Zanaky ny FLM Mampikony

Zanaky ny FLM Mampikony Miorena tsara aza miova, mahefabe amin'ny asan'i Tompo.

💥✨🙏Isaorana an'i Jesosy fa tontosa soamatsara ny Zaikakely KTLM SP Sofia natao tao amin'ny Fileovana Mandritsara a (FLM ...
15/06/2026

💥✨🙏Isaorana an'i Jesosy fa tontosa soamatsara ny Zaikakely KTLM SP Sofia natao tao amin'ny Fileovana Mandritsara a (FLM Mandritsara) izay nampitondraina ny teny faneva hoe:

👉"Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao,..." (Josoa 1:7a)

🫵Izany dia nanomboka ny 09 ka hatramin'ny 14 Jona 2026 lasa teo.

🚎Nahatonga solon-tena tao avokoa ny Fileovana 8 izay mandrafitra ny SP Sofia (Mampikony, Tsangambato, Boriziny, Marovantaza, Antsohihy, Bealanana, Befandriana, ary ny Fileovana Mandritsara) mpampiantrano.

📖📕Nisy ny FAMPIANARANA SORATRA MASINA, TORITENY, LAHATENY, FANATANJAHATENA, FIFANINANANA SORATRA MASINA, HIRA SY TALENTA, LAVATIN-KIRA, ASA SY FAMPAHEREZANA, GALA ÉVANGÉLIQUE LEHIBE, SNS...

💪👍Ny Fileovana Bealanana no nahazo ny ambora teo amin'ny lalao Baolina kitra ka notolorana valopy sy mari-pankasitrahana Ary ny sélection Avy amin'ny Fileovana 7 mitambatra no faharoa.

👍💪🦾Teo amin'ny lavatin-kira dia bengy matavy no loka, ary ny Fileovana Bealanana no nibata ny amboara.

👉✍️Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an'ny Fileovana 8 ato amin'ny SP Sofia izay nandray anjara, indrindra fa teo amin'ny fifaninana Soratra Masina.

🌹✨🙏Nofaranana tamin'ny Fandraisana ny Fanasan'i Tompo ny fotoana.

👉Any amin'ny Fileovana Tsangambato indray ny Zaikakely KTLM manaraka dia amin'ny taona 2027.

👍Samia mihomana daholo fa hihinana omby isika amin'io, efa ho tonga any amintsika ny taratasy momba izany sy n'y tatitra tamin'ny komity KSPKTLM SP Sofia amin'ny alalan'ny Filohan'ny KTLM isam-pileovana.

💥Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra, ho antsika kosa ny fahasoavany. Amena.

27/05/2026
27/05/2026

Jesosy no Ilay tsy miova, omaly, anio ary ho mandrakizay. Aza manahy fa matokia Azy dia ho hitanao ny voninahiny.

13/05/2026

Ho avy tsy ho ela ity Andro izay natokantsika Fitandremana Mampikony hanohanana ny Raiamandreny tsika ity.
Aoka samy hiomana sahady.

Amin'ny Alahady ho avy izao no fotoanantsika hiarahana amin'ny Chorale marobe eto amin'ny Distrikan'i Mampikony.
22/04/2026

Amin'ny Alahady ho avy izao no fotoanantsika hiarahana amin'ny Chorale marobe eto amin'ny Distrikan'i Mampikony.

Address

Mampikony
414

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Zanaky ny FLM Mampikony posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share