24/06/2026
๐ ๐ฌ๐ ๐ฌ๐ฏ๐ ๐ซ๐ ๐ง๐ค๐ซ๐ฎ ๐
โ
๏ธ Nanambara i Panankato ๐ง๐ฆ๐ฌ ๐๐ ๐ฃ๐ฌ ๐ฉ๐๐ฆ๐ฆ fa tsy hamafa ilay hira izay ahitana fanimbazimbana ny Anaranโi ALLรH.
Tsy misy fiantraikany aminโny Maha-Tompo sy ny Voninahitrโi ALLรH velively ny teny na fihetsika ataonโolombelona. ALLรH dia ambony lavitra noho izay fanaratsiana, fanimbazimbana na fanamaivanana rehetra.
Ny nahatonga anay naneho hevitra sy nitsangana dia tsy satria mila fiarovana avy aminโolombelona i ALLรH, fa satria adidinโny mpino Islamo ny manaja sy miaro ny hasinโny Anaranโi ALLรH ary maneho ny tsy fankasitrahany rehefa misy zavatra manohina izany.
๐ข Ya Allรขh... mangirifiry ny fo rehefa mahita ny Anaranao Masina, izay derainโny anjely sy ny mpino manerana izao tontolo izao, nefa mbola misy sahy manamaivana sy manimbazimba Azy.
๐ Mampitomany sy mampalatsa-dranomaso ny mahita izany. Indrindra rehefa efa nampahatsiahivina ny fahadisoana, nefa mbola misafidy ny hiziriziry aminโizany ihany.
๐คฒ Oh Ry ALLรH รด, ankininay Aminao ity raharaha ity. Ianao no mahalala ny alahelonโireo mpino Islamo sy ny ranomasonโireo tia sy manome voninahitra ny Anaranao Masina.
โ
๏ธ Raha misy tsara ao am-pony dia tariho ho aminโny fahamarinana sy ny fibebahana izy. Ary raha miziriziry aminโny hadisoana izy, dia Ianao no Mpitsara marina indrindra.
๐ Ampy ho anay i Allรขh ary Izy no Mpiaro tsara indrindra.
๐ ๐ ๐ซ๐ซ๐ ๐ง๐ฎ ๐ ๐ช๐ก๐ ๐ฑ ๐ ๐ ๐ซ๐ซ๐ ๐ง๐ฎ ๐ ๐ช๐ก๐ ๐ฑ ๐ ๐ ๐ซ๐ซ๐ ๐ง๐ฎ ๐ ๐ช๐ก๐ ๐ฑ
๐คฒ Enga anie Allรขh hiaro ny Hasinโny Anarany sy hampiorina antsika aminโny fahamarinana. รmรฎn.
๐ ๐ซ๐๐๐รจ๐๐พ ๐จ๐๐
๐บ๐๐๐๐๐พ โ ๐ฑ๐บ๐๐๐พ๐
& ๐ ๐ผ๐๐๐บ๐
๐๐รฉ๐ ๐ฐ