Soldat de Dieu Arivonimamo

Soldat de Dieu Arivonimamo Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Soldat de Dieu Arivonimamo, Religious organisation, Lot IVA 13, Arivonimamo.

Bon Sabbat...
06/05/2017

Bon Sabbat...

26/03/2017

Mofon’Aina T1 MAMPIASA NY
FOTOANA SY NY TALENTA HAFA
Sabotsy 25 Martsa 2017
AMBARAO NY FITIAVAN’I JESÔSY
Isa. 50:4 « Jehovah Tompo
nanome Ahy ny lelan'ny efa
mahay, mba hahaizako manao
teny hampahatanjaka izay reraka.
»
Manodidina antsika rehetra eny
dia misy fanahy tra-pahoriana.
Etsy sy eroa, hatraiza hatraiza, dia
mety hahitantsika azy. Aoka isika
hitady ireo olona mijaly ireo ka
hanao teny amin’ny fotoany
hampahatanjaka ny fony. Aoka
isika ho fantsona mandrakariva
izay ikorianan’ny rano
mamelombelon’ny fangoraham-
po.
Tokony hotsaroana eo amin’ny
fifandraisantsi ka rehetra fa misy
toko voatombo-kase tsy ho
hitan’ny mason’ny olombelona
mety maty ao amin’ny
fanandramana nataon’ny hafa.
Misy tantara mampalahelo izay
hambenana tsy ho hitan’ny maso
tia jerijery eo amin’ny takila
voasoratry ny fitadidiana.
Voarakitra ao ireo ady maharitra
sy mafy niaraka tamin’ny toe-
javatra nitarika fitsapana,
angamba korontana teo amin’ny
fiainan-tokantr ano, izay
mampihena isan’andro
isan’andro ny herim-po, ny
fitokiana sy ny finoana. Ireo izay
mitolona eo amin’ny adin’ny
fiainana noho ny tsy
fifankahazoana be dia azo
hatanjahina sy hampaherezina
amin’ny alalan’ny fikarakarana
madinidinika izay tsy mitaky afa-
tsy fiezahana feno fitiavana.
Amin’ny olona toy izany, ny
famihinan-tanan a mafy sy
mitondra fanampiana ataon’ny
tena sakaiza dia misy vidiny noho
ny volamena sy ny volafotsy. Ny
teny atao amim-pahalemem-
panahy dia irina tahaka ny
fitsikin’anjely .
Ao koa ireo vahoaka maro miady
amin’ny fahantrana, voatery
miasa mafy hahazoana karama
varimasaka, ary zara raha mba
mahazo izay farafahakeliny ilainy
ivelomana. Ny asa mafy sy ny tsy
fananana, tsy misy fihatsarana
azo antenaina, dia mahatonga ny
entany ho tena mavesatra.
Rehefa tovonan’ny fanaintainana
sy ny aretina dia mila tsy ho zaka
mihitsy ny vesatry ny entana.
Rotidrotiky ny ahiahy sy ny
fahorian-tsaina izy ary tsy
fantany izay itodihana
hitadiavana fanamaivanana.
Miraisa fo aminy eo amin’ny
fitsapana entiny, amin’ny
fahoriam-pony sy ny fahadisoam-
pana ntenany. Hampidanadana
lalana ho anao hanampianao azy
izany. Lazao azy ireo teny
fikasan’Andriam anitra,
mivavaha miaraka aminy sy ho
azy. Ampitsirio ao aminy ny
fanantenana (…).
Miaraha miasa aminy. Mameno
an’izao tontolo izao ny tsy
fahatokiana sy ny fankahalana, fa
ny mpianatr’i Kristy kosa dia
tokony hampiseho ny toe-tsaina
izay manjaka any an-danitra.
Mitenena amin’ny fomba ho
nitenenany, miasà amin’ny fomba
ho niasany. Asehoy mandrakariva
ny fahatsaran’ny toetra amam-
panahiny. Asehoy ny haren’ny
fahasoavana izay fototry ny
fampianarany rehetra sy ny
fifandraisany rehetra tamin’ny
olona. Ny mpiasa tsotra
indrindra, miara-miasa amin’i
Kristy, dia afaka mikitika tadin-
dokanga izay hamoaka feo
hanakoako hatrany amin’ny
faran’ny tany sy feo izay
hitambatra ho feon-kira
maharitra mandrakizay.” – TMF,
tt. 120, 121.

