FJKM ZIONA Manjakandriana

FJKM ZIONA Manjakandriana Fampitana sy fampahafantarana ireo vaovao tsara ho fantatra ao amin'ny fiangonana "Ary aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompotsika" IITimoty 1: 8

15/12/2021

Ho aminareo ny fiadanana!
FISAORANA NY MPITANDRINA mianakavy, FIANGONANA manontolo ary ny ZANAKA AM-PIHELEZANA.
Noho ny fahasoavan'ny Tompo dia tanteraka sy tontosa soamatsara avokoa ny fotoana: famaranana ny jobily fisotron-drononon'ny mpitandrina teo aloha RAHARIJAONA Jeremiah niaraka tamin'ireo fianakaviany.
Nanomboka ny zoma 10Desambra lasa teo ka hatramin'ny 12 Desambra.
Hisaorana lehibe ny Tompo noho ny fahatanterahan'ny fotoana manonontolo.Ho azy irery ihany ny voninahitra,ary ho amintsika kosa ny fiadanana.Samia soa ary tahian'ny Tompo avokoa.

10/12/2021

Ho an'Andriandriamanitra irery ny voninahitra

06/12/2021

Fiadanana ho aminareo!
Manamafy ny vaovao izay nampitain'ny mpitandrina sy ny komity fisotron-dronono NY mpitandrina RAHARIJAONA Jeremiah:
-Ny zoma 10 Desambra ho avy izao no hiderantsika an'Andriamanitra ny@fitokanana NY tsangam-bato dia NY trano izay hatolotra azy ireo.
Ka toy izao NY fandaharam-potoana:
-Zoma 10Des: no manomboka NY fanompoam-pivavahana izay iarahan'ny fiangonana sy ny zanaka am-pihelezana@ireo synodam-paritany eny Androatra Ambohimangakely.
Eo no anolorana NY lakile ho an'i Ramatoa RAHARIJAONA Vololona sy ny ankohonany.
-Ho an'izay fiangonana maniry NY hanatrika izany dia misoratra anarana ao@Mr Fils [email protected] NY fandraisana anjara@frais.
-Izay efa aty Antananarivo dia toy izao no hanoroana NY toerana:Miala eo@tetezana Ambohimangakely ary mivily mankaty@sampanana Betsizaraina.Eo ampitan'nyvilla sapin dia misy olona hitsena sy hanoro.
Hampitaina@ntsika eto ihany NY vaovao manaraka.

30/11/2021

Ho aminareo ny fiadanana!
-Ny Alahady ,05 Desambra ho avy izao ny Alahadin'ny mpitandrina RAHARIJAONA Jeremiah(Mpitandrina teo aloha) izay iarahana@ vady aman-janany.Manomboka@9h maraina ny fidirana.
-Ny Sabotsy 11Desambra: Famaranana NY jobily fisotron-dronono iarahana@Synodam-paritany sy ireo izay nasaina.
-Ny Alahady,12Desambra:Fankalazana iarahana@fiangonana sy NY zanaka am-pihelezana.
Ndeha isika hiara hitrotro am-bavaka izany fotoana lehibe izany.
Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

20/10/2021

Ho aminareo mandrakariva ny fiadanan'ny Tompo !
Ny Alahady 24Oktobra ho avy izao dia handray ny mpitandrina mianakavy vaovao isika izay miaraka amin'ireo solotenan'ny synodam-paritany hanolotra azy ireo eto amintsika.Koa manasa antsika ho tonga handray izany mpanompon'Andriamanitra hiara hiasa amintsika eto@FJKM Ziona Manjakandriana izany indray
Samia soa sy omban'ny fitahian 'ny Tompo !

Ho aminareo ny fiadanana !Amin'izao iray volan'ny Sampana Fifohazana (SAFIF) Ziona Manjakandriana izao dia mahafaly azy ...
01/10/2021

Ho aminareo ny fiadanana !
Amin'izao iray volan'ny Sampana Fifohazana (SAFIF) Ziona Manjakandriana izao dia mahafaly azy ireo no manolotra ho antsika ny rindran_kiram_piderana lehibe iarahana@AMPIFITIA FJKM Isotry Fitiavana ny Alahady, 10Oktobra ho avy izao.
Ny tapakila dia azontsika raisina@ireo mpikambana.
Samia mivavaka mba ahatanterahan'izany fotoana izany.
Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !

