ECAR St Jean Baptiste / Sanctuaire Famindra-po / Toamasina

ECAR St Jean Baptiste / Sanctuaire Famindra-po / Toamasina Paroisse Saint Jean Baptiste Dépôt Analakininina Toamasina

27/06/2023
27/06/2023

Miarahaba antsika jiaby nahavita soa ny fety Jobily faha 25 taona ny Paroasy. Isaorantsika lehibe Andriamanitra, nahazo andro tsara isika. Mankasitraka tamin'ny fiombonantsika rehetra tamin'ny fanomanana tamin'ny lafiny rehetra. Misaotra tamin'ny fandraisana anjaran'ny vaomiera tsirairay avy sy tamin'ny anaran'ny tenantsika manokana. Misaotra tamin'ny ezaky ny Komity rehetra, ny kartie, ny fikambanana masina, ny firohotana, ny vondrom-bavaka tsirairay avy. Isaorana lehibe ny Mompera Curé sy Vicaire, ry Masera tamin'ny fikarakarana rehetra. Tsaroana manokana ireo tsy tonga noho ny tsy fahasalamana, ny asa, sns...mampita ny firariantsoa ho anareo izahay. Tsy adino isika tonga marobe omaly tamin'ny "Fafa lapa", nanadio, nandamina ny zavatra rehetra. Hitondra soa sy fahasoavana manokana ho antsika tsirairay avy anie iny fankalazana iny. Samia ho tahin'Andriamanitra !

30/06/2022

Miarahaba antsika jiaby.
Entanina isika Kristianina eto amin'ny Paroasy Saint Jean Baptiste mba ho tonga handray ny SAKRAMENTAN'NY FAMPIHAVANANA ny zoma 01 Jolay 2022 ho avy izao manomboka amin'ny 5 ora hariva, mba ho fiomanam-panahy mialoha ny hankalazan-tsika ny Fetin'ny Paroasy amin'ny Alahady faha 03 Jolay 2022 izao. Hisy Pretra maromaro ho avy amin'io fotoana io, koa tongava daholo. Misaotra antsika sahady.

Miarahaba antsika rehetra indray.Mba ho fanandratam-bavaka ho an'ny fandriam-pahalemana eran-tany sy ho fitsaharan'ny ad...
24/03/2022

Miarahaba antsika rehetra indray.
Mba ho fanandratam-bavaka ho an'ny fandriam-pahalemana eran-tany sy ho fitsaharan'ny ady any Ukraine sy Rosia. Ny Papa Ray Masina dia manentana antsika mba hazoto hanao ity Vavaka ity.

Miarahaba antsika jiaby.Entanina isika eto amin'ny Sanctuaire Famindrampon'Andriamanitra mba ho tonga hanao ny Anjelisy ...
23/03/2022

Miarahaba antsika jiaby.
Entanina isika eto amin'ny Sanctuaire Famindrampon'Andriamanitra mba ho tonga hanao ny Anjelisy miaraka ny Zoma 25 Mars 2022 ho avy izao amin'ny 12 Ora antoandro, mba ho fanandratam-bavaka ho an'ny fandriam-pahalemana eran-tany. Samia mifampilaza.

19/03/2022

Faly miarahaba antsika Kristianina rehetra indray.
Ho fiomanana amin'ny PAKA dia hisy KONFESY LEHIBE eto amin'ny Paroasy Saint Jean Baptiste Analakininina ny ZOMA 01 AVRIL 2022 amin'ny 08 ora sy sasany alina ho avy izao. Koa entanina isika any anaty Kartie tsirairay mba samy hiantoka ny Sécurité - ny Kristianina ao aminy, indrindra fa ny ankizy.
Samia ho tahin'Andriamanitra.

15/12/2021

Miarahaba antsika Kristianina rehetra.
Ho fiomanan-tsika amin'ny NOELY dia hisy KONFESY LEHIBE eto amin'ny Paroasy St Jean Baptiste rahampitso Alakamisy faha 16 Desambra 2021 amin'ny 06 Ora hariva izay anentanana antsika ho tonga maro. Koa samia mifampilaza.

