Eglise Adventiste AMAF Avaratsena Cité Itaosy

Eglise Adventiste AMAF Avaratsena Cité Itaosy Mon monde est un lieu où les gens trouvent un espoir.

ARAHO NY BAIBOLYSALAMO 31:1-24 [avec commentaire]Fitarainana nataon'izay tra-panenjehana mafy1 Ho an'ny mpiventy hira. S...
07/09/2026

ARAHO NY BAIBOLY

SALAMO 31:1-24 [avec commentaire]

Fitarainana nataon'izay tra-panenjehana mafy

1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin'ny fahamarinanao aho.
2 Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy.
3 Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy.
4 Hanafaka ahy amin'ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
5 Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana.
*
6 Halako izay mivavaka amin'ny sampy*; fa Jehovah kosa no itokiako.[Heb: zava-poana mandainga]
7 Hifaly sy ho ravoravo amin'ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian'ny fanahiko,
8 ary tsy mba nangeja ahy teo an-tànan'ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin'ny malalaka Hianao.
9 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho; simban'alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary ny tenako.
10 Fa lanin'alahelo ny aiko, sady lanim-pisentoana ny taonako; Tsy manan-kery aho noho ny heloko, ary efa lany ny taolako.
11 Noho ny ataon'ny fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho, eny, na dia amin'ny namako aza,sady atahoran'ny olom-pantatro aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra ahy.
12 Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.
13 Fa mandre ny endrikendriky ny maro aho; misy fampangorohoroana manodidina, raha miara-mioko hamely ahy izy, ka miray tetika hahafaty ny aiko.
14 Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao.
*
15 Eo an-tananao ny androko; Vonjeo aho tsy ho azon'ny tanan'ny fahavaloko sy izay manenjika ahy.
16 Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin'ny famindram-ponao aho.
17 Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin'ny fiainan-tsi-hita*. [Heb: Sheola]
18 Aoka hangina ny molotra mandainga, izay miteny sahisahy hanohitra ny marina, amin'ny avonavona sy ny fanamavoana.
*
19 Akory re ny haben'ny zava-tsoanao voarakitrao ho an'ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo anatrehan'ny zanak'olombelona ho an'izay mialoka aminao!
20 Hanafina azy ao amin'ny fiafenana eo anatrehanao Hianao, mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon'ny olona izy; hampiery azy ao an-tranonao Hianao, mba tsy ho azon'ny lela mifanditra izy.
21 Isaorana anie Jehovah; fa nataony mahagaga ny famindram-pony tamiko tao an-tanàna mimanda.
22 Fa hoy izaho tamin'ny fahatairako; voafongotra tsy ho eo imasonao aho; kanjo nihaino ny feon'ny fifonako ihany Hianao, raha nitaraina taminao aho.
*
23 Tiava an'i Jehovah, ry olony masina rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy.
24 Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.

Commentaire :

Ce Psaume me rappelle notre expérience missionnaire, tout particulièrement le dernier jour de notre séjour à l’Institut international adventiste d’études supérieures (AIIAS), où nous avons servi pendant près de six ans. C’était un vendredi soir, à la veille du dernier sermon que je devais prononcer — basé sur Romains 8:28 — au sujet de la manière dont Dieu fait concourir toutes choses au bien. Cette nuit-là, un cambrioleur s’est introduit chez nous. Il m’a assommé, mais avant qu’il ne puisse me tuer, mon épouse l’a repoussé tout en s’enfuyant par la porte d’entrée en appelant à l’aide. Des amis sont rapidement venus à notre secours. Je crois que Dieu nous a délivrés cette nuit-là : non seulement en nous réveillant, mais aussi en donnant à mon épouse la présence d’esprit de chercher rapidement de l’aide avant que le pire n’arrive. Je suis rentré de l’hôpital meurtri et blessé, mais en m’appuyant sur la promesse divine selon laquelle nos vies avaient été préservées par la providence. Le lendemain, alors que nous rendions visite à des amis, j’ai aperçu un arc-en-ciel qui m’a rappelé cette délivrance providentielle. Nos vies avaient été littéralement sauvées face aux malfaiteurs qui avaient comploté contre nous. Et même si nous avions perdu la vie, malgré ce traumatisme, nous aurions pu nous écrier : « Mais je me confie en toi, ô Éternel ! Je dis : Tu es mon Dieu ! » (v. 14).

