Zanaky ny Fiangonana Loterana Malagasy

Zanaky ny Fiangonana Loterana Malagasy Fifandraisan'ny Zanaky ny Fiangonana Loterana Malagasy

🧱🚦 TSY NY LALANA REHETRA NO MITONDRA ANY AMIN’NY FIAINANA🤲📖 Ohabolana 14:12"Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy,Kanjo ...
18/03/2026

🧱🚦 TSY NY LALANA REHETRA NO MITONDRA ANY AMIN’NY FIAINANA🤲

📖 Ohabolana 14:12

"Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy,
Kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany."

📖 Hebreo 12:4

"Hianareo tsy mbola nanohitra niady tamin’ny ota hatramin’ny fahalatsahan-dra."

✍️ HAFATRA

Misy lalana ataon’ny olona ho mahitsy…
Ary matetika dia tsy lalana ratsy hita maso akory izy io:

💥mety mahafinaritra
💥mety eken’ny olona
💥mety hitondra fahombiazana eto an-tany

Fa hoy ny Soratra Masina:

💢 “…kanjo mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany.”

Midika izany fa tsy ny fijerin’olombelona no mamaritra ny fahamarinana.

Fa maninona no mitranga izany?
Satria matetika ny olona:

👉 tsy te hiala amin’ny zavatra tiany
👉 tsy te hanitsy ny lalany
👉 tsy te hiady amin’ny ota ao anatiny

Ka hoy ny Soratra Masina:

🔥 “Tsy mbola nanohitra niady tamin’ny ota…”

Izay no Tena marina:

tsy hoe tsy mahalala ny tsara ny olona…
fa tsy manaiky handà ny tenany.

💢 Ny lalana marina dia tsy mora.

Izy dia mitaky:

🧎‍♂️fandavana tena
🧎‍♀️fialana amin’ny ota
🧎fitondrana ny hazofijaliana

Satria tsy misy olona afaka manaraka an’i Kristy amin iny Lalana iny…
raha mbola mitazona ny lalany taloha ihany.

🔥 Ary izao no fanontaniana tsy azo ialana:

Tsy hoe iza no diso? no zava-dehibe…
fa iza no mahatsapa fa mila manitsy ny lalany izy?
Ny lalana diso dia tsy avy hatrany no hita fa diso.

Fa tsikelikely no itondrany mankany amin’ny fahaverezana.
Fa Andriamanitra kosa…
🙏 Miantso hiverina.

Na dia toa mahitsy aza ilay lalana nalehanao hatramin’izay,
raha tsy mitondra amin’ny tena fiainana izany,
dia fotoana hanitsiana azy izao ry namako mamaky io.

🙏 Raha vonona ianao handà ny tenanao
ary hiverina amin’ny lalana marina, DIA Aza miandry ny apitso ⛑️

💔 𝗡𝗬 𝗥𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗔𝗡𝗚𝗢𝗡𝗔𝗡𝗔 : 𝗥𝗘𝗛𝗘𝗙𝗔 𝗜𝗟𝗔𝗬 𝗧𝗢𝗞𝗢𝗡𝗬 𝗛𝗔𝗡𝗔𝗦𝗜𝗧𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗢 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗧𝗢𝗡𝗚𝗔 𝗥𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗟𝗔𝗟𝗜𝗡𝗔 𝗜𝗡𝗗𝗥𝗜𝗡𝗗𝗥𝗔Indraindray, ny rat...
10/03/2026

💔 𝗡𝗬 𝗥𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗔𝗡𝗚𝗢𝗡𝗔𝗡𝗔 : 𝗥𝗘𝗛𝗘𝗙𝗔 𝗜𝗟𝗔𝗬 𝗧𝗢𝗞𝗢𝗡𝗬 𝗛𝗔𝗡𝗔𝗦𝗜𝗧𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗢 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗧𝗢𝗡𝗚𝗔 𝗥𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗟𝗔𝗟𝗜𝗡𝗔 𝗜𝗡𝗗𝗥𝗜𝗡𝗗𝗥𝗔

Indraindray, ny ratra lalina indrindra dia tsy avy amin’izao tontolo izao… fa avy amin’ilay toerana izay tokony hanasitranana antsika. 💔

