Katolika Info.

Directions Website

Katolika Info. 𝐅𝐚𝐧𝐝𝐚𝐥𝐢𝐧𝐚𝐊-𝐩𝐢𝐧𝐚𝐚𝐧𝐚, 𝐊𝐚𝐭𝐞𝐬𝐢𝐳𝐲, 𝐕𝐚𝐚𝐯𝐚𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐩𝐢𝐧𝐚𝐚𝐧𝐚 (𝔌.𝕂.𝔞.ℝ.) 𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐧𝐣𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐭𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐟𝐚𝐊𝐩𝐢𝐳𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐚𝐚𝐧𝐚. "Suivre Christ évangélisateur du pauvre."
(1)

⛪𝗙𝗘𝗧𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗝𝗘𝗟𝗬 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗠𝗕𝗜𝗡𝗔 𝗔𝗡𝗜𝗢 𝗞𝗢𝗔 𝗔𝗭𝗔 𝗛𝗔𝗗𝗜𝗡𝗢 𝗡𝗬 𝗠𝗜𝗔𝗡𝗧𝗊𝗢 𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗝𝗘𝗟𝗬 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗠𝗕𝗜𝗡𝗔 𝗔𝗡𝗔𝗢⛪🔶Ny 2 Oktobra no ankalazantsika ny fe...
02/10/2026

⛪𝗙𝗘𝗧𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗝𝗘𝗟𝗬 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗠𝗕𝗜𝗡𝗔 𝗔𝗡𝗜𝗢 𝗞𝗢𝗔 𝗔𝗭𝗔 𝗛𝗔𝗗𝗜𝗡𝗢 𝗡𝗬 𝗠𝗜𝗔𝗡𝗧𝗊𝗢 𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗝𝗘𝗟𝗬 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗠𝗕𝗜𝗡𝗔 𝗔𝗡𝗔𝗢⛪

🔶Ny 2 Oktobra no ankalazantsika ny fetin'ny «𝐀𝐧𝐣𝐞𝐥𝐲 𝐌𝐩𝐢𝐚𝐊𝐛𝐢𝐧𝐚». Isaky ny 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐭𝐚𝐥𝐚𝐭𝐚 ihany koa dia natokana ahatsiarovana izany "𝐀𝐍𝐉𝐄𝐋𝐘 𝐌𝐏𝐈𝐀𝐌𝐁𝐈𝐍𝐀" izany. Izany hoe ny andro talata dia natokana hanajana ny "Anjely mpiambina." "Dévotion" efa voalahatry ny Eglizy hatramin'izay izy io fa matetika, ny Alarobia, Alakamisy, Zoma, sabotsy ihany no tena fantantsika.

🟚Isika katolika dia mino ny fisian'ny Anjely. Ary ny olona tsirairay samy manana ny "Anjely Mpiambina" azy na tsy mpino katolika na olona tsy mino ny fisian'izany akory, dia misy izany na tsy hita maso aza. Misy anefa ireo finoana hafa manohitra an'izany nefa mampiasa Baiboly. Voalaza ao amin'ny Baiboly mihitsy anefa ny fisian'ny Anjely. Ary na ny demony niresaka tamin'i Jesoa tamin'izy nalainy fanahy tany an'efitra dia mahalala ny fisian'ny Anjely io.

🟥Miavaka ny Anjely Mpiambina sy ny olomasina Mpiaro ka ny olombelona tsirairay dia samy manana izany. Ho antsika Katolika dia mametraka hatrany fa afaka mangataka fiarovana ho antsika izy ireo amin'ny toe-javatra sarotra izay tsy voavaha na toa mistery amin'ny fiainantsika olombelona. Anjarantsika no mahatsiaro azy sy miantso azy mandrakariva eo amin'ny fiainantsika.

🟊𝐈𝐭𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐚𝐧𝐢𝐚 𝐢𝐭𝐲 𝐧𝐚 𝐊𝐚𝐊𝐩𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐡𝐲 𝐚𝐧𝐭𝐬𝐢𝐀𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲. Koa aoka isika hahatsiaro, hatoky sy mino ny fisian'izany. Finoana dia mahavita zavatra tsy takatry ny saintsika olombelona, tsy azontsika tsapain-tanana. Aza hadino fa tsy ny vatantsika ihany no mila karakaraina sy mila fiarovana fa eo koa ny ara-panahy. Mahazotoa miantso ny Anjely Mpiambina antsika tsirairay.
______________________
"𝐀𝐧𝐣𝐞𝐥𝐲 𝐌𝐩𝐢𝐚𝐊𝐛𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐲: 𝐀𝐊𝐛𝐞𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐚𝐫𝐚𝐯𝐲 𝐢𝐳𝐚𝐡𝐚𝐲."

© Katolika Info.