Michael W. Campbell
Director for Archives, Statistics & Research, North American Division of SDA (as of this writing)

Mofon’Aina Alatsinainy 07 Septambra 2026 TSY MISY TSY IHARAN'NY FAKAM-PANAHY1 Pet. 1:5,6. « Izay arovan’ny herin'Andriam...
07/09/2026

Mofon’Aina Alatsinainy 07 Septambra 2026 TSY MISY TSY IHARAN'NY FAKAM-PANAHY

1 Pet. 1:5,6. « Izay arovan’ny herin'Andriamanitra amin’ny finoana ho amin’ny famonjena efa vonona haseho any am-parany. Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fakam-panahy maro samy hafa aza hianareo, raha tsy maintsy hisy izany. »

Aza mihevitra fa tsy misy fakam-panahy ny fiainan’ny Kristianina. (...) Tsy maintsy handalo fizahan-toetra na ny Kristianina na izay tsy manaiky an’i Kristy ho Tompony. Izao no maha-samy hafa azy: manompo tompo lozabe sady manao ny asa ratsiny ireo izay tsy manaiky an’i Kristy; fa ny Kristianina kosa dia manompo Ilay nahafoy ny ainy mba hanome azy fiainana mandrakizay. Aza atao mahagaga ny fizahan-toetra, fa raiso ho toy ny fomba fanadiovana sy fanatanjahana antsika izany. "Ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa ianareo.” Hoy i Jakôba, “Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana." – Jak. 1:2,3.

Ho takatsika any amin’ny fiainana ho avy ny amin’ireo toe-javatra izay naha-very hevitra antsika tety. Ho hitantsika ny halehiben’ny herin’Ilay namonjy antsika, sy ny fomba nanirahana ny anjelin’Andriamanitra hiambina antsika teo am-panarahantsika ny tolo-tsaina avy amin’ny tenin’Andriamanitra.

Izay rehetra mandray Azy dia homen’i Kristy hery ho tonga zanak’Andriamanitra. Mpamonjy vonona mandrakariva amin’ny fotoana ilana ny fanampiany Izy. (...) Tsy afaka hanameloka afa-tsy ny tenany ireo izay resy noho ny tsy nanoherany ny fahavalo. Afaka mankeo amin’i Kristy avokoa izay rehetra misafidy hanao izany, ka hahazo ny fanampiana ilainy.

Eo aminao Ilay Mpanolo-tsaina mahery nandritra fotoana nifandimby, manasa anao mba hatoky Azy tanteraka. Hiala Aminy ve isika ka hitodika amin’olombelona tsy azo antoka, izay tsy maintsy miankina amin’Andriamanitra tahaka antsika ihany? Tsy takatsika ve ny tombontsoa ananantsika? Tsy meloka ve isika satria kely fanantenana ary tsy mangataka amin’Andriamanitra izay iriny fatratra homena antsika?

"Ny famindram-pon’i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an’i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben’ny fahasoavana tamin'ny taranak’Isiraely. (...) Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy. Tamin’ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin’ny tavany no namonjy ireo.” – Isa. 63:7-9. – RH, 9 Jona 1910.

ARAHO NY BAIBOLYSALAMO 30:1-12 [avec commentaire]1 [Fisaorana nataon'izay narary mafy noho ny namonjen'Andriamanitra ny ...
06/09/2026

ARAHO NY BAIBOLY

SALAMO 30:1-12 [avec commentaire]

1 [Fisaorana nataon'izay narary mafy noho ny namonjen'Andriamanitra ny ainy] Salamo. Fihirana tamin'ny nitokanana ny trano. Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho.
2 Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.
3 Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita* Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.[Heb: Sheola]
*
4 Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany* masina.[Heb: fahatsiarovana]
5 Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
6 Ary hoy izaho, raha mbola niadana*: tsy hangozohozo mandrakizay aho.[Heb: Na: noho ny fiadanako]
7 Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.
8 Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:
9 Inona no soa azo amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?
10 Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.
11 Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,
12 Mba hankalazan'ny fanahiko* Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.[Heb: voninahitro]

Commentaire :

Il est des moments dans notre vie où le Seigneur semble distant et nos prières, dénuées de sens. Dans ces périodes sombres, il est facile de sombrer dans la solitude et la dépression. David connaissait bien cette réalité ; bien qu'il fût l'oint de Dieu, il a ressenti l'amertume de prières qui semblaient vaines.

Cependant, dans ce Psaume, il prend le temps de nous rappeler que Dieu répond bel et bien aux prières. Nos moments d'obscurité ne sont que passagers : les pleurs peuvent durer une nuit, mais la joie vient au matin. La joie que le Seigneur procure est irrésistible ; elle suscite l'action et la célébration. J'ignore quels sont vos combats intérieurs, mais Dieu, lui, les connaît. Remettez tout entre ses mains par la prière !

