Vaovaon'ny Tsatòkan'i Manakambahiny

Vaovaon'ny Tsatòkan'i Manakambahiny Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Vaovaon'ny Tsatòkan'i Manakambahiny, Religious organisation, VU 290 ter, Manakambahiny.

Mpitarika vaovao ho an'ny Kilonga maneran-tany* Rosemary K. Chibota (Filoha)* Nina M. Garfield (Mpanolotsaina voalohany)...
04/04/2026

Mpitarika vaovao ho an'ny Kilonga maneran-tany

* Rosemary K. Chibota (Filoha)
* Nina M. Garfield (Mpanolotsaina voalohany)
* Theresa A. Collins (Mpanolotsaina faharoa)

Marihina fa ireto Fiadidiana vaovao ireto dia hanomboka ny fanompoany ny 1 Aogositra 2026.

Jereo ao amin'ny sarin'izy ireo avy ny mombamomba azy ireo.

FANOVANA MAHAKASIKA NY ORA FAHAROA REHEFA ALAHADYNanao fanambarana manokana ny Fiadidiana voalohany momba ny fanovana ny...
31/03/2026

FANOVANA MAHAKASIKA NY ORA FAHAROA REHEFA ALAHADY

Nanao fanambarana manokana ny Fiadidiana voalohany momba ny fanovana ny fotoana alahady, izay ampiharina manomboka amin'ny alahady 6 Septembra 2026

Toy izao ilay fanovana (jereo sary fanehoana):

* Mijanona ho adiny roa ihany ny fotoana alahady
* Mijanona ho 60 minitra ihany koa fivorian'ny Fanasan'ny Tompo
* Misy kilasy Sekoly alahady isak'alahady, maharitra 25 minitra
* Misy fivorian'ny Fikambanana Ifanampiana, Kolejin'ny Loholona, zatovovavy ary ireo Kolejin'ny Fisoronana Aarona, atao isak'alahady ihany koa. 25 minitra.
* Ho an'ny Zatovo, dia ny "Ho Zatovo Mahery" no lasa fandaharam-pampianarana
* Ny kilonga kosa dia hanana ny kilasin'izy ireo ho 55 minitra toy ny mahazatra ihany
* Any amin'ny toerana izay manana filana manokana, dia azo atao ny manomboka amin'ireo kilasy avy hatrany, ary mamarana amin'ny Fivorian'ny Fanasan'ny Tompo

Raha tsiahivina, tamin’ny Janoary 2019, ny Fiangonana dia nametraka ny fandaharam-potoana alahady ho adiny roa, raha toa ka adiny telo izany talohan'ny 2019, mba hanomezana fahafahana bebe kokoa ho an’ny tsirairay sy ny fianakaviana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifototra amin’ny tokantrano. Ireo mpikambana manerana izao tontolo izao dia nandray ireo fiovana ireo tamim-pinoana sy tamin-kafanam-po.

Ity fanitsiana fanampiny ity dia hatao hanatsarana bebe kokoa ny fianarana, ny fiombonana ary ny fanompoam-pivavahana.

Nanamafy i Paul V. Johnson, Filohan'ny Sekoly alahady maneran-tany fa: "Na dia toa hafa kokoa aza ity fandaharam-potoana ity, ny ampaham-potoana izay atokantsika handalinana ny soratra masina miaraka dia tsy miova"

HO ZATOVO MAHERY
Manomboka ny 6 septambra 2026 dia ho lasa fandaharam-pianarana ho an’ny kilasin’ny Zatovovavy sy ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna ity torolalana ity. Ny andinindininy fanampiny dia homena amin’ny alalan’ny gazetiboky “For the Strength of Youth”, izay hanomboka amin’ny Septambra 2026.

FIKAMBANANA IFANAMPIANA SY KOLEJIN'NY LOHOLONA
Ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona isan-kerinandro dia hanohy hifantoka amin’ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra. Ireo fifanakalozan-kevitra ireo dia manantitrantitra ny fahatakarana ny fampianarana ara-paminaniana sy ny fampiharana izany eo amin’ny fiainana andavanandro.

“Rehefa miangona amin’ny Anaran'ny Tompo isika, dia eo ny Fanahy mba hampianatra antsika, mihamafy o***a ny fijoroana ho vavolombelona, ​​ary mifampahery amin’ny maha-mpanaradia Azy antsika. Ity fotoana fifandraisana isan-kerinandro ity dia hanampy antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy sy hifanakaiky isika samy isika. Mahita fifaliana isika rehefa miara-mandeha amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.” Camille N. Johnson

Missionary Brigade👉 11 Avril 2026👉 Andranomena"Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatro ny firenena rehetra, manao ba...
23/03/2026

Missionary Brigade
👉 11 Avril 2026
👉 Andranomena

"Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatro ny firenena rehetra, manao batisa azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina."
Matio 28:19

Ho an'ireo izay mbola tsy nanoratra anarana, dia midira amin'ny rohy etsy ambany (jereo ny commentaire)

21/03/2026
Notontosaina androany ny fankakazana ny tsingerin-taona faha-184 taona nananganana ny Fikambanana Ifanampiana ho an'ny T...
21/03/2026

Notontosaina androany ny fankakazana ny tsingerin-taona faha-184 taona nananganana ny Fikambanana Ifanampiana ho an'ny Tsatòka Manakambahiny.
Nankahery ny fanahy no sady nahafinaritra ny fiaraha-mientana.
Ny lohahevitra manokana nanamarihana ny fankalazana ho an'ity taona ity dia "ny fizakan-tena".
Tsy vitan'ny hoe nizara fampianarana sy fijoroana ho vavolombelona ihany ireo rahavavy, fa nizara ny talentany ihany koa ary ireo traikefam-piainana nanampy azy ireo hizotra ho amin'ny fizakan-tena.
Nifampizaraina ny mamy, ara-bakiteny ihany koa!


