Barinarivo Rajosoa

Barinarivo Rajosoa Katsaho aloha ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany

16/08/2026

Mofonaina Alatsinainy 17 Aogositra 2026
2 Korintiana 1. 17-24
MPINO MAHATOKY MANANA NY FANAHY MASINA, MITORY MANDRAKARIVA AN’I JESOA

Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va mba hanaovako 'eny eny' foana, sy 'tsia tsia' foana? 18 Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy 'eny 'sy 'tsia'; 19 fa ny Zanak'Andriamanitra, dia Jesoa Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy 'eny' sy 'tsia', fa ao aminy dia 'eny 'ihany. 20 Fa na firy na firy ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny 'eny ', ary amin'ny alalany koa ny 'Amena', ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay. 21 Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin'i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra, 22 Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika. 23 Ary izaho miantso an'Andriamanitra ho vavolombelona ny amin'ny fanahiko, fa ny fialako nenina aminareo ihany no tsy mbola nakanesako taty Korinto. 24 Kanefa tsy mihambo ho tompon'ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo.
-------------------------
Ny 2 Korintiana dia taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ny fiangonana tany Korinto, fiangonana izay nanana olana maro teo amin’ny fifandraisany tamin’i Paoly. Nisy olona tao Korinto nitsikera ny fahamarinan’i Paoly, indrindra noho ny fiovan’ny drafi-pitsidihany. Toa nampanantena izy fa handalo any Korinto, nefa niova ny fandaharam-potoanany. Noho izany dia nisy nanome tsiny azy hoe: “Raha niovaova toy izany ny tenin’i Paoly, angamba tsy azo itokisana koa ny fampianarany”. Izany indrindra no fototry ny fanazavan’i Paoly ao amin’ny mofonaina.
Ny fanontaniana fototra izany eto dia hoe: Raha niova ny drafitr’i Paoly, midika ve izany fa olona tsy azo itokisana izy? Olona tsy mahatoky ve izy ?
Ity mofonaina ity dia hanamafisan’i Paoly fa tsy niova izy satria

1. Jesoa mandrakariva no ivon’ny fitoriany (and 19)
“Fa ny Zanak'Andriamanitra, dia Jesoa Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty”
Raha ny marina dia tena endriky ny tsy fahamatorana tokoa ny fiovàovana. Misy fahendrena malagasy anefa milaza hoe fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona. Misy tranga tokoa manery antsika hiova programa an-dalana. Tsy izany velively akory no hanasokajiana ny olona iray ho tsy mahatoky. Miray hevitra amin’izany Paoly ka miteny mazava tsara fa na dia niova aza ny Programa-ny, ny votoatin’ny fitoriana, ny antom-pisiany: mitory an’i Kristy dia tsy miova.
Ny olona mahatoky tokoa dia tsy mba miovaova, indrindra amin’ny fototra. Jesoa toriana hatrany no maha-mpino mahatoky. Ivelan’i Jesoa dia efa tsy araka izay izy intsony. Raha mbola mitoetra ho mahatoky ny fiangonana sy ny Kristianina dia mbola ho Jesoa hatrany no fototry ny fitoriany.

2. Ao am-pony mandrakariva ny Fanahy Masina (and 22)
DIEM “ary Izy no nanisy ny tombokase maha fananany antsika sy nandrotsaka ny Fanahy Masina ao am-pontsika ho antoky ny soa natokany ho antsika.”
Mitahiry ny mino ho mpino mahatoky ny Fanahy Masina. Andriamanitra tsy miova mantsy ny Andriamanitsika, ka antoky ny tsy fiovantsika koa ny fitoeran’ny Fanahy Masina ao amintsika. Asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny mino arak’izany ny mitahiry azy ho mpanompo mahatoky. Izay manana ny Fanahin’Andriamanitra ao aminy dia voatahirin’ny Tompo ho amin’ny toetra mendrika mandrakariva, voatahirin’ny Tompo amin’ny toe-panahy Kristianina mandrakariva.
Meteza hitoeran’ny Fanahy Masina hatrany, maneke mandrakariva koa ny asany, koa na dia miovaova aza izao rehetra izao, isika kosa ho mpino mahatoky hatrany.