Ny Fiangonana dia tokony ho toerana fialofana.
Toerana ahitan’ny fo reraka fitsaharana.
Toerana ahitan’ny meloka famindram-po.
Toerana ahitan’ny fanahy torotoro fanantenana indray. 🕊️

Kanefa…

Misy olona miditra ao an-tranon’Andriamanitra miaraka amin’ny fo feno henatra sy fanaintainana… ary raha tokony hahatsapa ny hafanan’ny fahasoavana izy, dia mahatsapa kosa ny vesatry ny fitsarana. 😔

Ary izany dia mamela ratra tsy hita maso ao am-po.
Fa izao no marina adinontsika matetika :

𝗧𝘀𝘆 𝗻𝗶𝘀𝘆 𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗮𝘁𝗼𝗻𝗮 𝗮𝗻’𝗶 𝗞𝗿𝗶𝘀𝘁𝘆 𝗲𝗳𝗮 𝗹𝗮𝘃𝗼𝗿𝗮𝗿𝘆.

Tsy niditra tao amin’ny fanjakan’Andriamanitra efa madio sy tsy misy tsiny isika.
Tonga isika niaraka tamin’ny fahotantsika.
Niara-tonga tamin’ny ratra sy ny fahoriana.
Ary niaraka tamin’ny fo mila fanasitranana mafy. ❤️‍🩹

Mampahatsiahy antsika mazava izany ny Baiboly :

📖 1 Korintiana 6:11
“Dia izany no naha-izy anareo sasany taloha. Nefa efa voasasa ianareo, efa nohamasinina, efa nohamarinina tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika.”

Mariho tsara ireo teny mahery ireo :

“Izany no naha-izy anareo taloha.”

Ny mpino rehetra dia manana LASA.
Ny olo-masina rehetra dia manana tantara.
Ny olona rehetra voavonjy dia manana fiainana taloha izay ny fahasoavan’Andriamanitra irery ihany no afaka nanova azy. ✨
Ny maha samy hafa antsika sy ireo olona miditra ao am-piangonana ankehitriny dia tsy hoe tsara kokoa isika…

𝗙𝗮 𝗝𝗲𝘀𝗼𝘀𝘆 𝗻𝗼 𝗻𝗮𝗻𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗻𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮.

Koa rehefa misy olona miditra ao am-piangonana ka tsy mitovy amin’ilay “endrika ara-pivavahana”…

Angamba manana tatouage izy.
Angamba mikorontana ny fiainany.
Angamba hita miharihary amin’ny tantarany ny lasa.

Fa tsy olana izany.

Fa ireo indrindra no antony nahatongavan’i Jesosy.

📖 Marka 2:17
“Tsy ny salama no mila mpitsabo, fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny marina aho fa ny mpanota.”

🎯 𝗡𝘆 𝗙𝗶𝗮𝗻𝗴𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼𝗺𝗯𝗮𝗸𝗼𝗸𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗹𝗮𝘃𝗼𝗿𝗮𝗿𝘆.
𝗙𝗮 𝗵𝗼𝗽𝗶𝘁𝗮𝗹𝘆 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗵𝘆 𝗺𝗮𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮. 🏥

Kanefa indraindray, tsy tsapantsika akory, dia manomboka mitsara ny olona amin’ny endriny ivelany isika.
Fa efa nampitandrina antsika Andriamanitra :

📖 1 Samoela 16:7
“Fa ny olona mijery ny miseho ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.”

Rehefa mitsara olona amin’ny endriny ivelany isika… dia mety hanao ilay zavatra efa nolazain’Andriamanitra mba tsy hataontsika.

Hoy koa ny Baiboly :

📖 Jakoba 2:1-4
𝗔𝘇𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮𝘃𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮…
satria ny fitsarana araka ny endrika ivelany dia mahatonga ny fo ho mpitsara feno eritreritra ratsy.

