ECAR Paroisse Cathédrale Saint Vincent De Paul Tôlagnaro

ECAR Paroisse Cathédrale Saint Vincent De Paul Tôlagnaro Page de la Paroisse Saint Vincent de Paul, Cathédrale de Tôlagnaro, Diocèse de Tôlagnaro, Fort Dauphin Madagascar.

Cette page est gérée par les Prêtres et les membres de bureau.

05/08/2026
Tontosa soamantsara ny famangian’ny Nationaly ny mpikambana Franciskanina teto amîn’ny Diosezy, na eto Katedraly ihany ...
04/08/2026

Tontosa soamantsara ny famangian’ny Nationaly ny mpikambana Franciskanina teto amîn’ny Diosezy, na eto Katedraly ihany no misy. Isaorana sy ankasitrahana ́ny Aomonier Nationaly sy ny ekipany. Mankahery anay kristianina rehetra ny toy izao ary manrntana ny hidirana lalindalina kokoa amin’ny fivelomana ny finoana.

28/07/2026

⛪ FILAN-KEVITRA PASTORALY 2026 :

✅ Arakin'ny fanao eto amin'ny Diosezy ho fanatsarana sy fanamafisana ny fiombonan'ny Eglizy dia misy ny izay ihaonan'ny maha-masaka ahandro ato anivon'ny Fiangonana : Lahika, Relijiozy ary Pretra izay tarihin'ny Eveka raimandreny, vovonana iadian'ny tafo.

✅ Fotoana amaranana ny Taom-pikatrohana Pastoraly, ka mazàna faranana amin'ny Sorona Masina Fanamasinana ho Pretra na Diakra izany. Tamin'ity taona 2026 ity ny diosezintsika dia tsy nanana zanaka haroso amin'ny laharana maha-Pretra fa kosa nahazo fito (07) mirahalahy Diakra, izay nohamasinana tany Fianarantsoa ny 24 jiona lasa teo.

✍️Noho izany dia fihaonana sy dinidinika ho fanatsarana ny fiainan'ny Eglizy sy ny ASA FITORIANA NY VAOVAO MAHAFALY no tena ifotoran'izao fihaonana mandritra ny hateloana eto amin'ny renivohitrin'ny Diosezy izao (28-29-30 jolay 2026), Manomboka anio Talata 28 jolay 2026 ka ho faranana amin'ny , sy fandraisana azy 07 mirahalahy Diakra eto amin'ny Diosezy ny , ho avy izao, ao amin'ny Fiangonana EKAR MD VINCENT DE PAUL - KATEDRALY TOLAGNARO, manomboka amin'ny .

👉 Koa asaina arak'izany isika rehetra hitrotro am-bavaka izao Filan-kevitra Pastoraly izao ho tontosa soa aman-tsara mba hitondra vokatra tsara hoan'ny Fiainam-piangonantsika eto amin'ny Diosezy ary indrindra indrindra , ho avy izao amin'ny 05ora 30 hariva.

Mirary soa hatrany🙏

26/07/2026

Anambaràna sy asaina isika fa ny alakamisy dia atao hariva 18h ny lamesa ato amin’ny katedraly, ho famaranana ny filan-kevitra pastoraly, andraisana ireo diakrantsika 7 vao avy nohamasinina tany Fianarantsoa aty amin’ny Diosezy, no hanirahana azy ireo sy ny Pretra amin’ny fitoriana ny evanjely.

25/07/2026

Aza hadino ho antsika katedraly ny voin-kava mahahatratra ho an’ny fianakaviana may trano, hoentina amin’ny lamesa voalohany sy faharoa rahapitso 26/07/2026 nanentanana antsika tamin’ny alahady. Samy mitondra izay hitany anampiana azy ireo.

Mizotra ny fanamboarana ny tafo, ombao vavaka hatrany mba ho tontosa araka ny sitrapon’Andriamanitra. Ho lavitran’ny rat...
24/07/2026

Mizotra ny fanamboarana ny tafo, ombao vavaka hatrany mba ho tontosa araka ny sitrapon’Andriamanitra. Ho lavitran’ny ratsy.

Apetraka eo an-tanan’Andriamanitra ny fanamboarana. Tsofina rano ireo mpanamboatra hotantanany sy hahavita soa, ary isao...
24/07/2026

Apetraka eo an-tanan’Andriamanitra ny fanamboarana. Tsofina rano ireo mpanamboatra hotantanany sy hahavita soa, ary isaorana sahady izy Andriamanitra mambomba ny fahasoavany.

Tonga indray ny iray volana ho an’ny tanora maray. Miavia aby zalahy hanala azy vita BEPC. Miara-misaotra an’Andriamanit...
18/07/2026

Tonga indray ny iray volana ho an’ny tanora maray. Miavia aby zalahy hanala azy vita BEPC. Miara-misaotra an’Andriamanitra amin’ny lamesa, mitso-drano ireo haka BAC, miara-mikorana après midi amin’ny tihôky.

Address

Tôlagnaro

Opening Hours

Monday 06:00 - 21:00
Tuesday 06:00 - 21:00
Wednesday 06:00 - 21:00
Thursday 06:00 - 21:00
Friday 06:00 - 21:00
Saturday 08:00 - 21:00
Sunday 11:00 - 21:00

Telephone

+261347602820

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ECAR Paroisse Cathédrale Saint Vincent De Paul Tôlagnaro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to ECAR Paroisse Cathédrale Saint Vincent De Paul Tôlagnaro:

Shortcuts

Share