ZALA Antanetianivo

ZALA Antanetianivo Miarahaba antsika ZALA Antanetianivo sy ireo tapaka sy namana mpanohana. Manaraha finaritra tompoko dia samy ho tahin'Jesosy aby.

Ity pejy ity dia natao hizarana ireo vetsovetsompo iarahana amin'ny ZALA sy ireo mpanohana sy mpiaramiasa aminy.

Toriteny Alahady 24 Aogositraa 2025, ivon'ny fetin'ny taranaka faha-57, FLM ANTANETIANIVOLioka 19 : 40-48Pastora RASOLOF...
25/08/2025

Toriteny Alahady 24 Aogositraa 2025, ivon'ny fetin'ny taranaka faha-57, FLM ANTANETIANIVO
Lioka 19 : 40-48
Pastora RASOLOFOHARILALA Zanadramahatra Benjanisoa, Zanaka Ampielezana.
Fintina :
Ny Tempolin'Andriamanitra dia natao hanomezana voninahitra An'Andriamanitra fa tsy ho filokana sns sanatria raha nandrava izany fahiny Izy. Mifanindrandalana amin'ny maha Fetin'ny taranaka faha-57 izao. Tsy hizahozahoana hanehoana dera sanatria toy ny fanaon'ny Fariseo sy Mpanoradalana fa ho fiarahamiombona sahady ny amin'ny hanaovana ny fanjakan'ny Lanitra ny fetin'ny Taranaka.
Ataovy FALY Jesosy mba tsy ho "JESOSY MITOMANY". Arakaraky ny hitan'i Jesosy ataonao no mahafaly sy mampalahelo azy.
Ny tempolin'i Jéhovah dia ny tenenao, omenao haja,... raha mbola tsy izany no tsapanao dia mibebaha amin'i Jesosy.
Fa izay rehetra manao ny sitrapon'ny Raiko no handova ny fiainana mandrakizay hoy Jesosy.
Eto dia mitodika @ maha Taranaka voafidy antsika Jesosy.
TSY NY MAHA TARANAKA ANTANETIANIVO ANAO NO HANDOVANAO NY FIAINANA MANDRAKIZAY, FA IZAY MAHA KRISTIANA, MANAO NY SITRAPON'NY RAY INDRINDRA IZAY AFAFINAO NO HOJINJAINAO.
Koa meteza ho tarihin'ny Fanahy isika mba hahafahantsika manao ny sitrapon'Andriamanitra.

Mafonja izany hafatra izany !!!

Samia ho tahian'Jesosy aby hahefa bé amin'ny fanompoana ny Tompo amin'ny misy azy avy any, nefa tsy hanadino ny fiaviana ihany koa.
Jesosy hanafy hery ny tsirairay isambatan'olona, isantokantrano manoloana ny hamafin'ny fiainana na eto an-toerana na any ampitadiavana. Hihaona ampifaliana indray isika amin'ny herintaona fetin'ny Taranaka faha-58 tahaka izao.
Mirary soa daholo Tompoko.
An'Andriamanitra irery ny Voninahitra ary amintsika ny FIADANANA. Amen!

"GAMELABE faha-V"Fetin'ny taranaka fah 57 taona. Fintina toriteny : Aza mahafoy ny fiarahan'ny mino mivavaka. Atambatr'A...
23/08/2025

"GAMELABE faha-V"
Fetin'ny taranaka fah 57 taona.
Fintina toriteny :
Aza mahafoy ny fiarahan'ny mino mivavaka. Atambatr'Andriamanitra ao anaty Fiangonana ny mino rehetra, eny na misy tsy fifakazahoana dia io no lalana itondran'ny Tompo hiombonana.
Avondron'Andriamanitra amin'ny fotoana iray, toerana iray ny taranaka rehetra na alavitra na akaiky. Mandany vola amankarena araky ny ananany avy hiombonana. FIRAISANKINA izany! Izay antsointsika hoe GAMELABE.
Jesosy Tompon'ny Fitiavana no mampiray ny taranaka rehetra.
An'Andriamanitra irery anie ny voninahitra.
Mankahery ireo tsy afaka noho ny antony manokana.
Mirary soa daholo ny rehetra manatrika sy nikasa.

Allooo alloooo, aiza ho aiza daholo ny ZANAKY NY FLM ANTANETIANIVO  ora izao?   manakaiky. Tongava soa aby  fans Tahian'...
22/08/2025

Allooo alloooo, aiza ho aiza daholo ny ZANAKY NY FLM ANTANETIANIVO ora izao?
manakaiky. Tongava soa aby fans Tahian'Jesosy.

Akory aby !!!      sahady e? mba jereo anie ireto sary ireto e ? Alamino dieny izao ary ny Programa sao taraiky a. Ilay ...
17/07/2025

Akory aby !!! sahady e? mba jereo anie ireto sary ireto e ? Alamino dieny izao ary ny Programa sao taraiky a. Ilay adidy isamparitra koa sao hadino fa iny no any ry havana . Samy ho tahian'Jesosy aby ho tratran'izay fotoana izay.

07/07/2025

Fiadanana,
Tontosa soa amantsara ny natao tao @ FLM Tsarahonenana ny Alahady 6 Jolay 2025.
Tsy hay ny tsy hisaotra an' , ny mpandray anjara JAWS BAND, Chorale Za.SPaFi Antananarivo - Zaspafi Tanà ary Tiphanie. Andriamanitra hamaly hanonitra ny hery laninareo ary hampitombo talenta hatrany.
Tsy hadino ny rehetra izay mpanohana ny ZALA @ lafiny rehetra. Tianay ianareo, tsy ho voavalinay ny vitanareo fa Andriamanitra hanonitra izay laninareo, vola amankarena, fotoana...

Misaotra, Misaotra, Misaotra !
Tahin'i daholo

indray

25/06/2025

J-11
Sao hadino, Tongava sao taraiky any isika rehetra.
JAWS BAND sy Chorale Za.SPaFi Antananarivo - Zaspafi Tanà ary Tiphanie ao efa vonona be ao ambadika ao.

Address

Fandriana

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ZALA Antanetianivo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to ZALA Antanetianivo:

Share