Barinarivo Rajosoa Mpitandrina

Send a message to learn more

14/08/2026

Mofonaina Sabotsy 15 Aogositra 2026
Filipiana 2 : 12 - 18
MPINO MAHATOKY, IASAN’ANDRIAMANITRA SY MIASA AMIM-PIFALIANA

Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, mias amin'ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. 13 Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. 14 Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, 15 mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka hianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao, 16 mitana ny tenin'ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin'ny andron'i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana. 17 Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin'ny fanatitra sy fisoronan'ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra. 18 Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko
-------------------------
Nisy disadisa teo amin'ny fifandraisana ny kristianina tao Filipy. Sahirana izy ireo namaha izany olana izany. Nanoratra Paoly mba hanampiana azy ireo hamaha io olana io. To teny tamin'izy ireo mantsy Paoly fony mbola teo amin'izy ireo. Mampahatsiaro Paoly eo amin'ny and 12 fa tokony ho to teny amin'izy ireo mandrakariva na dia tsy eo amin'izy ireo intsony aza. Ireto no hafatra

1. Tsarovy fa miasa ao amin'ny mino Andriamanitra (and 13)
"Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony"
Ilay hoe miasa ao anaty dia azo adika ihany koa hoe mandrisika amin'ny asa rehetra atao. Andriamanitra no manentana amin'ny asa rehetra atao. Koa raha Andriamanitra no manentana ny filipianina hiasa dia tsy tokony hohadinoan'ny kristianina fa izay hahatanteraka ny Sitrapon'Andriamanitra no tanjony. Ny fahatsiarovana hoe miasa ao amin'ny mino Andriamanitra dia manampy handresena izay tsy araka ny Sitrapon'Andriamanitra, ampy ho enti-mandresy ny disadisa samihafa. Io asan’Andriamanitra ao amin’ny mino io koa no mahatonga azy ho mpino mahatoky ka azon’Andriamanitra itokiana ho amin’ny filaminan’ny fiangonany.
Ry havana, avelao Andriamanitra hiasa ao anatintsika dia hahay hahatanteraka ny Sitrapon'Andriamanitra mandrakariva isika.

2. Miasà amin'ny fifaliana (and 14)
"Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsy fimonomononana sy ny tsy fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo"
Ny hoe mimonomonona dia olona iray manao zavatra tsy vokatry ny fo. Manao zavatra ka mahatsiaro tena voatery manao izany. Miasa amin'ny fo tezitra tsy manam-pifaliana. Manimba ny asa ny fimonomononana, manimba ilay manao ny asa sady manimba ny hafa mpiara-miasa aminy koa izany. Zavatra fahita matetika izany eo amin'ny fiangonana ka miteraka disadisa eo mpiara-mivavaka.
Ry havana, asehoy fa vokatry ny fo nahazo famonjena no iasantsika ho an'Andriamanitra. Ny olona voavonjy mantsy tena feno fifaliana miasa ho an'Andriamanitra. Aoka ho toe-po amam-panahy toa izany no hanentana antsika amin'izay rehetra atao na ao amin'ny ankohonana na ao amin'ny firenena, indrindra indrindra ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra. Tsarovy fa ny votoatin’ny Epistily nosoratan’i Paoly ho an’ny Filipianina ny fifaliana. Matanjaka be izany ao amin’ny boky manontolo. Izay mamaky izany dia hianatra avy amin’i Paoly hiasa amin’ny fifaliana hatrany.