24/03/2017

Mofon’Aina T1 MAMPIASA NY
FOTOANA SY NY TALENTA HAFA
Zoma 24 Martsa 2017 AMPIASAO
TSARA NY TALENTAN’NY FITENY
Sal. 45:2. « Tsara tarehy noho ny
zanak'olombelon a hianao;
fahasoavana no naidina tamin'ny
molotrao; izany no
nitahian'Andria manitra anao
mandrakizay. ».
Raha misy fiezahana sy zotom-po
dia azon’ny olona rehetra atao ny
hamaky teny amin’ny fomba
ahazoana azy tsara, ny hiteny
amin’ny feo feno, mazava,
antonony, amin’ny fomba
miavaka sy manaitra. Ny
fanaovantsika izany dia mety
tena hahatonga ny fahitantsika
vokatra eo amin’ny maha-mpiasa
ho an’i Kristy antsika.
Ny Kristianina tsirairay dia
antsoina hampahalala amin’ny
hafa ny haren’i Kristy tsy hita
lany; noho izany dia tokony
hikatsaka ny fahatanterahana
izy eo amin’ny fitenenana.
Hampiseho ny tenin’Andriaman
itra amin’ny fomba izay
hahatonga ny mpihaino azy
hankasitraka izany izy. Tsy
notendren’Andri amanitra hanao
teny kivalavala ireo olombelona
ampiasainy ho fantsona. Tsy
sitrapony ny hampihenan’ny
olombelona na hanambaniany
ireo fitahiana mitosaka izay
mikoriana avy any an-danitra ho
main’izao tontolo izao amin’ny
alalany.
Tokony hijery an’i Jesôsy isika,
Ilay ohatra tanteraka, tokony
hivavaka isika hangataka ny
fanampian’ny Fanahy Masina, ary
amin’ny heriny dia tokony
hiezaka isika hitaiza ny sampana
rehetra eo amin’ny tenantsika
hanaovana asa tanteraka.
Marina indrindra izany ho an’ireo
izay nantsoina ho amin’ny
fitoriana am-pahibemaso. Ny
mpitoriteny rehetra sy ny
mpampianatra rehetra dia
tokony hitana ao an-tsaina fa
manome hafatra ho an’ny
vahoaka izy izay iankinan’ny soa
mandrakizay ho azy ireo. Ny
fahamarinana izay nambara no
hitsara azy amin’ny andro
lehiben’ny fanadihadiana farany.
Ary amin’ny olona sasany dia ny
fomban’ilay mpitory no
mahatonga fandraisana na
fandavana ny hafatra entiny.
Noho izany, aoka ny teny
holazaina amin’ny fomba mazava
hisarika ny saina sy hilatsaka ao
am-po. Tokony hiteny miadana,
mazava tsara ary amin’ny fomba
mampieritreritr a, nefa amin’ny
hafanam-po rehetra izay takin’ny
zava-dehibe lazaina.
Ny fanolokoloana tsara sy ny
fampiasana ny herin’ny
fitenenana dia tokony ho hita eo
amin’ny lafin’ny asa rehetra
ataon’ny Kristianina; miditra ao
amin’ny fiainan-tokantr ano
izany, ao amin’ny fifandraisana
rehetra amin’ny olona. Tokony
hanazatra ny tenantsika isika
hiteny amin’ny feo mahafinaritra,
hampiasa ny fiteny madio sy
mahitsy, ary hampiasa teny feno
halemem-panahy dia tahaka ny
ando sy ny ranonorana malefaka
ho an’ny fanahy. Ny Soratra
Masina dia milaza ny amin’i Kristy
fa fahasoavana no naidina
tamin’ny molony “mba hahaizany
manao teny hampahatanjaka izay
reraka.” – HF, tt. 345, 346.