Miarahaba antsika rehetra. Ampahatsiahivina isika Olon-dehibe rehetra tsy an-kanavaka, eto amin'ny Paroasy St Jean Bapti...
04/11/2021

Miarahaba antsika rehetra. Ampahatsiahivina isika Olon-dehibe rehetra tsy an-kanavaka, eto amin'ny Paroasy St Jean Baptiste, fa ny fihaonantsika momba ny fakan-kevitra sy hanomezantsika ny valim-panontaniana Sinôda 2021-2023 dia ho tanterahina amin'ny Alahady 07 Novembre 2021 ho avy izao, aorian'ny lamesa maraina. Ho an'izay mbola tsy nahazo ilay boky kely misy ny fanontaniana rehetra, dia indro zaraina amintsika izany, mba hahafahantsika miomana tsara. Entanina isika rehetra handray anjara. Samia mifampilaza. Ho tahin'Andriamanitra daholo e.

Miarahaba antsika jiaby.Ampahatsiahivina isika fa ny Sorona Masina lehibe fankalazana ny Sakramentan'ny Konfirmasio raha...
04/09/2021

Miarahaba antsika jiaby.
Ampahatsiahivina isika fa ny Sorona Masina lehibe
fankalazana ny Sakramentan'ny Konfirmasio rahampitso
Alahady 05 Septembre 2021 dia hanomboka amin'ny 06 ora sy
sasany maraina, hotarihin'i Son Eminence Désiré Cardinal TSARAHAZANA.
Androany Asabotsy 04 Septembre 2021 ny "Visite Canonique" amin'ny 02 sy sasany tolakandro.Tongava ara-potoana daholo.
Samia mifampilaza. Samia ho tahin'Andriamanitra.

Miarahaba antsika jiaby. Hisy fanamasinana Pretra 4 mirahalahy avy ao amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, eto...
19/06/2021

Miarahaba antsika jiaby. Hisy fanamasinana Pretra 4 mirahalahy avy ao amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, eto amin'ny Paroasy Md Joany Batista Analakininina, ny Alahady 18 Jolay 2021 ho avy izao, amin'ny 09 ora maraina. Samia mitondra am-bavaka izany fotoan-dehibe izany. Mirary soa antsika rehetra.

22/04/2021

HAFATRY NY RAY MASINA FRANSOA HO AN’NY ANDRO MANERANTANY FAHA-58 IVAVAHANA HO AN’NY FIANTSOAN’ANDRIAMANITRA

Md Josefa : Ny nofin’ny Fiantsoana

Ry rahalahy sy anabavy malala!