🟊𝗙𝗔𝗡𝗧𝗔𝗥𝗢 𝗙𝗔 𝗡𝗬 𝗩𝗢𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗢𝗞𝗧𝗢𝗕𝗥𝗔 𝗗𝗜𝗔 𝗔𝗡𝗧𝗊𝗢𝗜𝗡𝗔  "𝗩𝗢𝗟𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗥𝗔𝗢𝗭𝗘𝗥𝗬 𝗠𝗔𝗊𝗜𝗡𝗔"🟊🔶Fantantsika kristianina maro fa ny volana Oktobra...
29/09/2026

🟊𝗙𝗔𝗡𝗧𝗔𝗥𝗢 𝗙𝗔 𝗡𝗬 𝗩𝗢𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗢𝗞𝗧𝗢𝗕𝗥𝗔 𝗗𝗜𝗔 𝗔𝗡𝗧𝗊𝗢𝗜𝗡𝗔 "𝗩𝗢𝗟𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗥𝗔𝗢𝗭𝗘𝗥𝗬 𝗠𝗔𝗊𝗜𝗡𝗔"🟊

🔶Fantantsika kristianina maro fa ny volana Oktobra dia volan'ny Raozery. Anisan'ny "dévotion" tena malaza indrindra io. Matoa mbola tsy lefy laza ary mbola maro ny Kristianina resy lahatra amin'izany dia azo ambara fa mahery vaika sy mitondra tsodrano sy fahasoavana ho antsika ny fanaovama ny Raozery Masina.

🔶Ny volana oktobra dia voatondro ho Volan’ny Raozery Masina ato amin’ny Eglizy Katolika mba hanomezan-kasina sy fanajana an’i Masina Maria. Isaky ny 7 Oktobra no tena ivon'io fankalazana io. Nalaza nanomboka tamin’ny fitondran'ny Papa Léon XIII io fanoloran-tena io ary fotoana manokana hanaovana ezaka amin’ny fanaovana ny Raozery ny volana Oktobra. Fotoana hisaintsainana ny misterin’ny fiainan’i M.Maria, ary hikatsahana ny fiarovan’i M.Maria ihany koa.

➖𝐌𝐚𝐧𝐚𝐚𝐯𝐚 𝐞𝐳𝐚𝐀𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐢𝐬𝐢𝐀𝐚 𝐚𝐊𝐢𝐧'𝐢𝐭𝐲 𝐯𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐀𝐭𝐚𝐛𝐫𝐚 𝐢𝐭𝐲 𝐊𝐛𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐚 𝐧𝐲 𝐑𝐚𝐚𝐳𝐞𝐫𝐲 𝐌𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚. 𝐑𝐚𝐡𝐚 𝐭𝐞 𝐡𝐚𝐡𝐚𝐊𝐛𝐲 𝐚𝐊𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐚 𝐢𝐬𝐢𝐀𝐚 𝐝𝐢𝐚 𝐚𝐧𝐀𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐊𝐢𝐧'𝐢 𝐌.𝐌𝐚𝐫𝐢𝐚 𝐫𝐞𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐀𝐚𝐬𝐚𝐧𝐭𝐬𝐢𝐀𝐚 𝐟𝐚 𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐚𝐀𝐚 𝐡𝐚 𝐚𝐧𝐭𝐬𝐢𝐀𝐚 𝐢𝐳𝐲.
➖➖➖➖➖➖➖➖

© Katolika Info.

⛪𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗥𝗞𝗔𝗡𝗝𝗘𝗟𝗬 𝗧𝗘𝗟𝗢 𝗜𝗭𝗔𝗬 𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔𝗜𝗡𝗔 𝗔𝗡𝗜𝗢 𝗡𝗢 𝗙𝗔𝗡𝗧𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡𝗧𝗊𝗜𝗞𝗔 𝗞𝗔𝗧𝗢𝗟𝗜𝗞𝗔⛪👉Ny teny hoe “Anjely” dia avy amin’ny...
29/09/2026

⛪𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗥𝗞𝗔𝗡𝗝𝗘𝗟𝗬 𝗧𝗘𝗟𝗢 𝗜𝗭𝗔𝗬 𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔𝗜𝗡𝗔 𝗔𝗡𝗜𝗢 𝗡𝗢 𝗙𝗔𝗡𝗧𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡𝗧𝗊𝗜𝗞𝗔 𝗞𝗔𝗧𝗢𝗟𝗜𝗞𝗔⛪

👉Ny teny hoe “Anjely” dia avy amin’ny teny latinina hoe "angelus" izay midika hoe “irak’Andriamanitra.” Avy amin’ny teny grika hoe αyyɛλoς (angelos), izay avy amin’ny teny hebreo hoe "mal’akh" izay midika hoe “mpitondra hafatra”.

