FJKM Tranovato Fitiavana Vaomieran'ny aim-panahy

FJKM Tranovato Fitiavana Vaomieran'ny aim-panahy FJKM Tranovato Fitiavana Vaomieran'ny aim-panahy :
Page natokana hizarana ny toriteny sy ny fampianarana

20/05/2026

MIASA AO AMIN'NY MINO NY FANAHY
Ny omaly tsy toha - Lio. 2:22 :”Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn'i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an'ny Tompo”
Rehefa eo i Jesoa dia tonga ami'ny fahafenoin'ny maha olona ISIKA, HAMARININ'NY Fanahy Masina MIASA ao anatintsika izany, and.26-27, MBAho :
• Tena an'Andriamanitra isika ary ho TENANY dia olon'ny Fiangonana -manompo sy miandry an'I Jesoa -> and.25 dia,
1- Kintan'ny ankohonana i Jesoa => Namelona ny Firavoravony : Firaisan-tsainan'i Josefa sy Maria
2- Tsirompanantenan'ny antitra I Jesoa => Feno Toky : Nientana sy feno fifaliana i Simeona
3- Fahatanterahana - fitomboana - fahalebiazana hoan'ny zaza I Jesoa => Nahatsiarovana ny Hanitry zaza : Nahatsiahy tsy maintsin'ny Voalohan-teraka
4- Nampijoro ny Fiangonan I Jesoa => Velombolo ny Israely : Namelona ny tsy maintsin'ny Fiangona
5- Antoky ny fiafarana I Jesoa=> Dia ho Fiadanana → Fisaorana sy fiderana

Voasoratry ny Ray ho zanaka hatrany ambohoka sy fiafarana ety hoami'ny mandrakizay maha olona antsika: Vita sary tao amin'I Jesoa sy NIANTOHANY ao ami'ny Fanahy Masina dia MANOMBOKA ao ami'ny Fiangonana ary Raisina ao ami'ny Fiangona
Aza mahafoy na manadino ny Fiangonana ! Amena

19/05/2026

MIASA AO AMIN'NY MINO NY FANAHY
Nataony MAZANA fa TIANA mba hangataka izay IRINA : “ny HO TIA an'I Kristy”
Tsy ho tara mbola tsara hoan'ny anio : Lio.11.9 :Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo, dondony, dia hovohana ianareo.”
Tombotsoa goavana sy lehibe indrindra ho fiainana sady MIANTOKA ny any aoriana omban'ny taranaka., ity teny fikasana nataon'i Jesoa hoan'ny mino ity, , sambatra isika, tonga MAZANA anie isika :
Afaka MANGATAKA dia omena, eny Hitady sy handoso koa SATRIA :
Zanaka : Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa. Rm.8.17
=> Midika ho FANKATÒAVANA sy Fandraisana tsara ny Tenin'ny Ray ary Fampiharana
Naterak'Andriamanitra : Fanahafana Ilay niteraka :” 1 Pet.1:1-3 :”Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindram-pony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty
=> Hanahaka ny Ray : Fitiavana ,

Anaka, TIAN'Andriamanitra mihitsy ny ahatonga MAZANA ny olony => Nanomezany azy Fanahy mahery sy mahalala ny zavatra rehetra - Hiasa sy Hahefa ary Handroso feno TOKY ! Amena

16/05/2026

MIASA AO AMIN'NY MINO NY FANAHY
Voatsonga hatramin'ny fihandohana ho tsara hatrany ampara
Anio, 16 mey 2026 - Isaia 11:1 :”Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin'ny fakany;”

Endrey ny fihevitr'Andriamanitra ny olony :

* Manamafy sy manorina hatrany izay nekeny (Ez.16.62. Izaho hanorina ny fanekeko aminao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah,)
=> Mba ho fanantenana sy Toky hatrami'ny taranaka tsy hiova na hivadika Aminy.

