Fivondronan'ny Tanora Batista Biblika eto Fianarantsoa

Fivondronan'ny Tanora Batista Biblika eto Fianarantsoa Tongasoa eto amin'ny pejy, natokana ho an'ny Fikambanan'ny Tanora Batista Biblika eto Fianarantsoa

Raikitra indray ary izy ity dia ahoana 😁any mifankahita e😁
21/05/2026

Raikitra indray ary izy ity dia ahoana 😁
any mifankahita e😁

06/05/2026

Vanim-potoana anisan'ny mahafinaritra ary ahafahana miala voly ny fotoana toy izao, ary hita fa mampitombo ny fifankatiavana hatrany
Isaorana hatrany ny Tompo

📍 7 km miala an’i ville Fianarantsoa, manaraka ny RN7 raha ho any Antananarivo no misy ny FBBM Sendrinalina.Misaotra an’...
30/03/2026

📍 7 km miala an’i ville Fianarantsoa, manaraka ny RN7 raha ho any Antananarivo no misy ny FBBM Sendrinalina.

Misaotra an’Andriamanitra lehibe fa tontosa soa aman-tsara ny fitoriana Filazantsara sy ny antsam-piderana natao teto an-toerana, niarahana tamin'ireo antonkom-pihira isam-piangonana sy ny fikambanana Un seul cƓur en Christ. Naneho ny fahasoavany sy ny fitarihany Izy nandritra izany rehetra izany 🙏

Mahakasika ny tanorađŸ‘„ ny FBBM Sendrinalina, mahafaly ny mahita fa misy tanora maro eto an-toerana. Na dia tsy mbola manana mpitarika aza izy ireo, dia hita taratra ny hetahetany hianatra sy hitombo amin’ny finoana.

Noho izany, dia nanapa-kevitra ireo tanora ireo fa hanolotra tena hanatrika ny fampianarana any amin’ny fiangonana FBB rahavavy eto Fianarantsoa isaky ny alahady tolakandro, mba hahazoany fahalalana sy hiorenany tsara amin’ny finoana.

Aoka isika hanohana azy ireo sy ny Fiangonana am-bavaka 🙌

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra ✹

Misaotra an’Andriamanitra lehibe nohon’ny fifaliana sy ny haravoana teo amin’ny tsirairay nandritra ny fotoana anio. 😁Am...
24/02/2024

Misaotra an’Andriamanitra lehibe nohon’ny fifaliana sy ny haravoana teo amin’ny tsirairay nandritra ny fotoana anio.
😁Amin’ny manaraka koa ra kilonga 😁

Akory Aby. Taorian’ny fihaonana voalohany izay nataontsika dia tapaka fa hotanterahana ny Sabotsy 24 Febroary 2024 ny fi...
19/02/2024

Akory Aby. Taorian’ny fihaonana voalohany izay nataontsika dia tapaka fa hotanterahana ny Sabotsy 24 Febroary 2024 ny fihaonatsika sy fiarahamifaly ary ho fisaorana an’Andriamanitra nahatratra ny taona 2024. Koa toy izao ny andinindininy
✅ Toerana : Maharàna Fianarantsoa
✅ Fiaingana: Garage eny am Croisement Parc
✅ Fotoana : 8:30 no fiaingana
👉 Samy mitondra ny sakafo sahaza hoa azy, izay mety aminy

Samia mitondra ambavaka ny fotoana, ny fahafahatsika, ny andro mba samy ho feno fifalina isika mandritra izany fotoana izany

Horaikitra indray ary izy ity Raha sitrapon’Andriamanitra. Ko dieny izao dia aoka isika hiomana, hitondra am-bavaka sy h...
02/02/2024

Horaikitra indray ary izy ity Raha sitrapon’Andriamanitra.
Ko dieny izao dia aoka isika hiomana, hitondra am-bavaka sy ho vonona😊

Isaorana an'Andriamanitra lehibe fa neken'ny Filan-kevitry ny Ministra omaly 08 Septambra 2023 ny maha Fiangonana ara-da...
09/09/2023

Isaorana an'Andriamanitra lehibe fa neken'ny Filan-kevitry ny Ministra omaly 08 Septambra 2023 ny maha Fiangonana ara-dalàna (église reconnue) antsika Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara (FBBM).

Tamin'ny taona 2012 no nanomboka nanangona taratasy ary tamin'ny 01 Aogositra 2014 no napetraka tany amin'ny ministeran'ny ati-tany izany. Ary ankehitriny izy dia nivoaka. Mamaly vavaka Andriamanitra!