👉Ny "𝐀𝐫𝐀𝐚𝐧𝐣𝐞𝐥𝐲" kosa, dia fitambaran'ny teny roa "arch-" izay manondro "lehibe" na "lohahevitra" sy ny teny "Anjely". Noho izany, ny Arkanjely dia “Lehiben’ny irak’Andriamanitra”. Manana laharana ambony noho ny anjely mpiambina ireo. Ireo laharana roa amin’ny “irak’Andriamanitra” ireo no inoana fa hany afaka mifandray amin’ny olombelona.
----------------------------------------------------------------------
♊𝗠𝗜𝗊𝗬 𝗔𝗠𝗕𝗔𝗥𝗔𝗧𝗢𝗡𝗚𝗔 𝗧𝗘𝗟𝗢 𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗝𝗘𝗟𝗬 𝔞ℝ𝕐 𝕄𝕀𝕊𝕆𝕂𝔞𝕁𝕐 𝕊𝕀𝕍𝕐. 𝗜𝗥𝗘𝗧𝗢 𝗜𝗭𝗬 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗥𝗔𝗞𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗟𝗔𝗛𝗔𝗥𝗔𝗡𝗬:

🔞𝗔𝗻𝘁𝗌𝗞𝗌𝗻'𝗔𝗻𝗷𝗲𝗹𝘆 𝘃𝗌𝗮𝗹𝗌𝗵𝗮𝗻𝘆:
1-𝕊𝔌ℝ𝔞𝔜𝕀𝕄𝔞 (Séraphins)
2-𝕂𝔌ℝ𝕆𝔹𝕀𝕄𝔞 (Chérubins)
3-𝔜𝕀𝕂𝔌𝕋ℝ𝔞ℍ𝔞ℕ𝔞 (TrÃŽnes)

🔞𝗔𝗻𝘁𝗌𝗞𝗌𝗻'𝗔𝗻𝗷𝗲𝗹𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗿𝗌𝗮:
4-𝔜𝔞ℕ𝔞ℙ𝔞ℍ𝔞ℕ𝔞 (Dominations)
5-ℍ𝔞𝕋𝕊𝔞ℝ𝔞𝕄-ℙ𝔞ℕ𝔞ℍ𝕐 (Vertus)
6-ℍ𝔌ℝ𝕐 (Puissances)

🔞𝗔𝗻𝘁𝗌𝗞𝗌𝗻'𝗔𝗻𝗷𝗲𝗹𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝘁𝗲𝗹𝗌:
7-𝔜𝕀𝔜𝔌ℍ𝔌℀𝔞ℕ𝔞 (Principautés)
8-𝔞ℝ𝕂𝔞ℕ𝕁𝔌𝕃𝕐 (Archanges)
9-𝔞ℕ𝕁𝔌𝕃𝕐 (Anges)
---------------------------------------------------------------
👉Ny Anjely sy ny Arkanjely dia tsy mitovy. Ary ireo antokon'Anjely sy ireo karazan'ny Anjely ireo dia tsy tambo isaina. Fa ny voasoratra ao amin'ny Baiboly katolika dia vitsy ihany.

👉𝐓𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐡𝐚 𝐊𝐚𝐫𝐢𝐡𝐢𝐧𝐚 𝐟𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝔞ℝ𝕂𝔞ℕ𝕁𝔌𝕃𝕐 𝕋𝔌𝕃𝕆 (𝙰𝚛𝚔𝚊𝚗𝚓𝚎𝚕𝚢 𝙶𝚊𝚋𝚛𝚒𝚎𝚕𝚢, 𝙌𝚊𝚜𝚒𝚗𝚊 𝙌𝚒𝚜𝚎𝚕𝚢 𝚜𝚢 𝚁𝚊𝚏𝚊𝚎𝚕𝚢) 𝐢𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐚𝐬𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐚 𝐚𝐊𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐁𝐚𝐢𝐛𝐚𝐥𝐲 𝐀𝐚𝐭𝐚𝐥𝐢𝐀𝐚. Ny fampianarana momban'ny Arkanjely 7 dia avy amin'ny fivavahana Abrahamika izay fototry ny finoana Jodaisma sy Silamo ary hita ao amin'ny boky Qumran apokrifa ihany koa.

👉𝐊𝐚𝐚 𝐬𝐚𝐭𝐫𝐢𝐚 𝐢𝐬𝐢𝐀𝐚 𝐊𝐚𝐭𝐚𝐥𝐢𝐀𝐚 𝐧𝐚𝐡𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐚 𝐀𝐫𝐀𝐚𝐧𝐣𝐞𝐥𝐲 𝐭𝐞𝐥𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐧𝐀𝐚𝐥𝐚𝐳𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐢𝐚 𝐢𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐚 𝔞𝕟𝕛𝕖𝕝𝕪 𝕧𝕠𝕒𝕥𝕠𝕟𝕠𝕟𝕒 𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐚 𝐚𝐊𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐁𝐚𝐢𝐛𝐚𝐥𝐲 𝐀𝐚𝐭𝐚𝐥𝐢𝐀𝐚.
----------------------------------------------------------------------
© Katolika Info.

