Ecar Mb Cécile Bekopaka.

Ecar Mb Cécile Bekopaka. Paroisse

Nitsidika any Paroasy Sainte Cécile Bekopaka ny Masera lehiben'ny fikambanandry Masera Fo Masin'i Jesoa avy ao Raguse et...
06/10/2023

Nitsidika any Paroasy Sainte Cécile Bekopaka ny Masera lehiben'ny fikambanandry Masera Fo Masin'i Jesoa avy ao Raguse eto Madagascar 💥 Ny fikambanandry zareo moa no mikatroka aty amin'ny Distrika Ekar Bekopaka, ary nofaranana tamin'ny Visite Circuit Grand Tsingy de Bemaraha izany fitsidihana izany
Mankasitraka Mamera, makatelina fa ianareo ro tiankavana amin'ilay ohabolana tsika Malagasy iny.❤️
Soa nandroso dia ho soa miverina ho tantan'ilay Reny befitiavana 🙏♥️
Misaotra e roa 🙏

Lanonana arat-Scoutisme, fanokana ho faritra ny Distrika Ecar Bekopaka, Zay niarahana amin'ireo Ekipan'ny Diocèse avy an...
03/09/2023

Lanonana arat-Scoutisme, fanokana ho faritra ny Distrika Ecar Bekopaka, Zay niarahana amin'ireo Ekipan'ny Diocèse avy any Maintirano izay nanatanteraka lasy fiofanana hoan'ireo Tonia s'y mpanabe taty an-toerana.
Teo ihany koa ny fandraisana Sakramenta Batemy, kominio voalohany ary Confirmation hoan'ireo zandry izay notanterahin'ny Père Curé.
Izany moa dia nahazoana fahefana (délégation de pouvoir) avy @ Evaka

Ekar Tsaramasay ny Site any Diocèse tsika
10/07/2023

Ekar Tsaramasay ny Site any Diocèse tsika

12/06/2023

VAOVAO MOMBA NY DIOSEZIN'I MIARINARIVO

▶ Neken’ny Ray Masina Papa Fransoa ny taratasy fametraham-pialana nataon’i Mgr Jean Claude RANDRIANARISOA, Evekan’i Miarinarivo, hitsahatra amin’ny fitantanana ara-pastoraly io diosezy io.

▶ Notendren’ny Papa niaraka tamin’izany fanekena izany ihany koa ny Eveka hitantana vonjimaika ny diosezin’i Miarinarivo dia i Mgr Fabien RAHARILAMBONIAINA, Evekan’i Morondava ankehitriny sady filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara.

▶ Miombom-bavaka amin’ny vahoakan’ Andriamanitra tsivakivolo ao amin’ny diosezin’i Miarinarivo isika amin’izao lamina vaovao avy amin’ny Ray Masina izao.

Lakoran'i Madagasikara

30/05/2023

VAVAKA MARAINA🙏

Andriamanitra Rainay any an-danitra ô !
Misaotra Anao eram-po eran-tsaina izahay Tompo, nohon' ny fitantananao anay tamin' iny alina iny, sy nanomezanao anay izao tombon' andro izao, mba ahafahanay mihoby hatrany ny Anaranao Masina.
Koa : - midera Anao izahay;
- mankalaza Anao izahay;
- mitsaoka Anao izahay;
- mihoby ny Hasinao izahay;
- misaotra Anao izahay,
ry Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra, dia Anao avokoa ao amin'ny Fanahy Masina, ny haja amam- boninahitra, amin' ny taona rehetra mandrakizay.

Indro atolotro Anao amin'ity andro anio ity : ny vatako, ny fanahiko; ny fivavahako, ny faniriako; ny asako, ny fijaliako, dia akambako amin'ny Fijalian' i Jesoa Kristy Zanakao, ary hiarahako amin' ny Masina Maria Virjiny Reninay ny manolotr' izany, ho fanonerana ny fahotako...

Sakano aho anio tsy hanao ratsy ary arovy tsy ho azon' ny ankasomparan' ny demony, mba afahako manatanteraka ny Sitraponao Masina amin' ny fo mazoto... Misaotra Ray ô !

Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka Aminao, ao amin' ny Fanahy Masina, amin'ny taona rehetra mandrakizay.

AMEN !🙏❤️

Address

Bekopaka

Telephone

+261345810546

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ecar Mb Cécile Bekopaka. posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share