Ny 8 desambra lasa teo, tamin’ny fankalazàna ny tsingerintaona faha-150 nanambaràna an’i Md Josefa ho Mpiaro ny Eglizy manerantany, dia natomboka ny Taona manokana natokana ho Azy (jereo Didy navoakan’ny Penitanseria Apôstôlika, 8 desambra 2020). Izaho kosa indray dia nanoratra ny Taratasy Apôstôlika mitondra ny lohateny hoe “Fon-dray”, izay mikendry ny “hampitombo ny fitiavana an’io Olomasin-dehibe io”. Tsy iza izany fa ilay endrika iray miavaka amin’ny mahazatra, nefa kosa ny fiainany dia “tena manakaiky toe-javamisy iainan’ny tsirairay amintsika amin’ny maha-olombelona”. Tsy mba nanaitra ny olona i Md Josefa, tsy nanana fanomezampahasoavana manokana, tsy niseho ho olona miavaka teo imason’ireo nifanerasera taminy. Tsy nalaza izy ary tsy nanao izay hahitàna azy akory: ireo Evanjely moa dia tsy mitatitra na dia iray aza tamin’ny teniny. Kanefa dia tamin’ny alàlan’ny fiainany mahazatra no nahatanterahany zavatra mampitolagaga teo imason’Andriamanitra.
Mahita ny fo Andriamanitra (jer. 1 Sam 16,7) ary tsapany tao amin’i Md Josefa ny fon-dray, fo mahavita manome sy miteraka aina eo amin’ny andavanandrom-piainana. Mirona amin’izany ny Fiantsoan’Andriamanitra : natao hiteraka aina sy hiteraka aina indray isan’andro. Maniry hamolavola fon-dray sy fon-dreny Andriamanitra : fo misokatra, fo afaka maka bahana mba hanao zavatra lehibe, mahafoy amin’ny fanolorantena, mangoraka ka mitondra fanalana alahelo amin’ny tebiteby ary mijoro tsara mba hanamafy o***a ny fanantenàna. Izany no ilain’ny fiainana maha-mpisorona sy ny fiainana voatokana, indrindra amin’izao andro izao, fotoana voamariky ny faharefoana sy ny fijaliana vokatry ny valanaretina, izay miteraka fihazohazoana sy tahotra mikasika ny hoavy sy ny hevitry ny fiainana. Mitsena antsika miaraka amin’ny halemempanahiny i Md Josefa, amin’ny maha-olomasina mpifanolobodirindrina amintsika azy; ary miaraka amin’izay dia afaka mitarika antsika amin’ny làlana izorantsika ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika nasehony.
Voambolana fototra telo no hanilovan’i Md Josefa antsika amin’ny antso miantefa amin’ny tsirairay. Ny voalohany dia ny hoe nofy. Samy manonofy hahatratra ny fahalavorarian’ny fiainany avy ny olona rehetra. Ary rariny tokoa ny mamelombelona fanantenàn-dehibe ao am-po, dia hetaheta ambony tsy voavalin’ireo tanjona mandalo sy mihelina – toy ny fahombiazana sy ny vola ary ny fahafinaretana -. Raha hiangavy ny olona hanambara amin’ny teny tokana ny nofinofiny eo amin’ny fiainana manko isika, dia ho azontsika alaina sary an-tsaina mora foana ny valinteny, dia ny hoe “fitiavana”. Ny fitiavana no mampisy heviny ny fiainana, satria mampiseho ny misteriny. Ny fiainana tokoa manko dia tsy ananana raha tsy omena, fa ananana tokoa izy raha omena manontolo. Manan-javatra maro holazaina amintsika ny amin’io i Md Josefa, satria, tamin’ny alàlan’ny nofy izay nanoroan’Andriamanitra hevitra azy, no nanaovany ny fisiany ho fanomezana.
Nofy efatra no tantarain’ireo Evanjely (jer. Mt 1,20; 2,13.19.22). Antson’Andriamanitra izy ireny saingy tsy mora ny nandray azy. Taorian’ny nofy tsirairay dia tsy maintsy nanova ny drafitra efa nomaniny i Josefa ary niverina nijery sy nandinika indray ny fiainany, nampandefitra ny fikasàny manokana mba hanarahana ireo fikasàn’Andriamanitra mifono mistery. Nitoky tanteraka tamin’ireny nofy ireny izy. Mety hanontany tena anefa isika hoe: “Fa inona moa izay nofy amin’ny alina no nametrahany fitokisan-dehibe tahaka izany?” Na dia nomena lanja toy izany aza ny nofy fahiny, dia zavatra kely foana kosa izy manoloana ny zavamisy azo tsapain-tànana eo amin’ny fiainana. I Josefa anefa dia nanaiky hotarihin’ny nofy tsy nisy fisalasalana. Satria nahoana? Satria nitodika