Mpanazava Itasy Ofisialy

Mpanazava Itasy Ofisialy Asssocition scout

"Ataovy mpianatra ny firenena rehetra" Mat 28:19bManana solontena isika mpanazava faritany Itasy amin'ny Hetsika nasiona...
16/07/2026

"Ataovy mpianatra ny firenena rehetra" Mat 28:19b
Manana solontena isika mpanazava faritany Itasy amin'ny Hetsika nasionaly FANDIA MIVELA izay atao ao Ijely Miarinarivo, izay avy ao amin'ny fivondronana FJKM Arivonimamo.
Dia mahavità soa ny lasy ry zandry isany, dia mirary soa anareo!

Bon camp daholo!!!!
FARITANY ITASY

15/06/2026

MPANAZAVA SY TILY FARITANY ITASY
ITASY RAID FAHA 2️⃣0️⃣ 🎉🍰

Skoto marobe, miara mifaly eeeeeITASY RAID 2️⃣0️⃣ taona.🔥'NDAO HIFALY,DIA 'NDAO HIFETY🔥 Ho antsika Mpanazava sy Tily ITA...
09/06/2026

Skoto marobe, miara mifaly eeeee
ITASY RAID 2️⃣0️⃣ taona.

🔥'NDAO HIFALY,DIA 'NDAO HIFETY🔥

Ho antsika Mpanazava sy Tily ITASY ihany io.🎉🍰🔥

Andro sisa isaina ry zareo a. 'Ndao hi'Raid e!Misy an'izao koa nge any e!
08/06/2026

Andro sisa isaina ry zareo a.
'Ndao hi'Raid e!

Misy an'izao koa nge any e!

🧡 FANOLORANA TONIA🧡☘️Tontosa ny Alahady 10 may 2026 lasa teo tao amin'ny FJKM Arivonimamo Maritiora Fitiavana ny fanolor...
28/05/2026

🧡 FANOLORANA TONIA🧡

☘️Tontosa ny Alahady 10 may 2026 lasa teo tao amin'ny FJKM Arivonimamo Maritiora Fitiavana ny fanolorana tonia mpanazava an'i LINGOZO Kinga.

🌼 Fifaliana ho an'ny mpanazava Itasy no miarahaba ny fivondronana nahazo tonia mpanazava vaovao.

🌟 Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra
"Ataovy mpianatra ny firenena rehetra"
Matio 28:19b

💥🔥 ITASY RAID 20🔥💥Miomana ary fa efa akaiky ny fotoana.Vonona ve ise ???
26/05/2026

💥🔥 ITASY RAID 20🔥💥

Miomana ary fa efa akaiky ny fotoana.
Vonona ve ise ???

19/05/2026

🎉 Herinandron'ny Mpanazava 2026.

📅 Andro fahafiry isika anio? 𝗘𝗳𝗮 𝗺𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗶𝗹𝗮𝘆 𝗹𝗮𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗽𝗵𝗼𝘁𝗼 𝗱𝗲 𝗽𝗿𝗼𝗳𝗶𝗹 𝘃𝗲 𝗶𝘀𝗲? 𝗝𝗲𝗿𝗲𝗼 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗿𝗶𝗮 𝗻𝘆 𝗿𝗼𝗵𝘆.

💬 Lohahevitra anio àry e! Andro fahatelo : "Mpanazava salama aho, hanatanteraka ny nofinofiko"

📖 “𝑹𝒚 𝒎𝒂𝒍𝒂𝒍𝒂, 𝒎𝒂𝒏𝒈𝒂𝒕𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒉𝒐 𝒎𝒃𝒂 𝒉𝒂𝒎𝒃𝒊𝒏𝒊𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒉𝒐 𝒔𝒂𝒍𝒂𝒎𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒛𝒂𝒗𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂 𝒂𝒏𝒊𝒆 𝒊𝒂𝒏𝒂𝒐, 𝒕𝒂𝒉𝒂𝒌𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒂𝒏𝒂𝒎𝒃𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒉𝒊𝒏𝒂𝒐 𝒊𝒉𝒂𝒏𝒚.” III Jaona 1 : 2

💪 Raha tsy salama isika dia tsy afaka manantanteraka ireo nofinofy. Ny fahasalamana dia tsy ara-batana ihany, ara-panahy, ara-tsaina ary ara-pihetsehampo koa.

✨ Andao àry hamela hafatra mahakasika izany e! Inona no tokony hatao mba ho salama lalandava? Soraty etsy ambany ny hevitr'ise. 👇

📝 Mandraisa anjara amin'ireo fanamby, alefaso ranty amin'ny kaontin'ise, dia aza hadinoina ireo hashtags , atao "public" ny ranty rehefa mandefa ny sanganasa an!

👌Alarobia 27 may no fara-fandraisana anjara 😇

05/05/2026

🔥 Kopa-tanana indray ho an’ireo Afo Velona rehetra mankalaza ny faha 80 taona!

👑 Amin’ity volana may ity indray dia vehivavy iray feno herim-po sy fahendrena no asongadintsika. 𝗘𝗦𝗧𝗘𝗥𝗔 — modely ho an’ny fahasahiana sy ny fahatokiana an’Andriamanitra eo anivon’ny fotoana sarotra.

💡 Mampianatra antsika izy fa na eo aza ny tahotra sy ny tsy fahatokisana, dia mbola afaka mijoro sy mitondra fiovàna ho an’ny hafa isika rehefa matoky an’Andriamanitra sy mamaly ny antsony. Misy fotoana voatendry ho an’ny tsirairay, ary tsy kisendrasendra ny toerana misy antsika.

🫶 Andao hamaky ny Bokin’i Estera handraisantsika lesona sy aingam-panahy amin’ny fiainantsika andavanandro.

☘ Enga anie isika Afo Velona rehetra hahita herim-po hijoro amin’ny marina, hahay handray andraikitra, ary ho fitaovana entin’Andriamanitra mitondra fiovana tsara manodidina antsika.

💓💓
05/05/2026

💓💓

🌍 5 may anio, andro iraisam-pirenena ho an'ireo mpampivelona.

Ry Rasazy Mpanazava rehetra manerana ny nosy 💙, vaomieran'ny fahasalamana – manampy ireo mpitsabo rehefa aty amin'ny Mpanazava. ⛺ Izy ireo ilay tsy maintsy tonga rehefa misy lasy sy hetsika ataontsika.

🙏 Homen'ny Tompo hery be anie ianareo, hahomby sy hamiratra amin'ny asa atao ✨

Mirary soa e! 🌸

Antsoy eo amin'ny taria aloha izao izay namantsika Mpampivelona rehetra e 😊

🧡 FANOLORANA TONIA🧡Fifaliana no hizarana amintsika ity fanasana fanolorana tonia an'i LINGOZO Kinga ity ao amin'ny fivon...
17/04/2026

🧡 FANOLORANA TONIA🧡
Fifaliana no hizarana amintsika ity fanasana fanolorana tonia an'i LINGOZO Kinga ity ao amin'ny fivondronana FJKM Arivonimamo Maritiora Fitiavana.
🙏 Ho entintsika ambavaka ny fanomanana rehetra.

📆 Alahady 10 May 2026
📌 FJKM Arivonimamo Maritiora Fitiavana
🕘 9ora sy sasany maraina

Address

Itasy
Miarinarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mpanazava Itasy Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share