FJKM Salema Vaovao taolagnaro

FJKM Salema Vaovao taolagnaro Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from FJKM Salema Vaovao taolagnaro, Christian church, Bazarikely, Fort-Dauphin.

Fiangonan'I Jesoa Kristy eto Madagasikara - Eglise de Jesus Christ à Madagascar- Church of Jesus Christ in Madagascar
"Mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo " 1Korintiana 15:58d

👋🏻FIADANANA e!🙂Nomen’Andriamanitra talenta ianao, nampitomboanao sa nalevinao?✝️MATIO 25:14-30 (21/08/26)_"Tsara izany, ...
21/08/2026

👋🏻FIADANANA e!🙂Nomen’Andriamanitra talenta ianao, nampitomboanao sa nalevinao?

✝️MATIO 25:14-30 (21/08/26)_"Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be."(And.21)

1️⃣ Fantaro fa manome izay sahaza anao Andriamanitra. Hoy Jesoa: « samy araka izay fahaizany avy ». Tsy mitovy ny fanomezana azon’ny olona tsirairay. Tsy tokony hampitaha tena amin’ny hafa ianao. Izay nomen’Andriamanitra anao dia ampy hanatanterahana izay niantsoany anao.

2️⃣ Nampiasain’ireo mpanompo roa voalohany ny talentany ka nitombo izany. Ny fahatokiana dia amin’ny fampiasana izay nomen’Andriamanitra ho tombontsoan’ny hafa. Ny talentanao dia tsy natao hampatoriana, natao hanangonana vokatra ho an’Andriamanitra.

3️⃣ Asa anio: fantaro ireo talenta (vola) sy fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra anao, aza ampitahaina amin’ny an’ny hafa fa ampiasao, ampitomboy.

4️⃣🙏🏻Jesoa ô, omeo fahendrena sy fahaiza-manao izahay mba hahay mitantana sy mampitombo ny talenta nomenao ho fampandrosoana ny Fanjakanao. Amen!

👋🏻FIADANANA e!🙂✝️JAONA 17:20-25 (20/08/26)_Vavaka nataon'i Jesoa_🙏🏻"mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato a...
20/08/2026

👋🏻FIADANANA e!🙂

✝️JAONA 17:20-25 (20/08/26)_Vavaka nataon'i Jesoa_🙏🏻"mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy."(And. 21)

1️⃣Nivavaka i Jesoa mba ho iray ny mpino. Tsy midika hoe hitovy hevitra amin’ny zavatra rehetra ny mpino, fa hifamatotra amin’ny finoana, fitiavana ary famelan-keloka. Aza avela ny fireharehana, lolompo na fifandirana handrava izay tian’i Kristy hampiraisina.

2️⃣Hoy Jesoa fa ny firaisan’ny mpino dia hahafantaran’izao tontolo izao fa Izy no nirahin’ny Ray. Noho izany, ny fifankatiavantsika dia ampahany amin’ny fijoroantsika ho vavolombelon’i Kristy.

3️⃣Asa anio: mivavaha ho an’ny Fiangonana. Jereo ilay olona iray tsy mifankahazo aminao, ary manaova dingana mankany amin’ny fihavanana. Mamelà heloka.

4️⃣🙏🏻Jesoa ô, ampianaro izahay hivavaha ho an’ny hafa tahaka Anao. Diovy ny fonay mba tsy hitahiry lolompo. Amen!

👋🏻FIADANANA e!🙂 TORITENY Alahady 16 Aogositra_Nomen’Andriamanitra talenta/vola ianao, inona no nataonao tamin’izany ?✝️ ...
16/08/2026

👋🏻FIADANANA e!🙂 TORITENY Alahady 16 Aogositra_Nomen’Andriamanitra talenta/vola ianao, inona no nataonao tamin’izany ?

✝️ MATIO 25:14-30_Fanoharana ny amin'ny talenta_"Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao."(and.21)

1️⃣Inona no nataonao tamin’izay nomen’Andriamanitra anao ?An’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Nomeny antsika ny vola, ny fotoana, ny fahafahana, ny talenta ary ny fanomezam-pahasoavana. Tsy tompony isika, fa mpitantana. Koa ampiasao ho an’Andriamanitra izay napetrany eo an-tananao.

