24/08/2026
NA DIA EFA TSY NISY FANANTENANA AZA,DIA NANANTENA IHANY IHANY IZY KA NINO.
Vakiteny:Rom4:17-21:
Rehefa taitra tamin’ny torimasoko aho,dia ity no tonga tao an-tsaiko ka dia voatery hampita azy aho,sao ilainao izany.
I)ABRAHAMA DIA NOMENA TENY FIKASANA.
-Gen12:1-3:Ny iray amin’io teny io dia hoe:
Hahatonga anao ho firenena lehibe Aho.
-Nandeha anefa ny andro,volana,ary ny taona ,Na zaza iray aza tsy mbola nisy.
Vao maika moa Firenena.
1)Tonga tamin’ny vanim-potoana tsy mampisy fanantenana amin’izany fiterahana izany intsony izy mivady.
Abrahama efa ho 100 taona,Ary Saraha efa ho 90 taona..
Raha ny marina dia fahafatesana aza no efa mihamanakorotan-tsaina raha ny taona misy azy ireo.
Fa ny nahavariana dia filazan’ny Soratra Masina hoe:
II)AHOANA RE NO MBOLA ANANANA FANANTENANA AMIN’NY TOE-JAVATRA EFA TSY MISY FANANTENANA ?
1)Satria Andriamanitra no nampanantena azy ,Ary ny teny fampanantenany dia tsy nasiany vanim-potona hametra ny fantaterahany.
-Afaka ny hotanteraka na amin’ny taona faha firy!!
Ka na dia efa tsy misy fanantenana intsony aza raha ny ara-boajanahy teo amin’i Abrahama ,dia nantena izy noho ny TENY FIKASAN’ANDRIAMANITRA .
2)Ny olona zay nandray famonjen’Adriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy dia nomeny reo teny fkasana maro.
Ireto reo Soratra Masina milaza izany.
Asa2:39,Rom4:16,2Kort7:1
Ireto no sorato:
Gal3:19:Ambara-piavin’ny taranaka izay nomena ny teny fikasana.
Gal3:29: Ary raha an’i Kristy ianareo ,dia taranak’i Abrahama ,sady mpandova araka NY TENY FIKASANA
3)Miorena amin’ny teny Fikasan’Andriamanitra ianao..
Satria anao ny teny fikasana na hoe :Teny fampanantenany rehefa an’i Kristy ianao.
III)AZO ATAO NY MANANTENA NA DIA EFA TSY MISY FANANTENANA.
Satria :
1)Andriamanitra tsy mba mpivadibadika no nampanatena anao
Nomery23:19 Andriamanitra tsy mba olona ka handainga ;Moa tsy efa nilaza ka tsy hefainy,na efa niteny ka tsy ho toviny.
2)Tsy voafetran’ny fandaharam-ptoana zay nomeny antsika olombelona Andriamanitra.
-Marina fa izy no nampisy ny vanim-potoana fahafahana miteraka,Nefa dia tsy narahiny zany ,fa nampehereziny Abrahama rehefa nieritreritra hoe:Satria efa antitra aho,ka tsy nomenao zanaka handimby ahy dia ny iray amin’ny ato an-drano no handova ahy!
Tsia ,fa izay aterakao ihany!
(Vakio tsara Gen15:1-5).
IV)MANAN-DANJA BE ITY HEVITRA SORATAKO FARANY ETO ITY.
3)Efa nomeny ao anatin’ny teny fikasana zay hahasoa antsika rehetra..
Rehefa mino Azy araka ny teny fikasany anao dia honteraka izany.
a)Salam84:11:Tsy mba misy zava-tsoa laviny amin’izay madio fitondran-tena(DIEM)