21/03/2017

Mofon’Aina T1 MAMPIASA NY
FOTOANA SY NY TALENTA HAFA
Talata 21 Martsa 2017 MIARA-
MIASA AMINY HO FAMONJEM-
PANAHY
Apôk. 22:12. « Indro, avy
faingana Aho; ary eto amiko ny
famaliako, mba hamaliako ny
olona rehetra araka ny asany. »
Manara-maso ny talenta tsirairay
i Jesôsy Tompo, ary miandry
tombony avy amin’ireo renivola
nomeny hampiasaina. Efa
naloan’i Kristy tamin’ny
fampietrena sy ny fahoriana
niaretany ny vidin’ny famonjena
antsika, ary manan-jo hisitraka
ny fanompoantsika Izy. Ny
anarana hoe mpanompo dia efa
manondro ny fanaovana ny asa,
ny fivesarana ny andraikitra. Ny
fahaiza-manao ananantsika
rehetra, ny fotoantsika rehetra
dia efa nankinina tamintsika mba
hohatsaraintsik a amim-
pahendrena , ka hahazoan’i
Kristy ny tombony amin’izany.
Efa nisandratra avo ilay
Tompon’ny lanitra, ka nitondra
olona maro ho babo ary
nanolotra fanomezana ho an’ny
lehilahy sy vehivavy, dia ny
fahamarinana haren’ny lanitra
mba hambara amin’izao tontolo
izao. Inona no ampiasan’ny
tsirairay avy amintsika ireny
fanomezam-pahas oavana ireny,
sy ny talenta eo am-pelatanantsi
ka? Moa tahaka ny mpanompo
tsy manam-pahendren a sy tsy
mahatoky va isika, ka mandevina
ireny talenta ireny ao amin’izao
tontolo izao, dia ao amin’ny
toerana izay tsy hitondrany
vokatra ho an’Andriamanitr a?
Ilaina ny fahatokiana feno
fitandremana amin’ny
fanatsarana ireo talenta nomena;
satria ny talenta dia hitombo
arakaraka ny ampiasana azy ho
an’ny tombontsoan’ny
zanak’olombelon a sy ho
voninahitr’Andr iamanitra.
Ny fanahy tsirairay dia tokony
hikatsaka ny fanjakan’Andria
manitra sy ny fahamarinany
aloha. Tsy tokony holanintsika
amin’ny asa aman-draharahan
’izao tontolo izao ny herin-
tsaina, ny herin’ny taolana ary ny
herin’ny hozatsika; satria raha
manao izany isika, dia mampidi-
doza ho an’ny fiainantsika ara-
panahy, ka ho verintsika ny
fifaliana maharitra mandrakizay.
Ny tontolo tsy lavo iray
manontolo dia liana amin’ny asa
lehibe nahatongavan’i Jesôsy teto
amin’ny tontolo misy antsika, eny
fa na ny famonjena ny
fanahintsika aza. Moa tsy tokony
hiara-miasa amin’ny Mpamonjy
antsika ny olombelona mety
maty, ilay Mpamonjy izay niakatra
any an-danitra hanao
fanelanelanana ho antsika? Moa
isika tsy haneho faharisihana
manokana sy fahalianana feno
fanoloran-tena amin’ny asa izay
nomanina tany an-danitra mba
hotanterahina eto an-tany ho
tombontsoan’ny lehilahy sy
vehivavy maro? Moa isika izay
novidina tamin’ny ra sarobidin’i
Kristy ve handà tsy hanao ny asa
eo am-pelatanantsi ka – mandà
tsy hiara-miasa amin’ny
mpiasan’ny lanitra amin’ny asa
ho famonjena ireo lavo? Moa ve
isika tsy handeha na dia ho any
amin’ny faran’ny tany aza hamela
ny fahazavan’ny fahamarinana
nomena antsika avy any an-
danitra hamiratra eo amin’ireo
olombelona namantsika? - The
Review and Herald, January 24,
1893

