20/06/2025
✨ Te hampivoatra ny feonao ianao, te ampivoatra ny feon'ny antokom-pihira hoentinao? Mbola débutant. Tsy hainao anefa aiza no hanombohana, te ikaroka, itady lesona, nefa tsy fantatrao hoe inona no tadiavina?
Ireto no lesona tsara karohanao, tsara hanombohana, travailler-na mandavanandro mba ahazoana vokatra tsara
1️⃣ Respiration
Io no solika ho an'ny feo. Ny fahaizana mitantana ny souffle dia manampy ihira maharitra, malalaka kokoa, tsy manery ny tenda.
2️⃣ Échauffement vocal
Mamoha sy mamolaka ny feo. Séance de vocalise atao anaty minitra fohy.
3️⃣ Posture et ancrage
Vatana détendu sy mojoro tsara no manome feo stable. Ahazoana aina sy puissance
4️⃣ Écoute de soi
Henoy ny fikarentsany feonao, ny sensation amin'ny tenda, tarehy, tratra, amin'ny vatana rehefa mihira ianao.Pôzy aona no ahazoanao aina? Inona ny tsy metimety. Note inona no manahirana anao? Aiza ho aiza ny fivoarana? Inona no efa tafavoaka? sns ...
5️⃣ Régularité
Ity no tena manahirana! Mila fotoana maharitra, fanazaran-tena mitohy ny fampivoarana ny feo. Tsy course de vitesse io fa marathon.
Aza miditra amin'ny zavatra tsy ho vita, tsy ho araka.
Constance no ilain'ny feo. Aleo misafidy exercice tsotra atao 10min isan'andro (na 5j/semaine).
6️⃣ Plaisir
Ny fahitanao tsirony amin'ny zavatra ataonao no mampaharitra anao hanao an'izany. Ny exercice vocal (indrindra ho antsika débutant) dia mahakamo2 zany, tsy dia mampazoto....Akao fafiny nefa 😅 🔷Makà tsirony manao azy ireny.
🔷Misy variante maro ireo exercice ireo,
👉mazotoa mikaroka dia izay manintona anao no atao.
🔷Maro koa ny hitsikera anao (manomboka amin'ny ao an-trano aza), aza atao mahakivy. Ity farany koa ny mahazava-dehibe ny ''écoute de soi'' satria raha tsikaritrao ny fivoarana azonao na dia kely aza dia mampitombo ny plaisir azonao sy ny fahazotoana sy filofosana ataonao izany.
👉 Efa misy ataonao ve ny iray amin'ireo?
✨ Inona amin'ireo no tianao anaovantsika ranty eto amin'ny pejy? Soraty ao amin'ny commentaire hoe!