Click To Pray - Madagasikara

Click To Pray - Madagasikara Sehatra iombonam-bavaka ho an'ny fanambin'ny zanak'olombelona sy ny asa nanirahana ny Fiangonana.

Ireo zavatra manodidina ahyMaka fotoana aho hamaranana ny andro miaraka amin'Andriamanitra. Mifantoka amin'ny fofon'aina...
08/09/2026

Ireo zavatra manodidina ahy

Maka fotoana aho hamaranana ny andro miaraka amin'Andriamanitra. Mifantoka amin'ny fofon'aina aho. Fotoana izao hiarahana Aminao, ry Tompo. Mijery ny zava-nitranga nandritra ny andro aho, ka mitadidy ireo zavatra nampiasaiko tamin'ny asako. Misaotra Anao aho noho ireo zavatra ananako sy azo ampiasaina: fitafiana, sakafo, kojakoja ao an-trano, fitaovam-pitaterana, zava-boaary... Inona avy no tokony hisaorako Anao?

Misy zavatra ve tsy mahasoa ahy, na manelingelina ahy, na zavatra miraikitra loatra amiko?

Mamelà ahy, ry Tompo; ampio aho hampiasa ireo zavatra manodidina ahy amim-pahalalahana marina. Ampianaro aho hizara amin'ny hafa ny momba ahy sy izay ananako.

Rainay any an-danitra ...

Ekipa iraisam-pirenena

Ovay ny fokoFotoana fialan-tsasatra kely izao. Misaintsaina ireto tenin'ny Papa Fransoa ireto aho: "Manelingelina ny tsi...
08/09/2026

Ovay ny foko

Fotoana fialan-tsasatra kely izao. Misaintsaina ireto tenin'ny Papa Fransoa ireto aho: "Manelingelina ny tsingerin'ny rano eto amin'ny tany ny toe-tsaina mpanjifa tsy misy fetra sy mitady tombontsoa manokana, izay vokatry ny fo tia tena. Miteraka fiakaran'ny hafanana sy haintany mafy ny fampiasana tafahoatra ny solika sy ny gazy ary ny fandripahana ala" (Andro maneran-tany hivavahana ho an'ny fiahiana ny zava-boaary).

Mampahatsiahy antsika fa "tsy misy fanovana azo tanterahina eo amin'izao tontolo izao raha tsy manomboka ao am-pontsika manokana sy ao am-pon'ny olona tsirairay izany", araka ny dingana fahatelo amin'ny "Lalan'ny Fo". Mangataka Aminao aho, ry Tompo, mba hanampy ahy handray am-po ny fiarovana ny rano, mba hahafahan'ny rehetra, amin'ny alalan'ny fifanampiana, mahazo an'io loharanon-karena tena ilaina io.

Manao ny vavaka isam-bolana aho, ary miezaka mifantoka tanteraka amin'izany.

Ekipa Kolombiana

Ny drafitr’ilay RayTompo ô, ao anatin’ny fahanginan’ity andro vao mangiran-dratsy ity, mangataka Aminao ny fahasoavana h...
08/09/2026

Ny drafitr’ilay Ray

Tompo ô, ao anatin’ny fahanginan’ity andro vao mangiran-dratsy ity, mangataka Aminao ny fahasoavana hanatanteraka ny sitraponao aho. "Indro ny Virijiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe amintsika Andriamanitra" (Mt 1, 23).

I Maria sy i Josefa, izay natoky tanteraka Anao, dia nanatanteraka ny anjara asany tao amin’ny fandaharam-pamonjena. "Tonga i Jesoa mba hampahafantatra antsika ny drafitry ny famindram-pon’ny Rainy ho an’ny olombelona sy ny zava-boaary rehetra" (Dingana faha-4 amin’ny Lalan’ny Fo). Inona no anjara asako ao amin’ity drafitry ny Ray ity?

Mitondra fanamby ny vavaka fangatahana ho an’ity volana ity. Androany, eo ambany fiarovan’i Maria amin’ity fety ankalazana ny nahaterahany ity: manolotra ny androko aho mba hahafahantsika rehetra mahafantatra ny anjara asantsika amin’ny fiarovana ny zava-boaary.

