Tily Faritany Matsiatra Ambony

Tily Faritany Matsiatra Ambony Scout of Faritany Tily Matsiatra Ambony (Madagascar)

Tontosa soamantsara omaly Alahady 14 Jiona 2026 ny fanokanana ny Fivondronana faha-56, FLM Mahazoarivo Camp Robin. β›ͺVoni...
15/06/2026

Tontosa soamantsara omaly Alahady 14 Jiona 2026 ny fanokanana ny Fivondronana faha-56, FLM Mahazoarivo Camp Robin. β›ͺ

Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany! πŸ™

11/06/2026

'Ndao indray hanaraka ity horonantsary nataon'ireo lovitao ao amin'ny Fivondronana faha-07, FJKM Ikianjasoa Rasalama ity e! πŸ€—

Misy tantarany koa ange io farihin' Anosy io e! Efa henon'ise ve?

Henoy ange e!😍

π…π€π‘πˆπ“π‘π€ π€πŒππŽπ‡πˆπŒπ€π‡π€π’πŽπ€ || π…πšπ§π¨π€πšπ§πšπ§πš π…π’π―π¨π§ππ«π¨π§πšπ§πš 🎯Andao indray ary hiara-hirΓ²na hanotrona ny Faritra Ambohimahasoa amin'...
10/06/2026

π…π€π‘πˆπ“π‘π€ π€πŒππŽπ‡πˆπŒπ€π‡π€π’πŽπ€ || π…πšπ§π¨π€πšπ§πšπ§πš π…π’π―π¨π§ππ«π¨π§πšπ§πš 🎯

Andao indray ary hiara-hirΓ²na hanotrona ny Faritra Ambohimahasoa amin'ny fanokanana ny π…π’π―π¨π§ππ«π¨π§πšπ§πš 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…π‹πŒ 𝐌𝐚𝐑𝐚𝐳𝐨𝐚𝐫𝐒𝐯𝐨 π‚πšπ¦π© 𝐑𝐨𝐛𝐒𝐧, ny Alahady 14 Jiona 2026 ho avy izao. β›ͺ

πŸ“… Rahampitso Alakamisy no fara-fandraisana ny isa any amin'i Filoha Mamitiana (Filohan'ny Faritra Ambohimahasoa).

βœ… Sabotsy maraina amin'ny 10 ora kosa ny fiaingana. Miomana amin'ny saran-dΓ lana mandroso sy miverina ny tsirairay!

Mahavelom-bolo tokoa ny mahita ireo Mpiandraikitra izany manamafy hatrany ny fanoloran-tenany ka niroso tamin'ny faneken...
09/06/2026

Mahavelom-bolo tokoa ny mahita ireo Mpiandraikitra izany manamafy hatrany ny fanoloran-tenany ka niroso tamin'ny fanekena maha-Mpiandraikitra. πŸ€—

Arabaina manokana eto i Cheftaine Fenitra, Chef Julien ary Amby Mikiry, Mpiandraikitra Tily avy ao amin'ny Fivondronana faha-16, FLM Mahamanina Fiadanana izay nanatanteraka izany ny Alahady 07 Jiona 2026 lasa teo. β›ͺ

Nifanindran-dàlana tamin'izany koa ny fanolorana ireo mpikambana FMT2S vaovao. ☘️⚜️

Mitondra am-bavaka azy ireo hahatontosa antsakany sy andavany ny andraikitra izay niantsoan'i Tompo azy ireo. πŸ™

🎯 Isaorana Andriamanitra fa tontosa soamantsara ny andiany voalohany tamin'ny fanohanana ampahibemaso ny ASA SORATRA hah...
08/06/2026

🎯 Isaorana Andriamanitra fa tontosa soamantsara ny andiany voalohany tamin'ny fanohanana ampahibemaso ny ASA SORATRA hahazahoana ny Tapa-porohana 2 (TP2) izay nokarakarain'ny Tari-panofanana Tily eto Madagasikara, Faritany Matsiatra Ambony.

βœ… Arabaina manokana izy 05 mianadahy izay niroso tamin'izany 🀝

π€π“π‘πˆπŠπ€π’π€ π…π€ππŽπ…π€ππ€ππ€ πŒπ€π’πŽπˆπ•πŽπ‡πŽ 𝐌𝐎𝐏 (𝐌𝐞𝐬𝐬𝐞𝐧𝐠𝐞𝐫 𝐨𝐟 𝐏𝐞𝐚𝐜𝐞) πŸ•ŠοΈTontosa soamantsara ny 27 May sy ny 30 May lasa teo ny fanofana...
06/06/2026

π€π“π‘πˆπŠπ€π’π€ π…π€ππŽπ…π€ππ€ππ€ πŒπ€π’πŽπˆπ•πŽπ‡πŽ 𝐌𝐎𝐏 (𝐌𝐞𝐬𝐬𝐞𝐧𝐠𝐞𝐫 𝐨𝐟 𝐏𝐞𝐚𝐜𝐞) πŸ•ŠοΈ

Tontosa soamantsara ny 27 May sy ny 30 May lasa teo ny fanofanana Masoivoho MOP, niarahana tamin'ny FSM-ZL Matsiatra Ambony izay nivondronan'ny Antilin'i Madagasikara, Kiadin'i Madagasikara ary ny Tily eto Madagasikara. ⚜️

βœ… Atrikasa niompana tanteraka tamin'ny famolavolana tanora, mpanabe ho Mpitondra hafatry ny fandriam-pahalemana.