2️⃣Mampitombo izay nomen’Andriamanitra anao ve ianao ? Tsy natao halevina ny talenta fa hampiasaina sy hampitomboina. Nomen’Andriamanitra andraikitra sy fahasoavana isika mba hamokatra sy hanatanteraka ny asa nanirahany antsika.
Ny fahatokiana amin’ny kely no manomana antsika ho amin’ny lehibe.

3️⃣Asa anio: makà fotoana ary soraty: Inona avy ireo zavatra 3 lehibe nomen’Andriamanitra ahy :Talenta ? Fotoana ? Harena ? Fahalalana ?Fifandraisana ? Fanomezam-pahasoavana ?
Avy eo anontanio ny tenanao: “Ahoana no hampiasako izany ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra ?”

4️⃣🙏🏻Jesoa ô, aoka izahay tsy hiandry hanana bebe kokoa vao hanompo. Ampianaro izahay ampitombo an’izay efa napetrakao eo an-tananay. Amen!

👋🏻FIADANANA e!🙂 Raha mijery ny teninao sy ny asanao Andriamanitra anio, inona no ho hitany ?✝️ OHABOLANA 12:17-28 (14/08...
14/08/2026

👋🏻FIADANANA e!🙂 Raha mijery ny teninao sy ny asanao Andriamanitra anio, inona no ho hitany ?

✝️ OHABOLANA 12:17-28 (14/08/26)

1️⃣ "Ny lelan'ny marina dia fanasitranana kosa" (and.18b). Ny mpino mahatoky dia miteny ny marina ary mampiasa ny vavany hanasitrana, fa tsy mandratra ny hafa. Ny teninao dia tokony hitondra fiadanana sy fahamarinana.

2️⃣"Ny tanan'ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina."(and.24). Ny fahatokiana dia tsy @ teny ihany : hita amin’ny fahazotoana, fahendrena ary fandraisana andraikitra.

3️⃣Asa anio, diniho ireto: Miteny ny marina ve aho ? Manasitrana sa mandratra ny teniko ? Mazoto sy mahatoky amin’ny andraikitra nomen’Andriamanitra ahy ve aho ?

4️⃣🙏🏻Jesoa ô, omeo hery izahay hanapaka hevitra ny hampiasa ny vavanay hanasitrana, ny tananay hiasa, ary ny fiainanay hanome voninahitra an’Andriamanitra. Amen!

👋🏻FIADANANA e!🙂 Tsy mahasolo ny fankatoavana an'Andriamanitra ny endrika ara-pivavahana tsara.✝️MATIO 21:23-32_"Ka iza m...
13/08/2026

👋🏻FIADANANA e!🙂 Tsy mahasolo ny fankatoavana an'Andriamanitra ny endrika ara-pivavahana tsara.

✝️MATIO 21:23-32_"Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesoa taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra."(and.31)

1️⃣ TANDREMO fa sao milaza hoe « eny » amin’Andriamanitra ny teninao, nefa miteny hoe « tsia » ny asanao. Tsy fihetseham-po fotsiny ny fibebahana marina fa mitondra fiovana ary mitarika ho amin’ny fankatoavana izany.

2️⃣ Vonona hiverina amin’Andriamanitra ve ianao na dia efa niteny hoe « tsia » aza ?
Mbola misokatra ho an’izay tena mibebaka ny varavarana. Tsy tokony hamaritra ny fankatoavanao anio ny lasanao.

3️⃣Asa anio: aza mijanona amin’ny fitenenana hoe « eny » amin’Andriamanitra. Fantaro ny zavatra iray mazava angatahin’Andriamanitra hovanao, dia ankatoavy Izy. Ary raha efa nanalavitra Azy ianao, dia miverena : ny fibebahana no manokatra lalana ho amin’ny fiainana vaovao.

