FJKM Betela Fenerive-Est

FJKM Betela Fenerive-Est Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from FJKM Betela Fenerive-Est, Christian church, Fenoarivo Atsinanana, Fénérive-Est.

👋 Fiadanana e!📖"Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesoa mba hanao asa tsara." (Efesiana 2 / 10a)👉 Androany Tal...
08/09/2026

👋 Fiadanana e!
📖"Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesoa mba hanao asa tsara."
(Efesiana 2 / 10a)
👉 Androany Talata 08 Septambra 2026 no fidiran'ny mpianatra tao amin'ny Lycée FJKM Betela Fénérive-Est, Synodamparitany Afovoany Atsinanana Vaovao (SP-02).
🙏 Natomboka tamin'ny fanompoam-pivavahana izay notarihin'ny Mpitandrina tao an-toerana ny fotoana ary natrehan'ny Mpianatra, ny Mpampianatra, ny Mpandraharaha ary ny Ray aman-dRenin'ny mpianatra.

⚽🏀 Nandritra io fotoana io ihany koa no nanoloran'ny Sampana Vokovoko Manga avy ao amin'ny FJKM Betela Fénérive-Est ballons de basket sy foot ho an'ny MPIANATRA MANGA, izay efa tafajoro nanomboka tamin'iny taom-pianarana lasa teo iny.

"Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra!"

04/09/2026
16/07/2026

Fiadanana!
BEPC 2026 Lycée Privé Fjkm Fenerive Est
* 26/ 29 soit 89,65% ny voka-panadinana.
* 03 Lauréats
Isaorana Andriamanitra , ankasitrahana n'y mpanabe

02/07/2026
RENYNoho ty andro malazaDia mety indrindra ny hilazaEny fa na indraim-bava azaManodidina ny RenyZava-misy teny ho enyTsy...
30/05/2026

RENY

Noho ty andro malaza
Dia mety indrindra ny hilaza
Eny fa na indraim-bava aza

Manodidina ny Reny
Zava-misy teny ho eny
Tsy aritro ka mba hiteny

Tsy zavatra tena vaovao
Hatramin'ny ela hatramizao
Indro asehoko anao

Misy Reny mahavariana
Tena mijaly am-panambadiana
Tsy mahazo mivoaka fa mihidy an trano
Loza! lay rangahiny tena saro-piaro

Misy Reny dia misara-bady
Tsy lany olana sy ady
Naleony nionona ka nanabe ny ankizy
Isan'andro mantsy, mipoitra ny krizy

Misy Reny dia naleony nisafidy
Tsy nanambady, fa sao hoe hangidy
faly ery hoe : "mëre celibataire"
Dia gaga ianao fa misy raha tokoa "la terre"

Misy Reny tena marary fo
Maditra vady, tena mafy loha
Ny zanany koa tsy azony tenenina
Nahoana moa izy tsy ho be menomenona

Fa misy Reny tena izy mihitsy
tsy tia ny vadiny, tena tsy mitsitsy
Tsy mahalala henatra sy fahafaham-baraka
Ka any ivelany any manorina ny laka

Fa misy Reny kosa e! tena fakan-tahaka
Ny vady aman-janany tsy avelany hihahaka
Tsara karakara, tena voakolokolo
Reny tonga lafatra, mahavelombolo

Misy Reny tena atao modely
Na toetra, na fitafy, eo koa lay tsiky kely
Mba tiana ho tahafin'ny rehetra
N'iza n'iza io tena tsisy fetra

Misy koa Reny tena mahafinaritra
Na bika, na fisaina tena hoe tsy aritra
Faniriana ny hitoizan'ny toy izany
Dia ho ampoka ny fahasambarana eto an-tany

Misy reny tena Reny
Raiso ny anatra omeny
aza avel' ho mahonena
fa Reny feno fahendrena
Dia ho tanteraka anie
Fa misy Reny... falibe.

tiary , MEY 29-2021 Faratsiho

26/05/2026

Tsy rakitra n'y ELA
Fa n'y omalin'i Betela
Misaotra ry Dadafara
Namintin' ho tantara

Indro fintina kely avy hatrany
Hiaka Sekoly Alahady oa tena mamy
Jereo kely ny Fifohazana
Soratra Masina ireo tena mazana
Ary ilay nifampisintona tady
Ny Dorkasy nandadilady
Fa mafy be ny SLK
Misy olona bokona be
Ilay mihinana m**o am-panidinana
STK mahay mifaninana
Lalovana kely vetivety
SAMPATI mahay mapanjono an-tanety
Dia nandalo Atoa Naivoson
Ilay tononkalo, dia tena"bon"
Dia natao ny "tirs au but"
VFL, nahazo azy ity
Tena tsy ampy ny lera
Misaotra re Pastera
Dia izao re tonga ao an-tsaina e
Tena tsara iny, mbola hatsaraina

Betela mialavoly Alatsinainy Pentekosta 25 Mey 2026Sary vitsivitsyNaneho fa tena nisyFITSANGATSANGANANA amoron-dranoTena...
25/05/2026

Betela mialavoly Alatsinainy Pentekosta 25 Mey 2026

Sary vitsivitsy
Naneho fa tena nisy
FITSANGATSANGANANA amoron-drano
Tena niainana fa tsy angano
Ranomasina lay resaka eto
Faly jiaby ts'isy sento
Isaorana Andriamanitra
Fa tena nahafinaritra
Sa tsy zany hoy ianao
Ndeha lazao sy tantarao!

Address

Fenoarivo Atsinanana
Fénérive-Est

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Betela Fenerive-Est posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share