SFC - Soldier of Christ

SFC - Soldier of Christ None profit organization

Fiadanana be ho antsika rehetra. Fifaliana indray ny mifampizara amintsika raha somary elaela kely tsy nizara. Noho ny f...
01/12/2022

Fiadanana be ho antsika rehetra. Fifaliana indray ny mifampizara amintsika raha somary elaela kely tsy nizara. Noho ny fahasoavan' Andriamanitra dia mbola velon' aina soamantsara sady salama izahay ka mbola tafajoro manohy ny asa fanompoam-panjakan' Andriamanitra eto Fenerive Est. Maro ny sakantsakana, fanakiviana, fanaratsiana, sy ny sisa fa ny Tompo manome hery ka mitohy ny azakazaka. Ny fiarahana amin'ny ankizy sy tanora, ny voafonja, ny miaramila, ny fiangonana, famangiana tokatrano ary ny fiombonana miaraka amin' ireo mpitandrina eto an-toerana. Maro no resy, kivy, mandalo ady sarotra fa atsangan' ny Tompo ka mahazo hery ary izany indrindra no mbola mampijoro hatrany ny mahita ny fahasoavan' Andriamanitra amin'ny olona. Misaotra ny Tompo noho ny fiasany. Misaotra anao miaraka mandeha aminay amin'ny fanohanana rehetra. Mamerina ny voninahitra sy ny haja ho an' i Kristy Jesosy irery ihany.

Faly miarahaba antsika rehetra indray ny tenanay. Misaotra an' Andriamanitra voalohany indrindra fa Izy no mitahy sy man...
02/10/2022

Faly miarahaba antsika rehetra indray ny tenanay. Misaotra an' Andriamanitra voalohany indrindra fa Izy no mitahy sy mandrindra ny zavatra rehetra.
Isaorana Izy amin'ny fahafahana rehetra ka afaka nnompo Azy sy ny olony indray isika. Ny mahafinaritra sy mampientanentana dia miha mahita ny fitahian' Andriamanitra ny olona ka mijoro vavolombelona. Mandeha tsara ny asa na dia misy aza ny fankahalana sy ny fanesona ary ny lainga hanaratsiana izay tsimaintsy hisy satria ao amin'ny Tompo. Ny Tompo no mankahery ka dia vonona hatrany miatrika.

Miarahaba antsika rehetra indray sady manonona fiadanana e. Fifaliana indray ny mizara amintsika noho ny fahasoavana dia...
18/09/2022

Miarahaba antsika rehetra indray sady manonona fiadanana e. Fifaliana indray ny mizara amintsika noho ny fahasoavana dia mbola afaka manantotosa ny asa fanompoana hatrany. Mitohy ny asa, mitombo ny rehetra na ara-panahy na arak'isa indrindra fa ny fiombonana sy ny fifanankaikezana. Mazoto tsara sy mientanentana ny miaramila, ny ankizy, ny tokatrano sy ny fiangonana. Marina fa mafy ny ady atrehina sy ny zava-manahirana fa tsy mahasakana izany satria ny Tompo no manome hery ny rehetra. Isaorana ny Tompo fa afaka niditra an-tsekoly ny ankizy rehetra. Mamgetaheta am-panahy ny olona. Misy koa anefa kivikivy, reraka, indrindra fa ireo voafonja.
Misaotra antsika rehetra manohana sy mankahery. Tsarovy am-bavaka hatrany. Ny voninahitra dia ho an' i Jesosy irery ihany.

Ianareo no Fanasin'ny tany hoy i Jesosy. Fifaliana hatrany ny mizara indray fa mbola nomen'Andriamanitra fahasoavana sy ...
28/08/2022

Ianareo no Fanasin'ny tany hoy i Jesosy. Fifaliana hatrany ny mizara indray fa mbola nomen'Andriamanitra fahasoavana sy hery ka afaka niara-niasa taminy sy nanompo Azy sy ny olony hatrany na ny isan-tokatrano na ny tsirairay na ny vondron'olona. Ny zavatra tsapa dia izao hoe miasa Izy ka manova fiainana sy tontolo ary fiarahamonina. Manaiky hatrany izahay ho mpiara-miasa Aminy ary mino aho fa toy izany koa ianao. Misaotra miombona miroso hatrany isika.

Miarahaba antsika rehetra indray. Somary elaela tsy nifanerasera satria nihato kely niaraka tamin'ny mpianatra. Na teo a...
22/08/2022

Miarahaba antsika rehetra indray. Somary elaela tsy nifanerasera satria nihato kely niaraka tamin'ny mpianatra. Na teo aza ny fialan-tsasatra dia nisy ihany koa anefa ny asa tsy azo najanona dia ny fiaraha-mivavaka tany amin'ny fonja sy tao amin'ny CEG izay trano hivorianay. Ny volana aogositra indray izahay no niverina tsikelikely. Isaorana ny Tompo ny fitondrany rehetra. Mitobo isa hatrany ireo olom-bonjena na ny ankizy na ny lehibe. Isaorana hatrany ianareo mahatsiaro sy miombona amin'ny izao iraka lehibe izao. Mirary soa sy fiadanana ho antsika rehetra. Hifanerasera eto indray isika miaraka amin'ny Fanahy Masina Ilay mampiray antsika.

