25/08/2025
Voninahitra sy fisaorana anie hoan' Andriamanitra Tompontsika ✨ .Tanteraka soa aman-tsara ny zaikam-paritra izay natao teny amin'ny Fileovana ANDOHAMATSIATRA, teny antampon-tanànan' ny MAHASOABE ⛪
Fotoam-pivavahana, toriteny, fampianarana, takariva manga, lalao Foot sy Basket, filaharana fanentanana, no fotoana mamy niarahana. Teo ny VLM/SPAF, teo ihany koa ireo sampana maro samihafa teny Mahasoabe, ary ireo ray aman-dreny Pastora maro , tonia sy mpitari-dàlana.🕊️
Ny Vokovokomanga dia anisan'ny sampana izay tsara indrindra, sampana masina izay natokan' Andriamanitra, sampana izay miaina sy mitaiza amin'ny fifadiana ireo domelina sy ireo fanao ratsy rehetra, hananantsika fiainana mifanaraka amin'ny sitrapon' Andriamanitra, mahatonga ary hadovàna . ☀️
Manararaotra manolotra ny fankasitraha hoan'i Pastora RAZAFINIAINA Jean Laurent, izay namana tena akaikin'ny fo, izay namorona ny hira faneva tamin' ity zaikam-paritra ity. 🎶
"Ny tranoko dia trano fivavahana" (Lioka 19:16)
Maro dia maro tokoa isika, fa dia iray ihany ao amin'ny Kristy. Mankasitra e!