20/03/2017

Mofon’Aina T1 MAMPIASA NY
FOTOANA SY NY TALENTA HAFA
Alatsinainy 20 Martsa 2017
MIASA AMIM-PAHATOKIAN A NA
AIZA NA AIZA
Rôm. 14: 12,13a. « Koa samy
hampamoahin'And riamanitra
ny amin'ny tenany avy isika
rehetra. Koa aza mifampitsara
intsony isika. »
Rehefa vitantsika izay azontsika
atao rehetra, dia aoka hihevitra
ny tenantsika ho mpanompo tsy
mahasoa ihany isika. Tsy misy
toerana ho an’ny fireharehana ao
amin’ny ezaka ataontsika; satria
isika dia miankina amin’ny
fahasoavan’Andr iamanitra isa-
minitra, ka tsy manana izay tsy
nomena antsika. Hoy i Jesôsy
hoe: “fa raha misaraka amiko
kosa hianareo, dia tsy mahay
manao na inona na inona.”
Tompon’andraiki tra amin’ireo
talenta nomen’Andriaman itra
antsika isika. Ny Tompo dia tsy
mandà ny mpanompo izay
nampitombo ny talentany ho avo
roa heny, dia ireo izay nanao
izany araka ny fahaiza-manao ao
aminy. Ireo izay maneho ny
fahatokiany, araka izany, dia azo
omena sitraka sy valisoa; fa ireo
izay midonana-poana ao amin’ny
tanim-boaloboka kosa, ireo izay
tsy manao na inona na inona, na
manao an-tsirambina ny asan’ny
Tompo, dia mampiseho ny tsy
fahalianany amin’ny asa izay
niantsoana azy, amin’ny asa
ataony (…) ny talenta izay
nomena azy mba ho
voninahitr’Andr iamanitra sy ho
famonjena fanahy dia nataony
tsinontsinona sy nampiasainy tsy
araka izay izy. Tsy tanteraka ny
soa tokony ho nataony
tamin’izany, ka tsy afaka handray
ny tombon’ny talentany ny
Tompo.
Aoka tsy hisy halahelo noho ny
tsy fananany talenta betsaka
hampiasaina ho an’ny Tompo.
Rehefa tsy faly sy
mimenomenona ianao, dia
manary fotoana sarobidy sy
mandanilany foana ny fotoana
fanararaotra izay lafo vidy tokoa.
Isaory Andriamanitra noho ny
fahaiza-manao anananao, ary
mivavaha mba hahefanao ireo
andraikitra napetraka taminao.
Raha maniry ny ho mpiasa
mahasoa kokoa ianao, dia
mandehana miasa ka rantovy
izay tsy anananao ka
mampalahelo anao. Mandehana
miasa amin’ny faharetana tsy
miovaova, ataovy izay tsara
indrindra vitanao, aza ankinina
amin’izay ataon’ny hafa izany.
“Koa samy hampamoahin’And
riamanitra ny amin’ny tenany avy
isika rehetra.” Aoka ny fisainanao
na ny teninao tsy hanao toy izao:
“Endrey, lehibe tokoa ny asa
nataoko! Tamin’izato na izatsy
toerana izatsy aho teo aloha!”
Ataovy ny adidinao any amin’izay
toerana misy anao. Ampiasao
araka izay tratranao ireo
fanomezam-pahas oavana
nankinina taminao any amin’ny
toerana rehetra izay hahatonga
ny asanao hankasitrahana
indrindra eo anatrehan’Andri
amanitra. Avelao ny
fimonomononana sy ny
fifandonana. Aza miasa ho
amin’ny fahalehibeazana . Aza
mitsiriritra ny talentan’ny hafa; fa
izany akory tsy hampitombo ny
fahaiza-manao hahafahanao
manao asa tsara sy lehibe.
Ampiasao amim-pahalemem-
panahy ny fanomezam-pahas
oavana anananao, amim-
panetren-t ena ary amim-
pinoana mahatoky ka miandrasa
mandra-pahatong a ny andro
fanadihadiana, ary amin’izay
fotoana izay dia tsy halahelo na
ho menatra ianao. - The Review
and Herald, May 1, 1888.