Jereo ny fiainan’i Jesosy…

Nandray ireo nolavin’ny fivavahana Izy.
Niara-nisakafo tamin’ireo mpamory hetra.
Niaro ilay vehivavy voampanga ho mpijangajanga.
Ary nikasika ireo boka izay natahoran’ny olona rehetra. 🤲

Raha mbola nitsikera lavitra ny olona sasany…

Jesosy kosa nanakaiky ny fo torotoro.
Ary izao no didy navelany ho antsika :

📖 Jaona 13:35
“Izao no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo : raha mifankatia.”

Ny fitiavana no porofon’ny finoana marina.

🎯 𝗡𝘆 𝗙𝗶𝗮𝗻𝗴𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗱𝗶𝗮 𝘁𝗼𝗸𝗼𝗻𝘆 𝗵𝗼 𝘁𝗼𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘇𝗼 𝗮𝗻𝘁𝗼𝗸𝗮 𝗶𝗻𝗱𝗿𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗼𝘁𝗮 𝗺𝗶𝘁𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗻’𝗔𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗺𝗮𝗻𝗶𝘁𝗿𝗮.

Rehefa misy olona miditra amin’ny varavarana…

Tokony hihaona amin’ireto izy :

• Fahasoavana alohan’ny fitsarana
• Fangorahana alohan’ny tsikera
• Fitiavana alohan’ny fanitsiana ❤️

Satria tsotra ny marina :

Ilay fahasoavana namonjy antsika ihany no hamonjy ny hafa.

📖 Romana 15:7
“Koa mifandraisa tsara ianareo, tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo.”
Nandray antsika Jesosy na dia torotoro aza isika.
Nandray antsika na dia mpanota aza isika.
Nandray antsika na dia mikorontana aza ny fiainantsika.

𝗞𝗼𝗮 𝗮𝗼𝗸𝗮 𝗶𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗵𝗶𝘁𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗯𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗵𝗼 𝗹𝗮𝘀𝗮 𝘀𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗮𝘆 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗶𝗿𝘆 𝗵𝗮𝗻𝗮𝘁𝗼𝗻𝗮 𝗮𝗻’𝗶 𝗝𝗲𝘀𝗼𝘀𝘆.🚪

Sokafy amin’ny fitiavana ny varavarana.
Amin’ny faharetana.
Ary amin’ny famindram-po.

Satria ilay olona izay miditra ao am-piangonana anio toa very indrindra…

dia mety ho ilay olona izay hampiasain’Andriamanitra rahampitso hanova fiainan’olona an’arivony.

Ary ny tranon’Andriamanitra dia tokony ho toerana izay hanombohan’ny fiovana hatrany. ✨
✨ Fampahatsiahivana 3 mahery ho an’ny fontsika

❤️ Tsarovy foana izay toerana nakan’Andriamanitra anao.

🤲 Ento amin’ny olona rehetra ilay fahasoavana izay nomen’Andriamanitra anao.

🕊️ Aoka ianao ho varavarana misokatra mankany amin’i Jesosy, fa tsy ho sakana.

04/03/2026

✨"Si je cherchais encore à plaire aux hommes, je ne serais pas serviteur de CHRIST."✨ ➖ Galates 1️⃣ : 1️⃣0️⃣

📌 "Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i KRISTY". — Galatiana 1 : 10

02/02/2026

✨"Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin'ny rariny : Handao azy amin'ny an-tenatenan'andro izany, ka ho adala no farany"✨

Jeremia 1️⃣7️⃣ : 1️⃣1️⃣

Raha manjombona ny andronao anio,mandalo fotsiny io.Ao fa kely sisa, mbola ao Jesosy!Izy no vatolampinao, Izy no herinao...
31/12/2025

Raha manjombona ny andronao anio,
mandalo fotsiny io.

Ao fa kely sisa, mbola ao Jesosy!
Izy no vatolampinao, Izy no herinao.

Aza kivy, aza miala amin’ny finoana, fa Andriamanitra tsy manary.

Ny ranomaso latsaka anio, ho fifaliana rahampitso.

Matokia, miankina Aminy,
fa ny fitiavany tsy miala aminao mihitsy!

Andriamanitra ô,Misaotra Anao noho ity herinandro vaovao ity. Na dia eo aza ny fahasahiranana, dia mino izahay fa mbola ...
29/12/2025

Andriamanitra ô,
Misaotra Anao noho ity herinandro vaovao ity.