tamin’Andriamanitra ny fony, efa vonona hanao izay sitrany. Famantarana kely dia ampy ho an’ilay “sofiny anaty” fatra-pihaino, nahafantarana ny feon’Andriamanitra. Mitombina ho an’ny antso miantefa amintsika koa izany : tsy tia manambara ny tenany amin’ny fomba igagàna Andriamanitra, sao lasa ohatry ny manery ka tsy manaja ny fahafahantsika. Amin-kalemempanahy no ampitàny amintsika ireo fikasàny, tsy manjemby antsika amin’ireo fahitàna mamirapiratra handresen-dahatra; fa miresaka mivantana amin-kamoràna any amin’ny atifontsika Izy, manao ny tenany ho mpifankahazo am-po lalina amintsika ary miteny amintsika amin’ny alalan’ny hevitsika sy ny fihetsehampontsika. Arak’izany, dia tahaka izay nataony tamin’i Md Josefa koa no anolorany antsika tanjona ambony sy tsy ampoizina.
Nitondra an’i Josefa tamin’ny lalana tsy nampoizina ary tsy noeritreretiny velively tokoa manko ireo nofiny. Ny nofy voalohany dia nanozongozona ny fifamofoany tamin’i Maria, kanefa nahatonga azy ho rain’ny Mesia; ny faharoa dia nanosika azy handositra tany Ejipta, saingy nahavonjy ny ain’ny ankohonany. Taorianan’ny nofy fahatelo izay nanambara mialoha ny fiverenana an-tanindrazana, dia mbola nampiova ny drafitra nomaniny indray ny fahefatra, ka nitondra azy tany Nazareta, toerana hanombohan’i Jesoa indrindra ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra. Tao anatin’ireo fitsimbadimbadihana ireo, dia ny herimpony hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra no nivoaka ho mpandresy. Toy izany koa no mitranga ao amin’ny fiantsoana: ny antson’Andriamanitra dia manosika mandrakariva hivoaka, hanolo-tena, handeha lavidavitra kokoa. Tsy misy finoana tsy misy fandraisana risika. Amin’ny fanankinantena amim-pitokisana amin’ny fahasoavana ihany, amin’ny fampandeferana ireo prôgraman’ny tena manokana sy ny zava-mampiadana ny tena, no tena anaovana “eny” amin’Andriamanitra. Ary ny “eny” tsirairay avy dia mitondra vokatra, satria mampiditra amin’ny fandaharana lehibe kokoa, izay ny antsipiriany madinika amin’io ihany no mba tsikaritsika, fa Ilay Mpanakanto Andriamanitra no mahafantatra sy mampiroso azy, mba hahatonga ny fiainan’ny tsirairay avy ho sangan’asa. Amin’io lafiny io dia ohatra velona amin’ny fandraisana ny fandaharan’Andriamanitra i Md Josefa. Fandraisana ombàn’asa anefa ny azy: tsy mpilavo lefona na mpitsoaka an-daharana na oviana na oviana izy, “tsy hoe lehilahy miaritra satria tsy afa-manoatra. Fiantsorohana andraikitra amin-kery sy amin-kasahiana ny azy” (Taratasy Apôstôlika Fon-dray, 4). Enga anie izy hanampy ny olona rehetra, indrindra ny tanora andalam-pisafidianana ny lalan-kizorana, hanatanteraka ny nofinofin’Andriamanitra ho azy ireo; enga anie izy hanolo-kevitra azy ireo hanana finiavana omban-kerimpo hanao “eny” amin’ny Tompo, izay tsy mitsaha-mampiseho zava-tsy ampoizina nefa koa tsy ary mbola nandiso fanantenana.
Ny voambolana faharoa manamarika ny lalana nizoran’i Md Josefa sy ny zotran’ny fiantsoana dia ny fanompoana. Miharihary ao amin’ny Evanjely ny fomba niainany ho an’ny hafa fa tsy ho an’ny tenany na oviana na oviana, tamin’ny zavatra rehetra. Vady madio indrindra no iantsoan’ny Vahoaka masin’Andriamanitra azy, ka ambara amin’izany ny fahaizany mitia tsy nitànany na inona na inona ho an’ny tenany. Tamin’ny nanafahany ny fitiavana tamin’ny fanaovana azy ho toy ireo fanànana rehetra tokoa manko no nisokafany tamin’ny fanompoana mahavokatra bebe kokoa : niampita tamin’ny taranaka maro ny fikolokoloany tamim-pitiavana, ary ny fiambenany tamim-pitandremana no nahatonga azy ho Mpiaro ny Eglizy. Olomasina mpiahy ny fahatsaram-pahafatesana koa izy, dia izy ilay nahay nampahatonga ho nofo tao amin’ny tenany ny hevitry fanoloran-tena