02/03/2017
27/02/2017

Mofon’Aina T1 IREO FITAHIANA
AVY AMIN’NY FANKATOAVANA
Alatsinainy 27 Febroary 2017
VALISOA EO NO HO EO SY
MAHARITRA
Deo. 11:18. « Koa alatsaho ao
amin'ny fonareo sy ao amin'ny
fanahinareo izao teniko izao, ary
fehezo ho famantarana eo
amin'ny tànanareo izy, ka aoka
ho fehy fampahatsiarova na eo
ambonin'ny handrinareo. »
Ireo teny ao amin’ny Deo.
11:13-28; 7:6-11 dia tokony ho
voasokitra mazava tsara ao
amin’ny fanahy tsirairay, tahaka
ny hoe nosoratana tamin’ny
penina vita amin’ny vy. Mitondra
ny valim-pitiany ny fankatoavana,
ny tsy fankatoavana kosa
mitondra ny famaizany.
Nomen’Andriaman itra
toromarika tsara ny olony, ary
nametraka fameperana tsara teo
anoloany Izy, mba ahafahan’izy
ireo hanana fanandramana
tanteraka eo amin’ny
fanompoana Azy, sy ho afaka
hijoro manoloana ny tontolo any
an-danitra sy manoloana ny
tontolo lavo amin’ny maha-
mpandresy azy. Tsy maintsy
mandresy noho ny amin'ny
ran'ny Zanak'ondry sy ny teny
filazana Azy izy ireo. Ireo izay tsy
manao ny fiomanana ho zavatra
iankinan’ny aina, dia hisaina
miaraka amin’ireo tsy misaotra sy
tsy manaja izay masina.
Entin’ny Tompo amin’ny lalana tsy
fantany ny olony, mba ahafahany
mitsapa sy misedra azy ireo. Ity
tontolo ity no toeram-pisedran a
antsika. Eto no anapahantsika
hevitra ny amin’ny hoavintsika
mandrakizay. Aetrin’Andriama
nitra ny olony mba
hahatanteraka ny sitrapony
amin’ny alalan’izy ireo. Tahaka
izany no nataony tamin’ny
zanaky ny Isiraely raha nitarika
azy ireo namakivaky ny tany
efitra Izy. Nolazainy tamin’izy ireo
ny ho fiafarany raha toa ka tsy
namelatra ny tanany mifehy ny
zava-drehetra teo amin’izay mety
ho nanimba azy ireo Izy. (...)
Mitahy ny asan’ny tanan’ny
olombelona Andriamanitra, mba
hamerenan’izy ireo Aminy ny
anjarany. Tokony hampiasain’izy
ireo amin’ny asany ny volany,
mba hahavanom-boa ny
tanimboalobony. Tokony
hoeritreretin’i zy ireo izay ho
nataon’ny Tompo, raha tahìny
teo amin’ny toerana nisy azy ireo
Izy. Tokony hoentin’izy ireo
amim-bavaka eo anatrehany ny
zava-manahirana rehetra.
Tokony haneho fahalianana tsy
misy fitiavan-tena eo amin’ny
fampiroboroboan a ny asany
any amin’ny faritra rehetra
eran’izao tontolo izao izy ireo. (...)
Aoka hotsaroantsika fa mpiara-
miasa amin’Andriamani tra isika.
Tsy ampy fahendrena mba
hiasana samirery isika.
Nataon’Andriama nitra ho
mpitantana isika, mba hisedrana
sy hitsapana antsika, tahaka ny
nisedrany sy nitsapany ny Isiraely
fahiny. Tsy tiany ny tafiny ho feno
miaramila tsy manara-dalàna sy
tsy nohamasinina ary miovaova,
izay hanaratsy endrika ny
firindrany sy ny fahadiovany. -
The Review and Herald, 8
Oktôbra 1901.

