Parole de Dieu/ verset biblique

Parole de Dieu/ verset  biblique Site pour partager la parole de Dieu, en franΓ§ais et malagasy

πŸ’Œ Jakoba 5: 11Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan'i Joba ary efa hitanareo ny far...
27/08/2021

πŸ’Œ Jakoba 5: 11
Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan'i Joba ary efa hitanareo ny faran'ny nataon'ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po.

πŸ’Œ Jakoba 1: 12Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra...
27/08/2021

πŸ’Œ Jakoba 1: 12
Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.

πŸ’Œ Hebreo 10: 36.Fa tokony hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny ...
27/08/2021

πŸ’Œ Hebreo 10: 36.
Fa tokony hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra.

πŸ’Œ Hebreo 2: 18Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin'ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy. [ N...
27/08/2021

πŸ’Œ Hebreo 2: 18
Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin'ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy. [ Na: satria nijaly ny tenany, raha nalaim-panahy izy]

πŸ’Œ 2 Timoty 1: 6Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra...
27/08/2021

πŸ’Œ 2 Timoty 1: 6
Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tanako.

πŸ’Œ Filipiana 4: 13Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy.
27/08/2021

πŸ’Œ Filipiana 4: 13
Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy.

πŸ’Œ 2 Korintiana 4: 16Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'a...
27/08/2021

πŸ’Œ 2 Korintiana 4: 16
Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny toetray anatiny.[Ny olonay]

πŸ’Œ 1 Korintiana 15: 58Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefΓ  be mandrakariva amin...
27/08/2021

πŸ’Œ 1 Korintiana 15: 58
Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefΓ  be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.

πŸ’Œ 1 Korintiana 10: 13Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra k...
27/08/2021

πŸ’Œ 1 Korintiana 10: 13
Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.

πŸ’Œ Romana 12: 12Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.
27/08/2021

πŸ’Œ Romana 12: 12
Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.

πŸ’Œ Jaona 16: 33Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin'izao tontolo izao no ah...
27/08/2021

πŸ’Œ Jaona 16: 33
Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.

πŸ’Œ Lioka 12: 22. 23Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, ...
27/08/2021

πŸ’Œ Lioka 12: 22. 23
Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanarena, izay hotafinareo. 23. Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.

Address

Avenue Dapper Belle Rose
Fianarantsoa

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Parole de Dieu/ verset biblique posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share