SVM Andon'i Hermona Soavinandriana

SVM Andon'i Hermona Soavinandriana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from SVM Andon'i Hermona Soavinandriana, Religious organisation, Soavinandriana.

Ity pejy ity dia natao hifandraisana sy hifampizarana ary hifampitana hafatra amin'ny Sampana Vokovoko Manga eto amin'ny Fiangonana Andon'i Hermona Soavinandriana Itasy.

20/12/2024

🔰SURPRISE🔰
⏯ Mamiko ny teniNao
👉SVM Andon'i Hermona Soavinandriana
⌨️A/C: Ny Itokiana Mandimbimiarana
🔈🥰Ampifaliana ho anay SVM Andon'i Hermona Soavinandriana Itasy no manolotra hira vaovao indray amin'izao faramparan'ny taona izao. Entina itaomana antsika ahatsapa ny hiaina ny Tenin'Andriamanitra🔈.
✝"Endrey ny hamamin'ny teniNao raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!" (Sal 119 : 103)

Mihainoa finaritra tompoko

18/10/2024

🥰Fiadanana oh, ampitiavana be no anoloranay anareo ny hira vaovao, entina hitaomana antsika mba hanolotra ny fiainanao ho an'Ilay Mpamponjy antsika.

🔈ATOLORY🔈
⏯SVM Andon'i Hermona Soavinandriana Itasy
⏯AC: Ny Itokiana Mandimbimiarana

Araho hatrany ny Pagentsika SVM Andon'i Hermona Soavinandriana

Ry kristiana, aoka isika ho mailo kokoa sy ho vonona kokoa mba handeha ho voninahitr’i Kristy Izay efa tia antsika hatra...
16/10/2024

Ry kristiana, aoka isika ho mailo kokoa sy ho vonona kokoa mba handeha ho voninahitr’i Kristy Izay efa tia antsika hatramin’ny fahafatesana ary efa niaritra ny hazo fijaliana mba hanaisotra ny fahotantsika. Tiany isika mba ho toy ny efa maty ny amin’ny ota « mba tsy handaniantsika ny andro sisa iainantsika amin’ny nofo araka ny filàn’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra » (I Petera 4 : 1-2).

🎧Elaela tsy nisy hira vaovao eh?🎼Efa akaiky ao ny vokatra vaovao, indro atolotra antsika ny tonony.ATOLORYSVM Andon'i He...
07/10/2024

🎧Elaela tsy nisy hira vaovao eh?🎼
Efa akaiky ao ny vokatra vaovao, indro atolotra antsika ny tonony.

ATOLORY
SVM Andon'i Hermona Soavinandriana Itasy
AC: Ny Itokiana Tsihoarana Mandimbimiarana

1.Maro olana sedraina, izao fiainantsika izao
ka be ireo mitaraina, mila ho kivy sy hamoy fo
Miasa saina koa ny maro isan’andro vao mifoha
Indraindray tsy mahatsiaro intsony ny fisian’ilay Ray ao ambony

ref. Atolory ny fiainanao anio, ho an’i Jesoa Izy ihany no fidio
Aza avela handavo anao intsony ireo fandrika ataon’i satana
Raha izay olana tsy ahagaga intsony, ny eto an-tany efa miharatsy hatrany
Ny finoanao no hamafiso hiorina, ao amin’ilay Jesoa Tomponao

2.Tsy ho takatry ny sainao, ny anton’ireo fitsapana
Ny anjarantsika izay mino dia ny matoky Azy hatrany
Ny vavakao no asandrato, mifankazara Aminy ianao
Fa ao anatin’ireo mafy, fiadanam-po no asehon’Ny Tompo anao

❤Raha ny fitiavan'i Kristy no ainga mampirisika antsika hanao zavatra dia hiala ho azy fanaovana ny zara fahavita sy ny ...
11/09/2024

❤Raha ny fitiavan'i Kristy no ainga mampirisika antsika hanao zavatra dia hiala ho azy fanaovana ny zara fahavita sy ny hakamoana.

Finaritra ô 👋 vaovao indrindra ho antsika eto Soavinandriana 🫴 Inona marina moa ny Sampana Vokovoko Manga (SVM)? Iza no ...
06/09/2024

Finaritra ô 👋 vaovao indrindra ho antsika eto Soavinandriana 🫴 Inona marina moa ny Sampana Vokovoko Manga (SVM)? Iza no afaka miditra ao? Inona no atao ao?
Amin'ny Alahady izao ary no fotoana an! 😊
@3 Ora ao amin'ny FJKM Andon'i Hermona Soavinandriana Itasy.
Tahian'i Jesoa daholo 🙏✝️

Fiadanana e, Afaka jerena ao amin'ny Youtube ao koa ilay Lyrics an'ny hirantsika vaovao sy ireo efa navoaka teto ireny.I...
16/07/2024

Fiadanana e,
Afaka jerena ao amin'ny Youtube ao koa ilay Lyrics an'ny hirantsika vaovao sy ireo efa navoaka teto ireny.
Ity ny lien an'ilay hira FITIAVANAO : https://youtu.be/Y0n3DsnYVKg

Araho hatrany ny Pejy oh.

SVM Andon'i Hermona Soavinandriana ItasyA.C Ny Itokiana Tsihoarana Mandimbimiarana

Meteza ho ampiasain'ny Tompo, ho IRAKA hanao ny asany 😊." Koa dia iraka solon'i Kristy izahay" II Kor 5:20a
15/07/2024

Meteza ho ampiasain'ny Tompo, ho IRAKA hanao ny asany 😊.
" Koa dia iraka solon'i Kristy izahay" II Kor 5:20a

12/07/2024

✝️FITIAVANAO
SVM Andon'i Hermona Soavinandriana Itasy
A.C Ny Itokiana Tsihoarana Mandimbimiarana

⏯Miarahaba e, araka ny efa nambara dia ampifaliana lehibe ho anay ny manolotra ny vokatra vaovao ho antsika.
🥰Hira vaovao entina hilazana sy ahatsapana ny halehiben'ny Fitiavan'Ny Tompo antsika.
Svm Fjkm Soavinandriana Itasy

Address

Soavinandriana
118

Telephone

+261345452356

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when SVM Andon'i Hermona Soavinandriana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to SVM Andon'i Hermona Soavinandriana:

Share