βœ… 10 mianadahy ireo Tily avy ato amin'ny Faritany Matsiatra Ambony no niatrika izany.

SAMPANA MAITSO || LFTT Faritany 2026 ⚜️O ry Sokajy a! Aza variana fa efa nanomboka ny 30 May 2026 lasa teo ny lalao SOMI...
03/06/2026

SAMPANA MAITSO || LFTT Faritany 2026 ⚜️

O ry Sokajy a! Aza variana fa efa nanomboka ny 30 May 2026 lasa teo ny lalao SOMI (SOkajy MIfandray).🀝 Ny 13 jolay 2026 amin'ny 12 ora alina no mifarana izany. πŸ™…

Jereo etsy ambany ary ny Sokajy mifandray amin'ny Sokajin'ise. πŸ’š

π‡πŒπ“π„πŒ 2026 || MATSIATRA AMBONYNy Alahady 17 May 2026 lasa teo no nisokatra ny fankalazana ny Herinandron'ny Mpanazava sy...
20/05/2026

π‡πŒπ“π„πŒ 2026 || MATSIATRA AMBONY

Ny Alahady 17 May 2026 lasa teo no nisokatra ny fankalazana ny Herinandron'ny Mpanazava sy Tily teto amin'ny Faritany Matsiatra Ambony. ☘️⚜️

Ndeha ary harahintsika an-tsary ny akon'izanyπŸ€—

πŸ•ŠοΈ Ho fanohizana ny fanitarana ny tambajotra MoP eto Fianarantsoa, ho fikoloana sy famohapohazana ny Kolotsain'ny Fandri...
18/05/2026

πŸ•ŠοΈ Ho fanohizana ny fanitarana ny tambajotra MoP eto Fianarantsoa, ho fikoloana sy famohapohazana ny Kolotsain'ny Fandriampahalemana...

⚜️ Ny FSM ZL Fianarantsoa dia mikarakara Atrikasa ho an'ny Fandriampahalemana, Fandaharana hanofanana ireo tanora ho Masoivohon'ny Mpitondra hafatry ny Fandriampahalemana

Ny Fandaharana MoP moa dia iray amin'ireo Fandaharam-panabeazana iraisam-pirenena...

πŸ—“οΈ Alarobia 27 sy Sabotsy 30 May 2026
πŸ•˜ amin'ny 09:00
🏫 Toerana: CEG Rakotozafy Alphonse Tsianolondroa

Fandraisana anjara: 15 000 Ar
Mpandray anjara: 8 isaky ny ASN (Sampana Mavo iray sy Sampana Mena iray sisa ny antsika araka ny antso efa natao tany amin'ny CDC farany)

Iza avy no afaka mandray anjara!?

πŸ‘‰ Mpiandraikitra na Filoha
πŸ‘‰ Nahaloa latsakemboka any amin'ny ASN misy azy avy
πŸ‘‰ Manana andraikitra mazava ato amin'ny Fikambanana

βšœοΈπ‡π“π„πŒ 2026 || Matsiatra AmbonyManomboka androany 16 May 2026 ny fankalazana ny Herinandron'ny Tily eto Madagasikara eto...
16/05/2026

βšœοΈπ‡π“π„πŒ 2026 || Matsiatra Ambony

Manomboka androany 16 May 2026 ny fankalazana ny Herinandron'ny Tily eto Madagasikara eto amin'ny Faritany Matsiatra Ambony, izay hiompana amin'ny lohahevitra hoe: "π‘‰π‘–π‘£π‘Ÿπ‘’ π‘’π‘›π‘ π‘’π‘šπ‘π‘™π‘’, 𝑒𝑛 π‘π‘Žπ‘–π‘₯" πŸŽ‰

Hisy ny carnaval mamakivaky ny tanΓ na hanamarihana izany anio amin'ny 09 ora maraina.

Toy izao ary ny lamina fiaingana:
-Faritra Atsimo: ZP Tsaramandroso,
-Faritra Avaratra: Maria Manjaka Talatamaty.
-Faritra Isandra sy Ikalamavony: FLM Mahamanina
-Faritra sisa: Andohan'Ivory

Eo anoloan'ny ESPACE ANDRY kosa ny ambohim-pihaonan'ny rehetra aorian'izay hiaraka hifaly sy hitotorebika. Tongava maro ee!! πŸ€ΈπŸ’ƒ

Address

Fianarantsoa
301

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tily Faritany Matsiatra Ambony posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Tily Faritany Matsiatra Ambony:

Share