⛪«𝘌𝙧𝙮 𝙢𝙖𝙣𝙙𝙚𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣'𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙩𝙞𝙖𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙩𝙖𝙝𝙖𝙠𝙖 𝙖𝙣'𝙞 𝙆𝙧𝙞𝙚𝙩𝙮.» 𝙀𝙛.5,2𝙖.⛪🎉27 𝐒𝐞𝐩𝐭𝐚𝐊𝐛𝐫𝐚 2025- 27 𝐒𝐞𝐩𝐭𝐚𝐊𝐛𝐫𝐚 2026.🎉❀ Misaotra Anao ...
27/09/2026

⛪«𝘌𝙧𝙮 𝙢𝙖𝙣𝙙𝙚𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣'𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙩𝙞𝙖𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙩𝙖𝙝𝙖𝙠𝙖 𝙖𝙣'𝙞 𝙆𝙧𝙞𝙚𝙩𝙮.» 𝙀𝙛.5,2𝙖.⛪

🎉27 𝐒𝐞𝐩𝐭𝐚𝐊𝐛𝐫𝐚 2025- 27 𝐒𝐞𝐩𝐭𝐚𝐊𝐛𝐫𝐚 2026.🎉

❀ Misaotra Anao ry Ray be fitiavana fa feno iray taona anio ny nirosoanay amin'ny Sakramentan'ny filaharana maha-Pretra, ato amin'ny fikambanana Lazarista. Omeo hery hatrany mba ahafahanay manompo anao am-pitiavana sy manaraka ny oham-piainana navelan'i Md Vincent de Paul.

🙏Izahay dia mivavaka ho anareo ary mangataka Vavaka amintsika hatrany ihany koa.
🙏𝐌𝐝 𝐕𝐢𝐧𝐜𝐞𝐧𝐭 𝐝𝐞 𝐏𝐚𝐮𝐥: 𝐊𝐢𝐯𝐚𝐯𝐚𝐡𝐚 𝐡𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐲.🙏

🎉«𝑚𝒓𝒚 𝒎𝒂𝒏𝒅𝒆𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒕𝒊𝒂𝒗𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒉𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒏'𝒊 𝑲𝒓𝒊𝒔𝒕𝒚.» 𝑬𝒇.5,2𝒂. ✍𝐏. 𝐓𝐚𝐭𝐚𝐬𝐚𝐚 𝐉𝐚𝐜𝐪𝐮𝐞𝐬, 𝐜𝐊.🙏
➖➖➖➖➖➖➖➖➖

© Katolika Info.

⛪𝗠𝗜𝗥𝗔𝗥𝗜𝗔 𝗭𝗔𝗩𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗧𝗊𝗔𝗥𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗞𝗔𝗥𝗜𝗩𝗔, 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗛𝗔𝗙𝗔 𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗡𝗔𝗠𝗔𝗡𝗔.⛪🟧Fony mbola zaza tany Chicago i Robert Prevost, i...
25/09/2026

⛪𝗠𝗜𝗥𝗔𝗥𝗜𝗔 𝗭𝗔𝗩𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗧𝗊𝗔𝗥𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗞𝗔𝗥𝗜𝗩𝗔, 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗛𝗔𝗙𝗔 𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗡𝗔𝗠𝗔𝗡𝗔.⛪

🟧Fony mbola zaza tany Chicago i Robert Prevost, izay naka ny anarana Papa Léon XIV, dia nilalao toy ny ankizy rehetra, teo amin'ny fiaraha-monina nisy azy. Tamin'izay dia nanao ireo kilalao toy ny mampivavaka (Lamesa) izy sy ny namany. Manao latabatra Kely dia ny vatomamy no zaraina toy ny komonio. Ary nisy niteny aminy ireo namany fa: "Ianao no ho lasa Papa Amerikana voalohany."

🟥Nandritra ny taonjato maro, dia toa zavatra tsy azo inoana mihitsy izany teny izany. Tsy mbola nisy tao anatin’ny tantaran’ny Eglizy nandritra ny roa arivo taona ihany koa hisy Amerikana ho lasa Papa. Ary efa maro ireo Papa nisafidy io anarana Papa Léon io, nandritra ny fiainany, fa mbola tsy nisy Amerikana. Kanjo...Nifanaraka tamin'ny sitrapon'Andriamanitra tokoa ny fiainany. Tamin’ny 8 Mey 2025, dia tanteraka tamin’ny fomba ofisialy ilay faminaniana (teo amin'ny kilalao) izay nolazain'ireo namany fony mbola zaza, fa ho lasa Papa izy. Voafidy hitarika ny Eglizy Katolika i Robert Prevost, ka izy no Papa voalohany avy any Etazonia.

