08/01/2025
Indro Ary ho zaraina amintsika ireo sary azo niarahanao taminay nandritra ny famaranana ny taona 2024 sy ny fitsenana ny taona vaovao 2025.
Faly izahay satria tsy mahafoy anay ianareo, izahay rahateo koa tena tsy mahafoy anareo 🥰 “ . . . Fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa” Gal 3: 28b.
Amin’ity taona 2025 ity dia maro ireo hetsika karakarainay ho hatolotray ho anareo. Ary iezaka izahay ny hitondra zava-baovao hatrany hanomezanay fahafaham-po ho anareo ary indrindra ho Voninahitr’ilay Andriamanintsika.
Tena tianay ianareo 🥰 Ny hafatray dia ny hoe :”Aza misaraka amin’i Kristy Jesoa, ary amin’ny zavatra rehetra dia ataovy lohalaharana hatrany Izy. Asehoy fa tsara Jesosy”
Dia ny fahatsaran’ny Tompo anie hanaraka antsika hatrany. Ary Ho tahiana mihoatra anie isika.
NB: Raha misy manana sary dia afaka zaraina ao amin’ny commentaire ihany koa. 🕊️