Miarahaba antsika rehetra sady manonona fiadanana e. Noho NY fahasoavany dia mbola salama tsara izahay hinoanay koa fa t...
12/06/2022

Miarahaba antsika rehetra sady manonona fiadanana e. Noho NY fahasoavany dia mbola salama tsara izahay hinoanay koa fa toy izany ianareo. Ialana tsiny Raha izao indray vao afaka mifampizara fa somary sahirana Kely teo. Misaotra anao anefa tsy manadino, mivavaka, mankahery, manohana. isaorana NY Tompo ihany koa fa tsy miova Izy, miasa Izy amin'ny fomba Samy hafa. Mitohy foana ny asa fanompoana ary isaorana ihany koa ireo mpian-tsehatra rehetra. Ny voninahitra rehetra dia An' I Jesosy ihany.

Fiadanana e. Fifaliana indray NY mifampizara amintsika mpiara-miasa rehetra NY asa lehibe ataon 'Andriamanitra nandritra...
15/05/2022

Fiadanana e. Fifaliana indray NY mifampizara amintsika mpiara-miasa rehetra NY asa lehibe ataon 'Andriamanitra nandritra NY herin'andro lasa . Misaotra NY Tompo koa fa salama tsara izahay. Mino izahay fa ianao koa salama tsara sy ambinina. Mitohy NY asa fanompoana amin'ny Tanora sy NY ankizy, Maro ireo vaovao Tonga nanatrika. Toy izany koa ireo olon- dehibe manatrika fotoam- bavaka. Mientanentana sy faly ireo Tanora mpianatra amin'ny CEG, mientanentana sy velom- panantenana ihany koa ireo rahalahy sy ana- bavy voafonja. Faly dia faly ireo ankizy an- drivony sy ireo ray aman-dreny Tonga nanatrika NY asa fitoriana filazantsara tamin'ny alalan' NY boaty misy fanomezana avy amin'ny Samaritan's purse. Mahery sy faly ireo toka-trano vangiana. Izany rehetra izany no hefa dia tsy noho izahay fa Jesosy no miasa, manome hery sy tanjaka ary mitahy amin'ny alalanao. Misoratra Azy ary misaotra anao ihany koa miombona amin'izany. Mirary soa sy fahombiazana ho anao Raha hiatrika NY herin'andro vaovao.

Fiadanana e. Fifaliana indray NY mifampizara amintsika mpiara-miasa rehetra NY asa fanompoana iombonantsika. Isaorana NY...
08/05/2022

Fiadanana e. Fifaliana indray NY mifampizara amintsika mpiara-miasa rehetra NY asa fanompoana iombonantsika. Isaorana NY Tompo fa tontosa soamantsara NY asa fitoriana niarahana tamin' ireo ekipa GLIFA avy any Swiss sy ireo raiamandreny Tonga niara- nanatontosa izany. Maro NY sakatsakana toy NY hoe mifoa vao maraina Aho dia nila tsy hazaka NY vatana NY tongotra, may NY Rano nangotraka NY tanan' I Mahandry, tsy nandeha tampoka izao NY Ampli nefa vao novidina hanaovana ilay fitoriana filazantsara tao amin'ny Fonja, noentiko tamin'ny mpamboatra nojerena mandeha tsara anefa fa tsis olana mintsy, vay be ambany eliko, I Fafah nikohoka be sy Tena narary....tao anatin' izany asa fitoriana izay no nitrangan'izany rehetra izany. Sakatsakana avokoa izany rehetra izany fa vita soamantsara anefa NY asa rehetra. Fizarana baiboly tamin'ny Miaramila, Fonja, fiangonana, toka-trano, ary faobe, fizarana vatsim- pianarana ho an' ireo mpianatra ary sakafo ho an'ireo fianakaviana marefo. Vokatry NY asa fitoriana natao dia Maro ireo olona Tonga nivavaka androany. Misaotra anao nahatsiaro am-bavaka fa Tena tsapanay fa mihaino vavaka tokoa Andriamanintra. Mankasitraka indrindra. Dera sy voninahitra rehetra dia ho an'I JESOSY KRISTY irery ihany.

