26/08/2026
Apokalipsy 3:3 [DIEM]
[3] Koa tsarovy izay fomba nandraisanao sy nihainoanao ny tenin’Andriamanitra ary dia tano izany ka ialao ny toe-dratsinao. Raha tsy miambina ianao, dia ho avy toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao.
Ny Tompo dia mahafantantra sy mahita ny fo.
Fantany rehefa tena mitoetra marina ao Aminy ny fontsika na mody mitoetra. Raha toa ka mitoetra amin'ny modimody dia fotoana izao ialàna amin'izany ! Mangetahetà ho havaozin'Andriamanitra indray. Mibebaha - tohizo ny dia - miambena amin'ny fotoana rehetra!
Ny tenin'Andriamanitra no mampafantatra ny sitrapony ; ny tenin'Andriamanitra no manazava ny làlana handeha amin'ny Fanahy sy ny Fahamarinana.
Ny tenin'Andriamanitra no manampy antsika hibanjina an'i Jesosy Kristy, Ilay ohatra tonga lafatra!
Raiso ny tenin'Andriamanitra, hevero ny tenin'Andriamanitra.
Aoka hamela ny Teny, hanavao ny fontsika isika !
Aza avela mandalo fotsiny ny tenin'Andriamanitra izay torina aminao, aza avela handalo fotsiny ny tenin'Andriamanitra izay vakinao, fa saintsaino izany dia meteza ho eo ambanin'ny fampianarana sy ny fitarihan'ny Fanahy Masina.
Mitoera tsara :
𝐌𝐢𝐡𝐚𝐢𝐧𝐨𝐚, 𝐦𝐢𝐛𝐞𝐛𝐚𝐡𝐚, 𝐦𝐢𝐚𝐦𝐛𝐞𝐧𝐚, 𝐚𝐫𝐲 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐫𝐞𝐭𝐚 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐚𝐧𝐲 𝐫𝐲 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐨𝐦𝐩𝐨 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐭𝐨𝐤𝐲!
📖 Deotoronomia 17
📖 Apokalipsy 3