26/02/2017

Mofon’Aina T1 IREO FITAHIANA
AVY AMIN’NY FANKATOAVANA
Alahady 26 Febroary 2017 NY
VALISOAN'NY FANKATOAVANA
Deo. 26:17. « Efa nampiteny an'i
Jehovah hianao androany fa ho
Andriamanitrao Izy, ka handeha
amin'ny làlany sy hitandrina ny
lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny
hianao ary hihaino ny feony. »
Aoka isika ho mahatoky sy
marina amin’ny didy tsirairay
amin’ny lalàn’Andriaman itra.
Nilaza ny Tompo fa raha mankatò
ireo fitsipika amin’ny lalàny isika,
dia ho lasa fiainantsika ireo
fitsipika ireo. (...)
Tsy zavatra noforonin’ny
sain’olombelona na navoakan’i
Mosesy ireo didy amin’ny
lalàn’Andriaman itra.
Novolavolain’il ay Anankiray izay
manam-pahendren a tsy misy
fahataperany izany, dia Izy ilay
Mpanjakan’ny mpanjaka sy
Tompon’ny tompo, sy nambarany
avy teo an-tendrombohit ra
Sinay, tao anatin’ny sehon-javatra
lehibe sady mahatahotra.
Niankina tamin’ny fankatoavana
ireo didy ireo ny fanambinana
an’ny Isiraely.
“Tandremo sy araho amin'ny
fonao rehetra sy ny fanahinao
rehetra ireo.” Tsy
nomen’Andriaman itra antsika
ny didiny mba hankatoavintsik a
rehefa tiantsika, sy hataontsika
tsinontsinona araka izay
mahafinaritra antsika. Lalàn’ny
fanjakany io, ary tsy maintsy
harahin’ny olony. Raha mankatò
ny lalàny amin’ny fony rehetra ny
vahoakany, dia hisy fijoroana ho
vavolombelona mazava
hampitaina amin’izao tontolo
izao fa tena manome voninahitra
Azy amin’ny zavatra rehetra
ataony tokoa ireo izay lazainy fa
vahoakany, rakitra soa ho Azy. Ny
fahatokiana amin’Andriamani tra
sy ny fankatoavana tsy misy
fepetra ny lalàny dia hanao ny
olony ho fitalanjonana eo
amin’izao tontolo izao, satria
afaka hanatanteraka ireo teny
fikasana soa sy marobe nataony
tamin’izy ireo Izy, sy hanao azy
ireo ho antom-pihobiana eto
an-tany. Ho firenena masina ho
Azy izy ireo.
“Koa ankehitriny,” hoy
Andriamanitra, “raha hihaino ny
feoko tokoa hianareo ka
hitandrina ny fanekeko, dia ho
rakitra soa ho Ahy mihoatra
noho ny firenena rehetra
hianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
Dia ho fanjaka-mpisoro na sy ho
firenena masina ho Ahy
hianareo.” Mahatalanjona manao
ahoana re ny haben’ny teny
fikasan’Andriam anitra e! Ary
omena izay rehetra hihaino ny
Teniny, ka hino ny fanambaràny
sy hankatò ny didiny izany. Ny
fankatoavana ny lalàny no
fepetran’ny fahasambarana ho
avy sy mandrakizay. - The
Southern Watchman, 16 Febroary
1904.