Fiadanana ho anao. Fifaliana indray no mifampizara e. Misaotra NY Tompo fa avy be foana ny orana taty. Tsy nahasakana an...
25/04/2022

Fiadanana ho anao. Fifaliana indray no mifampizara e. Misaotra NY Tompo fa avy be foana ny orana taty. Tsy nahasakana anefa izany fa afaka nanohy NY asa fanompoana ihany. Nisy koa ireo ekipa FC NGU any TOAMASINA Tonga taty aminay nifampizara sy nilalao ara-piralahiana. Teo koa NY namana nandalo izay efa am-polo taona tsy nifankahita, ary ny fanombohana fitoriana filazantsara any amin'ny quartier. Misaotra NY ekipa rehetra, misaotra anao nanohana vavaka, vola, fitaovana ary ny fnkaherezana Samy hafa. NY Tompo anie hitahiry NY fahasoavany rehetra aminareo. NY voninahitra rehetra dia ho an' I Jesosy ihany.

Rehefa niseho voalohany tamin' NY mpianany I Jesosy dia hoy Izy Fiadanana ho anareo. Tononinay ho aminareo ihany koa iza...
17/04/2022

Rehefa niseho voalohany tamin' NY mpianany I Jesosy dia hoy Izy Fiadanana ho anareo. Tononinay ho aminareo ihany koa izany. Miara- mitsangana Aminy koa isika. kol 3:1. Miarahaba nahatratra NY P***a 2022.
Miala tsiny fa somary sahirana Kely ka zao indray vao afaka mifampizara NY momba NY asa. Nanokatra toerana afahana manompo indray NY Tompo ao amn CEG isaky NY Alarobia folak' Andro. Akoatr'izay mitohy hatrany NY asa fanompoana amin'ny: Miaramila, famangiana toka-trano, Fonja, ankizy sy Tanora ary ny fanaovam-pianatra ireo ekipa vaovao. Tonga ihany koa NY fanomezana Samaritan's purse.
Salama tsara zahay amin'ny ankapobeny, nikohoka izy telo- mianaka fa efa miha-tsara ankehitriny. Misaotra manohana sy mivavaka. Mirary soa sy fanambinana ho antsika rehetra.

Misaotra NY Tompo noho NY fahasoavany tsy mety ritra. NY fahasoavany no mankahery anay mandrakariva. Isaorana ihany koa ...
28/03/2022

Misaotra NY Tompo noho NY fahasoavany tsy mety ritra. NY fahasoavany no mankahery anay mandrakariva. Isaorana ihany koa Izy fa miasa mamonjy Fanahy Maro ary mitaona NY olona hanantona Azy. Misy olona alefany aty atrano hanolo-tena. Ankizy vaovao Tonga hianatra NY teniny. Isaorana Azy koa fa afaka mampiasa efi-trano sekoly CEG zahay hanaovana NY asa sady malalaka afaka manomboka asa ao Amin'ny mpianatra ao ihany koa izahay. Mitohy NY asa amin'ny Fonja miaraka amin'ny fampianarana manao m**o Mamy sy NY mamaky teny sy manoratra, mitohy NY Miaramila, NY asa amin'ny ankizy, famangiana toka-trano sy NY fanofanana ireo mpiara-miasa. Voninahitra ho an' Andriamanintra. Misaotra anao koa mahatoky amin'ny fiaraha-miasa.

Fiadanana e. John 15: 16Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ar...
20/03/2022

Fiadanana e. John 15: 16Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona. You did not choose me, but I chose you and appointed you to go and bear fruit—fruit that will last. Then the
Father will give you whatever you ask in my name.
Izay no Tenin'Andriamanitra nifampizarana niaraka tamin' ireo ekipa nofodian' Ny Tompo hirotsaka antsehatra amin'ny asa fanompoana. Tontosa NY Alarobia teo NY fandraisana azy ireo sy fiarahabana taombaovaon' NY ekipa. Isaorana NY Tompo koa NY fandalovan'ny filoham-pirenena taty amin'ny faritra misy anay nitokana ireo fotodrafitrasa izay vita. Isaorana NY Tompo ihany koa NY famangiana toka-trano
Ary mampientanentana mihintsy NY fahazotoan'ireo ankizy sy Tanora. Tontosa soamantsara omaly 19-03-22 ihany koa NY fanofanana andiany faha 2 ho an'ireo mpampianatra ankizy avy amin'ny fiangonana 62 eo sy fikambanana miara-miasa amin'ny TAK ary 167 eo ny mpampianatra Tonga nanatrika. Mahatsiaro mahery sy mitombo amin'ny FINOANA ireo voafonja vokatry NY famangiana sy NY fampianarana atao aminy. Hanomboka indray koa NY fampianarana Samy hafa toy NY fanaovana m**o Mamy, famakian-teny sy manoratra, fandrahoana sakafo SNS...
An'i JESOSY NY voninahitra rehetra. Misaotra anareo mahatoky amin'ny fandraisana anjara rehetra. NY Tompo anie hitahiry NY soa rehetra ataonareo ka hamaly izany.

Address

Fenerive Est
Fénérive-Est

Telephone

+261349788185

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when SFC - Soldier of Christ posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share