04/04/2021
TSY ATO IZY FA EFA NITSANGANA
Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian’ny Tompo.
Matio 28:6 MBP
https://bible.com/bible/873/mat.28.6.MBP
Ny P***a dia mampahatsiaro antsika ny fiombonantsika amin’i Kristy. Ny fahafatesany sy ny fitsanganany dia maneho amintsika ny fitiavany antsika na manao ahoana na manao ahoana ny trangan-javatra izay lalovantsika. Niaritra ny zava-tsarotra rehetra noho antsika Izy, araka izay voasoratra ao amin’ny Isaia 53: 2-4, hoe, Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy sy tahaka ny solofon-kazo amin'ny tany karankaina; tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy. Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, Ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.
Inona no mampahory anao amin’izao fotoana izao? Mety aretina, mahatsiaro ho irery, fahasarotam-piainana, faharerahana ara-batana, ara-tsaina, sy ara-panahy koa, sns…
Mahafantatra sy mahazo tsara ireo zavatra izay lalovanao ireo Jesosy, satria efa niatrika ny mafy indrindra ho anao Izy teo ambony hazo fijaliana.
- Nolavina sy natao tsinotsinona Izy, nefa dia Ilay Andriamanitra mpanao fahagagan-dehibe
- Nampijaliana Izy, na dia Ilay masina indrindra aza
- Nororana izy sady koa nokapohana, nefa dia Ilay Zanak’Andriamanitra
- Nasiana totohondry mihitsy aza moa, nefa dia tsy mba nanao ratsy
- Irery izy koa tamin’izany fotoana, niala taminy tanteraka ireo izay tiany indrindra
- Nialan’ny olona rehetra mihitsy
Nitondra ny fahotana sy ny fahorianao rehetra anefa izy teo amin’ny toerana izay atao hoe, Golgota. Nanaraka hatramin’ny fahafatesana Izy, dia ilay fahafatesana teo ambony hazo fijaliana. Ny fijaliany no nahatonga antsika ankehitriny ho afaka amin’ny fahotantsika, sitrana amin’ny aretintsika, ary koa manana fihavanana amin’Andriamanitra, araka izay voalaza ao amin’ny Isaia 53:5, hoe, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.
Ny fiombonana amin’i Kristy amin’ny fijaliany dia lalana sarotra indrindra hoan’ny Kristiana, tsarovy anefa fa izany ihany koa dia lalana hoan’ny fandresena sy ny fitsanganana. Jesosy dia efa nandray ny toeranao mba tsy hahatonga ho irery intsony, eny fa na dia amin’ny fotoana sarotra indrindra lalovanao aza, fa vonona ny hiaraka aminao hatrany Jesosy ka hampandresy anao.
Anio dia tsarovy fa manokatra ny sandriny amin’ny fitiavany anao Izy, hampionona sy hampahery sady koa hampitony sy hanasitrana anao.
Mirary P***a sambatra ho anao aho, ho feno ny fidanan'i Kristy.
Jesosy no hanatanteraka ny zavatra rehetra, fa Andriamanitra velona Izy.
Voninahitra hoan’Andriamanitra irery ihany. Amena
Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian’ny Tompo.