25/02/2017

Mofon’Aina T1 IREO FITAHIANA
AVY AMIN’NY FANKATOAVANA
Mofon’Aina 25 Febroary 2017
ILAY TONGA LAFATRA AMIN’NY
FANKATOAVANA
Lio. 2:51. « Ary niara-nidina
taminy nankany Nazareta Izy ka
nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry
izany teny rehetra izany tao am-
pony. »
Rehefa feno roa ambin’ny folo
taona i Kristy, dia niaraka
tamin’ny ray aman-dreniny
nankany Jerosalema Izy, mba
hanatrika ny andro
firavoravoan’ny P***a. Very tao
anatin’ny vahoaka Izy raha
niverina tany aminy izy ireo.
Rehefa avy nitady Azy nandritra
ny hateloana i Josefa sy i Maria,
dia nahita Azy teo amin’ny
kianjan’ny tempoly, “nipetraka
teo afovoan'ny mpampianatra ka
nihaino sady nanontany azy. Ary
talanjona izay rehetra nandre Azy
noho ny fahalalany sy ny
famaliany.” Nametraka ny
fanontaniany tamin’ny
fahasoavana, izay nanaitra ireto
lehilahy avara-pianarana ireto,
Izy. Ohatra tonga lafatra ho an’ny
tanora rehetra Izy. Naneho
fiheverana sy fanajana
mandrakariva ny olon-dehibe Izy.
Tsy hitarika na oviana na ovina
ny ankizy iray ho tsy mahalala
fomba sy tsy mahay manaja ny
fivavahan’i Jesôsy.
Rehefa hitan’i Josefa sy i Maria i
Jesôsy, dia talanjona izy ireo: “ka
hoy ny reniny taminy: Anaka,
nahoana no nanao toy izany
taminay Hianao? He! izato
alahelon-draina o sy izaho nitady
Anao! Fa hoy Izy taminy:
Nahoana no nitady Ahy
hianareo?” Nanondro ny lanitra
Izy, ka nanohy hoe: “tsy
fantatrareo va fa tsy maintsy ho
eto an-tranon'ny Raiko Aho?”
Raha nilaza ireo teny ireo Izy, dia
hita taratra teo amin’ny maha-
olombelona ny maha-
Andriamani tra.
Nampamirapiratr a ny tavany ny
fahazavana sy ny voninahitry ny
lanitra. (...)
Tsy nisahana ny asany
ampahibemaso nandritra ny valo
ambin’ny folo taona taorian’io i
Kristy, saingy niasa tsy ankiato ho
an’ny hafa Izy, nanatsara ny
tombony fanararaotra tsirairay
natolotra Azy. Na dia tamin’ny
fahazazany aza dia nanonona
teny mamy mampahery tamin’ny
tanora sy ny lehibe Izy. Tena
nomarihin-dreni ny avokoa ny
teniny sy ny toe-tsainy ary ny
fankatoavany feno
fahavononam-po ny fitakiany
rehetra.
Tsy marina ny filazana, araka izay
nambaran’ny mpanoratra maro,
fa tahaka ny ankizy rehetra i
Kristy. Tsy tahaka ny ankizy
rehetra Izy. Ankizy maro no diso
lalana sy tsy voafehy. (...)
Fanabeazana nifanaraka tamin’ny
toetra masin’ny iraka
notanterahiny no azon’i Jesôsy.
Nitondra fifaliana tsy ankiato ho
an’ny ray aman-dreniny ny
fironany ho amin’ny tsara. Ireo
fanontaniana napetrany tamin’izy
ireo dia nitarika azy ireo hianatra
amim-pahamatora na kokoa ireo
singa lehibe amin’ny
fahamarinana. Nanokatra sy
nampahazava ny sain’izy ireo
ireo teny nampihetsi-po momba
ny natiora sy ny Andriamanitry ny
natiora. - Youth’s Instructor, 8
Septambra 1898.

Mirary sabata feno fifaliana ho anao ....
24/02/2017

Mirary sabata feno fifaliana ho anao ....

