Tana City Church Andoharanofotsy

Tana City Church Andoharanofotsy Ny fiangonana Tana City Tanjombato - Andoharanofotsy dia misy mba ho tara-pahazavan'i Kristy.

31/08/2026

SALAMO 19:1
"Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tΓ nany."

Raha hamakivaky ny herinandro vaovao indray isika dia handeha hibanjina sy ho talanjona feno amin'ny Tompontsika. Andao hiantehitra sy hiankina feno Aminy. Hifampatsiaro am-bavaka ihany koa.

Lehibe ny Tompo !!


(Rakitsary nalaina tamin'ny fotoam-bavaka Alahady, omaly)

Afaka tapa-bolana katroka dia higadona ity fotoana entintsika midera an'Andriamanitra ity.Fankalazana an'Andriamanitra n...
30/08/2026

Afaka tapa-bolana katroka dia higadona ity fotoana entintsika midera an'Andriamanitra ity.

Fankalazana an'Andriamanitra noho ny amin'ny Famindrampony sy ny Fihazonany ka nahatratrarana ny faha 07 taonan'ny fiangonany...

Koa miomana sahady,
Am-pifaliana no hanasana antsika.

29/08/2026

FizarΓ na 01 πŸ“‹

π…πš 𝐦𝐚𝐧𝐒𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐊𝐫𝐒𝐬𝐭𝐒𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐫𝐚𝐲 𝐧𝐨 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐒𝐧𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐒𝐚𝐫𝐚-𝐦𝐒𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐚 𝐦𝐒𝐚𝐫𝐚-𝐦𝐒𝐯𝐚𝐯𝐚𝐀𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 𝐊𝐫𝐒𝐬𝐭𝐒𝐚𝐧𝐚 𝐑𝐚𝐟𝐚?

Ho valiana ato anatin'ity rakitsary ity izany.

Mpanolotra: Isandratana ANDRIANATOANDRO
(Mambra Fiangonana Tana City Church Andoharanofotsy
Mpanoratra ny boky FilΓ΄zΓ΄fia Malagasy Kristiana
Teolojiana rΓ©formΓ©)

Samia tahiana hatrany o, dia araho hatrany ny pejintsika.

Ny fahasoavana ao amin'i Kristy π€π¦πžπ§
28/08/2026

Ny fahasoavana ao amin'i Kristy
π€π¦πžπ§

π…π¨π­π¨πšπ§πš 𝐧𝐚𝐭𝐨𝐀𝐚𝐧𝐚 𝐑𝐨 𝐚𝐧'𝐧𝐲 π¦π©π’π―πšππ²πŸŒΉπŸ•™01 ora sy sasany tolakandroπŸ“By Pass Sampanana AmbohijanakaπŸ“‹Sabotsy 05 septambra 2026
26/08/2026

π…π¨π­π¨πšπ§πš 𝐧𝐚𝐭𝐨𝐀𝐚𝐧𝐚 𝐑𝐨 𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐒𝐯𝐚𝐝𝐲🌹
πŸ•™01 ora sy sasany tolakandro
πŸ“By Pass Sampanana Ambohijanaka
πŸ“‹Sabotsy 05 septambra 2026

Ireo sary vitsivitsy nalaina, tamin'ny π…π¨π­π¨πšπ§πšπ§'𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐨𝐫a, ny Sabotsy lasa teo.Misaotra ny Tompo hatrany noho ny amin'ny...
25/08/2026

Ireo sary vitsivitsy nalaina, tamin'ny π…π¨π­π¨πšπ§πšπ§'𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐨𝐫a, ny Sabotsy lasa teo.

Misaotra ny Tompo hatrany noho ny amin'ny nanomezany fotoana toy itony.

Samia tahiana hatrany o.

Ny fahasoavan'Andriamanitra izay manavotra antsika amin'ny fahotana.π“π¨π«π’π­πžπ§π² 𝐍𝐲 𝐚𝐯𝐨 - π„π³π«πš πŸ—: πŸ“-πŸ—ππ˜ π…π€π‡π€π’πŽπ€π•π€ππ€βœ…Ny maha ...
24/08/2026

Ny fahasoavan'Andriamanitra izay manavotra antsika amin'ny fahotana.

π“π¨π«π’π­πžπ§π² 𝐍𝐲 𝐚𝐯𝐨 - π„π³π«πš πŸ—: πŸ“-πŸ—

𝐍𝐘 π…π€π‡π€π’πŽπ€π•π€ππ€
βœ…Ny maha ilaina ny fahasoavana

-Mahatsiravina ny ota amin'ny maha ota azy (v6), eo amin'ny toerana itondrany antsika (v7), ary manajamba ilay manota izany.

-Mahatsiravina ny ota satria (v7) ny fahotana no mahatonga antsika tsy mitady Mpamonjy

⚑Ny fahotana rehetra izay ataontsika dia dingana iray miala amin'Andriamanitra,..mankany amin'ny fahafatesana.

πŸ“‹ 𝐌𝐒π₯𝐚 𝐟𝐚𝐑𝐚𝐬𝐨𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐒 𝐊𝐫𝐒𝐬𝐭𝐲 𝐒𝐬𝐒𝐀𝐚

βœ…Ny herin'ny fahasoavana (v8)
-Mitondra ho amin'ny fibebahana sy manafaka amin'ny fahotana.

πŸ“‹Tsy noho ny fibebahan'i Ezra no nisehoan'ilay fahasoavana. Fa efa niseho ilay fahasoavana. Izany hoe ny fahasoavana no mitondra antsika ao amin'ny fibebahana.

βœ…Ny tanjon'ny fahasoavana (v9)
-Manome antsika hery hanompoana an'Andriamanitra (v9)
-Aro sy fahazoan'antoka (v9)

𝐍𝐲 π…π’πšπ§π π¨π§πšπ§πš 𝐝𝐒𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐚:
Satria namonjy antsika i Jesosy, nanome asa sy andraikitra, fa nanome fiarovana ihany koa izy:
misy rahalahy sy ranabavy miaraka sy miady ary mifanangana aminao.

Ampiarahan'Andriamanitra ao amin'ny trano iray isika izay manakambana antsika vahoakan'Andriamanitra.

π…π€π‡π€π’πŽπ€π•π€ππ€:
πŸ“‹π‰π„π’πŽπ’π˜ πˆπ‹π€π˜ 𝐓𝐄𝐍𝐀 𝐄𝐙𝐑𝐀
Ilay Iray tsy nisy fahotana mitondra ny heloky isika mba hahatonga antsika ho marina eo anatrehan'Andriamanitra.

"Arovy ny mpanomponao tsy ho azon'ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsi...
24/08/2026

"Arovy ny mpanomponao tsy ho azon'ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin'izay fahadisoana lehibe.

Aoka ny tenin'ny vavako sy ny fisainan'ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah Γ΄, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy."
-Salamo 19: 13-14

Samia tahiana,
Samia mifampatsiaro am-bavaka amin'ity herinandro vaovao ity.

23/08/2026

Kolosiana 1: 12- 18

ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava, sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany,

Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika. Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao; fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etα»³ ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana,

Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra. Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy

22/08/2026

ANDRON'NY TOMPO RAHAMPITSO ✨

- FIVORIAM-PIANGONANA
Tana City Church Andoharanofotsy
πŸ—“οΈ Isakin'ny Alahady
⏰ 09 ora sy sasany maraina
πŸ“ Immeuble Vytinox Mandrimena

Address

Tanjombato
102

Telephone

+261341721636

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tana City Church Andoharanofotsy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share