🟥Avy amin’ny lalao tsotra nataon’ny ankizy ka tonga amin’ny zava-misy manan-tantara lehibe, dia mampiseho amintsika ity tantara miavaka ity fa indraindray, ny nofinofin’ny fahazazana dia mety hanokatra lalana mankany amin’ny zavatra lehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Na toa efa faminania sahady amin'ny hoavy.

🔷Miezaha mirary zavatra tsara sy soa mandrakariva ho an'ny hafa na ho an'ny zanaka. Efa maro ireo olona niharan'izany toy ny hoe ho Pretra sns... Mbola kely dia misy milaza fa ho lasa Mompera ianao na Dokotera... Dia tanteraka tokoa izany.
â—Ÿâ—Ÿâ—Ÿâ—Ÿâ—Ÿâ—Ÿâ—Ÿâ—Ÿâ—Ÿ

© Katolika Info.

🙏𝐕𝐀𝐕𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐍𝐘  𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀 🙏Ry Andriamanitra Rain'ny famindrampo ÃŽ Noharianao ho iray fianankaviana Aminao iz...
24/09/2026

🙏𝐕𝐀𝐕𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀 🙏

Ry Andriamanitra Rain'ny famindrampo ÃŽ
Noharianao ho iray fianankaviana Aminao izahay,
Ary notsimbininao hatrany izahay hiadana sy ho finaritra.
Tsy nahay namaly fitia anefa izahay indrisy, fa nanalavitra Anao ka latsaka an-katerena.
Very fanahy mbola velona ka zoim-pahoriana, rotidrotiky ny fialonana sy ny fitiavan-tena ny fiaraha-monina, mijaly sy misara-bazana ny fianankaviana, revo ao anatin'ny herisetra sy ny zava-mahadomelina ny tanora maro, ny mpanararaotra izao andro sarotra iainanay izao mamitaka sy mandainga, ary mahavatra mandatsa-dra aza.
Mitodika Aminao anefa izahay ry Ray ÃŽ,ka mifona avelao heloka.
Ahirato ny sainay hahalala ny rariny sy ny hitsiny, antoky ny fandriampahalemana.
Amparo ny tananay hifandray amin'ny hafa hampanjaka ny fihavanana.
Sokafy ny fonay hahay hitia na dia ny fahavalonay aza.
Hazavao ny fiaraha-monina misy anay hahay handray Anao,fihavanana.
Rotsahy ny tso-dranonao ny fiainanay, omeo ny fanahinao hiady amin'ny ratsy.
Miaraka amin'ny Masina Maria, Renin'i Jesoa sady Reninay.
Mpanjakavavin'ny fiadanana izahay, no mitalaho izany Aminao.

🙏

⛪𝗠𝗗 𝗣𝗔𝗗𝗥𝗘 𝗣𝗜𝗢: 𝗧𝗊𝗬 𝗡𝗜𝗛𝗔𝗥𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗟𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔, 𝗡𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗘𝗥𝗬 5 𝗞𝗥𝗜𝗊𝗧𝗬⛪🔞Teraka ny 25 mey 1887 tao Pietrelcina faritanin’i B...
22/09/2026

⛪𝗠𝗗 𝗣𝗔𝗗𝗥𝗘 𝗣𝗜𝗢: 𝗧𝗊𝗬 𝗡𝗜𝗛𝗔𝗥𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗟𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔, 𝗡𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗘𝗥𝗬 5 𝗞𝗥𝗜𝗊𝗧𝗬⛪

🔞Teraka ny 25 mey 1887 tao Pietrelcina faritanin’i Bénévent Campanie ao Italie i Francesco Forgione. Orazio Forgione sy Giuseppa Di Nunzio no ray aman-dreniny, tantsaha izy ireo. Ny ampitson’ny nahaterahany i Francesco dia efa vita batemy tao Sainte Marie des Anges izy, tao Pietrelcina.

🔞Mbola zaza izy dia tia vavaka ary nanana fahitana mahagaga, na ankizy aza izy tamin’izany fotoana izany dia tsy mba nilalao niaraka tamin’ny namany nitovy aminy satria mandrabiraby azy hono. Teo amin’ny faha dimy ambin’ny folo taonany izy no nanomboka niaina ny fahavarianana masina. Ny taona 1903, nankany amin’ny fikambanan’ny Ordre des FrÚres Mineurs Capucins tao Morcone izy tamin’ny 22 janoary. Tsy salama anefa izy dia naverina tany amin’ny fianakaviany ka tao aorian’izay indray dia niverina tany. Naka ny anarana hoe Pio izy tamin’ny fotoana nanamasinana azy ho pretra. Ny nifidianany an’io anarana io dia ho fahatsiarovana an’i Pie V. ny 10 aogositra 1910 izy no nohamasinina ho pretra tao amin’ny katedraly tao Bénévent ary avy eo dia nalefa hiasa tao amin’ny fiangonana Sainte Marie des Anges tao Pietrelcina. Tamin’ny 1911 dia efa nilaza tamin’ilay mpampikÃŽnfesy azy fa efa ho herintaona no nisy faritra mena, manaintaina azy ny tanany sy ny tongony. Ny 06 septambra 1916 izy no nankany amin’ny trano fitokana-monina tao san Giovanni Rotondo.