* * Manadio sy miantoka hatrany amin'izay niandohana (Jer.24:7 Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin'ny fony rehetra)
=> Mba hijoro sy hanompo marina amin'ny Fitiavana tokoa, mandra-pihavin'I Jesoa

Anaka, MANOME ny enti-manana ho FANDEHA sy ny ho FIJERY mendrika ny Fitiavany, ka ho voaray HITIAVANTSIKA Azy ny Tompo Andriamanitsika, and.2-3 - MBA hipariahan'ny FAMONJENA hoan'ny hafa tonga toa antsika, and.4-5 Amena

15/05/2026

MIASA AO AMIN'NY MINO NY FANAHY
Hifidy an'I Jesoa ho FAHAVELOMANA tsitoha
Atao ho TSIAHY ny → Jn.6.63 :” Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.”

Tsy mitovy famaritam-pahavelomana toy ny zava-boahary hafa rehetra ny hoe VELONA hoantsika olombelona :
=> “Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?” Hoy I Jesoa (Jao.11.26)
Tsy ho diso FIVOY ahazoam-piainana mba ho VELONA isika - ary ho mandrakizay
ANAKA,
Manolotra fiainana hoantsika azo antoka ny Tompon'ny FIAINANA —> Deot. 30.19 :”Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,”
Safidy FOTOTRA ny ho TIA ka HANOMPO an'Andriamanitra - Amena

09/05/2026

MIASA AO AMIN'NY MINO NY FANAHY MASINA
Mahalala ny MARINA hanarina eny fa na TOA VOA aza MAMOA
Anio, 09/05/26; Asa.7.54 :” Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy.”
Hoami'ny fijoroana ami'ny Finoana sy Fiaretana manoloana ny fanenjehana indrindra ny Hery sy antoka hiaina ny Marina → and.56 :dia nanao hoe:
Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak'olona mitsangana eo ankavanan'Andriaman ; ANTONY nananana ny Fanahy Masina (and.55) :
* Mivonona sy voaomana hoamin'izay tsy maintsy ho fanenjehana sy fahoriana ary koa fampijaliana samihafa ny Mino eto amin'izao tontolo izao tanànan'ny fahaval
=> Fa noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay. — Salamo 44 : 22
** Fa Manana ny fahendrena sy mahita ny marina (and.51) - indrindra ny amin'ny voninahitr'Andriamanitra koa HIFANTOHANA sy ho ANTOKA hoami' ny Fifaliana mandrakizay izay ho tanànany ny mino: Fahari-po sy fitiavana, dien'ny etỳ
=> Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo o, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.— and.60
Hoy ny S M : Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesoa.
— II Tim.2 : 3 - Ady amin'izay any ivelany fa tsy ny ao anatiny ! Amena

08/05/2026

MIASA AO AMIN'NY MINO NY FANAHY MASINA
Manana ny Fanahy mampiray ao amin'ny Ray hananana ny lova mandrakizay
Anio, 08/05/26, Rm.8.14 :”Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra.”

Miasa manome ny SAINA sy ny HERY ary ny ANTOKA hoami'ny fiaina sy fandeha indrindra ny fanompoana miendrika ny maha zanaky ny Ray Tsitoha ny Mino Izy, sarobidyAminy ny NANEKENA sy Nanapahan-kevitra ho Mpino : dia fiaina TENA HAFA sy TSY ZAKAN'NY tsy ao Amin'Andriamanitra (Fahavalo andrian'izao tontolo izao sy ny nofo), ka mahatonga an'Andriamanitra HIANGATRA ami’ny Azy, KA :
Tarihiny = Azo antoka fa tsy hanao izay tsy araka ny Fanahy - Ary MIRAY sy MIARAKA amin'izay avy ami'ny Ray samy zanaka fa tsy MIFANOHITRA toy zanaky devoly
=> ”….Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano”.— Mt 12 : 25
Dikany indrindra koa : FANOAVANA tokoa sy FANOMPOANA “fanehoana mivantana tsisy fihambana ny REHAKA maha zanaka
=> Ary hoy Jesoa taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, noho ny fanjakan'Andriamanitra,izay tsy handray be lavitra amin'izao andro ankehitriny izao, ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. — Lioka 18 : 29 - 30
Anaka, Mampiray sy Mamrelona ny avy ami'ny Ray FA Mapisaraka sy Mamono kosa ny avy ami'ny devoly !
Fa izay miray amin'ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy. — I Kor. 6 : 17, Amena