07/09/2021

Ho aminareo ny fiadanan'ny Tompo.
FAMPAHATSIAHIVANA!
Ny fiaraha miombom-bavaky ny zanaka am-pihelezana FJKM ZIONA Manjakandriana dia isaky ny Alahady faha2.
Koa ny Alahady,12Septambra izao dia hotanterahina ao amin'ny INSTITUTION FANEVA Ankadindramamy izany,manomboka amin'ny 9h maraina.
Manentana ireo zanaky NY fiangonana hiaraka hiombom-bavaka.
Samia soa sy feno fiadanan'ny Tompo.

31/08/2021

Ho aminareo ny fiadanana!
Fampahatsiahivana !
"Rodorodon'ny taranaka" ,ny Alahady fandraisana,05 Septambra 2021 ho avy izao.
Fidirana indray mandeha ihany:Amin'ny 9h maraina.
Amin'io fotoana io no androtsahana ireo valopy izay nozaraina tamintsika.
Marihina fa ity hetsika izay tarihin'ny komity fisotron-dronono ity dia nataon'ny fiangonana ho amin'ny famitana NY tranon'ny mpitandrina.
Samia soa sy harovan'ny Tompo!

22/08/2021

Ho aminareo hatrany ny fiadanana!
"Fa Kristy no anton'ny ahavelomako Ary ny fahafatesana no ahazoako tombony".Fil 1:21
"Eny, miezaka hanatratra ny Marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoana'Andriamanitra any ambony ao@i Kristy Jesoa" Fil 3:14.Ireo no tenin'Andriamanitra nijoroany nandritra ny asa fanompoana nataony mandra-piala ny fofon'ainy.
Avy amin'ny komity:
Fankalazana an'Andriamanitra noho ny jobily fisotron-drononon'ny Mpitandrina RAHARIJAONA Jeremiah sy ireo vady aman-janany izay navelany.
Ny Alahady, 5Septambra ho avy izao no fotoana natokan'ny fiangonana hanaovana ilay hetsika "Rodorodon'ny fianakaviana sy taranaka" izay hanasana anareo isa-tokantrano sy ireo taranaka miheli-patrana.Natao io hetsika io hanohanantsika ny amin'ny fanohizana hatrany ny tao-tranon'ny vadi aman-janaka navelan'ny mpitandrina.Misy NY valopy izay efa nozaraina isam-paritra ho fanohanana NY hetsika.Ireo izay tsy nahazo dia afaka manatanteraka izany manokana@valopiny,asiana anarana sy NY fanomezana hatolony.
Ndeha hirodorodo isika hifanome tanana fa NY "Tao trano tsy hefan'irery".
" Aoka izay ampianarina NY teny MBA hahafoy zava-tsoa ho an'izay mampianatra".Gal 6:6.
Samia soa sy tahian'ny Tompo.

Ho aminareo ny fiadanana!Synoda lehibe faha 19 izay natao tao Sambava:Lany ho Filoha hitantana NY FJKM indray mandritra ...
19/08/2021

Ho aminareo ny fiadanana!
Synoda lehibe faha 19 izay natao tao Sambava:
Lany ho Filoha hitantana NY FJKM indray mandritra NY 4taona manaraka NY Dr Pasteur Ny Ammi Irako Andriamahazosoa.
Mivavaka ho azy sy ireo mpiara miasa aminy rehetra isika MBA ahefa be amin'NY asan'ny Tompo !
!

Ho aminareo ny fiadanana !Manentana ny Kristianina FJKM rehetra indrindra isika FJKM ZIONA Manjakandriana hitrotro am_ba...
03/08/2021

Ho aminareo ny fiadanana !
Manentana ny Kristianina FJKM rehetra indrindra isika FJKM ZIONA Manjakandriana hitrotro am_bavaka ny Synoda lehibe.
Ataovy tafiditra anaty sujet de prière antsika satria tena zava_dehibe ho an'ny mpino rehetra sy ny fiangonana manontolo izany fotoana izany:
_Fifidianana ireo birao izay hitarika antsika mandritra ny 4taona indray.
_Fandinihina ny fitsipika sy ny foto_dalana sns no tena votoatiny.
Samia soa. Tahian'ny Tompo isika🙏

28/07/2021

Fiadanana !
Miditra in 1mandeha ny fiangonana ny Alahady fandraisana ho avy izao.
Amin'ny 9h no fidirana. Tahian'nyTompo !

Address

Manjakandriana

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Saturday 09:00 - 17:00

Telephone

+261331797208

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM ZIONA Manjakandriana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share