Vondron-Dehilahy Sainte Famille - VDSF

Vondron-Dehilahy Sainte Famille - VDSF Fikambanana ivondronan'ireo Lehilahy mandray andraikitra eo anivon'ny Paroasy Sainte Famille Mandritsara. Ny Lehilahy no lohan'ny fianakaviana ara-boajanahary.

Resy lahatra amin'izany ireto LEHILAHY ireto ka maneho ny finoany amin'ny alalan'ny asa.

Salama aby éeeéeeeee ! Miomankomana hankalaza ny Fetin'ny Ray isika. Miainga amintsika lehilahy ny fanomezan-danja ny fe...
04/06/2024

Salama aby éeeéeeeee ! Miomankomana hankalaza ny Fetin'ny Ray isika. Miainga amintsika lehilahy ny fanomezan-danja ny fetintsika. 16 juin 24

http://www.chouette-calendrier.com/date/jour-saint-joseph/9867.html19 martsa isan-taona no hankalazan'ny Fiangonana ny F...
16/03/2023

http://www.chouette-calendrier.com/date/jour-saint-joseph/9867.html
19 martsa isan-taona no hankalazan'ny Fiangonana ny Fetin'i Masindahy Jozefa. Miombona amin'izany fankalazana izany ihany koa ny Vondron-Dehilahy Sainte Famille - VDSF

Jour de la Saint Joseph est célébrée le 19 Mars 2023. Saint Joseph est un personnage du Nouveau Testament. C'est un des lointains descendants d'Abraham ...

Ny Vondron-Dehilahy Sainte Famille no manomana sy mitarika ny Litorjia amin'ny 01 novambra ho avy izao. Ny Alahady faha ...
25/10/2022

Ny Vondron-Dehilahy Sainte Famille no manomana sy mitarika ny Litorjia amin'ny 01 novambra ho avy izao. Ny Alahady faha 30 oktobra ny répétition. Andro natokan'ny Fiangonana hohamasinina, ary Fety Katôlika hiringiriny io, koa isika Lehilahy no anisany manana adidy hitaona ny ankohonantsika hanaja izany andro voatokana izany.
Etsy ankilany, Fety ankalazana mitambatra ihany koa ny Olomasina mpiaro antsika tsirairay io. Matetika dia mitontona amin’ny andavanandro hiasantsika ny fankalazana ny fetin’ny Olomasina mpiaro antsika. Ny 01 novambra kosa dia mitambatra ny fankalazana ny Olomasina rehetra sady andro tsy fiasana ihany koa, koa dia entanina isika mba hifampitaona hankalaza an’Andriamanitra amin’io andro lehibe io.

Akon'ny Pantekôty 2022 - Paroasy Sainte Famille Mandritsara : Misaotra ny Mpaka sary sy izay nizara azy. Niavaka tantera...
07/06/2022

Akon'ny Pantekôty 2022 - Paroasy Sainte Famille Mandritsara : Misaotra ny Mpaka sary sy izay nizara azy. Niavaka tanteraka ny tamin'ity taona ity :
1) Fitafy isam-poko toy ny mahazatra,
2) Hira nofantenana mba hifanaraka amin'ny fankalazana no sady maneho ny maha-fianakaviana iray ao anaty fahasamihafana
3) Ny fihetsika dia niova tsy toy ny mahazatra satria nahafahan'ny daholobe nandray anjara mivantana tao anaty Litorjia ; eny, na dia ireo avy any amin'ny zana-piangonana aza dia nandray anjara tao anatin'izany fankalazana izany
4) Ny Vakiteny roa voalohany sy ny ranombavaka : novakiana tamin'ny fitenim-paritra
5) Nofaranana tamin'ny voka-dehibe ny fotoana.
FEHINY : Nirindra, niavaka no sady nampivavaka ny rehetra ny fankazana tamin'ity taona ity. Koa isaorana etoana Izy Tompo Andriamanitra noho ny fitantanany : AZY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY ; ny Pretra, ny Komity, ny Vovonan'ny tanora izay nanomana sy nametraka ny lamina ary ireo Hery Velona rehetra nandray anjara. Nandray anjara mavitrika tao ny Vondron-dehilahin'ny Sainte Famille
FIANAKAVIANA MIFANKATIA : LANITRA ETY AN-TANY

Tongasoa eto amin'ny Pejin'ny Vondron-Dehilahy Sainte Famille. Pejy iray hifampizarana amintsika an'ireo vaovao, ireo he...
30/05/2022

Tongasoa eto amin'ny Pejin'ny Vondron-Dehilahy Sainte Famille. Pejy iray hifampizarana amintsika an'ireo vaovao, ireo hetsika, ireo asa iantsorohan'ireto Lehilahy tsara sitrapo ireto : amin'ny asa fanehoam-pinoana, amin'ny fialam-boly, amin'ny fitadiavam-bola sy fanentanana maro isan-karazany ; mba ho fampandehanana ny asam-piangonana. Satria FIANAKAVIANA MASINA no miaro ny Paroasy, dia mitsangana ho loham-pianakaviana ireto VDSF Mandritsara ireto.

Address

Paroisse Sainte Famille
Mandritsara
415

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vondron-Dehilahy Sainte Famille - VDSF posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share