Na dia eo aza ny fahasahiranana, dia mino izahay fa mbola eo Aminao ny vahaolana.

Mba omeo hery sy fahendrena ireo izay anatin’ny fitadiavana asa sy anatin’ny fiatrehana ny adidy ara-bola.

Omeo fahazavana hahita lalana hivoahana amin’ny sarotra, ary ampio hahita fahafahana sy fiadanam-po.

Misaotra Anao izahay fa tsy avelanao ho irery, fa hanome fanantenana sy fitahiana.

Amindrao fo izahay, omeo fahatokiana Anao, ary tariho amin’ny lalana mahitsy.

Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy.
Amen.
Aza kivy fa mbola misy fiovana sy vahaolana, ary miaraka aminao Andriamanitra!
😊🙏💖
---

🙏𝐕𝐀𝐕𝐀𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐑𝐀𝐈𝐍𝐀🙏Andriamanitra ô, misaotra Anao izahay fa nahazo nahita izao maraina izao izay andro natokanao ho fitsaha...
28/12/2025

🙏𝐕𝐀𝐕𝐀𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐑𝐀𝐈𝐍𝐀🙏

Andriamanitra ô, misaotra Anao izahay fa nahazo nahita izao maraina izao izay andro natokanao ho fitsaharana sy fiderana Anao. Mankasitraka ny aina sy ny fahasalamana ary tamin'ny fiarovana sy ny fitahiana nomenao anay isan’andro.

Diovy ny fonay sy ny sainay ary esory aminay izay ahiahy sy fahoriana. Fenoy fiadanana sy fifaliana avy Aminao izahay. Tariho izahay amin’ny Teninao ary ampianaro hanaraka ny sitraponao amin’ny asa sy ny teny rehetra ataonay.

Atolotray Anao ny andro manontolo. Tantano sy hazavao amin'ny Fanahinao Masina izahay ary fenoy fitiavana, faharetana ary fahamarinana ny fiainanay. Amen

Ireo vokan-tsoa 09 azo avy amin'ny Vavaka 🙏1) Ny vavaka dia miaro antsika2) Ny vavaka manova zavatra3)Ny vavaka dia mita...
13/12/2025

Ireo vokan-tsoa 09 azo avy amin'ny Vavaka 🙏
1) Ny vavaka dia miaro antsika
2) Ny vavaka manova zavatra
3)Ny vavaka dia mitarika antsika ho amin'ny sitrapon'Andriamanitra
4) Ny vavaka dia mahatonga antsika hanakaiky an'Andriamanitra bebe kokoa.
5) Ny vavaka dia manome fifaliana ho antsika
6) Ny vavaka no hanana-tsika fanantenana
7) Ny vavaka no mahatonga antsika tsy ho tia tena loatra
8) Ny vavaka dia manasitrana antsika amin'ireo ratra mahazo
9) Ny vavaka no mahatonga antsika miha-matanjaka hatrany

Noho izany mampahery anao hatrany aho ho tia vavaka sy hazoto ivavaka 🙏🙏

Raha vao mbola ny ahatanteraka ny filànao sy ny fanirianao na ny hivahan'ny olanao no antony anarahanao ny Tompo dia mbo...
12/12/2025

Raha vao mbola ny ahatanteraka ny filànao sy ny fanirianao na ny hivahan'ny olanao no antony anarahanao ny Tompo dia mbola tsy tena azo antsoina hoe Mpianany ianao. ‼️🙏

Ny tena mpianatra sy mpanara-dia Azy dia ireo izay tena vonona sy manolo-tena ho Azy, tsy teren'ny filàna sy tombon-tsoa fa tena fitiavana 🤍✨. Raha vao mbola misy hoe hivavaka aho MBA… dia hevero kely aloha sao efa tsy ilay tena fanompoana intsony no ao anatinao fa fitadiavana tombon-tsoa amin'ny alalan'ny fivavahana fotsiny. Lasa atao filan-tsy mahita sy vonjy tavan'andro Andriamanitra .