Barinarivo Rajosoa Mpitandrina

Send a message to learn more

13/08/2026

Mofonaina Zoma 14 Aogositra 2026
Ohabolana 12. 17-28
MPINO MAHATOKY MANAMBARA NY MARINA SY MAHAZO SITRAKA AMIN’ANDRIAMANITRA

Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka. 18 Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron'ny sabatra; Fa ny lelan'ny marina dia fanasitranana kosa. 19 Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipì-maso monja. 20 Fitaka no ao am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin'izay misaina fiadanana. 21 Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza ny ratsy fanahy. 22 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany. 23 Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; Fa ny fon'ny adala mamoaka fahadalana. 24 Ny tànan'ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tànana dia hampanompoina. 25 Ny alahelo ao am-pon'ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy. 26 Ny marina dia mitari-dàlana ny namany; Fa ny alehan'ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy. 27 Ny kamo tsy mety mihaza; Fa fananana soa ho an'ny olona ny zoto. 28 Amin'ny làlan'ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no làlan-kalehany
-----------
Ny fiarahamonina Jiosy dia toa ny firenena rehetra ihany eto ambonin’ny tany. Nanana ny fomba nitaizany sy nanabeazany ny mponina tao aminy izy. Isika teto Madagasikara ohatra dia nitaiza ny taranaka tamin’ny alalan’ny angano sy ireo tantara foronina tantaraina isa-kariva. Ireny no niezahantsika nampitana tamin’ny taranaka ireo fahendrena sy soatoavina samy hafa. Ny an’ny Jiosy kosa dia nifototra tamin’ny fahendrena voasoratra ao amin’ireo bokim-pahendrena izany. Ny fampitàna ireo soatoavina teo amin’ny Jiosy dia nifamatotra tamin’ny tenin’Andriamanitra. Izany no tena nampiavaka ny Jiosy tamin’ny fitaizana sy ny fanabeazana ny taranany. Ireto hafatra roa ireto no ambaran’ny fahendrena Jiosy momba ny mpino mahatoky

1. Manambara ny marina (and 17)
DIEM “'Izay milaza ny marina no manambara ny rariny”
Ny hoe mahatoky dia ampifamatoran’ny olon-kendry Jiosy amin’ny fanambarana ny marina. Mifamatotra amin’ny fahamarinana arak’izany ny mahatoky. Ny olona mahatoky arak’izany dia olo-marina. Tsy afaka hanambara ny marina mantsy ny olona iray raha tsy manana ny marina na tia fahamarinana. Tsy afa-misaraka arak’izany ny fahamarinana sy ny toetra mahatoky. Iray amin’izay hahafantarana ny olo-mahatoky rahateo ny fahamarinana.
Tsy olon’ny fahamarinana am-bava ihany anefa ny mpino mahatoky fa tena olon’ny fahamarinana amin’ny asa koa. Ny asa marina no hahafantarana ny olo-mahatoky. Marina amin’ny fomba fiasa, marina amin’ny fitantanana, marina amin’ny zavatra rehetra. Tsy zavatra ambara fotsiny ny fahamarinana fa iainana sy aseho amin’ny asa. Izany ka tena fahendrena.

2. Mahazo sitraka amin’Andriamanitra (and 22)
DIEM “Mankahala ny mpandainga ny TOMPO, fa mankasitraka kosa ny olona mahatoky”
Raha teo amin’ny tantaran’ny Finoana Kristianina dia voatantara ao amin’ny filazantsara fa Jesoa no iray tamin’izay nahazo sitraka ampahibemaso tamin’Andriamanitra. Jesoa no nantsoin’Andriamanitra hoe zanaka malala, izay sitrak’Andriamanitra. Ny olona rehetra nanodidina an’i Jesoa dia nandre izany avokoa. Nahazo sitraka tamin’Andriamanitra Jesoa noho Izy ambara fa lalana sy fahamarinana ary fiainana. Lehilahy marina rahateo Izy teto amin’izao tontolo izao.
Mankasitraka izay manao ny marina hatrany Andriamanitra. Raha mpino mahatoky arak’izany isika, miezaka manao ny marina mandrakariva dia mahazo manantena fa hahazo sitraka amin’Andriamanitra isika. Ity mahazo sitraka amin’Andriamanitra ity no iray amin’izay zavatra mba tena handrandraintsika eto amin’izao fiainana izao.

