12/01/2022
Tantara tsara ho fantatra !
🇲🇬👉 FANTATRAO VE ireo FIANGONANA 4 Lehibe nametraka tantara teto Antananarivo?
Miisy 4 ireo fiangonana sy toerana manan-tantara izay nametraka lova ankehitriny. Azo lazaina fa toerana nandalovana sy namonoana kristiana ireo toerana ireo, ka namela maritiora maro tamin'ny vanin-andro nanjakan'i Ranavalona I. Maro tokoa no milaza fa ho fiarovana ny fomba sy fiandrianam-panjakana no antony nanoherany ireny, izay misy fahamarinany.
Isan'ireny AMBATONAKANGA, manaraka azy ireo andriana 4 izay nodorana velona teny FARAVOHITRA, misy koa ilay tovovavy kristiana RASALAMA nipetraka teny Manjakaray izay nolefonina velona teny AMBOHIPOTSY ny taona 1837 ary farany ireo kristiana maro izay navarina velona teny ambonin'AMPAMARiNANA ary nofatorana velona tao anaty tsihy sy notapenana bozaka ny vavany mba tsy afahany mihira sy mivavaka ny taona 1849.
Rehefa niamboho i Ranavalona I ka nandimby azy ny zanany Radama II dia ny zavatra voalohany nataony dia nanome famotsorana faobe hoan'ireo kristiana marobe izay voasazy noho ny finoany. Namoaka didy koa izy miaro ny fivavahana kristiana ary miaro koa ny fahalalahan'ny fivavahana rehetra. Nahazo sy afaka niditra sy nifampiraharaha tamin'ny fitondran'i Radama indray ireo vahiny. Noho izany rivo baovao nitsoka izany no nahatonga ny LMS( London Misionary Society) nazoto indray niverina tao Madagasikara ka nandefa ny solontenany dia ny Révérend W. Ellis. Mba ho fahatsiarovana ireo maritiora maty noho ny finoany dia nanapa kevitra ny LMS fa hanangana fiangonana trano vato ho fahatsiarovana ireny maritiora ireny. Nahazo alalana tamin'i Radama II ry zareo tamin'ny fanatanterahana izany marika fahatsiarovana izany. Maro ireo malala tanana tany ivelany izay nanampy ara bola tamin'izany hetsika izany. Isan'ny nanantena betsaka tany ivelany,
indrindra tany Angletera dia , i révérend Ellis izay nanentana kristiana maro ka nahazahoany fanampiana ara bola tamin'ny alalan'ny rakitra. Rehefa tonga nanatrika koa ny fanosoronana ho mpanjaka an'i Radama II ny jeneraly anglisy Johnston dia nanome vola koa 100 livres sterling ho fandraisany anjara tamin'izany asa fanorenana izany. Nisy koa fikambanana misionery anglisy iray izay koa, Misionary chronicle, izay nahavory 13000 livres sterling ka nalefany koa ho fanorenana izany asa izany.
Rehefa hanomboka ny fanorenana ny fiangonana trano vato ny LMS dia ny tao AMBATONAKANGA no nanombohany azy. Fiangonana TRANO VATO no safidin'ny LMS hanamarihana izany fahatsiarovana izany. Matoa noraisina ny vato dia nampitoviana amin'ny tenin'Andriamanitra izay maharitra mandrakizay. Ny olana anefa misy io lalana tsy afahana manorona trano amin'ny vato io. Kinanjo nahazo fahafahana vonjimaika( na dérogation provisoire) ry zareo ka ny praiministra Ravoninahitriniony no tonga nametraka ny vato fehizoro ny taona 19 janoary 1864.
Niroso soamatsara ny asa ka vita o***a tanteraka ny Fiangonana trano vato AMBATONAKANGA ny 22 janoary 1867. Architecte anglisy, atoa Sibree, no namolavola ny asa fanorenana azy.
Ny 17 jona 1868 dia namoaka didy ny mpanjaka Ranavalona II ho fanafoanana ilay lalana tao Imerina izay mandrara ny fanamboarana trano amin'ny vato sy ny biriky. Vao maika nanamora sy nanafaingana ny asa fanorenana ireo fiangonana sisa tavela izany. Ny 20 febroary 1869 natao batisa i Ranavalona II sy ny praiministra Rainilaiarivony. Lasa fivavahan-panjakana ny fivavahana protestanta anglikana. Nanampy tosike lehibe ny asa fitorian'i LMS izany safidy izany. Ny architecte anglisy atoa Sibree ihany no namolavola koa ny fanorenana ny
Fiangonana trano vato AMBOHIPOTSY. Nanomboka ny 17 septambra 1868 ny asa ka nifarana ny 17 novambra 1869. Nisy mpandrindra ny asa fanorenana ireo MEMORIAL CHURCHES ireo. Atoa Pool no anarany ary anglisy koa izy. Ireo Fiangonana trano vato AMPAMARINANA sy FARAVOHITRA kosa dia ny architecte anglisy Robin no namolavola azy. Vita o***a ny 2 septambra 1870 ny Fiangonana trano vato AMPAMARINANA ary ny 28 marsa 1878 kosa ny Fiangonana trano vato FARAVOHITRA.
Mazana ireny fiangonana ireny dia nasiana toerana fialana sasatra hoan'ireo izay tsy nitambo kasasarana na aina tamin'ny fanitarana izany fivavahana kristiana izany. Sahala amin'izany ny Fiangonana trano vato AMBATONAKANGA. Ao no ahitantsika ilevenan'ireto olona malaza ireto: James Cameron ( maty 3 oktobra 1875) izay nandray anjara tamin'ny fanamboarana ny rova Manjakamiadana, atoa James Hastie ilay mpanolotsainan'i Radama ( maty oktobra 1826), ny pastora Johnson sy ny vady aman-dranany(maty novonoin'ny Menalamba teny Arivonimamo ny 22 novambra 1895) ary mbola misy misionery 24 koa milevina miaraka amin-drizareo ao. R. TSIHALIGNO.
Malagasy ve ianao
🇲🇬Malagasy ve ianao 🙏 Manasa anao hizara rehefa avy novakianao