Be dia be ny diso fangataka, ary ny ankamaroan'ny olona dia tsy mahay mangataka afa-tsy ny zavatry ny nofo. Adinony fa ny zava-panahy no lehibe indrindra sy maharitra mandrakizay ✨🙌. Raha vao mbola ny nofo no mibaiko anao hanantona an'Andriamanitra dia tsy tena ao anatinao ilay fanompoana. Hevero foana alohan'ny hangataka zavatra Aminy 🙏. Sao dia noho ny olana sy ny fahaterena eo amin'ny ara-nofo fotsiny no antony anakaikezanao an'Andriamanitra.

Ianareo ve tsy mahatsikaritra hoe ny olona iray matoa mandalo olana be ka nivaha ny olany dia olona nahay namotsotra? Namela tanteraka an'ilay hita maso sy ilay olana fa nitodika tamin'Andriamanitra aloha 🤲✨. Nanova ny toe-po sy ny tao anaty rehetra, hatramin'ny fomba fijery aloha ️❤️, dia avy eo nanaraka ho azy ny ambiny. Tadidio fa Andriamanitra tsy mijery ivelany fa ny fo no jereny ❤️👑. Hitany ny fonao, hitany foana ny intention-anao ao anaty vavaka 🙏✨.

Ary ny olana lalovanao tsy voatery ho vahainy fa ny toe-ponao miatrika Azy no amboariny 🤍🔥. Aza maika hanala olana eo aminao fa ataovy occasion hanakaikezana an'Andriamanitra iny olana iny ✝️✨. Tsy noho ny fahaporetana anefa, hoe: hanantona aho mba hivaha ny olako… fa tena noho ny fitiavanao an'Andriamanitra 💛.

Ny tena tia dia tsy mijery tombon-tsoa manokana ho an'ny tenany fa mitsinjo ny fifandraisany amin'ilay tiany 🤍✨.

💛 Na antitra aza ny mpivady… mifankatia hatrany Ny tena fitiavana dia tsy mifarana amin’ny fahatanorana,fa mitombo hatra...
10/12/2025

💛 Na antitra aza ny mpivady… mifankatia hatrany

Ny tena fitiavana dia tsy mifarana amin’ny fahatanorana,
fa mitombo hatrany rehefa miaraka miaina ny taona.

Ny volo mety ho fotsy,
fa ny fitiavana tsy miova mandrakizay

Ny vatana mety hiova,
fa ny fo tsy tokony hiala amin’ilay safidy natao fahiny : hifankatia mandrakariva.

Mpivady antitra sambatra =
Fitiavana voakarakara + fifamelana + faharetana + fankasitrahana isan’andro.

Jesosy no làlana hahazoanao ireo.
Aoka Jesosy ho ivon'ny tokantrano mandrakariva

Tahian'Andriamanitra mitafotafo tompoko 🙏

Reraka loatra Ray ô !🔶mila Anao hanafy hery ahy indray 🔶mila Anao hanangana ahy 🔶mila Anao hanasitrana izay mavesatra ah...
10/12/2025

Reraka loatra Ray ô !

🔶mila Anao hanafy hery ahy indray
🔶mila Anao hanangana ahy
🔶mila Anao hanasitrana izay mavesatra ahy androany...
🔶 Mila anao ho fialofako Ray ô!

ketraka ny saiko ary rakotra vesatra ny foko, koa aza ela Andriamanitra ô !... mila Anao ity zanakao 🙏

🥹Hitan’Andriamanitra io alahelonao io🥹Hitan’Andriamanitra io ranomasonao io🥹Hitany avokoa ireo olana mianjady aminao ire...
08/12/2025

🥹Hitan’Andriamanitra io alahelonao io
🥹Hitan’Andriamanitra io ranomasonao io
🥹Hitany avokoa ireo olana mianjady aminao ireo
🥹Ary malahelo koa izy satria izay maharary anao dia maharary Aminy koa

Fa tsarovy anefa, tsy ho mandrakizay ianao no hiaina fijaliana s'y fahoriana Fa fotoana mandalo ihany 🙏

Address

Antarandolo Fianarantsoa
Fianarantsoa

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Zanaky ny Fiangonana Loterana Malagasy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share