🔞Ny 05 aogositra 1918 hatramin’ny 20 septambra 1918 : niseho tamin’i padre Pio ireo famantarana ny fery dimin’i Kristy araka ny nambarantsika teo. Saika hafeniny izy io nefa nolazan’ireo vehivavy manaraka ny fitaizam-panahy tamin’ny olon-kafa ary nahelin’izy ireo izany vaovao izany. Niely tamin’ny gazety malaza tao Italie ary izy ka maro ireo olona no tonga tao amin’ny trano nonenany. Natao ny fitiliana, fa sahirana ireo mpitsabo mitady ny fototr’aretina. Noho ny fibosesiky ny kristianina tonga tao aminy dia tsy navela nanao lamesa ampahibemaso sy nampikÃŽnfesy izy nonomboka ny 23 mey 1930. Nandritra ny fiainany i Padre Pio dia niady tamin’ny demony, ny fahamasinany dia tsapan’ireo nifanerasera taminy, tamin’ny alalan’ny fanasitranana ary voalaza fa afaka hita amin’ny toerana roa mifanalavitra sy tsy mifankahita akory amin’ny fotoana iray i Padre Pio. Io ilay antsoina amin’ny teny frantsay atao hoe “bilocation”. Mahavita tsy mihinana sy tsy misotro mihoatra ny roa volana izy, ary mahay sy mahazo fiteny fahiny mbola tsy henony akory.

🔞Ny 14 jolay 1933 no nomen’ny Fiketrahana Masina alalana indray hanao Sorona Masina ampahibemaso sy hampikÃŽnfesy. Ny 1940 àry, nanokatra hÃŽpitaly izy mba hanamaivanany ny fanaintanan’ireo marary. Fa tamin’ny 5 mey 1956 vao nosokafana tamin’ny fomba ofisialy io toeram-pitsaboana io. Fa talohan’izany ny taona 1947 dia namangy azy i PÚre Karol Wojtyla, ary tamin’izay no nanambaran’i Padre Pio azy fa ho fidiana ho papa izy ary hisy hifofo ny ainy. Ny taona 1962 efa eveka i Karol Wojtyla tamin’izay no nandefa taratasy taminy hivavaka ho an’ny renim-pianakaviana iray, izay voan’ny homamiadana, efatra andro tao aorian’izay dia sitrana ilay vehivavy.

🔞Ny 22 septambra 1968 ary no nahazoany ny “stigmate”. Tamin’izay fotoana izay no nanandratany vavaka hoe 50 taona naha relijiozy ahy, 50 taona nifantsihana tamin’ny hazofijaliana, 50 taona ho anao ry Andriamanitra ! Mba ho an’ireo olona navotanao. Ny alin’io izy no nomena ny sakramenta fanosorana ny marary ary nodimandry ny 23 septambra 1968 tamin’ny roa sy sasany maraina. Ny 2 mey 1999 no nambaran’i papa Joany Paoly II faha olontsambatra i padre Pio. Ary ny 16 jiona 2002 no nasandratra ho olomasina nomena ny anarana hoe : Masindahy Pie tao Pietrelcina. Lasa toerana fanaovana fivahinianana masina ny toerana nandevenana azy. Ary ny 03 martsa 2008 navadika i Padre Pio ka hita fa mbola tsy niova ny vatany na tsy niharan'ny fahalovana ary navela ho tazan’ny olona tao anatin’ny vata fitaratra hatramin’ny volana septambra 2009.
➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖

© Katolika Info.

⛪𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗢𝗟𝗢𝗠𝗔𝗊𝗜𝗡𝗔 6 𝗔𝗡𝗧𝗊𝗢𝗜𝗡𝗔 𝗥𝗘𝗛𝗘𝗙𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗔𝗟𝗢 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗊𝗔𝗛𝗜𝗥𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗕𝗢𝗟𝗔⛪🔷Mety ho mavesatra tokoa ny fahasahiranana ara-bola ma...
21/09/2026

⛪𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗢𝗟𝗢𝗠𝗔𝗊𝗜𝗡𝗔 6 𝗔𝗡𝗧𝗊𝗢𝗜𝗡𝗔 𝗥𝗘𝗛𝗘𝗙𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗔𝗟𝗢 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗊𝗔𝗛𝗜𝗥𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗕𝗢𝗟𝗔⛪