04/05/2026

MAMPANDRESY NY TOMPO
Mahita fitia tsy handrovi-tsihy nohon'ny Fanahy HAMPANJARY Raha
Omaly, 03/05/26 , Mat.12.18 : “Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin'ny jentilisa Izy;”
Sambatra ny hoe Mpanompon'Andriamanitra :
# Avy ami'ny Tompo fa tsy avy amintsika
-> Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin'ny tranonao izahay dia ny zava-masina ao amin'ny tempolinao.— Salamo 65 : 4

# # Sady malala no sitraka = lojika raha MIFANTOKA amin'izay sitrany ho Fifaliany ny voafidiny sady Tombony hoan'izay nofidina koa :
-> Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao. — Matio 25 : 23
# # # Ho marihiny sy hovatsiny ny FAHEFANY hoami'ny fijoroany sy ny Fanompoany ny voafidiny :
-> Andriamanitra, Ampinganay o, tsinjovy ka jereo ny tavan'ny voahosotrao.— Salamo 84 : 9

# # # # Tsy mahagaga raha TSY RERAKA hitory sy ho vavolombelon'ny RARINY - fivelaran'ny Fahamarinan'Andriamanitra izy
-> Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?— Joba 8 : 3

Anaka, Tombotsoa ny maha mpanompon'ny Tsitoha satria koa voavoatra noho ny fanompoany hoami'ny Fahalemem-panahy MANAHAKA ny Ray hoami'ny mandrakizay , Amena

30/04/2026

MAMPANDRESY NY TOMPO
Manana mihoatra TSY HANDROATRA fa ny HIJOROANA hoan’ny Finoana

Tsaroana ny Rm.8.31 :” Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?”
Natao mba :
1- Hatoky ratoa tsy maintsy hietry sy handefitra HAMPITOETRA sy HISIAN'NY fihavanana
2- Azo ANTOKA ny NANONERAN'I Kristy ny HITIA ka HIHAFY hanehoana ny Fitiavany sy ny HATSARANY
ANAKA, hoy ny tantara iray ao ami'ny S.M :
=> “ Sandry nofo no momba azy, fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika. Ary dia niankina tamin'ny tenin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ny olona.”— II Tantara 32 : 8
Zava-poana zay ho fandresena na fisandratana na ho firentena ; na amin'inona na inona , ratoa tsy natolotra sy avy amin'Andriamanitra !

28/04/2026

MAMPANDRESY NY TOMPO
Mahay mikajy ny MAHASOA tsy ho very ny SOA
Tsiahy ny omaly : II Mpk.23.8 :”Ary nampaka ny mpisorona rehetra avy tamin'ny tanànan'ny Joda izy, dia nolotoiny ny fitoerana avo, izay nandoroan'ny mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba ary noravany ny fitoerana avo tao akaikin'ny vavahady, dia ilay teo anoloan'ny vavahadin'i Josoa, komandin'ny tanàna, sy ilay teo an-kavia raha miditra amin'ny vavahadin'ny tanana.
Izay rehetra namofona fandotoana sy fanotàna fady ny zava-masina, dia nodoran'i Josia mpanjakaavokoa sy nofongorany, hatramin'ny Mpisorona nanao izy tsy fanao ny raharahany dia noferany ny azony atao → and.9s

1- Mila fanapahan-kevitra hentitra izay rehetra FANTATRA tokoa FA mandoto sy mametaveta ny Tempolin'Andriamanitra ka MANAMAVO ny Fahamasinany ; zany ange ka isika sy fiainantsika ato ampiangonana eeh :
Ny Fitafiantsika eh
Ny fiteny sy fijerintsika eh
Ny fiasa sy fihetsika- fomba ary fisaina eh
Ny MAHAMAIKA sy MAHATERY
=> Koa izany no anaovan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.— I Sam. 2 : 30