Barinarivo Rajosoa Mpitandrina

12/08/2026

Mofonaina Alakamisy 13 Aogositra 2026
Matio 21. 23-32
TSY MPILA SITRAKA NEFA MPAMITAKA, FA MPANDÀ NEFA NIOVA KA TONGA MPINO MAHATOKY

Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesoa ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao? 24 Ary Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany: 25 Ny batisan'i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Ary izy ireo niara-nisainaka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy hianareo? 26 Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon'izy rehetra ho mpaminany Jaona. 27 Dia namaly an'i Jesoa izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Dia hoy Jesoa taminy: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany. 28 Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin'ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin'ny tanimboaloboko anio. 29 Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. 30 Dia nankeo amin'ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko, kanjo tsy nandeha izy. 31 Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesoa taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 32 Fa Jaona nankany aminareo tamin'ny làlan'ny fahamarinana, nefa tsy nino azy hianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa hianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy.
-----------
Manao fanoharana Jesoa eto amin’ity mofonaina ity ho famaliana ny fanontanian’ny Jiosy momba ny fahefan’i Jesoa nandrava ny tsena tao amin’ny tempoly sy ny nampianarany tao. Ilay fanoharana dia mahakasika zanaka roa lahy rehefa nirahin’ny rainy hiasa dia toa izao no hamaritan’i Jesoa azy:
- Ny iray namaly hoe tsy handeha nefa rehefa nieritreritra dia nandeha ihany satria nanenina
- Ny iray kosa nanome toky hoe handeha nefa tsy nandeha hatramin’ny farany, mpila sitraka sy mpamitaka.
Avy amin’izy mirahalahy ireto no hakantsika hafatra mahakasika ny iraka mahatoky. Noho izany ny iraka mahatoky dia

1. Tsy ilay mpila sitraka nefa mpamitaka (and 30)
“Dia nankeo amin'ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko, kanjo tsy nandeha izy”
Toetra tena ratsy no hitantsika eo amin’ilay zanaka faharoa. Nanome toky ny rainy fa handeha tokoa hiasa, hanompo eo amin’ny tanim-boaloboka kanefa tsy nandeha akory. Tsy te ho ratsy teo imason’ny rainy ka nanome toky fa hanao nefa tsy nandeha akory. Mpila sitraka mpamitaka. Matetika ny mpila sitraka dia mpamitaka toa azy. Tsy mba olona mahatoky, olona tsy azo ianteherana, olona tsy azo anankinana asa, andraikitra. Hitantsika fa na ny famaliny an-drainy aza dia toa ireny olona tena mahatoky ireny: “handeha aho, tompoko”. Tsy ny endrika ivelany tokoa, tsy ny tena toa mendrika aloaky ny vavan’ny olona tokoa no mamaritra ny maha-olo-mahatoky azy. Ny asa ateraky ny teny nataony.
Ny olo-mahatoky arak’izany dia ireo izay manatanteraka araka ny tokony ho izy ny teny nomeny. Olona tsy mivadika amin’izay nekeny na teo imason’Andriamanitra na teo imason’ny fiangonana. Aleo tsy mamaly, aleo tsy manome toky raha toa ka mahatsiaro tsy mahefa. Ratsy ny mamitaka. Aleo ho marina amin’ny teny sy ny asa hatrany isika. Mpino mahatoky mantsy isika.

