Loterana Mizara ny Teny

Loterana Mizara ny Teny Ezaka Fizarana Toriteny Loterana...

30/11/2024

HARARAOTY:
Misy fihenambidy 30% ny app Masina (Baiboly, Fihirana, Alimanaka, Diary, Fampianarana, Toriteny, feonkira FFPM, ...) amin’ity volana Desambra ity.

08/09/2024

Tranga iray tao amin’ny Toby Betela, Toliara.
Nandritra ny fampandraisana ny Fanasan’ny Tompo dia toy izao no zavatra hitan’ity olona tezaina iray.
Pastora roa no hitany mampandray raha toa ka iray no hitan’ny rehetra. Ny nahagaga azy anefa dia izao, mizara ao aorian’ilay Pastora iray ilay Pastora faharoa, kanefa misy dinganiny ireo nomen’ilay voalohany fa tsy omeny avokoa. Ny fahagagany no nahatonga azy hitantara amin’ilay Mpiandry mitaiza azy.

I Jesosy anaka no hitanao mizara ny tenany sy ny rany ao aorian’ilay Pastora mizara ny m**o sy ny divay. Tsy izay rehetra mandray m**o sy divay tsy akory dia mandray ny tena aman-dran’i Jesosy avokoa, afa-tsy izay mino sy mibebaka tokoa ihany.

Betsaka hoy Jesosy no efa namoaka devoly tamin’ny anarany, sy nampianatra sy nitory ny teniny, izany hoe olona samy efa natao batisa avokoa, kanefa holaviny amin’ny fitsarana. Izy ireo dia Mpiandry sy Pastora ary Kristiana tena manao asa fanompoana, ary ataon’i Jesosy fitaovana anehoana ny voninahiny kanefa tsy Azy akory, satria rano fotsiny no nanaovana batisa azy fa tsy nateraky ny Fanahy.

Ny voa no ahafantarana ny hazo hoy Jesosy, koa diniho ny tenanao raha mitoetra ao amin’ny finoana tokoa ianao na tsia. Fa tsy misy fizahantoetra-toetra amin’Andriamanitra, fa tsy misy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay rehetra mifikitra amin’ny halatra, fijangajangana, fitiavam-bola (kolikoly), tsy finoana, lainga, sns NA IZA IZY NA IZA.

01/07/2024

Mba akimpio kely ny maso (sady mamaky ihany 🙂 fa maka sary antsaina kosa hoe) :
Indro Jesosy nitondra ny mpianany 40km any avaratr’i Galilia, ho any Kaisaria Filipo, tanàna iray any amin’ny zorony avaratra atsinanana indrindra any Palestina, eo am-pototr’i Hermona, ilay tendrombohitra avo indrindra any.
Misy ranomandry (neige) mandavataona ny tendron’ity vohitra ity, izay misy tendrony telo mitovy haavo, ka ireo no mitsika sy mamatsy ireo loharano 72, izay mitambatambatra ka mamelona ny Ony Jordana, izay hany Ony tokana manondraka an’i Palestina manontolo.
Tsy hita noanoa io loharano io noho ny halaliny ka nomena ny anarana hoe: vavahadin’ny fiainantsihita, satria noheverina fa lalana mifandray amin’ny tontolon’ny maty sy ny fanahy. Ninoan’izy ireo rahateo koa fa teo amin’io tendrombohitra Hermona io no nidinan’ireo Anjely (Devoly) 200 isa izay nanohitra an’Andriamanitra, ka teo no nanaovany fifanekena fa hanambady ny zanak’olombelona izy ireo, ary niteraka ireo Nefilima (Olona goavambe) ka nahatonga ny safodrano teto ambonin’ny tany. Hany ka nisy tempolin-tsampy fivavahana sy fiozonana betsaka io tendrombohitra io.
Eny, tamin’ny andron’ny Tompo dia ilay sampy nantsoina hoe Pan (fototeny niavian’ny hoe panique, sy nahazoana ny anaran’ilay tanana ankehitriny hoe Banias) no sampy lehibe indrindra nivavahan’ny jentilisa teo, ka sary osy ny lohany sy ny tongony roa fa lehilahy kosa ny Vatan-tenany. Nivavahana ho sampin’ny famokarana sy ny fiandrasana ondry aman’osy izy io.

Eo anatrehan’izany Jesosy no manontany hoe: Ataonareo ho iza Aho?
Haoriko eo amin’izany fanekem-pinoana Ahy ho Kristy Mpamonjy sy Mpanjaka izany hoy Izy ny fiangonako, ka amin’izay itoriana izany no hisy mino ka hatao Batisa sy ho lasa fiangonana, ka tsy ho resin’ny fahafatesana sy ny tahotra ary ny asan’ny demonia rehetra. Fa Izy tenany no hiandry sy handinindinika ny ondriny.

Andro vitsy aorian’io moa dia niakatra ilay tendrombohitra Jesosy ka nampiharihary ny voninahiny tamin’ny niovany tarehy.

Inona koa no hitanao lazain’izany sary nitondran’ny Tompo ny mpianatra izany?

28/06/2024

Ny hoe “an’ny toa ny [zaza] ny fanjakan’ny lanitra” dia tsy midika fa miditra automatique ny zazakely, fa midika kosa hoe: ny zaza no manana toetra azo amboarina handova ny fanjakan’Andriakanitra.
Raiso tahaka ny fotaka mbola lena azo volavolaina amin’izay itiavana azy ny zaza, fa ny olondehibe kosa efa fotaka maina, ka tsy maintsy lemana sy alona tsara ho vontondrano, tahaka ny zaza, izay vao azon’i Jesosy amboarina ho tahaka Azy.
Fa izay efa tahaka an’i Jesosy kosa no afaka handova izany Fiainana izany.

11/05/2024

Mba jereo kely moa ny teny miaraka amin'ilay hoe andao hiangona fa tena mampatahotra be e!
Hebreo 10
25 aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.
26 Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,
27 fa fiandrasana mahatahotra amin'ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.
28 Izay manohitra ny lalàn'i Mosesy dia maty amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindram-po;
29 manao ahoana kosa ary no hamafin'ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin'izay nanitsaka ny Zanak'Andriamanitra ka nanao ny ran'ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana?
30 Fa fantatsika Izay nanao hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly; " ary koa: "Jehovah hitsara ny olony" (Deo. 32:35-36).
31 Zavatra mahatahotra ny ho azon'ny tànan'Andriamanitra velona.

01/05/2024

Nomena ny Fanahy Masina hampiaiky ny fahotana satria zara raha fahotana 2 amin'ny 100 no fantatry ny olona fa ataony.

01/05/2024

Raha tonga izao Jesosy, betsaka kokoa amin'izay mamaky ity no ho very na dia olona mihevitra fa ho voavonjy aza? Mibebaha marina.

31/03/2024

Velona Jesosy:
koa andao ho velona koa ao aminy amin'ny fiainana mandresy ny ota sy ny nofo ary ny devoly.

Address

Fianarantsoa

Telephone

+261388965567

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Loterana Mizara ny Teny posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Loterana Mizara ny Teny:

Share