27/08/2024
[MISAOTRA]
✅ Tontosa soa aman-tsara iny Kongresy Eokaristika Nasionaly (KEN) izay notontosaintsika taty amin'ny Diosezin'Antsiranana iny. Ny vavaka niombonantsika hatrany amin'ny fanomanana ka hatramin'izao no tena aina namelona iny hetsika iny. Tsy mijanona hatreo anefa fa mitohy amin'ny fiainana ny 𝐅𝐢𝐡𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚𝐧'𝐢𝐳𝐚𝐨 𝐭𝐨𝐧𝐭𝐨𝐥𝐨 𝐢𝐳𝐚𝐨, sy ny maha 𝐦𝐩𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚.
❤️💚Tolorana fisaorana ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, namelona indray ny fiainana sy ny fankalazana ny Kongresy Eokaristika Nasionaly. ❤️💚
🟢Isaorana ny fanohanana amin'ny endriny maro samihafa nataonareo rehetra:
- OPM, izay nahatonga solon-tena, ny Sekretera Jeneraly SR Roberta TREMARELLI
- Ireo vaomiera eo ambany fiahian'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara
- CEPAL : Commission Episcopale pour l'Apostolat des Laïcs
- Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe Vovonam-Pirenena Katolikan'ny Tanora Vovonam-Pirenena Katolikan'ny Ankizy
- Fikambanana sy firohotana Nasionaly
- Ny fitondram-panjakana foibe sy ireo ratsamangaika any amin'ny Faritra DIANA
🟢Ankasitrahana ny ezaka lehibe nataon'ny Diosezy mpandray, izay notarihin'i SE Mgr Benjamin Marc RAMAROSON:
- COCE (Comité d'organisation du Congrès Eucharistique)
- FPIA (Filan-kevitra Pastoraly Iombanana eto antampon-tananan'Antsiranana) sy ny Eglizy Iraka rehetra
- Ny Birao AFAFI-FET Diosezy Antsiranana ny sy mpikambana rehetra, tarihin'ny Aomonie RP JAOMAMY Félicien
🟢Tsy hadinoina ihany koa ireo nanohana rehetra, mivantana na an-kolaka, hevitra na fitaovana na vola.
🟢Nahafa-po ny fiaraha-miasa tamin'ireo haino vaky jery isan-karazany nampita vaovao sy nampiaina mivantana antsika ny hetsika:
- RDB, RDB LIVE
- Ny vondrona DREAM'IN, I-BC, LA7
- EKAR-Radio Fañiry FM 105.4MHz
- Gazety Lakroan'i Madagasikara
- JESCOM (Jesuit Communication)
- Ireo mpanao gazety nisolo tena ny radion'ny Diosezy manerana ny Nosy
🟢Nanao ezaka manokana ireo Aomonie sy Birao AFAFI-FET ary ireo Mpandridra ny KEN isan-diosezy, ka nahatonga ireny solon-tena marobe niatrika mivantana taty Antsiranana ireny. Ankasitrahana!
©️ Kômity Mpanomana [Ekipa Nasiônaly TPPM/AFAFI-FET | Diosezin'Antsiranana]