-reliance

Afaka ho Filohan'ny Sekoly alahady eny anivon'ny paroasy ireo vehivavy manomboka izao.Ity fiovana ity dia afaka ampihari...
19/03/2026

Afaka ho Filohan'ny Sekoly alahady eny anivon'ny paroasy ireo vehivavy manomboka izao.

Ity fiovana ity dia afaka ampiharina avy hatrany !!!

Namoaka fanambarana ny Fiadidiana voalohany fa manomboka izao dia azon'ny Eveka atao ny miantso lehilahy na vehivavy ho Filohan'ny Sekoly alahady eo anivon'ny Paroasy na sampana.

Rehefa lehilahy no antsoina, dia mila hoe mpihazona fisoronana Melkizedeka, ary lehilahy avy ao amin'ny paroasy ihany koa no ho mpanolotsainy sy mpitantsoratra. Rehefa vehivavy kosa no antsoiny, dia vehivavy avy ao amin'ny paroasy no mpanolotsainy sy mpitantsoratra.

Mihatra avy hatrany ity fanambaran'ny Fiadidiana voalohany ity, ary manana fahafahana ireo Eveka hisafidy sy hanendry lehilahy na vehivavy, araka ny filana eo an-toerana sy ny fanambarana sy tsindrimandry manokana na fahatsapana misy eo an-toerana.

Vakio ery ambany (commentaire) ny lahatsoratra ofisialy.

Returned Missionary Seminar21 March18 AprilFrom 9:00 to 13:00Zoom Meeting. Link in the comment section.
13/03/2026

Returned Missionary Seminar
21 March
18 April
From 9:00 to 13:00

Zoom Meeting. Link in the comment section.

Alahady Fifadian-kanina8 Marsa 2026Ampahafantarina isika rehetra fa ny alahady ho avy izao no hatokantsika ho alahady fi...
04/03/2026

Alahady Fifadian-kanina
8 Marsa 2026

Ampahafantarina isika rehetra fa ny alahady ho avy izao no hatokantsika ho alahady fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona.

Satria moa nisy Conférence de Pieu isika tamin'ny voalohan'ny volana teo, dia nakisaka ny alahady ho avy izao ny alahady fifadian-kanina.

Ampahafantarina ihany koa isika fa amin'ny 5 - 6 Septembre ny Fihaonamben'ny Tsatoka Manakambahiny manaraka.

Ireo Tsatoka Efatra eto Antananarivo sy ireo rantsana ao aminy.1. TSATOKA AMPITATAFIKA (Vaovao):Ambohidrapeto, Ambohiman...
01/03/2026

Ireo Tsatoka Efatra eto Antananarivo sy ireo rantsana ao aminy.

1. TSATOKA AMPITATAFIKA (Vaovao):
Ambohidrapeto, Ambohimanarina, Ampitatafika, Itaosy, Tanjombato

2. TSATOKA AMPEFILOHA:
67 Hectares, Ampefiloha, Anjanahary, Antananarivo, Mahamasina, Ankadimbahoaka

3. TSATOKA IVANDRY:
Ambohibao, Ambohijanahary, Analamahitsy, Ivandry, Sabotsy-Namehana, Talatamaty

4. TSATOKA MANAKAMBAHINY:
Ambohimangakely, Ambohipo, Ankadindramamy, Betongolo, Manakambahiny

Ireo birao sy ivotoeran'ireo Tsatoka (centre de Pieu):
* Tsatoka Ampitatafika -> Ampitatafika
* Tsatoka Ampefiloha -> Ampefiloha
* Tsatoka Ivandry -> Andranomena
* Tsatoka Manakambahiny -> Manakambahiny

21/02/2026

FIHAONAMBE MANOKANA HO AN'NY TSATOKA TELO ETO ANTANANARIVO

👉 Dimanche 1er Mars 2026
👉 9h (mila tonga 30 minitra mialoha)
👉 Olympia Andohatapenaka

Tongasoa Soeur Randrianary ary arahabaina nahavita soa aman-tsara ny asa fitoriana ny filazantsara tamin'ny fotoana feno...
19/02/2026

Tongasoa Soeur Randrianary ary arahabaina nahavita soa aman-tsara ny asa fitoriana ny filazantsara tamin'ny fotoana feno.
Mirary soa indrindra ho an'ny hoavy!



Address

VU 290 Ter
Manakambahiny
101

Telephone

+261340523622

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vaovaon'ny Tsatòkan'i Manakambahiny posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Vaovaon'ny Tsatòkan'i Manakambahiny:

Share