fonosin’ny ny fiainana. Ny fanompoana nataony sy ireo fandavantenany anefa no azo notanterahina, dia satria notohanan’ny fitiavana iray lehibe kokoa ary noho izany ihany: “Ny tena fiantsoana marim-pototra rehetra dia teraka avy amin’ny fanolorantena, izay fihamatoran’ny fifehezan-tena tsotra. Angatahina ao amin’ny fiainana maha-mpisorona sy ny fiainana voatokana koa io karazam-pahamatorana io. Ary raha ny fiantsoana iray, na ho amin’ny fanambadiana, na ho amin’ny fijanonana ho tokan-tena, na ho amin’ny fahavirijiniana, no tsy mahatratra ny fahamatoran’ny fanolorantena fa mijanona fotsiny amin’ny lôjikan’ny fifehezan-tena, raha tokony ho famantarana ny hatsaràna sy ny hafalian’ny fitiavana” izy, dia mety haneho fahoriana sy alahelo ary tsy fahafahampo” (Fon-dray, 7).
Ny fanompoana, izay fanehoana amin’ny fomba azo tsapain-tanana ny fanolorantena, ho an’i Md Josefa, dia tsy idealy ambony hotratrarina fotsiny, fa zary fitsipiky ny fiainana andavanandro mihitsy. Nanao izay tratry ny heriny izy mba hahitàna sy hanomanana toerana hahaterahan’i Jesoa ; tsy nitandro hasasarana izy mba hiarovana azy tamin’ny haromotan’i Herôda, ka namolavola dia maikamaika nankany Ejipta; tsy niahotrahotra izy niverina nankany Jerosalema hitady an’i Jesoa; namelona ny ankohonany tamin’ny asa nataony izy, na dia tany an-tanin’olona aza. Raha fintinina dia hoe niezaka nampifanaraka ny fiainany tamin’ny zavamisy samihafa izy, nomban’ny toetra tsy mety very fanahy na dia tsy mifanaraka amin’izay sitrany sy irìny aza ny fizotry ny fiainana : miaraka amin’ny fahavononana lalandava ananan’izay velona mba hanompo. Tamin’io toepanahy io no nanatanterahan’i Josefa ireo dia maro nataony ary mazàna tsy nampoizina, teo amin’ny fiainany: avy any Nazareta nankany Betlehema handeha hisoratra anarana tamin’ny fanisambahoaka, avy eo dia nankany Ejipta sy Nazareta indray, ary niakatra tany Jerosalema isan-taona. Vonona hiatrika tranganjavatra vaovao isaky ny mihetsika izy, kanefa tsy nitaraina tamin’izay nidona, fa vonona hanome tanana mba hampifanaraka amin’ny tokony ho izy ny toe-java-misy. Azo lazaina fa tanan’ny Ray mitsotra amin’ny Zanany ety an-tany izy amin’izany. Noho izany, dia môdely ho an’izay rehetra voaantso izy, izay ho amin’izany indrindra no iantsoana azy ireo : ho tonga tanan’ny Ray miasa ho an’ny zanany lahy sy ny zanany vavy.
Tiako ny mihevitra an’i Md Josefa, Mpiaro an’i Jesoa sy ny Eglizy, ho Mpiaro ny fiantsoan’Andriamanitra. Avy ao amin’ny fahavononany hanompo tokoa manko no ipoiran’ny fikolokoloany ao amin’ny asa fiarovana. “Nifoha mbola alina izy, nitondra ny zazakely sy ny reniny” (Mt 2,14), hoy ny Evanjely manoritsoritra ny fahavononany sy ny fahafoizantenany ho an’ny ankohonana. Tsy nandany fotoana tamin’ny fahasorenana noho ny zavatra tsy nandeha izy, mba tsy hihatahany tamin’ilay nankinina taminy. Io fikolokoloana feno fitandremana amam-pitiavana io dia marika hamantarana ny fiantsoana tafita. Fijoroana vavolombelona ataon’ny olona anankiray voakasiky ny fitiavan’Andriamanitra izany. Endrey ny hatsaran’ny oha-piainana kristianina asehontsika rehefa tsy mikiribiby hanaraka ny hambompontsika isika ary tsy manaiky holemen’ny embon’ny lasa, fa mikolokolo izay ankinin’ny Tompo amintsika amin’ny alàlan’ny Eglizy! Amin’izay dia harotsak’Andriamanitra ao amintsika ny Fanahiny, ny fahaizana amam-pahafahany mamorona; ary hanao zavamahagaga toy izay nataony tamin’i Josefa izy.