Ekipa Kolombiana

Ireo toerana nalehaMaka fotoana aho hamaranana ity andro ity. Mahatsiaro tena aho ary mametraka ny tenako eo anatrehan’n...
07/09/2026

Ireo toerana naleha

Maka fotoana aho hamaranana ity andro ity. Mahatsiaro tena aho ary mametraka ny tenako eo anatrehan’ny Tompo, Izay niaraka tamiko sy nialoha ahy nandritra ity andro ity. Mijery lalina ny ao am-poko aho ka manaiky izay zavatra mitoetra ao amin’izao fotoana izao. Misaotra Anao, ry Tompo, noho ireo zavatra niainako.

Averiko jerena ny momba ny androko, isaky ny toerana nalehako. Aiza avy ireo toerana nalehako? Ahoana no fahatsapako tao amin’ny tsirairay tamin’ireny? Nahatsapa ny fisian’Andriamanitra ve aho tao amin’ny iray tamin’ireny? Misy toerana ve izay tsapako fa manimba na miteraka olana ho ahy?

Atolotro an’Andriamanitra ny zava-drehetra noraisiko ary angatahiko Izy mba hanohy hanasitrana ny foko.

Rainay any an-danitra ...

Ekipa iraisam-pirenena

Fampiroboroboana ny ainaMijanona kely amin’ny asa ataoko aho mba hamela an’Andriamanitra hiresaka amin’ny foko.Nilaza ny...
07/09/2026

Fampiroboroboana ny aina

Mijanona kely amin’ny asa ataoko aho mba hamela an’Andriamanitra hiresaka amin’ny foko.

Nilaza ny Papa Benoa XVI fa "manana andraikitra manoloana ny zava-boaary ny Eglizy (...); tsy maintsy miaro ny tany, ny rano ary ny rivotra izay fanomezana avy amin’ny zava-boaary sady an’ny rehetra izy, saingy tsy izay ihany. Ambonin’izany rehetra izany, tsy maintsy miaro ny olombelona tsy handringana ny tenany ihany koa izy." (Caritas in Veritate 51.)

Misaotra Anao aho, ry Tompo, noho Ianao nampianatra ahy fa ny fijerinao ny zava-misy dia tsy fijery mijanona fotsiny, fa fijery miasa hatrany amin’ny fampiroboroboana ny aina. Izany no antony angatahako Anao hanampy ahy "hitantana araka ny hitsiny sy maharitra ny rano", satria ny fikarakarana izany dia miaro ireo marefo indrindra sy miaro ny fahamendrehan’izy ireo.

Faranako amin'ny vavaka isam-bolana.

Ekipa Kolombiana

Mijery amim-pangorahanaTompo ô, ampianaro aho hijery tahaka Anao: mijery amim-pangorahana. Kasiho ny fahatsapako mba hah...
07/09/2026

Mijery amim-pangorahana

Tompo ô, ampianaro aho hijery tahaka Anao: mijery amim-pangorahana. Kasiho ny fahatsapako mba hahafahako manolotra teny, fijery, na fihetsika maneho ny hatsaram-ponao feno fitiavana amin'ireo zava-boaary rehetra. Amin'izany toe-tsaina izany no hanolorako Anao ny androko ho an'ny vavaka fangatahana amin'ity volana ity. Misaotra Anao aho, ry Tompo, tamin'ny nanokafanao ny masoko hijery ity andro vaovao ity. Miomana hihaino ny Teninao aho mba hahafahako mianatra avy Aminao.

"Manontany anareo Aho, inona no mety hatao amin'ny sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy, ny mamonjy aina sa ny manala aina?" (Lk 6, 9). Manohitra ny fomba fijeriko ny zava-misy manodidina ahy ireo fanontanianao ireo. Eo amin'ny lalako, mety hifanehatra amin'olona manana fahasembanana na toe-javatra miteraka fahasembanana aho, zavatra izay matetika tsy voamariko satria mihidy ao anatin'ny tontolo keliko manokana aho, izay ny tombontsoako manokana ihany no zava-dehibe.