2. Ilay manenina ka manatanteraka ny iraky ny rainy (and 29)
“Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany”
Ny hoe manenina dia manana heviny roa farafahakeliny eto:
- Mahatsiaro ny fahadisoany teo anatrehan’ny rainy: olona nomena andraikitra, nanankinana asa nefa mandà be tsotra izao fotsiny. Mahatsiaro izy hoe matoa nomena andraikitra, nomena asa dia mendrika ny fitokisan’ny rainy. Io fitokisan’ny rainy io no nolaviny ka nahatonga azy nanenina.
- Mahatsiaro fa diso ilay fanapahan-kevitra voalohany ka niova hevitra rehefa avy nandini-tena. Ity fiovan-kevitra ity dia nanova azy mihitsy, nanova hatramin’ny fitondrany ny tenany. Niezaka ho olona mahatoky izy nanomboka teo.
Ny olona mahatoky arak’izany dia mety ho olona efa nanao ny tsy mety, efa diso teo anatrehan’ny olona, efa nandà kanefa niova hevitra, niova tamin’izay nahadiso azy ka tonga olona azo itokisana, mahavita hatramin’ny farany izay ankinina aminy. Mahatsiaro an’i Paoly Apostoly aho rehefa mamaky ity zanaka voalohany ity. Paoly tokoa mantsy tany am-boalohany dia tsy ilay mpandà fotsiny fa tena mpanenjika mihitsy aza ny fiangonan’Andriamanitra. Nefa rehefa novain’ny Tompo dia tonga mpino, Apostoly mahatoky.
Azo atao tsara ny miova, ny tena fiovana marina no mahatonga antsika ho mpanompo mahatoky hatramin’ny fahafatesana.

Barinarivo Rajosoa Mpitandrina

11/08/2026

Mofonaina Alarobia 12 Aogositra 2026
1 Korintiana 10. 1-12
MITANDREMA IZAY EFA MIJORO TSARA SAO LAVO

Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin'ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina, 2 ary izy rehetra dia natao batisa ho amin'i Mosesy tao amin'ny rahona sy ny ranomasina, 3 ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany, 4 ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin'ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany. 5 Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak'Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra. 6 Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan'ireny. 7 Ary aoka tsy ho mpanompo sampy hianareo tahaka ny sasany tamin'ireny, araka ny voasoratra hoe: "Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao" (Eks 32:6). 8 Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin'ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro. 9 Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan'ny sasany tamin'ireny fanahy Azy, ka matin'ny menarana ireny. 10 Ary aoka tsy himonomonona hianareo tahaka ny sasany tamin'ireny, izay matin'ny mpandringana. 11 Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan'ny faran'izao tontolo izao. 12 Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo
--------------------
Paoly dia mampianatra antsika fa tsy hoe rehefa lasa Kristianina isika dia milamina amin’izay ny zavatra rehetra. Ny fahatongavana ho Kristianina indrindra no hanombohan’ny fizahan-toetra mahamay sy ireo karazana fakam-panahy. Amin’ny fotoana hahatongavana ho Kristianina no tena mila miambina ny mpino satria tsy mahafaly ny devoly ny maha-Kristianina antsika. Eto amin’izao mofonaina izao, ny and 12 dia hampianaran’i Paoly antsika fa mety ho lavo isika na dia efa Kristianina aza. Arak’izany dia fomba roa no ampianarina antsika mba hahatonga antsika hahajoro tsara amin’ny finoana Kristianina mba tsy ho lavo

Mahatsiaro ny asa mahagaga ataon’Andriamanitra
Raha nisy vahoaka na firenena nahita soa tamin’ny fiarahana tamin’Andriamanitra dia ny Zanak’Isiraely. Nanomboka tamin’ny fialàna tany amin’ny tany Egypta izany ka hatramin’ny nidirana sy nitoerana tao amin’ny tany Kanana. Mitsinjara telo ireo fahasoavana noraisin’izy ireo tamin’ny fiarahana tamin’Andriamanitra eto:
- Fanafahana tanteraka tany Egypta: ny fiampitana ny ranomasina mena nandia tany maina dia tena fitahian’Andriamanitra sy fiarovana mahagaga. Samy nandeha tamin’ny tany maina izy ireo sy ny Egyptianina raha nisaraka roa ny ranomasina. Ho an’ny Zanak’Isiraely dia fitahiana izany, ho an’ny Egyptianina kosa dia loza izany.
- Fikarakarana teny an-dalàna: ny fihinanana sy ny fisotroana teny an-dalana dia tena mariky ny fikarakaran’Andriamanitra ny vahoakany. Tsy navelany hahafaty azy ireo ny hasarotry ny fandehanana tany an’efitra. Toerana sarotra hahavelomana kanefa tsy nahafaty ny vahoakan’Andriamanitra.
- Ny fidirana mora ny tany Kanana: ny fidirana tamin’ny fomba tsotra sy mora tao amin’ny tany Kanana dia tena fitiavan’Andriamanitra, manolotra ny tanin’ny fanekeny tamin’ny vahoakany. Andriamanitra marina ka mahatanteraka tokoa arak’izay tokony ho izy ny teniny.
Mitahiry ny mpino amin’ny fifandraisana velona amin’Andriamanitra ny fahatsiarovana ny fitantanan’Andriamanitra azy. Mampijoro tsara amin’ny finoana ireny noho ny fahatsapana ny asa mahagaga nataon’Andriamanitra ho mariky ny fitiavany.

