30/06/2020
TOKO 1
FOTOAN-TSAROTRA FARANY
MIJERY IREO TOE-JAVATRA HO AVY ARAKA NY TENA IZY
â Tsy afaka isika, aminâizao fotoana izao, ny hamariparitra mazava izay ho fisehonâireo zavatra hitranga eto aminâizao tontolo izao aminâny ho avy, fa ny zavatra fantatsika kosa, dia izao no fotoana izay tsy maintsy hiambenantsika amim-bavaka fatratra, satria efa mby eo anatrehantsika ny andro lehibenâi JehĂŽvah - 2SM 35 (1901). {LDE 17.1}.
âNy mariky ny bibidia dia tsy mivaona aminâizay efa nitoriana sy nanambarana azy hatrizay. Tsy mbola, ary tsy ho azo aminâny faha-fenoany avokoa tsy akory ny momba io resaka io raha tsy efa misokatra manontolo ny horonan-toe-javatra mirakitra azy. -6 T 17(1900). {LDE 17.2}
âMaro ireo izay hampiala ny fijeriny aminâny adidiny ankehitriny, aminâny fiadanana sy ny fitahiana aminâizao fotoana izao, ka efa miaina sahady ny fotoan-tsarotra ho avy. Fanasarotan-javatra mialoha ny fotoana sahady izany, ka tsy handray fahasoavana avy aminâny famo-ronana fotoan-tsarotra mialoha toy izany isika. -3 SM 383, 384 (1884). {LDE 17.3}
â Misy fotoan-tsarotra tokoa avy manatona ny vahoakanâAndria-manitra, kanefa tsy tokony havela hifantoka ao an-tsainâny olona mandrakariva izany, ka hofehezintsika ao anatinâny fotoan-tsarotra mialoha ny fotoana izy ireo. Hisy fihozongozo-nana tokoa eo anivonâny vahoakanâAndriamanitra, kanefa tsy izany no fahamarinana ankehitriny hovoizina eo aminâny fiangonana - 1SM 180 (1890). {LDE 17.4}.