Le Seigneur nous a récemment bénis, mon épouse et moi, en nous donnant une fille ; nous avons choisi de l'appeler Yanai, ce qui signifie « Dieu répondra ». Nous avons opté pour ce prénom afin qu'il nous rappelle constamment que Dieu répondra à nos prières et que nous ne devons pas perdre espoir lorsque nous traversons les périodes sombres de la vie.

Richard McNeil

Mofon’Aina Alahady 06 Septambra 2026 FANDRESENA AMIN'NY ANARAN’I JESOSY Ohab. 18:10. « Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo...
06/09/2026

Mofon’Aina Alahady 06 Septambra 2026 FANDRESENA AMIN'NY ANARAN’I JESOSY

Ohab. 18:10. « Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy. »

Tamin’ny fotoana naha-osa Azy indrindra no nanafihana. Azy tamin’ny fakam-panahy masiaka indrindra. Tamin’izany fomba izany no noheverin’i Satana fa handreseny. Io tetika io no nahazoany fandresena talohan’izao. Rehefa mihamalefaka ny herim-batana sy mihamalemy ny herin’ny sitrapo ary mitsahatra tsy miankina amin’Andriamanitra ny finoana, amin’izay dia resy ny olona izay niady ela sy tamin-kerim-po ho an’ny fahamarinana. Sasatry ny firenirenena niaraka tamin’ny Isiraely nandritra ny efapolo taona i Mosesy, ka reny nivembena ny finoany. Nanao fahadisoana izy raha tonga teo an-tsisin’ny Tany nampanantenaina. Toy izany koa i Elia, izay nijoro tsy tamin-tahotra teo anatrehan’ny mpanjaka Ahaba, niatrika ny firenen’Isiraely manontolo notarihin’ireo mpaminanin’i Bala dimampolo sy efa-jato lahy. Taorian’ilay andro mahatahotra nifamotaonana tao Karmela, rehefa naringana ireo mpaminany sandoka, ka nanambara ny hankatoavany an’Andriamanitra ny vahoaka, dia nandositra hanavotra ny ainy teo anatrehan’ny fandrahonana nataon’ilay Jezebela mpanompo sampy i Elia. Toy izany no nanararaotan’i Satana ny fahalemen’ny taranak’olombelona. (…)

Ny faritra malemy eo amin’ny toetra amam-panahintsika no rarafany. Miezaka izy ny hanozongozona ny fahatokiantsika an’Andriamanitra, Izay manaiky ny hisian’ny toe-javatra toy izao. Alaim-panahy tsy hatoky an’Andriamanitra sy ny fitiavany. Tahaka ny nataony tamin’i Kristy dia velarin’ilay mpaka fanahy eo imasontsika ny fahalementsika sy ny kilemantsika. Manantena izy amin’ izany fa ho kivy isika ka tsy ho afa-mandositra. (...) Raha mety manohitra azy tahaka ny nataon’i Jesosy isika, dia ho maro ny fandresena azontsika. Ny fiadiantsika hevitra amin’ny fahavalo dia manome tombontsoa azy. (...)

Ny fanekena an’Andriamanitra sy ny finoana Azy no nahazoan’i Jesosy ny fandresena, ka hoy Izy amintsika amin’ny alalan’ny apostoly: « Maneke an’Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatona an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy » - Jak. 4:7. Tsy mahay mamonjy ny tenantsika amin’ny herin’ilay mpaka fanahy isika; efa naharesy ny taranak’olombelona izy, ary raha miezaka ny hijoro amin’ny herin’ny tenantsika isika, dia hanjary hazan’ny hafetseny. Soa fa «ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy: ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy» - Ohab. 18:10. – Ms, 15, 1908.

05/09/2026
Conference: Efa antomotra ny AndroNotanterahin'ireo mpiasa ao amin'ny AWR Manerantany.Fotoana Sabata Niavaka tokoa👉Mpand...
05/09/2026

Conference: Efa antomotra ny Andro
Notanterahin'ireo mpiasa ao amin'ny AWR Manerantany.
Fotoana Sabata Niavaka tokoa
👉Mpandahateny Jennifer Cardoza (Australie)
👉Mpandika-teny: Loholona Ismael
👉Batisa 02
Ireo mbola vonona ny hanolotena koa betsaka

Isaorana Andriamanitra 🙏
Ankasitrahana ny Mpandahateny🙏
Ankasitrahana ny Membre rehetra niara-nisalahy sy nanatontosa ary koa nanohana ny asa.🙏
Fanandramana manokana tena nahafinaritra tokoa.