4️⃣ 🙏🏻Jesoa ô, misaotra anao izahay mampianatra anay hoe: aleo“tsia” omaly ka niova ho “eny” androany, toy izay “eny” amin’ny vava nefa “tsia” amin’ny fiainana. Amen!

10/08/2026

👋🏻FIADANANA e!🙂

✝️ KOLOSIANA 3:22-25 (10/08/26)_"Ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona."(And.23)

1️⃣ Raha tsy misy olona mahita anao, mbola hanao izay tsara ve ianao?
Ny Kristianina dia manao asa tsara noho ny fahatahorany an'Andriamanitra fa tsy noho ny fahatahorany ny lehibeny, ny mpitandrina, ny ray aman-dreny na ny olona manan-kaja, satria fantany fa mahita ny zavatra rehetra ataony Andriamanitra.

2️⃣Miasa, mianatra, mikarakara ankohonana, na manompo ao am-piangonana ve ianao? Ataovy ho an'i Kristy izany.
Rehefa olona no antony hanaovana zavatra dia mora kivy rehefa tsy misy fankasitrahana. Fa rehefa Kristy kosa dia afaka manohy ianao satria Izy no mahita sy manome valisoa.

3️⃣Asa anio: jereo indray ny asa sy andraikitra rehetra eo am-pelatananao. Aza manontany fotsiny hoe: « Hankasitraka ahy ve ny olona? »
Fa anontanio hoe: « Ankasitrahan'i Kristy ve ny fomba anaovako azy? » Ataovy amin'ny fo. Ataovy amim-pahitsiana. Ataovy na misy mahita na tsia. Ataovy ho an'ny Tompo.

4️⃣🙏« Tompo Jesoa ô, ampianaro aho hanompo amim-pahitsiana sy amin'ny fo manontolo. Esory ato anatiko ny fitadiavana dera sy sitraka amin'ny olona. Ampahatsiahivo ahy isan'andro fa Ianao no tena Tompoiko, ary ny zavatra rehetra ataoko dia ataoko ho voninahitrao. Amena. »

👋🏻FIADANANA e!🙂FANOKANANA NY MPITANDRINA FANIRISON Miarintsoa François d'Assise mivady_09/08/26✝️ "...Fa Jehovah Tompo n...
09/08/2026

👋🏻FIADANANA e!🙂FANOKANANA NY MPITANDRINA FANIRISON Miarintsoa François d'Assise mivady_09/08/26
✝️ "...Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy."(Isaia 12:2b)
1️⃣Andriamanitra no heriko
Tsy maintsy miatrika ady ny mpanompon'Andriamanitra fa manana safidy kosa isika hifidy ny hery hiatrehina ny ady.
Andriamanitra no hery ho antsika mpino, ny herin'Andriamanitra ihany no famonjena ho antsika.
2️⃣ Andriamanitra no fiderako
Na inona na inona ny ady hatrehina, mahaiza misaotra an'Andriamanitra na tsy araka izay tianao aza ny miseho.
Fanala hidy ny vavaka ny fahaizana misaotra.
📖Mitoriteny: Ony Love Marcel Mpitandrina (Mpiandraikitra Foibe)

👋🏻FIADANANA e!🙂✝️1KORINTIANA 9:13-23 (06/08/26)1️⃣Ho an'i Paoly ny fitoriana ny Filazantsara dia  antso sy adidy masina ...
06/08/2026

👋🏻FIADANANA e!🙂
✝️1KORINTIANA 9:13-23 (06/08/26)

1️⃣Ho an'i Paoly ny fitoriana ny Filazantsara dia antso sy adidy masina avy amin'Andriamanitra. Na dia nanana zo ho tohanana ara materialy aza izy, dia vonona hahafoy izany mba tsy hisian'ny sakana amin'ny Filazantsara.
✝️"Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!"(and.16)

2️⃣ Nampifanaraka ny fomba firesahany tamin'ny olona i Paoly, nefa tsy nanova velively ny fahamarinan'ny Filazantsara. Mila fahendrena ny mpitory: mahalala ny olona iresahany, mahay mihaino, ary mitondra ny hafatr'i Kristy amin'ny fomba takatry ny olona, mba hahazoana olona maro ny famonjena.
✝️ Fa na dia afaka amin'ny olona rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon'ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa..."(and.19-22)

3️⃣ Asa anio: mivavaha mba homen'Andriamanitra fahazotoana, sy fitiavana ary fahendrena hitory ny Filazantsara. Raha manana fotoana na fananana hanohanana ny asan'Andriamanitra ianao, ataovy amim-pifaliana izany. Ary rehefa misy fotoana hijoroana ho vavolombelona, aza menatra ny anaran'i Jesoa.