Ankoatra ny antson’Andriamanitra -izay manatanteraka ireo nofinofintsika lehibe indrindra- sy ny valy avy amintsika -izay tanterahina ao amin’ny fanompoana an-kalalahana sy ny fikolokoloana amim-pitiavana-, dia ao koa ilay lafiny fahatelo manenika ny fiainan’i Md Josefa sy ny fiantsoana kristianina, izay hita soritra ombieny ombieny tamin’ny fiainana andavanandro, dia ny tsy fivadihana. I Josefa no ilay “lehilahy marina” (Mt 1,19), naharitra nifikitra tamin’Andriamanitra sy tamin’ny fandaharany tao anatin’ny fahanginana nombàn’asa isan’andro. Tamin’ny fotoana iray manokana niatrehany fahasarotana, dia nipetraka nandinika ny zavatra rehetra izy (jer. and. 20). Nandinika tao am-po, nandanjalanja: tsy nanaiky hobaikoin’ny fahamaizana, tsy latsaka tamin’ny fakampanahy handray fanapahankevitra maimaika, tsy nanaraka ny fihetsehampony ary tsy niaina ny teo no ho eo. Novolavolainy tao anaty faharetana ny zavatra rehetra. Fantany fa eo ambonin’ny fifikirana tsy miato amin’ireo safidy goavana ihany no azo anorenana ny fisiana. Mifandraika amin’ny fahazotoamiasa amin-kalemempanahy sy amim-pitozoana, nanatontosany ny asa tsotran’ny mpandrafitra izany (jer. Mt 13,55), izay tsy nahataitra ny filazam-baovao tamin’ny fotoan’androny fa nanilo kosa ny andavanandrom-piainan’ny ray tsirairay, ny mpiasa tsirairay, ny kristianina tsirairay, nandritra ny taonjato mifandimby. Mihamatotra amin’ny alalan’ny tsy fivadihana iainana isan’andro manko ny fiantsoana, sahala amin’ny fiainana ihany.
Ahoana no amelombelomana an’io tsy fivadihana io? Eo ambany fanilovan’ny tsy fivadihan’Andriamanitra. Ny teny voalohany ren’i Md Josefa niantefa taminy tao amin’ny nofiny dia fanasana tsy hatahotra, satria tsy mivadika amin’ny fampanantenany Andriamanitra: “Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra …” (Mt 1,20). Aza matahotra : teny avantan’ny Tompo aminao koa ireo, ry anabavy malala, sy aminao ry rahalahy malala, rehefa tsapanao fa tsy azo ahemotra intsony ny faniriana hanolotra ny fiainanao Aminy, na dia mbola ao anatin’ny fihazohazoana sy fisalasalàna aza. Ireo no teny averimberiny aminao rehefa mitolona hanaraka ny sitrapony isan’andro ianao, any amin’ny sehatra misy anao, angamba mety ho eo anivon’ny sedra sy ny tsy fahazoan’ny hafa izay iainanao. Ireo no teny ho hitanao indray eny amin’ny lalan’ny fiantsoana, rehefa miverina amin’ny voaloham-pitiavana ianao. Ireo no teny, toy ny fiverenan-kira, hiara-dàlana amin’ireo manao “eny” amin’Andriamanitra amin’ny fiainana, tahaka an’i Md Josefa : amin’ny tsy fivadihana isan’andro.
Tsiambaratelon’ny hafaliana io tsy fivadihana io. Tao an-trano tany Nazareta, hoy ny antsa iray fanao amin’ny litorjia, dia “nisy hafaliana mangarangarana”. Hafaliana andavanandro sy mangaraharan’ny fahatsorana, hafaliana tsapan’izay mitahiry ny zavatra manan-danja : ny fanakaikezana mahatoky an’Andriamanitra sy ny namana. Ho tsara tokoa raha maninteraka sy mahahenika ny seminerantsika, ny fikambanan-drelijiozintsika, ny tranon’ny paroasintsika io rivotra iainana tsotra sy mamiratra, tsy mahoraka sy feno fanantenàna io. Io hafaliana io no irariako ho ao aminareo, ry rahalahy sy anabavy, ianareo izay nanao an’Andriamanitra ho nofinofin’ny fiainanareo amim-pahafoizana tanteraka, mba hanompo Azy ao amin’ireo rahalahy sy anabavy nankinina aminareo, amin’ny alalan’ny tsy fivadihana izay efa fijoroana ho vavolombelona sahady, amin’izao vanimpotoana voamariky ny safidy miserana sy ny fihetsehampo mora manjavona nefa tsy mamela hafaliana izao. I Md Josefa Mpiaro ny fiantsoan’Andriamanitra anie hiara-dàlana aminareo amim-pon-dray!
Roma, Bazilikan’i Md Joany ao Laterano, ny 19 marsa 2012, Fankalazana manetriketrika an’i Md Josefa.

Fransoa

Address

Dépôt Analakininina
Toamasina
501

Telephone

+261348994363

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ECAR St Jean Baptiste / Sanctuaire Famindra-po / Toamasina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to ECAR St Jean Baptiste / Sanctuaire Famindra-po / Toamasina:

Share