Mahalala ny vokatry ny fivadihana amin’Andriamanitra
Ireo olona maro ambara eto fa nahita ny asa mahagaga nataon’Andriamanitra ireo dia ambaran’i Paoly koa eto fa naringan’Andriamanitra. Raha ny marina tamin’ireo olona maro niala tany Egypta dia olona roa sisa no niditra tany amin’ny tany Kanana: Josoa sy Kaleba. Sisa an’izay dia ringana teny an-dalana avokoa ka taranaka vaovao no niditra tao amin’ny tany Kanana. Ny famakiana ny tantara toa izao dia anatra ho antsika fa tsy zavatra mora ny mijoro ho mahatoky amin’ny maha-Kristianina antsika. Sedrain-javatra maro izany ka mety mahatonga antsika hiala amin’ny fifandraisana velona amin’Andriamanitra.
Maro ireo niala tamin’Andriamanitra, nanakalo an’Andriamanitra tamin-java-kafa, tamin’ny andriamanitra tsy izy tany an’efitra sy tao amin’ny tany Kanana. Izany no anton’ny fandringanana azy ireo. Soa fa voatantara ao amin’ny Soratra Masina ny tranga toa izao ho anatra ho antsika mamaky ankehitriny.
Noho izany, sarobidy ny Soratra Masina, mitantara sy mitahiry ny tantaran’ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny vahoakany. Sarobidy noho izy tonga fananarana sy toromarika ho antsika ankehitriny. Fomba iray hahatonga antsika ho mahatoky arak’izany ny mamaky ny tantara ary mahay mandray lesona avy amin’izany.

Barinarivo Rajosoa Mpitandrina

10/08/2026

‎Mofonaina Talata 11 Aogositra 2026
‎Genesisy 22. 1-13
‎IZAY OLONA MANAM-PINOANA NO MPINO MAHATOKY

‎ARY rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan'Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho. 2 Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin'ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin'ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao. 3 Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy, 4 Nony tamin'ny andro fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany tery lavitra ery. 5 Ary hoy Abrahama tamin'ny zatovony: Mijanòna eto amin'ny boriky hianareo, fa izaho sy ny zazalahy handeha hankery; ary hivavaka izahay dia hiverina eto aminareo indray. 6 Dia nalain'i Abrahama ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana ka natataony an'Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka. 7 Ary Isaka niteny tamin'i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana? 8 Fa hoy Abrahama: Anaka. Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia niara-nandeha izy mianaka. 9 Ary rehefa tonga teo amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an'i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin'ny alitara teo ambonin'ny kitay. 10 Ary Abrahama naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany. 11 Fa niantso azy Ilay Anjelin'i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô ary hoy kosa izy: Inty aho. 12 Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tànanao amin'ny zazalahy, ary aza maninona azy akory hianao; fa hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra hianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao. 13 Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon'ny zanany.
‎--------------
‎Ity mofonaina ity dia mitantara amintsika ny fizahan-toetra an’i Abrahama. Fizahan-toetra naneho fa izay nangatahin’Andriamanitra tamin’i Abrahama dia nataon’i Abrahama na dia zavatra mafimafy ihany aza ilay nangatahina. Avy amin’izao mofonaina izao no hahitantsika fa ny olona manam-pinoana dia

