24/05/2026
âªððšð¡ðð ðð ð£ðð¡ð§ððð¢ð§ð: ððððð§ðŠððð¥ð¢ð©ðð¡ð ðð¡'ð ð ððŠðð¡ð ð ðð¥ðð ð¥ðð¡ðð¡'ð¡ð¬ ðððððð¬.âª
ðŠFahatsiarovana an'i Masina Maria Renin'ny Eglizy no ankalazaina isan-taona isaky amin'ny Alatsinainy aorian'ny PantekÃŽty. Anaram-boninahitra io dia napetraky ny Papa Paoly VI taminâny fomba ofisialy nandritra ny KÃŽnsily Vatikana Faharoa taminâny taona 1964 ary mifototra ao aminâny Soratra Masina izany ðð§.19:26-27. Fa i Papa Fransoa no nametraka fa isaky ny Alatsinainy ny PantekÃŽty isika dia mahatsiaro an'i M.Maria Renin'ny Eglizy.
ðŠððð¬ð¢ð§ð ððð«ð¢ð ðð¢ð ððð§ð¢ð§'ð§ð² ðð ð¥ð¢ð³ð² ð¬ððð«ð¢ð:
â-Noho izy modely ho antsika amin'ny finoana ato amin'ny Eglizy Katolika. Nanao "ðð§ð²" Izy, izay nahatonga azy niara-niombona anjara tamin'i Jesoa amin'ny fanavotana antsika olombelona.
â-Tamin'ny andro niandohan'ny Eglizy dia teo i M.Maria. Niaraka taminâny apostoly izy taminâny PantekÃŽty, niara-nivavaka taminâizy ireo teo am-piandrasana ny Fanahy Masina, nampiseho bebe kokoa ny fandraisany anjara mavitrika ny maha reninâny Fiangonana azy hatrany am-piandohana.
ðŠððð² ðððð² ð¢ðð² dia mampahatsiahy antsika, Eglizy, fa manampy antsika hiaina aminâny maha-mpianatrâi Kristy marina antsika i M.Maria, ka haneho amintsika ny fomba hitokisana anâAndriamanitra sy hanarahana ny sitrapony.
ðŠððð² ðððð² ð¢ðð² dia mamporisika antsika hisaintsaina ny finoana sy ny fankatoavana nasehonâi M.Maria teo anatrehan'ny fandaharan'Andriamanitra. Aminâny maha Reninâny Eglizy azy dia mitarika sy miaro antsika hatrany izy, mivavaka ho anâny olonâAndriamanitra rehetra. Isika mpino Katolika dia manaja azy aminâny alalanâny fanaovana ny raozery, ny fankalazana ny fetiny ho fanomezam-boninahitra azy, ary ny fanarahana ny ohatra nasehony eo aminâny fiainantsika andavanandro.
ðŠððð² ðððð² ð¢ðð² dia manasa antsika hanavao ny fanoloran-tenantsika amin'ny fanarahan-dia anâi Jesoa Kristy miaraka aminâny fahatokiana sy finoana mitovy aminâizay nasehonâi Masina Maria taminâny nanaovany âðð§ð²â taminâny drafitrâAndriamanitra.
ð«Aoka isika hanaja anâi M.Maria mandrakariva, ððð§ð¢ð§'ðð§ðð«ð¢ððŠðð§ð¢ðð«ð ð¢ð³ð² ð¬ððð² ððð§ð¢ð§ðð¬ð¢ð€ð ðšð¥ðšðŠððð¥ðšð§ð ð¢ð³ðð² ðð ð¥ð¢ð³ð² ððð¬ð¢ð§'ðð§ðð«ð¢ððŠðð§ð¢ðð«ð. Mivavaha miaraka aminy fa manampy antsika amin'ny fahazoana fahasoavana avy amin'i Jesoa Kristy zanany izy."ð
=====================
"ðŒððððð¢ ððððð ðð¢ ðððððððððð ðððððð ððððððððððððð ðð ððððððð ððððððð"
Â©ïž Katolika Info.