olona mandeha aram-panahy mora fotsiny. Tsy miteny indraim-bava akory ianao dia azony hoe:"fanahy hoatr'izao no mampiteny izany olona izany".

Fehiny:

✅Ny vatana nino ny Betemy dia tsy mora ló, ary tsy ho ló izany fa mijano tahaka io matory io foana. Na iza io na iza na zaza na lehibe na antitra na tanora, ny fahafatesan'olona ratsy fanahy sy tsara fanahy TSY MITOVY. Dia manomboka izao ianao mijereha, na ao atranonao na eo amin'ny firenena fa olona nanompo Demony no mora ló rehefa maty. Olona ratsy fanahy no mora vovoka. Dia mandiniha koa ny maty eo anilanao fa matoa vatan'io izay tsy mety ló dia nitafy tsy fahalovana izy izay dia tsy misy miotsona izany eo. Izany tsy fahalovana izany no atao hoe . Ny olona manam-pinoana tsy mora ló izany, ary tsy ho ló na oviana.

🤦‍♀️Ry olombelona a! Tsy misy zavatra mandeha ho azy izany ho'aho eto fa ianao no tsy maka lagy dia tsy mahalala. Omeko ohatra ny tenako ianao, reko mitempo any anatiko any fahaveloman'i Kristy ao am-poko. Inoako1000%Izy fa Andriamanitra, nanafaka ahy tao anatin'io fisainan-Demony io. Indro nampitafy ahy ny tsy fahalovana ankehitriny, izaho izay miresaka aminareo eto izany dia sipa mitafy tsy fahalovana aho io. Omeko anao ny lakilen'ny fasanay, ary omeko tsidihinao isak'izay tianao ho tsidihina ny vata mangatsikako fa na efa maty 100taona aza aho inoako tanteraka fa tsy iraraka izany ny nofoko. Satria hainao? Misy hery tsara mampivelatra, mampatsara tarehy, mampitsiky foana ato anatiko. Ary ho hitanao fa mitsiky io tarehiko io rehefa maty aho, ary tena hitsikiako ianao hoe, ela ny ela tsy miaina ihany ny olombelona izay fatrapirehareha amin'ny ainy izay fill kely foana mitana io.

🤲Raha ohatra moa ho alain'ny Eglizy ny vata mangatsiakako amin'izany andro izany amin'ny maha olomasina ahy dia any ianao afaka mijery. Alao sary atsaina hoe: oviana aho no ho faty? Anio aho no efa milaza anao ny zavatra ho ataonao afaka firy taona akory mba hanamarinana aminao ny atao hoe tsy fahalovana? Ampanetren-tena no ilazako anao fa tsy voavahan'ny saina maha olom-belona izany resaka izany fa mistery izany, sady faminanina ka fanahin'Andriamanitra ihany no mahare izany.

✍️...Hamaranako azy...

🤯Maka ianao olona iray manana hery ratsy ao anatiny (amin'ireo mpitondra fanjakana ireo misy manana tarehin-Demony mihitsy amin'ny haratsiam-panahy)
🤯Dia maka koa ianao olona iray manana hery tsara ao anatiny...
Tsy mitovy ny fijery ireo:
👉Ilay manana hery ratsy tonga dia hitanao kitratraina izany, hitanao mora reraka antitra, mikilezodezoka, ratsy e...sns.
👉Fa ilay olona manana hery tsara kosa na ny famindrany fotsiny aza dia efa manintona anao hoe, tsara fanahy anie iny e! Maika moa fa ny fitsikiny tonga dia babo ianao hoe:"natao ho anao ny tsara rehetra".

Havako! Tsy misy mandeha ho'azy ho'aho io...

Raha tinao ny hanana hery tsara afaka isedranao ny hery ratsy dia inoy ny maha Andriamanitra an'i Jesoa Kristy, fa tsy misy mahafaka io hery ratsy mamatotra anao io afa-tsy i Jesoa Kristy...
Fatiantoka lehibe ambonin'ny lehibe ny fatiantokin'olona tsy mino an'i Jesoa ho Andriamanitra izany.

Mirary soa rehetra samia ho tahian'Andriamanitra tompoko...

Address

Jerusalem
Mount Oliver, PA

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Narindra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share