Ho Azy irery ihany ny voninahitra!

Source : FKP FBBM

Maniry izy ireo kristianina ao ✅Tomalaza sy Amborakala✅ ny hanana trano fiangonanaâ›Ș. Ary dia nisy mihitsy membre tao am...
02/09/2023

Maniry izy ireo kristianina ao ✅Tomalaza sy Amborakala✅ ny hanana trano fiangonanaâ›Ș. Ary dia nisy mihitsy membre tao amin’izy ireo nanome an’ito tany ito hanorenana ny trano fiangonana. Mila ny fanohanantsika ambavaka izy ireo. Ary koa tolotanana.

Eto dia tianay ny hampafantatra anareo mahakasika ny fiangonana sy cellule misy ao Sahambavy.âžĄïž TanĂ na tsy dia mifanalav...
02/09/2023

Eto dia tianay ny hampafantatra anareo mahakasika ny fiangonana sy cellule misy ao Sahambavy.
âžĄïž TanĂ na tsy dia mifanalavitra no misy an’ny Tomalaza sy Amborakala, lalana 5km eo ho eo tsy hidirana ny Sahambavy, Na mifanakaiky aza ny tanĂ na dia misy fiharamiangona isaky ny tanĂ na, maherin’ny 20 no efa vita Batisa ary isan’ny mazoto sy liana amin’ny tenin’Andriamanitra ny olona na mbola tsy misy aza ny trano fiangonana.
Ny asa izay nosokafan’ny FBB Ampopoka anisan’ny mandray anjara feno.
Misaotra an’Andriamanitra lehibe amin’ny fandrosoan’ny asa

đŸŸ„đŸŸ„đŸŽ‰Ireto Ary ny ampahan-tsary azo tamin'ny aniođŸŸ„đŸŸ„đŸŽ‰âœ…Misaotra an’Andrimanitra lehibe fa tanteraka soa aman-tsara ny Fivori...
13/08/2023

đŸŸ„đŸŸ„đŸŽ‰Ireto Ary ny ampahan-tsary azo tamin'ny aniođŸŸ„đŸŸ„đŸŽ‰

✅Misaotra an’Andrimanitra lehibe fa tanteraka soa aman-tsara ny Fivoriam-paritra taty amin’ny faritra Antsimo, Antsinana (Fianarantsoa, Manakara, Mananjary, Vohipeno, Ambalavao, Ihosy)

✅Misaotra ihany koa an’ny Pst Vonjy RASAMIMANANA solon-tena ny FKP FFBBM nitondra ny fampianarana nandritra ny 2 andro, mahakasika ny Fanomezana ho an’Andriamanitra eo anivon’ny fiangonana sy ny fanomezam-pahasoavana eo anivon’ny Fiangonana.

✅Misaotra ny komity panomana rehetra,

✅Misaotra ihany koa ho an’ireo tompon’andraikitra isantsokajiny nahatanteraka ny fikarakarana

✅Misaotra antsika rehetra nitondra ambavaka

HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHIANY NY DERA SY LAZA ARY NY VONINAHITRA

✅Misaotra an’Andrimanitra lehibe fa tanteraka soa aman-tsara ny Fivoriam-paritra taty amin’ny faritra Antsimo, Antsinana...
13/08/2023

✅Misaotra an’Andrimanitra lehibe fa tanteraka soa aman-tsara ny Fivoriam-paritra taty amin’ny faritra Antsimo, Antsinana (Fianarantsoa, Manakara, Mananjary, Vohipeno, Ambalavao, Ihosy)

✅Misaotra ihany koa an’ny Pst Vonjy RASAMIMANANA solon-tena ny FKP FFBBM nitondra ny fampianarana nandritra ny 2 andro, mahakasika ny Fanomezana ho an’Andriamanitra eo anivon’ny fiangonana sy ny fanomezam-pahasoavana eo anivon’ny Fiangonana.

✅Misaotra ny komity panomana rehetra,

✅Misaotra ihany koa ho an’ireo tompon’andraikitra isantsokajiny nahatanteraka ny fikarakarana

✅Misaotra antsika rehetra nitondra ambavaka

HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHIANY NY DERA SY LAZA ARY NY VONINAHITRA

Address

Fianarantsoa
301

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fivondronan'ny Tanora Batista Biblika eto Fianarantsoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share