Fiangonana Batista Biblika Fort-Dauphin

Fiangonana Batista Biblika Fort-Dauphin "Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba 𝐡𝐨 𝐋𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐳𝐚𝐯𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐈𝐳𝐲."

Kolosiana 1:18
𝗠𝗚𝟭𝟴𝟲𝟱

“Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-bonina...
15/08/2026

“Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.” Romana 11:36 (MG1865)

Misaotra ny Tompo fa afaka nanainga androany maraina ny Fiangonana Batista Biblika Fort-Dauphin hamonjy ny Fihaonambe ny FIANGONANA BATISTA BIBLIKA ETO MADAGASCAR ny 19 ka hatramin’ny 24 Aogositra izao, izay atao any Moratsiazo Ampefy, Antananarivo, izay hitohy amin’ny lasin’ny Tanora eo anivon’ny fivondronana izany ny 24-28 Aogositra.

Ny Tompo no homba sy hitantanana ny dia ka ho tonga soaman-tsara Hihaona am-pifaliana miaraka amin’ny Rahalahy sy Anabavy rehetra any!

Misaotra mivavaka ho anay! Izahay koa hivavaka ho antsika rehetra. Amintsika Andriamanitra. TONGAVASOA DAHOLO E🙏🙏🙏🙏🙏







08/04/2026

Soli Deo Gloria🙏 Chorale FBBM Fort Dauphin 2026 ❤️❤️❤️🙏🙏🙏 “Velona JESOSY”

Chorale FBBM Fort Dauphin Concert de Pâques 2026 “VELONA JESOSY” 🙏🙏🙏🙏
08/04/2026

Chorale FBBM Fort Dauphin Concert de Pâques 2026 “VELONA JESOSY” 🙏🙏🙏🙏

08/04/2026

Fankalazana ny P***a 2026, niarahana tamin’ny Chorale FBBM Fort Dauphin. Fotoana nanambaran’izy ireo fa VELONA JESOSY, ary efa nanao lalana ho antsika ahafahana manana fihavanana amin’Andriamanitra Ray. Efa vitan’i Jesosy Kristy tamin’ny nanolorany ny ainy teo amin’ny Hazo Fijaliana ny FAMPIONONAM-PAHATEZERANA ho an’ny fahotantsika. JESOSY nandresy ny fahafatesana.


“Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona (Isa. 25:8). Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? (Hos. 13. 14).”
‭‭1 Korintiana‬ ‭15‬:‭54‬-‭55‬ ‭MG1865‬‬

Address

Tôlagnaro

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fiangonana Batista Biblika Fort-Dauphin posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category