FJKM Tanambao Antsiranana

FJKM Tanambao Antsiranana FJKM TANAMBAO RAFARALAHY ANDRIAMAZOTO ANTSIRANANA

🎉🙏 **FANKALAZANA NY FAHA-60 TAONAN’I PASTEUR RIVO ARISON** 🙏🎉📍 **Diego-Suarez – Antsiranana**« **Misaora an’i Jehovah, r...
28/08/2026

🎉🙏 **FANKALAZANA NY FAHA-60 TAONAN’I PASTEUR RIVO ARISON** 🙏🎉

📍 **Diego-Suarez – Antsiranana**

« **Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko.** »
📖 Salamo 103:2

Tao anatin’ny hafaliana lehibe, fankasitrahana ary fanantenana no nankalazana ny faha-60 taonan’i **Pasteur RIVO Arison**. 🎂🎉

60 taona niainan’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fitahiany. Isaorana ny Tompo noho ny fiainana sy ny fahatokiany mandraka androany. 🙏❤️

📸 Ireto misy sary maneho ireo fotoana feno hafaliana, firaisankina ary fitiavana niarahan’ny fianakaviana, ny mpiray finoana, ny mpiara-miasa ary ny namana.

**Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra!** 🙌✨

27/08/2026
27/08/2026

« Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko » — Salamo 103:2

Faly miarahaba an’i Pasteur Rivo Arivo, izay feno 60 taona androany, 27 Aogositra 2026. 🎉🎂

Ao anatin’ny hafaliana lehibe no ankalazana izany tsingerin-taona izany eto Diego Suarez Atsirananana. Faly miarahaba sy miara-mifaly aminy ny fianakaviana, ny mpiray finoana, ny mpiara-miasa ary ireo namana rehetra izay nasaina sy tonga nanotrona izao fotoana manan-danja izao.

Araho eto amin’ny pejy tsy ho ela ny sary rehetra mirakitra izany fotoana feno hafaliana izany. 📸

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra! 🙏

08/06/2026

FANDISOANA NY FANAZAVANA NENTIN’NY SEKRETERA JENERALIN’NY FJKM MAHAKASIKA NY RAHARAHA FJKM TANAMBAO RAFARALAHY ANDRIAMAZOTO ANTSIRANANA
"Fa ny marina no hahafaka anareo tsy ho andevo." (Jaona 8:32)
https://www.facebook.com/reel/872962062507129

07/06/2026

Toy izao ny hamaroan’ny mpanompon’Andriamanitra ao amin’ny FJKM Tanambao, izay miray hina sy mifanohana ao anatin’ny firaisankina sy ny finoana.

07/06/2026

Ao amin'ny Lioka 22:31, i Jesoa dia mampitandrina an'i Simona Petera fa misy ady ara-panahy lehibe hatrehiny sy ny mpianatra hafa.

"Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary."

Ny hoe “hokororohiny toy ny vary” dia sary maneho fitsapana mafy, toy ny fanasarahana ny vary amin’ny akofa. Midika izany fa tian’i Satana hosedraina sy hampihontsona ny finoan’ny mpino mba hampahalemy azy ireo.

Ny hafatra lehibe dia hoe:
- Misy tokoa ny ady ara-panahy atrehan'ny mpino.
- Miezaka mandrakariva i Satana hampihontsona ny finoan'ny olona.
- Fantatr'i Jesoa mialoha izany ary manampy sy mivavaka ho an'ny mpino mba tsy ho resy.

Noho izany, antso ho amin'ny faharetana, fahamailoana ary ny fitoerana ao amin'i Kristy io andininy io, satria eo anivon'ny fitsapana rehetra dia mbola miaraka amin'ny mpino hatrany ny Tompo. 🙏📖

ALAHADY 07 JONA 2026Isaorana ny Tompo fa tanteraka soa aman-tsara ny fanompoam-pivavahana androany izay notarihin’i Mpit...
07/06/2026

ALAHADY 07 JONA 2026

Isaorana ny Tompo fa tanteraka soa aman-tsara ny fanompoam-pivavahana androany izay notarihin’i Mpitandrina ISAIA Marcel. Maherin’ny 2 200 (roanjato sy roa arivo) ireo mpiangona tonga nanatrika izany, ka hita taratra hatrany ny fifankatiavana, ny firaisankina ary ny faharetan’ny fiangonana ao anatin’ny finoana.

Amin’ny maha Alahady voalohany amin'ny volana androany dia nisy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Tao anatin’ny hafatra sy fampianarana, dia nasongadin’i Mpitandrina ISAIA fa mety ho azon’olombelona akatona ny tranom-piangonana, saingy tsy misy afaka manakana na manakatona ny fiangonana velona tarihin’ny Fanahy Masina. Nampahatsiahiviny ihany koa ny maha zava-dehibe ny faharetana sy ny fitoerana ao amin’i Jesoa Kristy, satria miasa mafy ny Satana mba handrava ny vahoakan’Andriamanitra.

Nentina am-bavaka manokana sy notsofin-drano ireo ankizy hiatrika ny fanadinana CEPE, mba hotarihin’Andriamanitra sy hahazo fahombiazana amin’izany.

Alahady niavaka indray izany ho an’ny fiangonana, izay naneho mazava fa na eo aza ny sedra lalovana dia mbola velona sy mijoro amin’ny finoana ny vahoakan’Andriamanitra.

Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany! 🙏✨

LOHAHEVITRA JONA - 2026
01/06/2026

LOHAHEVITRA JONA - 2026

🌷 MIRARY FETY SAMBATRA HOAN'IREO RENY REHETRA 🌷Mankasitraka sy manome voninahitra ireo reny rehetra izahay amin’izao and...
31/05/2026

🌷 MIRARY FETY SAMBATRA HOAN'IREO RENY REHETRA 🌷

Mankasitraka sy manome voninahitra ireo reny rehetra izahay amin’izao andro manokana izao. Ho tahin’ny Tompo anie ianareo noho ny fitiavana sy ny fahafoizan-tena asehonareo isan’andro.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra. AMEN !✨💐

ALAHADY 31 MEY 2026Isaorana ny Tompo fa tanteraka soa aman-tsara ny fanompoam-pivavahana androany. Nahatratra 1800 ireo ...
31/05/2026

ALAHADY 31 MEY 2026

Isaorana ny Tompo fa tanteraka soa aman-tsara ny fanompoam-pivavahana androany. Nahatratra 1800 ireo mpiangona tonga nanatrika izany, ka hita taratra hatrany ny fifankatiavana, ny firaisankina ary ny faharetan’ny fiangonana ao anatin’ny finoana.

Nandritra izany ihany koa no nanolorana fiarahabana manokana ho an’ireo reny rehetra noho ny fankalazana ny Fetin’ny Reny. ❤️🙏🏻

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra irery ihany! ✨🙏🏻

Address

Tanambao
Antsiranana

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Tanambao Antsiranana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to FJKM Tanambao Antsiranana:

Shortcuts

Share