🔷Mety ho mavesatra tokoa ny fahasahiranana ara-bola mahazo antsika. Indraindray tena toa tsy zaka. Kanefa, amin’ireny fotoana ireny indrindra, afaka mivavaka isika. Tsy ny Olomasina no manome vola antsika na manao fahagagana amin’ny herin’izy ireo manokana. Fa ireo no mangata-bavaka ho antsika mba hiasan'ny fahasoavan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika. Ireto misy Olomasina enina azontsika angatahintsika vavaka rehefa mandalo fotoan-tsarotra ara-bola isika:

🟧1. 𝗠𝗗 𝗝𝗢𝗗𝗔 (𝗧𝗵𝗮𝗱𝗱𝗲𝘂𝘀):
Rehefa toa tsy misy vahaolana intsony ny fahasahirananao ara-bola, dia angataho i Md. Joda Tade mba hitalaho fahasoavana ho anao, mba hanokafan’Andriamanitra vahaolana ara-bola maika ary fahazoana fanantenana vaovao.

🟩2. 𝗠𝗗 𝗝𝗢𝗭𝗘𝗙𝗔:
Mpiaro ny mpiasa sy ny fianakaviana. Fantatr’i Md. Josefa ny hasin’ny asa atao amim-pahamarinana sy ny andraikitra amin’ny fikarakarana ny fianakaviana. Angataho izy hiaraka aminao rehefa mitady asa ianao, rehefa mikarakara izay ilain’ny havanao, na rehefa mandray fanapahan-kevitra sarotra momba ny fidiram-bola.

🟫3. 𝗠𝗗 𝗚𝗔𝗘𝗧𝗔𝗡𝗢:
Mpiaro ny tsy an’asa sy ireo mitady asa. Nanokana ny fiainany hanompoana ny mahantra sy hanampiana ireo olona tao anatin’ny fahasahiranana i Md.Gaetano. Mampahatsiahy antsika ny ohatra navelany mba hatoky ny fitondran’Andriamanitra antsika, sady manao amim-pahatokiana izay anjarantsika.

🟧4. 𝗠𝗗 𝗠𝗔𝗧𝗜𝗢 𝗔𝗣𝗢𝗊𝗧𝗢𝗟𝗬:
Mpiaro ny mpikirakira kaonty, ny mpiasan’ny banky ary ireo miasa amin’ny sehatra ara-bola. Amin’ny fetiny izao dia tsaroantsika fa tsy nanakana an’i Jesoa hiantso an’i Md Matio ho mpianany ny asany taloha amin’ny maha-mpamory hetra azy. Mampianatra antsika ny fiovam-pony fa tokony hapetraka amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny hafa ny asantsika sy ny fananantsika ary ny fitantanana ny volantsika.

🟥5. 𝗠𝗕 𝗕𝗘𝗥𝗡𝗔𝗗𝗘𝗧𝗧𝗘 𝗊𝗢𝗚𝗕𝗜𝗥𝗢𝗚𝗊:
Vavolombelon’ny finoana tao anatin’ny fahantrana. Niaina tao anatin’ny fahasahiranana ara-materialy i Mb. Bernadette, kanefa nitoetra ho mahatoky tamin’Andriamanitra izy. Mampahatsiahy antsika ny fiainany fa ny fahantrana sy ny fahasahiranana ara-bola dia tsy midika velively fa nandao antsika Andriamanitra.

🟊6. 𝗠𝗗 𝗡𝗜𝗖𝗢𝗟𝗔𝗊:
Modely amin’ny fahalalahan-tanana sy ny fiantrana. Nalaza i Md. Nicolas noho ny fanampiany ireo olona sahirana, indrindra tamin’ny alalan’ny asa soa sy fahalalahan-tanana natao tamim-pahanginana sy tsy nitadiavana dera. Mampahatsiahy antsika ny fiainany fa indraindray amin’ny alalan’ny fahalalahan-tanan’ny olona hafa no anomezan’Andriamanitra izay ilaintsika; ary indraindray koa dia isika mihitsy no ampiasain’Andriamanitra ho valin’ny vavaka ataon’ny olona iray.
â—Ÿâ—Ÿâ—Ÿâ—Ÿâ—Ÿâ—Ÿâ—Ÿâ—Ÿâ—Ÿâ—Ÿ
➖𝐀𝐳𝐚 𝐀𝐢𝐯𝐲 𝐬𝐲 𝐀𝐞𝐭𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐊𝐚𝐧𝐝𝐚𝐥𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐬𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚 𝐊𝐛𝐚𝐥𝐚 𝐡𝐢𝐬𝐲 𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐊𝐩𝐢𝐚𝐬𝐚𝐢𝐧'𝐀𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐊𝐚𝐧𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐡𝐚𝐊𝐩𝐢𝐚𝐧𝐲 𝐢𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐀𝐚𝐚 𝐢𝐚𝐧𝐚𝐚 𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐊𝐢𝐞𝐳𝐚𝐀𝐚 𝐬𝐲 𝐊𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐚𝐊-𝐩𝐚𝐡𝐚𝐊𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚.