ANAKA, ¹1 Hoy I Jesoa :
=> tsy izay miditra amin'ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin'ny vava, izany no mahaloto ny olona. — Matio 15 : 11
Manàna FIFEHEZANA tsara isika ny amin'ny HITA sy RE indrindra ny HOANINA eh (I Jao.1.4) Amena

25/04/2026

MANDRESY NY TOMPO

MINO NATAO hitondra sy HANEHO zava-mahaga hampitsanga ILAY HAZO-MANGA ho Fiadanana HAHATÒ ny FIHAVANANA

Anio, Josoa 10 : 13 : "Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona koa ny volana, Mandra-pamalin'ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin'ny Bokin'i Jasara va izany? Dia nijanona teo afovoan'ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro maninjitra."

* Anaka afaka tena mahavita FAHAGAGANA isika rehefa TENA iainana ny FINOANA :
---> Mampiato ny masoandro sy ny volana -
---> Mahafindra hatrai'ny tendrombohitra Mat.17.20
1- Hararaoty fa TSY Vahaolàna ihany, FA intindra tena ho LALAM-PAMOTSORANA Hanamaivana ny fo - Hampahiratra ny saina ka HANANA ny antoky ny HOAVY n'inona na inona ADY
=> Fanjakana dimy no natrehin'i Josoa teto ary tsy ady fotsiny fa TENA fahavalo

2- FINOANA marina avy ami'ny TENIN'I Kristy (bokin'I Jasara) mampahitsy ny saina sy manokatr ny DIA mba handroso TSY MIATO ho voninahitry ny ANTSO
=> Nandray ny andraikiny tamin'ny Finoana tokoa voafahan'ny T.A i Josoa - ka NANAN-TSAINA nahalala ny Sitrapon'Andriamanitra KA namongotra tanteraka ny fahavalo and.19

Moa tsy mila zava-mahagaga toy izany va ny voageja sy mijaly ary toy ny voahilika tsy mba hita hisy HIARO manoloana ny fahavalo MAMPAHANT sy MAMPAHORY azy ratoa mbola misy Finoana
* Miantso ny Firaisan-tsaina ateraky Finoana avy ami'ny S.M hanorina FIRAISANA manomboka eo ami'ny MINO ny tontolo atrehintsika, hoy ny T.A :
=> "Manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, angony ny loholona sy ny mponina rehetra amin'ny tany ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrareo, koa andeha mitaraina amin'i Jehovah." — Joela 1 : 14 Amena

24/04/2026

MPANDRESY NY TOMPO
Voahary ho hafa tsy mihafahafa fa loharanon-tsoa toa an'i Jesoa
Anio, MFN, Ef.2.10 :”Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesoa mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.”
Tena mahazatra sy tsiahivina maheky tokoa ty, any ampigadrana ny mpanoratra, manoratra hoan'ny Fiangonana tena hita ho kosmopolita - manambola - antànam-b sady malaza no renivohitry kolotsaina samihafa sy fivavahana (temple d'Artéims taonjato-VI tal.J.K) tsy mahagaga raha ivon'ny soratra ny FIRAISANA (2.; 4.3) fa zay FIAVAHANA moho ny Fahasoavana faritan'I Paoly Apostoly eto kosa :
Manao ASA TSARA Sehon'ny KANTO “art” tsy “mode “
=> mpitarika ny FANAOVAN-TSOA = Tsy mahay manao na mihevitra ratsy
=> Hahary sy hametraka ny HANITRY ny voahary vaovao : Fisaina sy fanao
Anaka, taratry ny lanitra dy ahatakarana ny endriny isika - Raha izany, azo ANTOKA fa tsy maintsy MAMOKATRA ary hitombo fitia amin'I Kristy
=> II Pet.1.8 :”Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan'izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin'ny fahalalana tsara an'i Jesoa Kristy Tompontsika.”. Amena

Address

Rue Bertho Anjoma
Toamasina
501

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Tranovato Fitiavana Vaomieran'ny aim-panahy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share