Mofon'Aina Isan'andro

Mofon'Aina Isan'andro I Petera 2: 2
Abonnez-vous

26/02/2024

Mofonaina Alatsinainy 26 Febroary 2024
Deoteronomia 28. 1-14
MIHAINO TSARA SY MANARAKA NY DIDIN’ANDRIAMANITRA

Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany hianao; 2 ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao hianao: 3 Hotahina hianao ao an-tanàna, ary hotahina hianao any an-tsaha. 4 Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman-osinao. 5 Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao. 6 Hotahina hianao, raha miditra; ary hotahina hianao, raha mivoaka. 7 Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka làlana iray no hivoahany hanatona anao, fa làlana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao. 8 Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin'ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon'ny tànanao, ka hitahy anao Izy any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao. 9 Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mandeha amin'ny làlany. 10 Dia ho hitan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa ny anaran'i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy. 11 Ary hataon'i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena anao. 12 Hovohan'i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin'ny taninao amin'ny fotoany sy hitahiany ny asan'ny tànanao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro hianao, fa hianao kosa tsy hisambotra. 13 Dia hataon'i Jehovah ho lohany hianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa hianao, fa tsy ho ambany,

25/02/2024

Mifon' aina niany25/02/24
Dan 9.4_14
MAMPITANDRINA AMIN' NY DIDINY
ANDRIAMANITRA

⁴Ary nivavaka tamin' i Jehovah Andriamanitro aho ka nitsotra hoe: Indrisy! Tompo ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena sy ny famindrampo ho an' izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,⁵ efa nanota izahay sady nanao meloka ary nanao ratsy sy niodina, eny, niala tamin' ny didinao sy ny fitsipikao izahay,⁶ ary tsy nohenoinay ny mpaminany mpanomponao, izay niteny tamin' ny anaranao, tamin' ny mpanjaka sy ny mpanapaka anay sy ny razanay ary ny vahoaka rehetra.⁷ Anao ny fahamarinana, Tompo ô,fa anay kosa ny fangaihaizana, tahaka ny amin' izao anio izao, dia ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ary ny Israely rehetra, na ny akaiky na ny lavitra, dia any amin' ny tany rehetra izay efa nandroahanao azy noho ny fahadisoany izay naha-diso azy taminao;⁸ eny, anay ny fangaihaizana, Tompo ô, dia an' ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay ary ny razanay, satria efa nanota taminao izahay,¹⁰ ka tsy nihaino ny feon' i Jehovah Andriamanitray, mba handeha araka ny lalànany izay napetraky ny mpaminany mpanompony teo anoloany.¹¹ Eny, ny Israely rehetra efa nandika ny lalànanao ka niala, fa tsy nihaino ny feonao,ka dia naidina taminay ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra tao amin' ny lalànan' i Mosesy, mpanompon' Andriamanitra, satria efa nanota taminy izahay.¹² Ary notanterahiny ny teniny, izay nolazainy hamelezana anay sy ny mpitsaranay izay nitsara anay, ka nataony niharan-doza lehibe izahay, fa tety ambanin' ny lanitra rehetra dia tsy mbola nisy natao tahaka izay natao tany Jerosalema.¹³ Araka ny voasoratra ao amin' ny lalànan' i Mosesy no nahatongavan' izao loza rehetra izao taminay; nefa tsy nifona teo anatrehan' i Jehovah Andriamanitray izahay hialanay amin' ny helokay sy hahafantaranay ny fahamarinanao.¹⁴ Koa izany no nitehirizan' i Jehovah ny loza, ka nataony mihatra aminay, fa marina Jehovah Andriamanitray amin' ny asany rehetra izay efa nataony; fa izahay no tsy nihain

23/02/2024

Mofonaina anio
Sabotsy 24 Febroary 2024
Mampitandrina amin'ny didiny Andriamanitra
II Mpanjaka 23 : 1 - 3

"Ny fahazotoan'i Josia handrava ny fivavahana tsy marina sy hanangana indray ny fivavahana amin'i Jehovah, ary ny niadiany tamin'ny Egyptiana, sy ny nahafatesany.

Ary nanirahan'ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon'ny Joda Jerosalema rehetra. Dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin'ny bokin'ny fanekena izay hita tao an-tranon'i Jehovah. Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin'ny fanekena sy izay voasoratra ao amin'izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena.
II Mpanjaka 23 : 1 - 3

23/02/2024

Mofonaina anio
Zoma 23 Febroary 2024
Mampitandrina amin'ny didiny Andriamanitra
Lioka 15 : 25 - 32

Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy. Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton'izany zavatra izany. Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak'omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy. Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy. Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak'osy aza mba hifaliako amin'ny sakaizako; fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin'ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak'omby nafahy ianao. Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. — Lioka 15 : 25 - 32

Address

Soanierana Ivongo

Telephone

+261380591143

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mofon'Aina Isan'andro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Mofon'Aina Isan'andro:

Share