© Katolika Info.

⛪21 𝗊𝗘𝗣𝗧𝗔𝗠𝗕𝗥𝗔: 𝗙𝗘𝗧𝗬 𝗠𝗗 𝗠𝗔𝗧𝗜𝗢, 𝘌𝙥𝙀𝙚𝙩𝙀𝙡𝙮 𝙚𝐚𝐝𝐲 𝙀𝙫𝙖𝙣𝙟𝙚𝙡𝙞𝙚𝙩𝙖. ⛪➖Hitantsika ao amin'ny Evanjely nosoratany ny fitantarana ny n...
20/09/2026

⛪21 𝗊𝗘𝗣𝗧𝗔𝗠𝗕𝗥𝗔: 𝗙𝗘𝗧𝗬 𝗠𝗗 𝗠𝗔𝗧𝗜𝗢, 𝘌𝙥𝙀𝙚𝙩𝙀𝙡𝙮 𝙚𝐚𝐝𝐲 𝙀𝙫𝙖𝙣𝙟𝙚𝙡𝙞𝙚𝙩𝙖. ⛪

➖Hitantsika ao amin'ny Evanjely nosoratany ny fitantarana ny niantsoan'i Jesoa azy (Mt. 9, 9-13) {𝚖𝚊𝚗𝚊𝚜𝚊 𝚊𝚗𝚊𝚘 𝚖𝚋𝚊 𝚑𝚊𝚖𝚊𝚔𝚢 𝙱𝚊𝚒𝚋𝚘𝚕𝚢}.

🟥Toa an'ireo Apostoly lasa niova anarana i Md Matio rehefa avy nantsoin'i Jesoa. I Levy no anarany taloha, ilay mpamory hetra. Fa ny teny Matio dia avy amin'ny teny Grika “ΜατΞαῖος” (Matthaios), na koa avy amin’ny anarana hebreo hoe “מַת֎֌תְי֞הו֌” (Mattityahu) midika hoe “𝙵𝚊𝚗𝚘𝚖𝚎𝚣𝚊𝚗'𝙰𝚗𝚍𝚛𝚒𝚊𝚖𝚊𝚗𝚒𝚝𝚛𝚊”. Raha mamaky ireo toko valo amby roapolo ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Matio isika, dia afaka mianatra zavatra maro izay azontsika atao koa mba hahatonga antsika ho “fanomezan’Andriamanitra".

🟊Fantatsika fa mpamory hetra i Md Matio, talohan’ny niantsoan’i Jesoa azy. Araka ny fiheverana Jody tamin’ny andron’i Jesoa, 𝐧𝐲 𝐊𝐩𝐚𝐊𝐚𝐫𝐲 𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐝𝐢𝐚 𝐭𝐚𝐲 𝐧𝐲 mpamadika sy mpanota. Nefa dia nofidin'i Jesoa izy ho mpiara miasa aminy akaiky, apostoly sady nanoratra ny Evanjely.

🟧Fanampin’izany, nampiasa ny fahalalany momba ny Soratra Masina (Torah) izy mba hampaherezana ny olona. Ary nampahalala fa i Jesoa no tena Mesia nampanantenaina. Andininy enimpolo fara-fahakeliny ao amin’ny Testamenta Taloha no notononin’i Md Matio tamin’izy nanoratra ny Evanjely.

🟩Ankoatra izany, dia niresaka momba ny Majy 3lahy avy any Atsinanana izay tonga hanome voninahitra ny mpanjaka vao teraka i Md Matio (Mt. 2:1-1-12). Nampiasa ny fahalalany ireo olon-kendry ireo mba hahitana an’Andriamanitra eo anivony.

🟫Toa an’i Md Matio, lasa “Fanomezan’Andriamanitra” koa isika rehefa mampiasa ny fahalalana ananantsika mba hanompoana ny Tompo. Rehefa mampiasa izany fahalalana nomen’Andriamanitra izany isika mba hanampiana ny hafa, hanandratana azy, hamporisihana ny ory, fa tsy hampiasaina amin’ny fanodikodinana, fanararaotana, ary fanararaotana ny hafa.
__________________________________________
🎉«𝐌𝐢𝐫𝐚𝐫𝐲 𝐟𝐞𝐭𝐲 𝐬𝐚𝐊𝐛𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐚 𝐚𝐧'𝐢𝐫𝐞𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐊𝐛𝐚𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐯𝐚𝐧'𝐢 𝐌𝐝 𝐌𝐚𝐭𝐢𝐚, 𝐬𝐲 𝐊𝐢𝐭𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲. 𝐀𝐫𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐠𝐚 𝐟𝐞𝐭𝐲 𝐚𝐧𝐢𝐚»🎉

© Katolika Info.

Address

Agron 20
Eko

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Katolika Info. posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share