3️⃣🙏🏻"Jesoa ô, ampio aho ho mahatoky amin'ny iraka nomenao. Omeo fahendrena aho hitory ny Filazantsara amin'ny fomba mahasoa, ka hasarika olona maro hahalala Anao. Amen!

👋🏻FIADANANA e!🙂✝️ 1 Samoela 2:35-36 (05/08/12)1️⃣ Hoy Andriamanitra: "Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, iza...
05/08/2026

👋🏻FIADANANA e!🙂
✝️ 1 Samoela 2:35-36 (05/08/12)

1️⃣ Hoy Andriamanitra: "Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko..."(and.35a)
Andriamanitra tsy miankina amin'olona iray na fianakaviana iray ihany amin'ny fanatanterahana ny asany. Rehefa misy tsy mahatoky dia manangana olona hafa Izy hanohy ny asa.

2️⃣Hoy Andriamanitra t@ Ely noho ny tsy fahatokiany sy ny filany tombontsoa manokana:
"Ary ho avy izay sisa rehetra amin'ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy m**o iray ka hanao hoe: Masïna ianao, mba tendreo ho isan'ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-m**o hohanina."(and.36)
Esorin'Andriamanitra amin'ny mpino tsy mahatoky ny tombontsoa, sy ny fitahiany.

3️⃣Asa anio: Meteza ho mpino mahatoky, sy mahay manetry tena eo anatrehan'Andriamanitra fa izany no mitondra fitahiana maharitra. FADIO, ny mandeha @ tsy fankatoavana toy ny nataon'i Ely fa mitondra @ fahantrana lalina ho anao sy ny taranakao.

4️⃣ Jesoa ô, tehirizo izahay mba ho mahatoky amin'ny fanompoana sy hankatoa ary hikatsaka mandrakariva ny sitraponao. Amen!

👋🏻FIADANANA e!🙂Kristiana manao ahoana ianao any amin' ny toerana misy anao ?✝️OHABOLANA 13:13-20 (04/08/26)_"Ny mahira-t...
04/08/2026

👋🏻FIADANANA e!🙂Kristiana manao ahoana ianao any amin' ny toerana misy anao ?

✝️OHABOLANA 13:13-20 (04/08/26)_"Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin'ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana."(and.16)

1️⃣NY MPINO MANAM-TSAINA: Miasa amin'ny fahendrena sy fahalalana.
Ny mpino mahatoky dia tsy manao asa maimaika sy kitoatoa. Miasa amin'ny fahalalana sy fahendrena izy. Fahalalana miainga amin'ny tahotra an'i Jehovah sy ny fanekena fa Izy no tompon'ny hery sy fahaizana.

2️⃣ NY TSY MANAM-PAHENDRENA KOSA mampiseho adalana.
Ny adala dia mihevitra fa ny asa hita maso ihany no manan-danja, ka raha vao tsy misy mpijery dia manao petatoko. Ny fanaovana petatoko amin' ny asa dia manambara tsy fahampian'ny fahamatorana ara-panahy.

3️⃣Asa anio: mahaiza, ary mamelà tantara tsara amin'ny asa rehetra ataonao ho voninahitr'Andriamanitra mandrakariva.

4️⃣🙏🏻Jesoa ô, mangataka Aminao fahendrena sy fitiavana hahatonga anay ho olona mahatoky izahay. Amen!

Address

Bazarikely
Fort-Dauphin
614

Telephone

+261340888483

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Salema Vaovao taolagnaro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share