ARAHO NY BAIBOLYSALAMO 27:1-14 [avec commentaire]Fahatokiana an'i Jehovah, Mpiaro sy Mpitahy ny olony1 Nataon'i Davida J...
03/09/2026

ARAHO NY BAIBOLY

SALAMO 27:1-14 [avec commentaire]

Fahatokiana an'i Jehovah, Mpiaro sy Mpitahy ny olony

1 Nataon'i Davida Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko; iza no hangovitako?
*
2 Raha manatona ahy hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy ihany no tafintohina ka lavo.
3 Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho.
4 Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.
5 Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin'ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin'ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.
6 Koa dia hisandratra ambonin'ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an'i Jehovah aho.
*
7 Mihainoa, Jehovah ô, fa mitaraina mafy aho; ary mamindrà fo amiko, ka valio aho.
8 Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin'ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô;
9 Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.
10 Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy*. [Na: Fa na dia mahafoy ahy aza ny ray aman-dreniko, dia ho-raisin'i Jehovah aho]
11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin'ny lalana marina aho noho ny fahavaloko.
12 Aza manolotra ahy ho amin'ny sitrapon'ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy.
13 Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah amin'ny tanin'ny velona.
*
14 Miandrasa an'i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah.

Commentaire :

« L'Éternel est ma lumière et mon salut : de qui aurais-je peur ? »

La réponse ? Personne ! Rien ! La réalité ? Oh, tant de choses. Qu'est-ce qui suscite le plus de crainte dans votre cœur ? David a affronté une multitude de situations qui pourraient nous effrayer : des ennemis malveillants, des armées et la guerre, le jour de la détresse, le sentiment d'être abandonné, le fait d'être cerné par de faux témoins et des oppresseurs, ainsi que la violence. Imaginez la terreur que pourrait engendrer ne serait-ce que l'une de ces situations ! Comment un simple mortel pourrait-il ne pas avoir peur ?

La réponse de David réside dans le Temple, manifestation de la présence de Dieu au milieu de son peuple. C'est devenu l'unique désir ardent de David, sa raison de vivre. Il aspirait à demeurer en la présence de Dieu, à le contempler chaque jour de sa vie.

Quel que soit le danger auquel nous sommes confrontés, David décrit le Temple comme le lieu où Dieu nous cache et nous garde en sécurité. Mais le Temple n'est plus un simple édifice terrestre. Il se trouve au ciel et partout où réside la présence de Dieu (Hébreux 8:1-6 ; 1 Corinthiens 6:19 ; 1 Pierre 2:5). Si tout notre cœur repose dans sa paix et sa joie immenses, la peur ne peut y trouver aucune place.

Marla Samaan Nedelcu

Mofon’Aina Alakamisy 03 Septambra 2026 TOLONA TSY HITA MASO Efes. 6:12. « Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, f...
03/09/2026

Mofon’Aina Alakamisy 03 Septambra 2026 TOLONA TSY HITA MASO

Efes. 6:12. « Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra. »

Tsy takatsika araka ny tokony ho izy ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan’ireo hery tsy hita maso, dia ny ady eo amin’ireo anjely mahatoky sy ireo tsy mahatoky. (...) Tsy ady foronin’ny saina na sarinady andraisantsika anjara izany. Ny fahavalo mahery indrindra no tsy maintsy ifanandrinantsika, aiy miankina amintsika ny famaritana ny hoe iza no handresy. – TFC, b. 7, t. 213.

Raha fantatiy ny olombelona ny isan’ireo anjely ratsy, raha fantany ny hafetseny sy ny asany, dia ho kely lavitra ny avonavona sy ny tsy firaihana. I Satana no mpanjakan’ny demonia. Manatanteraka ny baikony ireo anjely ratsy eo ambany fifehezany. Ireo no mampitombo isa ny tafiny (...). Izy no niavian’ny faharatsiana rehetra misy eto amin’izao tontolo izao. – SDABC, b. 6, t. 1119.

Rehefa hitan’i Satana fa mety ho votsotra eo an-tanany ny fanahy iray, dia manao ny ezaka rehetra izy hihazonana azy. Ary rehefa mahatsapa ho tandindomin-doza ilay olona, ka mitodika any amin’i Jesosy noho ny tahotra, ka mangataka hery Aminy amin-kafanam-po, dia matahotra i Satana andrao very babo iray, ka miantso fanampiana amin’ireo anjeliny izy mba hanangana manda fahamaizinana manodiaina izany fanahy mahantra izany, mba tsy hipaka aminy ny fahazavan’ny lanitra.

