16/04/2023
IAINAKO NY FAHAMARINANA
•Salamo 11/7
•Jaona 14/6
•Jaona 16/13
Marina Andriamanitra. Marina ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Mahafinaritra an'Andriamanitra ny mahita ny olona iray miaina @ fahamarinana. Tsy tian'Andriamanitra ny tsy fahamarinana fa ny tena tiany dia ny hiainanao ao anatin'ny fahamarinana tahaka Azy. Raha marina ny Ray, marina Jesosy, marina ny Fanahy Masina, tiany hiaina @ fahamarinana tahaka Azy isika.
•Salamo 25/5
Izay asain'ny fahamarinana ataonao sy anereny anao dia izany no ataovy. Aoka ho hita eny aminao ny fahamarinana na aiza na aiza misy anao. Natao hiaina @ fahamarinana isika ary tokony hitarika antsika ny fahamarinana.
>>> Inona no antony tokony hiainantsika ao anatin'ny fahamarinana?
▪︎Mamaly sy miseho @ fahamarinana Andriamanitra :
•II Samoela 22/24-26
Ataovy hitan'Andriamanitra ny fahamarinanao raha tianao hisehoan'Andriamanitra eo @ fiainanao ianao. Andriamanitra mamaly @ fahamarinana. Tianao ve Andriamanitra hiseho @ fianaranao, ny asanao, ny ara-bolanao? Miainà @ fahamarinana satria io no fototry ny fiarahanao @ Andriamanitra. Manomboka eto tokony ho hita ho marina isika. Fa tsy hoe te ho afaka hifindra classe ka manome vola kely ho an'ny mpampianatra, avelao izany fa tsy fahamarinana.
>>> Iza avy ireo olona ao @ Baiboly niaina t@ fahamarinana?
¤ Ohatra 1 : Hezekia
•II Mpanjaka 20/1-6
Hatramin'ny aretina aza dia manaiky ny fahamarinana. Ny olona rehefa miaina @ fahamarinana dia mampiova ny décision na fanapahan-kevitr'Andriamanitra na dia décision efa ferme aza. I Hezekia dia nisehoan'Andriamanitra satria niaina t@ fahamarinana.
¤ Ohatra 2 : Daniela
•Daniela 6/21-23
Mamaly ny fahamarinana ary miseho Andriamanitra @ fotoana ahitany ny fahamarinana eo @ olona anankiray. Narovan'Andriamanitra i Daniela na dia efa nisokatra ny varavaran'ny lavaky ny liona. Na inona na inona varavarana efa misokatra ho anao (fonja, dinabe, fitsarana...), hidian'Andriamanitra izany rehefa mahita ny fahamarinana aminao Izy. Ataovy hitan'Andriamanitra ny fahamarinanao. Manàna fiainana marina tsara raha tianao tsy azo atao na inona na inona ianao.
¤ Ohatra 3 : Joba
•Joba 1/1-3
Ny olona miaina @ fahamarinana dia avahan'Andriamanitra ary mahita fitia. Ka na iza hilahatra aminao, verezinao lavitra izany satria ianao mandeha @ fahamarinana.
•Joba 2/9
Na inona na inona manakana anao tsy ho marina, aleo ho any.
Raha miaina @ fahamarinana ny Jentilisa dia tokony hiaina @ fahamarinana mihoatra lavitra isika.
¤ Ohatra 4 : Jesosy Ilay Fahamarinana tonga nofo
•Jaona 14/6
Jesosy Ilay Fahamarinana no ao anatinao ka normal raha miaina @ fahamarinana ianao.
•Matio 5/20
Mila ao anatintsika ny fahamarinana raha te ho any an-danitra ianao. Ary tsy atao kely ny fahamarinana ao anatinao fa tsy maintsy atao mihoatra. Asehoy miharihary fa miaina @ fahamarinana ianao.
>>> Inona no antsoina ho fahamarinana ?
- Ny antsoina hoe fahamarinana dia miaina @ zavatra takiana na angatahana aminao ianao.
☆ @ FITENY :
•Jakoba 5/12
Ny marina dia tsy miolakolaka fiteny na manafina zavatra fa mahasahy manao eny na tsia na miteny ny tena zava-misy. Aza mandainga @ fiteny. Heverinao ho kely izany kanefa mitandrema fa tsy hahitanao ny soa.
•Efesiana 4/25
Aleo tsy miteny toy izay mandainga. Mijoroa @ teny noteneninao ianao. Tsy fahamarinana na io teny ampitomboinao io.
•Jakoba 4/11
Ny olona haratsiana dia olona tsara fa tsy ny ratsy akory no haratsiana.
- @ FIJERY :
Mangarika ianao, manao fijery ratsy ianao, tsy marina izany. Hita eny @ fijerinao fa manana fo ratsy ianao. Ny fijery ivelany dia tsy fahamarinana.
•Romana 14/4
Tsy fahamarinana ny fijerena ivelany.
- @ TOETRA :
☆ Miatsaravelatsihy
Tsy fahamarinana ny fiatsarambelatsihy fa miainà @ toe-po tsara. Manaova ny rariny ianao fa izany no fahamarinana.
- @ ARA-PIAINANA :
•I Jaona 5/17
Ota avokoa ny tsy fahamarinana rehetra.
▪︎Ora (tsy fahamarinana ara-potoana)
•Ohabolana 10/2
▪︎Harena (fametsifetsena olona @ harenany na fametsifetsena olona mba hahatonga anao hanan-karena. Tsy mahasoa anao ny tsy fahamarinanao)
▪︎Vola (tsy fahamarinana ara-bola, mampitombo zavatra mba hahazoanao tombony ho anao)
▪︎Kolikoly (tsy fahamarinana izany fa mangady lavaka hilevenanao ianao)
▪︎Fanaovanao vola mitombo
>>> Inona no tokony hatao raha te handeha @ fahamarinana ?
•Jaona 17/17
Rehefa ao anatinao Jesosy sy ny teniny dia mandeha @ fahamarinana.
•Malakia 3/18
Andriamanitra mampiavaka anao mandeha @ fahamarinana.
•Hebreo 12/1
Tandremo fa misy anjely eo akaikinao mandray an-tsoratra ny zavatra teneninao.
•Genesisy 18/19-21
Afaka ho vavolombelona ho antsika ny tany izay itoerantsika ity ka manao tatitra @ Andriamanitra. Mitaraina @ Andriamanitra ny tany noho ny zavatra ataonao.
Pasteur Rasolofoarisoa Nomenjanahary Herimampionona 🙏