Rantsana Fanantenana FJKM Tanjombato Maritiora

Rantsana Fanantenana FJKM Tanjombato Maritiora Mandehana araka ny
Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo
Gal 5 : 16

20/07/2026

Tafika Masina Nasionaly

#27-30 aogositra 2026

Lioka 23 : 44-49 🙏".......Ary niantso tamin'ny feo mahery Jesoa ka nanao hoe: Raiko o, eo an-tananao no atolotro ny fana...
03/04/2026

Lioka 23 : 44-49 🙏

".......Ary niantso tamin'ny feo mahery Jesoa ka nanao hoe: Raiko o, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy. ......."

Lioka 6 :32-36
30/03/2026

Lioka 6 :32-36

30/03/2026

1 Kor 11:27
"Mihinana sy misotro...amin'ny fanahy tsy mendrika"

1. Tsy tonga lafatra isika

2. Fa miezaka ho marina eto

3. Tsy kilalao ny zava-panahy

29/03/2026

Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy
Lio 19:41
🪴Alahadin'ny sampan-drofia 🌾

🙏MIVAVAHA KA AZA MITSAHATRA 🙏
25/03/2026

🙏MIVAVAHA KA AZA MITSAHATRA 🙏

MIVAVAHA 🙏

MIVAVAHA na mandiso fanantenana anao aza ny fiainana.

MIVAVAHA na mandiso fanantenana anao aza ny fiaraha-monina.

MIVAVAHA na mandiso fanantenana anao aza ny namana...

MIVAVAHA fa TSY handiso fanantenana anao Andriamanitra.

Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina ✍️


.........................
Manasa anao hanaraka hatrany ny pejy ❣️

23/03/2026

Sal 71:7
"Tonga toa zava-mahagaga eo imason'ny maro aho, nefa Ianao no fiarovana mafy ho an'ny aiko"

1. Manana finoana, toetra ve isika, anatin'ny sarotra ?

2. Ny Tompo no niavian'izany.

3. Misaotra Jesoa !

"Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa;Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery;Hihazakazaka izy, nefa tsy...
22/03/2026

"Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa;
Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery;
Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra;
Handeha izy, nefa tsy ho reraka"
🙏isa 40:31 🙏

5 mn ho an'ny Tanora sy ny Ankizy

AKANY : FIAINGANA HIATRIKA NY HOAVY

Akany efa tsara omana no hahatongavan'ny zana-boromahery ety an-tany. Ny volon'ny ray aman-dreniny efa toy ny kidoro mitondra hafanana ho azy. Ny fiarovana amin'ny fahavalo dia tena azo antoka. Ny sakafo moa dia mandray vonona.

Fa amin'ny fotoana iray, dia esorin'ny voromahery avokoa ireo "confort" teo aminy ireo. Alainy ireo volo, ka karaobato sy tsilo no hitan'ny zana- boromahery.

Ilay " confort" izao io, dia mety ho fefy tsy hivoarana amin'ny hoavy. Dia atosiky ny voromahery ireo zanany hisedra ny fiainana. Fa eo foana izy tsy manary ny zanany.

TSY MAHAY MANIDINA SY HAHERY ISIKA, RAHA NY "CONFORT" ANKEHITRINY NO IFIKIRANA.

SOA FA ESORIN'NY TOMPO IRENY INDRAINDRAY, MBA HAHA VOROMAHERY MAHALEO TENA ANTSIKA.

"Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa. Elatra no iakarany tahaka ny voromahery" (Isa 40:31)

Andriamampianina Zaka, Mpitandrina

Address

Tanjombato

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Rantsana Fanantenana FJKM Tanjombato Maritiora posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share