Fa raha maharitra kosa ilay olona ka mitoky amin’ny fahamendrehan’ny ran’i Kristy, na ao anatin’ny tsy fananan-kery aza, dia mihaino ny vavaka mafana atao amim-pinoana ny Mpamonjy antsika, ary haniraka anjely mahery mba hanafaka azy. Tsy zakan’i Satana rehefa miantso vonjy amin’Ilay Mpifanandrina aminy mahery isika, satria matahotra sy mangovitra eo anatrehan’ny heriny sy ny fiandrianany izy sy ny tafiny manontolo. (...) Mitakemotra i Satana sy ny anjeliny. (...) Mametra ny herin’i Satana Ilay Komandin’ny lanitra. – TFC, b. 1, tt. 345,346.

Misy anjelin’Andriamanitra mitoby manodidina ny fanahy tsirairay alaim-panahy, izay vonona hanandratra ny fanevan’ny fahamarinana raha toa ka manohitra ny ratsy fotsiny ilay alaim-panahy. – RH, 8 Aogôsitra 1907.

Andro-6Conférence AWR Lohahevitra: Ny fiverenan'i Jesosy fanindroany.🔥🔥Nofaranana tamin'ny repas convivial kely 😊🙏
02/09/2026

Andro-6
Conférence AWR
Lohahevitra: Ny fiverenan'i Jesosy fanindroany.🔥🔥

Nofaranana tamin'ny repas convivial kely 😊🙏


ARAHO NY BAIBOLYSALAMO 26:1-12 [avec commentaire]Fangatahana mba tsy hatao ho naman'ny ratsy fanahy1 Nataon'i Davida. Ts...
02/09/2026

ARAHO NY BAIBOLY

SALAMO 26:1-12 [avec commentaire]

Fangatahana mba tsy hatao ho naman'ny ratsy fanahy

1 Nataon'i Davida. Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin'ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho.
2 Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.
3 Fa ny famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko; ary mandeha amin'ny fahamarinanao aho.
4 Tsy mba miara-mipetraka amin'ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin'ny olom-petsy.
5 Halako ny fiangonan'ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy aho.
6 Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin'ny alitaranao, Jehovah ô,
7 Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.
8 Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan'ny voninahitrao.
9 Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin'ny mpanota, na ny aiko amin'ny mpandatsa-drà,
10 Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana.
11 Fa izaho kosa dia mandeha amin'ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho.
12 Ny tongotro mijoro eo amin'ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an'i Jehovah.

Commentaire :

Il y a quelque chose dans le fait de pénétrer dans une cathédrale qui semble me submerger. Il y a quelques années, lors d'une mission d'évangélisation à Cuba, notre équipe a eu l'occasion de visiter l'une des nombreuses cathédrales qui parsèment l'île. En entrant, j'ai pris conscience de ma propre petitesse en levant les yeux vers les hautes voûtes richement ornées d'icônes représentant des héros bibliques.

Notre groupe s'est rassemblé vers l'avant et a entonné un chant simple, « It Is Well » (Tout va bien), en espagnol. Les paroles emplissaient l'espace ; des passants s'arrêtaient pour regarder et écouter (je ne saurais dire si nous chantions bien ou mal ; probablement mal). Des harmonies et des paroles à la gloire de Dieu résonnaient dans le sanctuaire silencieux. Alors que les dernières notes s'éteignaient, j'ai senti la présence de Dieu tout près de nous.

Dans le Psaume 26, David le psalmiste décrit une expérience similaire. Il pénètre dans le sanctuaire en déclarant : « J'aime le séjour de ta maison, le lieu où ta gloire habite », et se sent totalement submergé par le sentiment de son indignité. Il s'apaise, accueille la présence de Dieu et laisse monter sa louange et son action de grâce. À cet instant, Dieu le réconforte et il déclare : « Rachète-moi et fais-moi grâce ! Mon pied est ferme sur un sol plat ; je bénirai l'Éternel dans les assemblées. » Lorsque vous êtes tenté de vous sentir indigne, recherchez la présence du Seigneur. Invoquez-le avec action de grâce et louange. Il sera avec vous.

Michael Gibson
Young Adult Pastor, Keene Seventh-day Adventist Church, Texas USA (as of this writing)

Address

Itaosy
102

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Eglise Adventiste AMAF Avaratsena Cité Itaosy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share