22/05/2024
FISAORANA 🙏🙏🙏 eram-po💝, eran-tsaina💖 no atolotra antsika rehetra havana, tapaka sy namana, sy ireo rehetra tsy voatanisa () tonga nidodododo, nanotrona, niara-niombom-bavaka, tamin'ny fahalasanan'Itompokolahy Calliste Raveloharimanana teo iny.
Tena nasehonareo tokoa ny TENA fitiavana tsy an-tery 💞 sy ny firaisan-kina 🤝🤝.
Mankasitraka indrindra Tompoko 🙏🙏
Ho solon'ny fandraisan-tànana 🤝🤝 àry dia indro misy amboaran-tononkalo atolotra antsika ho FANAOVAM-BELOMA FARANY AZY.
Lasa nandao ilay namana iray,
Tsy hiverina intsony fa ho mandrakizay.
Tsy nisy fiomanana be ny fialany,
Fa indray nipi-maso dia nody vovoka ho tany.
Calliste Raveloharimanana no anarany ho an'ny tsy mahalala,
Izay tena malefa-pihetsika tsy misy sahala.
Notaizaina ara-panahy tao amin'ny Antoko Mpihira,
Ilay andrarezin'i APF (Amboarampeo Fanantenana) ity no nidila.
Lavo tanora ilay zandrinay,
Namela kamboty sy mananon-tena.
Koa miangavy antsika rehetra Rahalahy,
Tsinjovy ireto nilaozany fa maha onena.
Isaorantsika Andriamanitra izay nampindran'azy,
Sanatria isika ka hihevitr'izao ho toy ny sazy.
Fa marina amin’ny Teniny ny Fitondràny,
Isika ireto izao mbola samy ho any.
Ampaherezina daholo ny fianakaviana,
Satria dia banga iray indray ny olon-tiana.
Ny zanany, ny vadiny, iray tampo, Rahalahy,
Arahintsika vavaka ho fialan-tsasatry ny fanahy.
Veloma ianao Calliste izay voa ny tora-bato,
Tsy azonao nierena io noho izy antso.
‘Ndeha am-pilaminana eo ankavanan'ny Ray,
Mandria am-piadanana re ry Zanaka, Zoky, Zandry malalanay.
Andron'ny Pantekoty no nidify ianao,
Lasa any amin'ny tontolo hafa vaovao.
Ny fisarahan'eto an-tany no tonga mitsahatra,
Fa isika olombelona manaiky alahatra.
Misaotra indrindra anareo rehetra nanao adidy,
Mahatsiaro maivana ny havana izay kivy.
Andriamanitra manan-karem-pahasoavana hameno ny niala taminareo,
Ny fitahin'i Jesoa irina ho tonga aminareo.
Misaotra ny Pretra, ny Relijiozy, sy ny fikambanana rehetra,
Ianareo namaly ny antso jiaby, na ny tamin’ny Internet sy ny etsetra.
Tsy ho vita ny handray tànana ny tsirairay,
Fa ny fahasoavan'i Jesoa hitoetra amintsika mandrakizay.
Hisaorana ihany koa ny avy lavitra miombom-po,
Ny adidin'olombelona dia tsy maintsy mankatoa.
Sitraka sy telina anie izay rehetra vitan'ny tsirairay,
Mandria am-piadanana Calliste Hava-malalanay.
Mankasitraka Tompokolahy, finaritra Tompokovavy.
21 Mey 2024