FMFOI Fianarantsoa

FMFOI Fianarantsoa Fiangonan' i Jehovah Tompon'ny Sabata andro faha-7 Eto Fianarantsoa

Zanaka sisa, mitandrina ny didin' Andriamanitra sy mino an' i Jesosy Kristy

25/05/2026

🎉 25 MAY 1996 – 25 MAY 2026 🎉
FENO 30 TAONA ANDROANY NY NAHAVITAN'NY BATISAN’NY RANO 💧 NY MPAMINANY (NENY)

Andro manan-danja sy feno fahasoavana eto amin’ny Fiangonana FMFOI izao, satria mankalaza ny faha-30 taonan’ny nahavitan'ny Batisany ny — ilay dingana lehibe nanehoany fanoloran-tena sy fanekena hanaraka an'i Jesosy Kristy.

📖 « Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra ka ataovy batisa izy… » — Matio 28:19

30 taona lasa izay, nisy fanapahan-kevitra masina noraisina…
Fanapahan-kevitra tsy nitondra fitahiana ho an’ny tenany ihany, fa lasa loharanon’ny fahasoavana sy fitarihana ho an’ny Fiangonana sy ny maro koa. 🔥

Hatramin’izay dia hita taratra teo amin’ny fiainany ny asa sy ny herin’Andriamanitra :
• Fitiavana ny Fiangonana
• Fanetren-tena sy fanompoana
• Fananarana amin’ny fahamarinana
• Ary indrindra ny fanomezam-pahasoavan’ny FAMINANIANA izay nampandroso ny asan’ny Tompo sy ny Fiangonana manontolo.

Betsaka ireo nampaherezina…
Betsaka ireo niverina tamin’ny làlan’Andriamanitra…
Ary maro ireo nahatsapa ny fitiavan’i Kristy tamin’ny alalan’ny fanompoany.

🎙️ MPAMINANY (NENY), misaotra anao nanaiky ny antson’ny Tompo sy nijoro tao anatin’ny finoana nandritra izay 30 taona izay. Hitombo hatrany anie ny fahasoavana sy ny hery omen'i JEHOVAH anao. 🙏

❤️ Raha manana teny firariantsoa ho an’INENY ianao dia aza misalasala manoratra izany eto amin’ny commentaire 👇










24/05/2026

✨ASA FITORIANA FILAZANTSARA ANKALAMANJANA ETO FIANARANTSOA 🎉🎬

"Ary izay hendry dia hamirampiratra toy ny famirampiratry ny lanitra ;ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria "
DANIELA 12 :3

TV7FOI Madagascar
FMFOI Apostolic
Radio FMFOI 107.4MHz
FMFOI Fianarantsoa

24/05/2026
22/05/2026
21/05/2026

Tratry ny Pentekosta aby o!

ÂŤ Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina. Âť (2 Korintiana 13:14)

Mirary anao sy ny ankohonanao hanao Pentekosta sambatra.

Soava tsarĂ 

©️ 2026

21/05/2026

Ny zava-misy rehetra aza heverina ho ratsy fona, fa tsy maintsy -tsarotra tsy azonao an-tsaina no hisehoan'ny fahagagana

19/05/2026

✨TOROLALANA LAPA EDENA-FIANARANTSOA

☎️FM FOI FIANARANTSOA :0349604368/0344177962
FMFOI Fianarantsoa

19/05/2026
🎊🎤Mitohy hatrany ny Fitoriana Filazantsara Ankalamanjana niarahana tamin'ny fiangonana FMFOI Fianarantsoa sy ireo ekipa ...
18/05/2026

🎊🎤Mitohy hatrany ny Fitoriana Filazantsara Ankalamanjana niarahana tamin'ny fiangonana FMFOI Fianarantsoa sy ireo ekipa mpitoriteny ny alahady 17 Mai 2026 lasa teo.🗾🛣️
🇲🇬Notanterahana tao Ankofafa Fianarantsoa

🎙️📕I Korintiana 2 : 4 - 5 : "Ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin'ny teny fahendrena mahataona, fa tamin'ny fanehoan'ny Fanahy sy ny hery, mba tsy niorenan'ny finoanareo amin'ny fahendren'ny olona, fa amin'ny herin'Andriamanitra ihany"🙏🔥
Contact :0349604368/0344177962

TV7FOI Madagascar
FMFOI Apostolic
Radio FMFOI 107.4MHz



18/05/2026

✨ VOALOHAM-BOLANA FANASITRANANA HO AN’NY FIRENENA REHETRA ✨
📅 Alatsinainy 18 May 2026 — RAHAMPITSO

🔥 “EFA NATAO HO MPANDRESY ISIKA…” 🔥

📖 « Ary eny amoron'ny ony, eny an-daniny roa, no anirian'ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny. » — Ezekiela 47:12

Misy olona maro ankehitriny mitondra ratra mangina …
Misy miady amin’ny aretina, misy vesaran’ny olana tsy mety voavaha, misy kivy, misy very fanantenana.
Indraindray aza dia mitsiky ety ivelany, nefa ao anatiny reraka sy torovana tanteraka.

Tiako ny hampahery anao fa velona Andriamanitra, tsy hamela anao hiady irery IZY.
Ary afaka mamoaka rano mahavelona avy ao amin’ny fitoerany masina IZY ho anao raha mety ianao!

⚜️ Izao VOALOHAM-BOLANA izao dia fotoana iray afaka hanatonantsika an’Andriamanitra amin’ny finoana sy fanetren-tena.
Fotoana afaka hanapahan'Andriamanitra geja sy fatorana, fotoana handraisana fanasitranana sy fiainam-baovao ho anao, raha manantona Azy isika.

TSY KISENDRASENDRA IZAO FIANTSOANA ANAO IZAO.
Mety ity no fotoana hanovàn’Andriamanitra ny fiainanao
Mety ity no hamalian'Andriamanitra vavaka izay efa nandrasanao ela.

🔰 Mila fanasitranana ve ianao?
🔰 Tsapanao fa misy zavatra mamatotra ny fiainanao ve?
🔰 Te-hanomboka fiainam-baovao miaraka amin’Andriamanitra ve ianao?
🔰 Te-hahita ny herin’ny Tompo miasa amin’izay momba ny fiainanao ve ianao?

💡 Tsy voafetra ny hery sy ny fahalalan’Andriamanitra.
Izay tsy hain’olombelona atao rehetra dia hainy tanterahina RAHA MINO IANAO!

MANASA ANAO MANOKANA IZAHAY hiaraka aminay hankalaza an’Andriamanitra Mpahary ao anatin'izao didiny izao, eny amin’ireo ivon-toeran’ny FMFOI manerantany izay misokatra.

Ento ny namanao, ny fianakavianao ary ireo olona tianao hovonjen'Andriamanitra sy ho sitraniny.
Satria ny Voaloham-bolan’i Jehovah dia fitahiana ho anao sy ny ankohonanao ary ho an'ny taranakao.

🔥 Aza avela handalo fotsiny izao fotoana izao.
✅ Rahampitso VOALOHAM-BOLANA no fiandohan’ny fahagagana eo amin’ny fiainanao!

Š 2026

Address

Anosy
Fianarantsoa
301

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FMFOI Fianarantsoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share