Paroisse Ecar NDA Mahitsy

Paroisse Ecar NDA Mahitsy Ny Fo madio no mampisy ny Fiadanam-po koa Mahaiza mamela heloka .

22/07/2026

✅Raha misy zavatra iray tsy tokony hanaovanao négociation mihitsy eo amin’ny fiainana, dia ny “PAIX INTÉRIEURE-nao na ny Fiadanam-po❤️

❌Mahaiza mandà ary aza manaiky hiditra amin’ny fifandraisana, namana, na zavatra , na ihany koa tontolo iray izay manala tsikelikely ny Fiadanana nomen’Andriamanitra anao.

✅Aza adino , fa tsy ny zavatra rehetra azo atao no mahasoa sy mitondra Fiadanam-po ; tsy ny varavarana rehetra misokatra ihany koa no tokony hidirana, ary tsy ny fanampiana rehetra no tokony ho raisina. Maro amin’izy ireny mikitika sy manimba ny Fiadanana nomen’Andramanitra anao.

✅Mila mahay mandà isika
✅Mila mahay mamela ny lasa isika
✅Mila mahay mametraka ny zavatra rehetra eo am-pelatanan’Andriamanitra ihany koa mba hananana an’izany Fiadanam-po izany ❤️

30/05/2026
24/05/2026
30/04/2026

Tsy misy miafina aminy !

Ianao ilay araraotina fa tsotra tsy miteny. Hitany ireny !
Ianao avakavahana sy ahilika ho very,
Ny masony mijery !
Tsy miraviravy tanana Izy na melemy dia miafy
Fantany fa zakanao, mamolavola anao ho mafy

Ianao be fandeferana malaina hifamaly.
Hainy fa mijaly!
Ianao tevatevaina hozonina mba tsy hanjary.
Ny ainy koa marary!
Zanany sy fofon'ainy tokana an-tany ka tsy foiny.
Ny fahorianao anie mipaka hatrany anaty fony.

Ianao finitaky ny nitokisana te hiato tsy hanohy,
Hery Izy fa antsoy !
Ianao ilay kivy valalanina ka tsy mahatelin-kanina,
Izy antsoina mba handamina !
Io ferinao io manaintaina toy ny ratrany
Ny ranomasonao koa maninteraka ny tratrany.

Fa lalanao ireny, sarotra fa nandalovana
Aoka tsy ho takaitra fa hijanom-pahatsiarovana
Izay tsy mahafaty anao vao maika manamafy toto.
Aza dia manary toky fa mijery midina ny Tompo.
Akambano sy hamasino amin'ny hazofijaliany.
Ny nilanjany azy iny no nanehoany anao fa tiany.

RAKOTOMANGA Harilala Soldier Pio

27/04/2026

Vavaky ny mpiasa

Tompo ô ny asa hiadidiako ataovy haiko sady tiako na mafy sy maha valalanina.
Ekeko hoe tsy hananam-piry ka manentana hikiry ny karama mba hinanan-kanina.

Fa aoka tsy ho izany fotsiny no zavatra fonisin'ny lofo sy ny zotom-po.
Fa fitrandrahako ny haiko : ny herin-tsandry sy herin-tsaiko entiko manao ny soa.

Reha tiana mantsy izay atao dia hafaliana tsotr'izao no manentana hifoha maraina.
Fa tsy tahotry ny eo ambony sy resa-bola ihany intsony no 'ndeha hampiferinaina.

Amin'izay fotoana izay dia tsy ho andriko indray ny hiarenako hikatroka
Fa tsy laina sy hakiviana no handaozako fandriana sady entiko miatrika.

Tompo ô, omeo fotoana hahafahako mihaona sy mankafy ny ankohonana.
Fa tsy asa lava izao no ala-tsiny mankalao ka tsy hidirako am -piangonana.

Omeo fotoana hanompoana sy handalinana finoana anivon'ny fianakaviana.
Fohy raha ny ety an-tany ka raha hanararaotra ihany aleo mba mitia aho sady tiana.

Rakotomanga Harilala Soldier

Address

RN4 PK30+ 700
Mahitsy
105

Telephone

+261320777864

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Paroisse Ecar NDA Mahitsy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share