FJKM Arivonimamo Maritiora Fitiavana

FJKM Arivonimamo Maritiora Fitiavana Vaovaon'ny fitandremana Arivonimamo Maritiora Fitiavana

29/08/2026
Isaorana ny Tompo, notanterahina ny Alahady 02 Aogositra 2026 lasa teo ny alahadi'ny Zanaka am-pielezana FJKM Arivonimam...
08/08/2026

Isaorana ny Tompo, notanterahina ny Alahady 02 Aogositra 2026 lasa teo ny alahadi'ny Zanaka am-pielezana FJKM Arivonimamo Maritiora Fitiavana. Ankasitrahina ny Filoha, ny Birao ary ny ireo zanaky ny Fiangonana any am-pielezana tonga maro be, niara-niomom-bavaka tamin'ireo krisitiana taty an-toerana.
Isaorana izy ireo tamin'ny fanolorana ny vokatra, tolo-tànana, ho fanohanana ny asan'Andriamanitra: ezaka fanorenana ny trano hoan'ny mpiandry fiangonana sy ny fikarakarana ny Sekoly Lycée privé Johnson.
HOAN'ANDRIAMANITRA IRERY NY VONINAHITRA

Mirary soa hoanareo zandry zanaka, hanala ny fanadinana bakalorea, manomboka amin'ny Alatsinainy 20 Jolay ho avy izao. J...
17/07/2026

Mirary soa hoanareo zandry zanaka, hanala ny fanadinana bakalorea, manomboka amin'ny Alatsinainy 20 Jolay ho avy izao. Jesoa Kristy anie homba sy hitahy anareo. Mirary soa torak'izany ihany koa ho anareo Ray aman-dreny, tahin'Andriamanitra. Mifampivavaka.
"Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao" Nom 6:24

"Raha mitolona ady sarotraMatokia fa tsy ho ireryHomba anao Jesoa maheryHomba anao tsy miady varotra" FFPM 731: 4Mirary ...
08/07/2026

"Raha mitolona ady sarotra
Matokia fa tsy ho irery
Homba anao Jesoa mahery
Homba anao tsy miady varotra" FFPM 731: 4
Mirary soa hoan'ireo ankizy rehetra miatrika ny fanadinam-panjakana BEPC. Jesoa Kristy tia zaza anie homba sy hitahy. Mahereza, mifampivavaka hatrany.

29/05/2026

Toa izao izahay AMAFI rehefa midera, mifaly sy mikorana.

Toy ny fanao isan-taona, dia notanterahina ny Alatsinain'ny Pentekosta 25/05/26 lasa teo, teny Andranitana-Arivonimamo n...
29/05/2026

Toy ny fanao isan-taona, dia notanterahina ny Alatsinain'ny Pentekosta 25/05/26 lasa teo, teny Andranitana-Arivonimamo ny fitsangatsanganan'ny Fiangonana FJKM Arivonimamo Maritiora Fitiavana, niarahan'ny Mpitandrina mianakavy sy ireo kristiana tsy ankanavaka, tonga maro be. Natomboka tamin'ny fanompoam-pivavahana ho fisaorana an'Andriamanitra ny fotoana. Ny masoandro nody no nampalahelo, fa dia tena nahazo fahafinaretana tandrify azy ny rehetra, ary nalai-nisaraka.
Eto dia maneho fisaorana ny Mpitandrina mivady, ny biraon'ny fitandremana, ny FDL, ny sampana velona rehetra, ny vaomiera SOSIALY, sy ireo rehetra nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka ny fanatontosana iny fitsangasanganana iny.
Dia amin'ny herintaona indray e!
HOAN'ANDRIAMANITRA IRERY NY VONINAHITRA

Address

Arivonimamo Afovoany
Arivonimamo
112

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Arivonimamo Maritiora Fitiavana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to FJKM Arivonimamo Maritiora Fitiavana:

Shortcuts

Share

Category