17/04/2022
Jesoa ❤️
nanomboana an'i Jesoa tamin'ny hazo fijaliana. # Ary tamin'izany dia nalain'i Pilato Jesoa ka nokapohiny. Ary ny miaramila nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiny lamba volomparasy Izy, dia nanatona Azy ireo ka niteny hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy! sady namely tahamaina* Azy izy.Dia nivoaka indray Pilato ka nanao taminy hoe: Indro, izaho mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza. Ary nivoaka Jesoa misatroka tsilo sy mitafy ny lamba volomparasy. Dia hoy Pilato tamin'ny vahoaka: Indro ny Lehilahy! Ary rehefa hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha Jesoa, dia niantso ireo ka nanao hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka homboy amin'ny hazo fijaliana; fa izaho tsy mahita izay helony. Fa ny Jiosy namaly azy hoe: Izahay manana lalàna, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak'Andriamanitra. Ary nony ren'i Pilato izany teny izany, dia vao mainka natahotra izy, dia niditra tao anati-rova* indray izy ka nanao tamin'i Jesoa hoe: Avy aiza moa Ianao? Fa tsy namaly azy akory Jesoa. Dia hoy Pilato taminy: Tsy miteny amiko va Ianao? tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin'ny hazo fijaliana koa? Jesoa namaly azy hoe: Ianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa. Ary hatramin'izany* dia nitady handefa Azy Pilato; nefa ny Jiosy niantso ka nanao hoe: Raha alefanao io Lehilahy io, dia tsy mba sakaizan'i Kaisara ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an'i Kaisara. Ary rehefa ren'i Pilato izany teny izany, dia nitondra an'i Jesoa nivoaka izy ka nipetraka teo amin'ny seza fitsarana teo amin'ny fitoerana atao hoe Lampivato.