Ekipa Kolombiana

Andriamanitra ho an'ny hafaMiverina amin'ny fahanginana anaty aho ary misaintsaina ny androko. Mamerina ao am-poko ny za...
06/09/2026

Andriamanitra ho an'ny hafa

Miverina amin'ny fahanginana anaty aho ary misaintsaina ny androko. Mamerina ao am-poko ny zavatra niainako aho ary misaotra ny Tompo noho izay nomeny ahy androany. Maka fotoana kely hisaorana aho.

Manontany tena aho… Iza no nila ny tanako, ny teniko, ny fihiniko, ny fitsikiko, ny fanatrehanao? Iza no tsy naha endrik'Andriamanitra ahy androany? Eny, izany indrindra no izy: afaka nanao an’Andriamanitra ho eo amin’ny fiainan’ny hafa ve aho? Misaotra Anao, ry Andriamanitro ô, noho ny nahafahako nampahafantatra Anao tamin’ny hafa; mamelà ny heloko amin’ny tsy fahampian'ny fitiavana.

Inona no tadiavinao amiko rahampitso, Tompo ô?

Manolotra ho Anao ny fiainako aho ary manomana ny tenako hanompo ireo rahalahiko sy anabaviko rahampitso.

Rainay any an-danitra

Ekipa iraisam-pirenena

Finoana sy fanoloran-tenaAmin'ity tolakandro ity, miato kely aho, miaraka amin'ny gadona miadana sy lalina, dia milentik...
06/09/2026

Finoana sy fanoloran-tena

Amin'ity tolakandro ity, miato kely aho, miaraka amin'ny gadona miadana sy lalina, dia milentika tsikelikely ao anaty fahanginana sy fisaintsainana anaty aho.

Ho an'ny fisaintsainana, dia raiso ho fiaingana ny tenin'ny Papa Fransoa momba ny fiarovana ny zavaboary: "Inona no azontsika atao, indrindra amin'ny maha-fiangonana Kristiana antsika, mba hanasitranana ny tokantranontsika iombonantsika mba ho feno aina indray?

Tompo ô, enga anie ny Fanahinao hanova anay ho mpivahiny amin'izay tena ilaina… ary enga anie ny fiahianay ny rano ho mariky ny fitiavana Anao.

Ataoko ho ahy manokana ny vavaka amin'ity volana ity.

Ekipa Kolombia

Rehefa miara-mivavakaRay be fitiavana, fantatro fa miaraka amiko Ianao. Inty aho amin'ity andro vaovao ity. Aoka hatamba...
06/09/2026

Rehefa miara-mivavaka

Ray be fitiavana, fantatro fa miaraka amiko Ianao. Inty aho amin'ity andro vaovao ity. Aoka hatambatra indray amin’ny Fon’i Jesoa ny foko, mba hamaka ao anatiko ny Teniny:

“Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo etỳ an-tany mifanaiky na inona na inona hangatahinareo, dia ho azony avy amin’ny Raiko Izay any an-danitra izany, fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao aminy Aho” (Mt 18:15-20).

Inona no fotoana nihaonako tamin’ny Tompo izay niainako ny Fisiany? Misaotra ny Tompo aho noho ireo.

Tompo ô, maniry ny hiaina ny Eokaristia anio miaraka amin'ireo rahalahiko sy anabaviko aho, manolotra aminao ny fangatahan'ny Papa momba ny fiarovana ny rano.

Ekipa Kolombia

Fahafantarana ny Endrik’AndriamanitraMisaotra Tompo Andriamanitra ô, fa tapitra ity andro ity. Miomana ny hamaranana ny ...
05/09/2026

Fahafantarana ny Endrik’Andriamanitra

Misaotra Tompo Andriamanitra ô, fa tapitra ity andro ity. Miomana ny hamaranana ny asako aho. Maka fotoana kely hahatsiarovako ny fahasoavanao.

Iza no endrikao tamiko androany? Oviana ianao no nitsidika ahy tamin’ny alalan’ny teny sy ny fihetsik’ireo rahalahiko sy anabaviko?

Mamarana ny andro amin’ny fiderana Anao aho Tompo noho ny asanao teo amin’ny fiainako. "Midera Anao aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa efa namangy ahy Hianao androany."

Inona no azoko atolotra rahampitso?

Rainay any an-danitra

Ekipa iraisam-pirenena

Address

Lot IVG 199-Porte 38/CNPC Antanimena
Mahamasina

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Click To Pray - Madagasikara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share