‎1. Mifandray tsara amin’Andriamanitra (and 1,2)
‎« Hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho »
‎Ny tantara dia mampiseho amintsika fa tsara fifandraisana tamin’Andriamanitra Abrahama. Ny hoe tsara fifandraisana dia fanehoana an’Andriamanitra afaka miresaka tsara amin’i Abrahama. Ka amin’ny fotoana ilàn’Andriamanitra an’i Abrahama dia namaly azy Abrahama. Aseho fa na dia Andriamanitra aza ny Tompo dia akaiky an’i Abrahama Izy, afaka miresaka tsara aminy. Tsy Andriamanitra lavitra azy ny Andriamanitr’i Abrahama. Tena akaiky azy, miresaka aminy.
‎Na iza na iza milaza ny tenany ho olon’ny finoana dia tokony haneho amin’ny fiainany an-davanandro fa tsy lavitra azy ny Andriamaniny. Misaotra an’Andriamanitra isika fa efa nataon’Andriamanitra ny ezaka rehetra nandravana ny elanelana nisy teo Aminy sy ny olony, efa tonga olombelona, niara-belona tamin’ny olona Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Aoka arak’izany asehontsika izay manam-pinoana fa tsy lavitra antsika Andriamanitra izay hinoantsika, akaiky antsika Izy ary tena mifandray amintsika amin’ny alalan’i Jesoa sy ny Fanahy Masina.

‎2. Mankato tsy misy fepetra an’Andriamanitra (and 3)
‎« Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy »
‎Rehefa tsara fifandraisana tamin’Andriamanitra Abrahama dia afaka nangataka zavatra taminy Izy. Afaka nangataka zavatra izay rehefa jerena amin’ny lafiny maha-olona dia zavatra sarotra. Sarotra satria ilay valim-bavaka, ilay faniriana efa hatramin’ny ela no hangatahina atao fanatitra. Asehon’ny tantara amintsika fa rehefa tena akaiky ny olona Andriamanitra dia afaka mangataka amin’ny olona na dia toa mafy aza izany fangatahana izany. Teo anatrehan’ny fangatahan’ny Tompo dia avy hatrany dia nanatanteraka Abrahama. Tsy nametra-panontaniana, tsy nametraka fepetra. Rehefa nangataka ny Tompo dia avy hatrany dia nanatanteraka. Izany ny olona tena manam-pinoana. Rehefa Andriamanitra no maniraka, mangataka, avy hatrany dia mankato.
‎Ny tanjaky ny finoana ao amin’ny olona vokatry ny fahatsaran’ny fifandraisany amin’Andriamanitra no mahatonga ny olona ho mpankato tsy manisy fepetra toa an’i Abrahama. Hita teo amin’i Jesoa Kristy koa io toe-po amam-panahy mankato tsy mametraka fepetra io raha nanolotra ny ainy teo amin’ny hazo fijaliana izy. Meteza ho olon’ny finoana marina, rehefa ny Tompo no maniraka, rehefa ny Tompo no mangataka, avy hatrany dia manatanteraka. Izany no manamarina fa mpino mahatoky isika.

‎3. Mitarika ny ankohonany ho amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra (and 3)
‎« Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy »
‎Tsy Abrahama ihany no nankato an’Andriamanitra fa Isaka zanany koa dia notarihiny hankato an’Andriamanitra. Na dia efa fantatr’i Isaka ihany aza fa izy no hatao fanatitra, fomba fanao teo amin’ny Jentilisa mantsy ny manao fanatitra ny zanany ho enti-mampitony ny fahatezeran’ny andriamanitra sampy nivavahany. Hain’i Abrahama ny nandresy lahatra azy hanaiky hiara-dia aminy. Ny finoana dia mahatonga antsika hiasa hankato an’Andriamanitra, sady hitaona ny hafa ho amin’izany fankatoavana an’Andriamanitra izany koa. Ny finoan’i Jesoa no nanosika Azy hankato an’Andriamanitra Rainy sy nitaomany ireo mpiara-belona Taminy hankato an’Andriamanitra.