24/02/2017

Mofon’Aina T1 IREO FITAHIANA
AVY AMIN’NY FANKATOAVANA
Zoma 24 Febroary 2017
TANTERAKA NY
LALÀN’ANDRIAMAN ITRA
Sal. 19:7,8. « Tsy misy tsiny ny
lalàn'i Jehovah, mamelombelona
ny fanahy; mahatoky ny teni-
vavolombel on'i Jehovah,
mahahendry ny kely saina.
Mahitsy ny fandidian'i Jehovah,
mahafaly ny fo; madio ny didin'i
Jehovah, mampahazava ny maso.
»
Ilay Jesôsy voasarona tao anaty
andrirahona, izay nitarika ny
vahoaka hebreo, Izy ihany no
mbola mpitarika antsika. Ilay
nanome lalàna feno fahendrena
sy marina ary tsara ho an’ny
Isiraely dia niteny marimarina
tamintsika, tahaka ny nitenenany
taminy koa. Miankina amin’ny
fankatoavantsik a tsy azo
hozongozonina ny
lalàn’Andriaman itra ny
firoboroboantsi ka sy ny
fahasambarantsi ka. Tsy afaka
hanatsara ny didy iray amin’io
lalàna masina io ny
fahendren’olomb elona voafetra.
Vao ny iray amin’ireo didy folo
ireo no dikaina, dia efa tsy
fahatokiana amin’ilay
Andriamanitry ny lanitra izany.
Tena zava-dehibe amin’ny
fahasambarantsi ka sy amin’ny
fahasambaran’ir eo rehetra
mifandray amintsika ny
fitandremana ny litera tsirairay sy
ny tendron-tsoratr a tsirairay
amin’ny lalàna. “Be fiadanana
izay tia ny lalànao, ary tsy misy
mahatafintohina azy.” Kanefa
dia hasehon’ny voary voafetra
amin’ny olona ho toy ny
ziogan’ny fanandevozana – zioga
izay tsy vitan’izy ireo ny hitondra
azy – io lalàna masina sy mahitsy
ary marina io! Ny mpiodina no
tsy afaka hahita fahatsarana ao
anatin’ny lalàn’Andriaman itra.
Hotsaraina amin’io lalàna io
avokoa izao tontolo izao.
Mahasahana hatramin’ny
fisainana sy ny tanjon’ny fo izany,
ary mitaky fahadiovana eo
amin’ny eritreritra sy ny faniriana
ary ny toetra miafina indrindra.
Mitaky antsika ny hitia
an’Andriamanitr a voalohany
indrindra izany, sy ny hitia ny
namantsika tahaka ny tenantsika.
Raha tsy ampiasaina io fitiavana
io, dia ho fihatsaram-bela tsihy
fotsiny ihany na dia ny fiaikem-
pinoana ambony indrindra aza.
Mitaky fankatoavana tanteraka ny
lalàny amin’ny fanahy tsirairay
amin’ny fianakaviamben’ ny
olona Andriamanitra. “Fa na iza
na iza mitandrina ny lalàna
rehetra, nefa diso amin'ny iray
loha, dia meloka amin'izy
rehetra.”
Na dia ny fialana kely indrindra
amin’io lalàna io aza, noho ny
tsirambina na noho ny fandikana
izany amin’ny nahim-po, dia
fahotana, ary mampihanjahanja
ny mpanota amin’ny
fahatezeran’And riamanitra ny
fahotana tsirairay. Hankahala ny
fameperana ao amin’ny
lalàn’Andriaman itra ny fo tsy
nohavaozina, ary hiezaka ny
handà ireo fitakiany masina. Ny
fahasambarantsi ka rahatrizay
dia miankina amin’ny
fahatakarantsik a araka ny
tokony ho izy ny lalàn’Andriaman
itra, sy ny faharesen-dahat ra
lalina ananantsika manoloana ny
toetrany masina, ary ny
fankatoavana feno
fahavononana ny fitakiany. Tsy
maintsy resy lahatra ny amin’ny
fahotana ny olona vao hahatsiaro
fa mila an’i Kristy izy. (...) Ireo izay
manitsakitsaka ny
lalàn’Andriaman itra dia nandà
ny fomba tokana hamaritana
amin’ny mpiodina ny hevitr’izany
hoe fahotana izany. Manao ny
asan’ilay mpamitaka lehibe izy
ireo. - The Signs of the Times, 3
Martsa 1881.

Address

Lot IVA 13
Arivonimamo
112

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Soldat de Dieu Arivonimamo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Soldat de Dieu Arivonimamo:

Share