Barinarivo Rajosoa Mpitandrina

09/08/2026

Mofonaina Alatsinainy 10 Aogositra 2026
Kolosiana 3. 22-25
MPINO MAHATOKY MIASA TAHAKA NY HO AN’NY TOMPO

Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny zavatra rehetra, tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa amin'ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo; 23 ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona, 24 satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo hianareo. 25 Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan'olona
--------------------
Ny lafim-piainana rehetra mihitsy teo amin’ny fiarahamonina no nitondran’ny Apostoly fampianarana sy fananarana. Nanome toromarika mahasoa manatsara ny fifandraisan’ny mpanompo sy ny tompony izy. Ireto no tsara ifampaherezana

1. Fanompoana amin’ny fahatsoaram-po no mahasoa (and 22)
“Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny zavatra rehetra, tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa amin'ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo”
Raha miresaka fifandraisana eo amin’ny tompo sy ny mpanompony Paoly dia manazava amintsika mamaky ankehitriny zavatra roa mazava tsara:
- Fahatsoram-po: Rehefa tso-po ny olona rehetra dia manamora ny fifandraisana izany. Ny fahatsoaram-po mantsy no misoroka sahady izay mety ho olana eo amin’ny mpiaramonina. Ny fahatsoram-po koa dia mitondra sy mitarika ho amin’ny fifandraisana tsy misy fihatsarambelatsihy.
- Fahatahorana an’Andriamanitra: ity no fototry ny fahendrena rehetra araka ny fampianaran’ny Testamenta Taloha sy ny fahendrena Jiosy. Manomboka amin’ny tahotra an’Andriamanitra ny fahatsaran’ny fifandraisana rehetra. Raha samy matahotra an’Andriamanitra na ny mpiasa na ny mpampiasa dia efa misoroka sahady izay mety olana misy eo amin’ny fifandraisana izany. Ny tahotra an’Andriamanitra koa dia mitarika ho amin’ny fahamarinana. Asa atao amin’ny fahamarinana no ateraky ny tahotra an’Andriamanitra. Koa rehefa matahotra an’Andriamanitra ny mpiasa sy ny mpampiasa dia mampilamina ny fiarahamiaina izany.
Manompo amin’ny fahatsoaram-po sy amin’ny tahotra an’Andriamanitra ny mpino mahatoky. Toetra kristianina faka tahaka izany.

2. Fanompoana toa ny fanompoana ny Tompo (and 23)
“Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona”
Ny asa tanterahina, tanterahina toa ny ho an’ny Tompo fa tsy ho an’ny olona dia mahatonga antsika hiasa toa izao:
- Miasa tsara: asa tsara no ateraky ny toe-panahy mahalala ho an’ny Tompo no hanaovana izany. Tsy misy na iza na iza araka ny fampianaran’i Paoly hanao zavatra ho an’Andriamanitra ka hanao izany kitoatoa. Ataony tsara izany satria ho an’ny Tompony.
- Miasa sady mikendry ny hanome voninahitra: Jesoa dia nanao tatitra tamin’Andriamanitra indray maka ka nilaza mazava hoe: “Izaho efa nankalaza Anao tety ambonin'ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko” Jao 17. 4. Jesoa raha miasa arak’izao dia misy zavatra roa tiany ifampizarana eto
a. Asa vita hatramin’ny farany: tsy mijanona an-tenantenan-dalana fa miezaka mamita hatramin’ny farany.
b. Asa hahazoan’Andriamanitra voninahitra: sady nahavita asa Jesoa no nankalaza an’Andriamanitra. Tsy misaraka amin’i Jesoa arak’izany ny asa vita sy ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Tsy araka ny tokony ho izy arak’izany ny asa vita nefa Andriamanitra tsy mahazo voninahitra, Andriamanitra tsy nankalazaina.
Mpino mahatoky isika, olon’ny asa, asa vita hatramin’ny farany, ary asa mikendry ny hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra mandrakariva.

Barinarivo Rajosoa Mpitandrina

Address

Maintirano

Telephone

+261348105095

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Barinarivo Rajosoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Barinarivo Rajosoa:

Shortcuts

Share